INONA NO ATAO HOE "OLONA MASIAKA"

1. ni81 ( 30/08/2009 08:20)
Samy manana ny fomba fandraisany sy filazany ary fiheverany azy io teny hoe MASIAKA io ny tsirairay.
Misy ilay atao hoe masiaka "méchant" ary misy koa ilay masiaka "sévère".
Dia lazao ny hevitrareo ary e!
novalian'i dailynews ny 27/12/2009 23:26
2. fahamarinana ( 30/08/2009 08:26)
:arrow: ni :Tsy dia haiko loatra ilay tena famaritana azy an araka ny boky na fandalinan'ny manam-pahaizana ,ny fandraisako azy manokana dia tahaka izao ary mety ho diso fandray aza aho ! :wink:
Masiaka(méchant ) : ilay fahasiahina sy faharatsiam-panahy mifangaro,amin'ny tsy antony fa hatezerana tsy voafehy !
Masiaka(sévère) : Toetran'olona te hanana ny tsara ,azo lazaina hoe tsy fahatokisan-tena dia mangataka zavatra betsaka atao porofo,atao fanomezan-toky ,na koa diso tia ny faratampony sy lafatra hany ka lasa tafahoatra amin'ny hataka ! Ao anatin'io sokajy iray io aho :^) ! ! Isany toetra ratsy koa anefa satria tsy azo iaraha-miaina ! :lol: (l)
3. tywa68 ( 30/08/2009 08:44)
Ni81 > masiaka ilay olona rhf mafy fiteny sy fihetsika nefa tsy mazava ny antony.
Mety harerahana, mety fatahorana, mety io tsy fahatokisan-tena lazain'i Fahamarinana io.
Zany no antony tsy maintsy hifidianana tsara teny ampiasaina mba arakarak'ilay olona mandray azy sy ny contexte fa tsy hitefotefoka foana. :lol:
Tsy ny olona entitra sy matotra rhtra akory no masiaka : indray2 koa manko ilay olona mandray azy ho masiaka diso fijery na nanantena zavatra hafa. :wink:
4. fahamarinana ( 30/08/2009 09:57)
tywa:
Tsy ny olona entitra sy matotra rhtra akory no masiaka : indray2 koa manko ilay olona mandray azy ho masiaka diso fijery na nanantena zavatra hafa

:arrow: io koa mitombina tanteraka !
Dia mety samy hanana ny famaritany azy tokoa o ! :) (l)
5. ni81 ( 30/08/2009 10:49)
hita ireo ny hevitr'i tywa sy faha, dia aleo hiandry ny hevitra manaraka indray ary isika e!
6. ikaretsaka ( 30/08/2009 13:22)
Iraisako hevitra I tywa sy faha
7. Koditra ( 30/08/2009 16:25)
Za ko.
8. fahamarinana ( 30/08/2009 16:43)
:arrow: ary Koditra sy ika da fetsy da fetsy an,tsa mety hiteny fa miray hevitra monja ! :-D :-P (l)
9. Koditra ( 30/08/2009 18:29)
Fahama : vao namaky lay lohahevitra defa reo nosoratanao reo mitsy no tao antsaiko ko! :lol:
10. fahamarinana ( 30/08/2009 18:33)
:arrow: ka hoe miandry ny hevitra hafa manaraka indray hoy i ni81 kouh ngaha ! :-P (l)
11. Ahton ( 30/08/2009 20:16)
Misy ny masiaka be ronono, misy ny entitra misy ny sakay kely rano
12. ni81 ( 30/08/2009 20:36)
ny sakay kely rano
ireny koa no tena tsy azo hiaraha-monina :o
13. ni81 ( 31/08/2009 06:31)
Ni81 > masiaka ilay olona rhf mafy fiteny sy fihetsika nefa tsy mazava ny antony
ary raha ambarany ny antony, nefa ilay antony tsy mety amiko fa mety aminy dia ahoana? :) Tsy voatery aho ange hanaiky sy hanaraka izay tiany e?
14. fahamarinana ( 31/08/2009 06:44)
:arrow: azavao amiko ilay"sakay kely rano" fa somary tsy azoko aloha hoe ! :) (l)
15. ni81 ( 31/08/2009 07:26)
azavao amiko ilay"sakay kely rano" fa somary tsy azoko aloha hoe
eo imaso eo izy dia tsara resaka amin-dry ery, ohatran'ny tsy misy toa azy ireny mihitsy raha hatsaram-po sy fanahy, nefa rehefa any ambadika dia mitsikera sy manaratsy an-dry tsy misy toy izany...
16. xxx ( 31/08/2009 11:18)
ni81:

azavao amiko ilay"sakay kely rano" fa somary tsy azoko aloha hoe
eo imaso eo izy dia tsara resaka amin-dry ery, ohatran'ny tsy misy toa azy ireny mihitsy raha hatsaram-po sy fanahy, nefa rehefa any ambadika dia mitsikera sy manaratsy an-dry tsy misy toy izany...


Io ilay be fosafosa fa tsy voatery ho masiaka ny fifosana fa hadalan'ny vehivavy io matetika.Avy @ fialonana na te hitsikera fahatany io.

Hadinonareo ny "mesquinerie" io no tena ratsy fa na dia "méchant" aza ilay olona dia leoleo ihany fa raha "mesquin" izy dia feno "mauvaise foi".
Eto izao dia feno mesquin nefa mody hoe namana aho e!!! Mampalelo be aho eee! Ampio aho eee!
:-D :-D :-D
17. ni81 ( 31/08/2009 11:45)
Io ilay be fosafosa fa tsy voatery ho masiaka ny fifosana fa hadalan'ny vehivavy io matetika. Avy @ fialonana na te hitsikera fahatany io
Ny lehilahy koa misy mifosa ka! Dray, rehefa nisy vehivavy nambakainy tany ho any tahaka ny inona no fiedinediny mitantara @ namany?
Fa ilay noresahiko teo aloha io amiko dia fahasiahana ihany!
Izaho ve zao minamana @ fahamarinana dia eo imasony aho milaza fa tiako be akia ny paozin-dry ohatra; dia avy eo aho handeha ho any @ tywa indray hilaza hoe: dain! mba haratsian'izay paozin'olona koa akia ity i faha! Masiaka izany amiko. Sakay kely rano...
Maninona aho raha mangina fotsiny (raha toa ka tsy azoazoko ny paoziny?) satria tsy voatery hitovy ny goût ange e!
18. Ratoa ( 31/08/2009 11:56)
masiaka méchant: ilay olona mitrerona na mibedy be diso tafahoatra ary miaro aratsiam-panahy sy latsalatsa na levilevy ny famaizana ataony;
ny masiaka be ronono manao ny marina. Tena mibedy , manitsy manafay raha tena misy ny fahadisoana tsapany fa tokony ahitsy; mora mamela heloka anefa izy ary manome fitiavana ihany koa. Hainy ny mankasitraka ny soa atao fa tsy mikipy maso amin'ny adalana tokony ahitsy izy.
Ny sakay kely rano (ilay hanina) tena masiaka dia masiaka fa misy sakay mamimamy tsy dia masiaka. Ilay olona atao hoe sakay kely rano izany dia ilay olona masiaka dia masiaka, mitady ny maha tonga lafatra izay atao rehetra, hatramin'izay kely indrindra (mitsingoloka) sy ny olona manao zavatra. Manafay io, mikapoka, mibedy fa ara-drariny ihany. Tsy mandatsy izy fa manaja tsara ny tsirairay: masiaka très sévère. Izay tena mahasoa ny fiaraha- monina no katsahiny.
19. xxx ( 31/08/2009 12:11)
ni81:

Io ilay be fosafosa fa tsy voatery ho masiaka ny fifosana fa hadalan'ny vehivavy io matetika. Avy @ fialonana na te hitsikera fahatany io
Ny lehilahy koa misy mifosa ka! Dray, rehefa nisy vehivavy nambakainy tany ho any tahaka ny inona no fiedinediny mitantara @ namany?
Fa ilay noresahiko teo aloha io amiko dia fahasiahana ihany!
Izaho ve zao minamana @ fahamarinana dia eo imasony aho milaza fa tiako be akia ny paozin-dry ohatra; dia avy eo aho handeha ho any @ tywa indray hilaza hoe: dain! mba haratsian'izay paozin'olona koa akia ity i faha! Masiaka izany amiko. Sakay kely rano...
Maninona aho raha mangina fotsiny (raha toa ka tsy azoazoko ny paoziny?) satria tsy voatery hitovy ny goût ange e!


Iny fosa iny dia ny fialonana e! Vehivavy io matetika. ny lehilehy koa mifosa fa zavatra hafa no fosainy. Ny paozy dia hovaina rahampitso ka raha mialona izy anio dia hialona koa izy rahampitso
:-D :-D :-P
20. xxx ( 31/08/2009 12:14)

Fa na izany aza dia misy olona masiaka sy mila vanona fotsiny fa tsy misy antony afatsy ny sainy no voa! Mila ady hono fa niresaka t@ zanany ianao, na ny vadiny , na ratsy ny andro, na nanao sipa ny zanany ka tsy zakany, na i anona nanao jery litsivalana, na ny zipony rovitra ka mila zairinaeeee! 8) 8) 8) :-D :-D :-D :-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6271