Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy

81. rzakarivola ( 04/09/2009 09:16)
ikaretsaka:
Samy manana ny fandonany azy io ko...ny ahy zavatra mazava sy hita maso. Sy sense ho tsapany fa odiany fanina no andonako azy... fa tsy zavatra obscur hoe devoly sns

==> I Jesoa tokoa aloha indray mandeha monja no voasoratra niteny ny devoly t@ireo mpanenjika azy e.

ikaretsaka:
Aza adino fa I jesoa tsy nitsanga menatra namely sy nandona mafy ny farisianina rehefa tsy nety ny nataony an..ary nantsoiny t@ karazan'anarana mihitsy aza ry zareo ...

==> Ny farisiana koa nandona mafy an'i Jesoa sady namandrika azy no ... namono azy mihitsy no niafarany.
Dia miverina eto @tsika ny tantara 2000 taona lasa izany, miseho @ taranaky ny farisiana sy ny taranak'i Jesoa. Ny mety hanahirana ny mpitazana dia hoe : iza @ireto mifandona ireto no taranaky ny farisiana ary iza no taranak'i Jesoa ? I Jesoa mahalala ny valiny. Ny farisiana koa afaka hahalala raha mitsara marina ny teniny.

ikaretsaka:
fa midika ve izany fa tsy tiany ny farisianina? Tsy misy mahalala ny valiny!

==> Na dia i Jesoa aza ve tsy mahalala ny valiny ? Izay mino an'i Jesoa dia samy mahafantatra fa tena tian' Andriamanitra izao tontolo izao ka nomeNy ny ZanaNy Lahitokana ... ary izay mino Azy dia tsy ho very fa hanana fiainana mandrakizay.
82. rzakarivola ( 04/09/2009 11:37)
niryna:
hay va re e ,ny anay dia nampianarina izahay hoe ... , manetritena,

==> Io manetry tena io tena tsy haiko @ maha izaho ahy mihitsy. Nisy fotoana nanontaniako hoe
1- \"ahoana no fomba atao mba hanetrena tena?\". Dia izao no valiny tonga hoe
--> \"vonoy ny maha ianao anao\".
Ahoana no amonoako ny maha izaho ahy ? Dia hoy i Paoly hoe
--> \"Aoka ny asan\'ny Fanahy no amonoanareo ny asan\'ny nofo\"
Inona no asan\'ny Fanahy ? Ity no tsy hitako ny valiny fa ny vokatry ny Fanahy no hitako avy hatrany, kanefa ahoana no hahazoako vokatra raha tsy ny asaNy aloha no fantatro ? Ampio aho niryna eto ah.

niryna:
ok avereno aty amiko raha misy tsy mifanaraka ny eritreritrao ny teniko :-*

==> Raha mbola araka an\'i Kristy ny tenin\'i niryna dia mifanaraka foana isika. Tsara mihitsy koa ilay fitiavana notenenin\'i Paoly ao @ [I Korintiana 13] iny.

niryna:
Raiso ity fa tenin\'ny mpirahavavy ao amin\'ny tompo, jereo, diniho, lalino ambony ambany, vakio ny tenin\'Atra fa ny marina no anafaka antsika amin\'ny fatotry satana sy fahotana rehetra.

==> Ity fahendrena iray ity matetika no hadinoko ry niryna, fa matetika aho, rehefa mahatsiaro be fa marina ilay teniko, no tsy te hamakafaka ny tenin\'ilay manoratra sy miteny, dia tonga manadino aho fa ny ny marina tokoa no manafaka ny olona, fa tsy ny teniko. Ary ny fomba ahafantarana ny marina dia efa nolazain\'ny Tompo @izay mino (jiosy) Azy hoe : \"Raha maharitra @ fampianarako ianareo dia ... ho fantatrareo ny marina\".

niryna:
Ika dia manipaka ny tenin\'Atra ,ary kosa dia manaiky izay teneniny na fantatra fa diso izao aza ...

==> Raha soratana ny tenin\'Ikaretsaka sy ny an\'i Jesoa (izay Tenin\' Andriamanitra Velona), dia ataoko fa tsy hila hiapanga azy akory isika. Sady ny devoly no mpiapanga fa tsy isika izay naterak\' Andriamanitra t@ finoana an\'i Jesosy.

niryna:
Avereno aty amiko ny teniko raha toa ka tsy mety aminao ary ifonako raha toa ka miteny izany aho fa fitiavana

==> \"Ny fitiavana mahasarona fahotana maro\"
83. rzakarivola ( 04/09/2009 11:48)
ikaretsaka:
izaho manokana dia type-na olona hoe @ alalan'ny asa aloha vao kabary sy toriteny...

==> Hitanao ve ny asan'i Jesoa, na i Md. Piera sy ny Apostoly na ry Md. Augustin ireny ka mahatonga anao milaza fa manaiky izay lazainy ?

ikaretsaka:
ny fahitako manokana ny eto dia toa misandoka manambara Azy dia izay no mahatonga ahy tsy mino azy ... ....fa @ asa, ny hatao, exercices spirituelles hafa mihitsy, fanoroana fomba hafa ahitana ny endrik'i Jesoa eo @ mahantra ohatra

==> Tsy haiko izay anaporofoanao fa misandoka izay rehetra manambara eto, mba omeo raha misy.
Raha hitanao izany ny asa ataoko izany dia mety mba afaka hino ve ianao ? Kanefa hikorontana indray ianao @izay fotoana izay satria sarotra aminao ny handray ho fahamarinana izay ambarako.
Tokana ihany no fomba hahafahana mino sy mahafantatra ny marina : mino an'i Jesoa ary mankato ny teniNy @ faharetana, dia ho fantatrao ny marina.
84. ikaretsaka ( 04/09/2009 18:16)
==> Hitanao ve ny asan'i Jesoa, na i Md. Piera sy ny Apostoly na ry Md. Augustin ireny ka mahatonga anao milaza fa manaiky izay lazainy ?

eny.. hitako @ fiangonana (1 tsy mivaky 2000+ taona hatramin izao) , ny eokaristia (Jesoa), ny resaka papale (Md Piera), ny "de trinitae" an'i Md Augustin (izay tsy ao anaty baiboly nefa inoan'ireo vanjo aloka tahaka anao)
fa tsy manao hait parleur tahaka ny ataonao

==> Tsy haiko izay anaporofoanao fa misandoka izay rehetra manambara eto, mba omeo raha misy

tsy izahako irery no nilaza an'io fa maro .. firy ny niteny taminao raha tsy hilaza ny t@ ity herinandro ity fotsiny ohatra .. hoe ny hevitrao aza mody ravahana tsimpona de lazaina fa hevitr"Atra sy Hevitr'i Jesoa!

NB> raha mino an'i Jesoa tokoa ianao.. tsy nihanona eo @ fitsimponana Teniny fotsiny sy ny famerenan-desona pli vava an'iny! fa manatanteraka koa ny nataony ( mandray Azy ao anaty Eokaristia ohatra... tena izy ny ao...miasa @ fanatanterahana ny asanao andavanandro miaraka aminy, mampanjaka fitiavana, manampy ny madinika) fa tsy wawawa fotsiny , de mitsimpona teny ao anaty boky ohatran'ny mitsimpona akotry
85. ni81 ( 04/09/2009 18:19)

:)
86. niryna ( 08/09/2009 05:51)
ikaretsaka:
0- AZA TSIMPONINA @ LE HOE ZE phraase METIMETY IHANY NO ALAINA
rzakarivola:

==> Mahita olona maro toa anao sy mitovy hevitra sy fomba fijery aminao aho eto mitsimpona ihany koa anohanany ny heviny (na ny Baiboly io na ny an'ireo olo-masina), ny fanontaniako izany dia hoe :
1- Izay heverin'ny mpitsimpona ho metimety aminy ve dia azo antoka fa diso sy tsy marina avokoa, sa mety mba ho marina ihany ireny tsindraindray?
2- Rehefa inona no azo ekena ny tsimpona?
io ilay ohabolana hoe raha hianao no misioka dia vorondolo fa raha ika no misioka dia voromanga oopps .rehefa izy no mitsimpona hoe hoy ra..... hoe dia tsy maninona fa raha maka ny teny ao anatin'ny baiboly isika dia mahazo :-@ :-@

ikaretsaka:
1-AZA NY BAIBOLY IHANY NO ATAO SOURCE HITADIAVANA AN'ATRA FA NY ZAVA-BOAHARINY REHETRA.

==> Source itadiavana an' Andriamanitra ny zavatra rehetra, dia rehefa hita Andriamanitra dia ahoana no fomba hidirana ao amiNy (araka ny hevitrao mazava ho azy)?
[/quote]

=D> =D>
87. niryna ( 08/09/2009 05:54)
ikaretsaka:

Mividiana baiboly katolika I niryna de vakio ny bokin'ny fahendrena...
Raha kahihitra loatra dia http://baiboly.katolika.org
Ao ny valiny

:roll: :roll: :roll: odrry angaha ry itony mamaky baiboly indray izato havako e :-* =D> =D> farany mody ventiny tokoa ny rano natsakaina an =D> praise the Lord,He is good ,his love endures forever.

Isaorna Atra fa tsara Izy ary mandrakizay ny fitiavany =D>

ary koa ny famindrampony
88. niryna ( 08/09/2009 05:58)
ika tao ambadika tao:
22. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 29-08-2009 14:29:07
Lohateny : Re : Bon à savoir:qlq contradictions flagrantes dans la Bibl
De ajanony @ zay io kitsimpona io..raha hitady an'Atra ianao dia tadiavo @ alalan'ny zavatra rehetra Izy fa tsy ao anaty boky na andalatsoratra notsindrohana tao anaty boky... tsy manam-petra Izy ary maniteraka anao @ maha zava boahariny anao
fahamarinana:

ka tsy tahaka ny mifanipaka amin'ity ve ary ! Rehefa inona no ilaina ary ilay Baiboly ( kato na protestant ),dia rehefa inona no tsy ilaina ihany koa !Mahaliana ahy ilay valiny !! misaotra mialoha (l)

izay mantsy . Na izany aza efa vaovao tsara aky izany an . ,mody tsy mamaky baiboly izy fa mamaky ihany ka .Mahafinaritra kely azy fotsiny ny manohitra izay tenenin'ny kristiana fa marobe ireo mpanohitra an'Atra itovizany hevitra koa an ooops

:-*
89. niryna ( 08/09/2009 06:02)
Nareo ve tsy mahay manavaka ny hoe mamaky sy ny hoe manao pli vava teny tsimponina e
ni81:
ianao irery io zao no mahay an'izany koa!

=))
mampihomehy ahy anie isika eto e
90. niryna ( 08/09/2009 06:11)
niryna:

Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; [Na: perla.] Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
11 Car la sagesse vaut mieux que les perles, Elle a plus de valeur que tous les objets de prix.
8 All the words of my mouth are in righteousness. There is nothing crooked or perverse in them. Ohabolana 8 :20
rzakarivola:

[center]HEVITRO[/center]

==> Kay ve perle le voahangy e?

Inona no hevitra tiany ho lazaina eto?
==> Fahitako an'io dia milaza fa tsara ny voahangy! Fa ny fahendrena dia tsara lavitra.
Misy fampitahana eto izany, tahaka ny hoe raha omena isa (note) ny hatsaran'ny voahangy, ary omena isa koa ny hatsaran'ny fahendrena, dia mahazo naoty ambony ny voahangy, fa ny fahendrena mahazo naoty tena farany amboooooony be lavitra noho ny voahangy. (ny fahendrena izany ambony noho ny ambony ?)

rehefa maninona no lazaina fa hendry ny olona ?
==> Tsy haka lavitra aho fa toa io teninao io [Ohabolana 8:20] io ihany : rehefa tsy foana na misy fitaka ny teniny, fa tena ny fahamarinana.

[quote=niryna]Hoy aho nanao fanoharana hoe valio amin'ny adalana ny adala amin'izay izy mihevitra ny tenany ho hendry .

==> Combattre le feu par le feu ve izany ? Tsy resy lahatra aho, fa ny pratique koa tsy évident.

niryna:
ny fahalalana sy ny fahendrena ve miaraka foana ?

==> Tsy afaka hiteny fahamarinana aho raha tsy manana fahalalana ny marina.

niryna:
Ny fatahorana an'Atra no voalohan-pahalalana "Fear of Lord is the beginning of knowledge
Fahalalana amin'ny inona no tiana resahina eto
fahendrena amin'ny fomba ahoana no ilazana izany ?
misaotra anareo mialoha aho

==> Fahalalana ny fahamarinana (ny marina momba an' Andriamanitra, izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy)

:-* :-* :-* misaotra betsaka fa mazava ny hevitrao
ilay hoe valio amin'ny adalany ny adala ? na omena fahendrena aza ny adala dia ny azy ihany no asesiny k'nou ,dia valiako arak'iny izy ,tsy mamaly ratsy ny ratsy an,iny zavatra hafa.
Hoy ilay rangahy mpiambina tanana izay hoe ataoko adala toa tezitra,ataoko toa hendry kanefa toa asa
91. niryna ( 08/09/2009 06:11)
cutie:

aiza ary niryna :-D :wink:

:-* :-*
92. niryna ( 08/09/2009 06:13)

ikaretsaka:

enao0 ve kristianina de tsy hahalala andrapaoly fa tsss..sa kristianintianim-poana koa?
fahamarinana:

:arrow: :-D :-D :-D esy e!Mbola tsy lany ny voambolana ve ry Ika ? :lol: (l)

faha >
=)) =)) mahay be ny ahy io fa manohitra tenin'Atra fotsiny =))
93. ari.malala ( 08/09/2009 08:16)
hay v i niryna Atra e! faly mahafantatra! toa refa ny tenindry no asiana commentaires mants d kinga sy pilaka mints ny tanana manindry clavier ary milaza sy manisy etiquette olona 1 hoe mpanohitra an'Atra! d gaga sy zendana mints ah!
94. ikaretsaka ( 08/09/2009 17:59)
izany no fiheverany ny tenany
95. niryna ( 10/09/2009 04:03)
ari.malala:

hay v i niryna Atra e! faly mahafantatra! toa refa ny tenindry no asiana commentaires mants d kinga sy pilaka mints ny tanana manindry clavier ary milaza sy manisy etiquette olona 1 hoe mpanohitra an'Atra! d gaga sy zendana mints ah!

:?: :D
96. niryna ( 10/09/2009 04:04)
ikaretsaka:

izany no fiheverany ny tenany

:D
97. niryna ( 10/09/2009 04:30)
ari.malala:

hay v i niryna Atra e! faly mahafantatra!
misaotra anao niteny izany ,sa rehefa mizara ny tenin'Atra dia lasa Atra tampoka teo ,tsy ratsy kosa izany koa ;
toa refa ny tenindry no asiana commentaires mants d kinga sy pilaka mints ny tanana manindry clavier ary milaza sy manisy etiquette olona 1 hoe mpanohitra an'Atra! d gaga sy zendana mints ah!
sao dia tsy mba ny teniko kosa no mankaleo andry fa ny fizarako izay kely nomena ahy? diniho kely anie e ary mamela ahy raha toa ka tsy izay,mbola tsy nahita aho mantsy na inona sujet nomeko ny ankizy teto ka tsy notoherindry foanafoana ,tsy maninona ka.
Andriamanitry ny fiadanana anie homba antsika hatramin'ny farany.
Tsy lavitra antsika izy fa akaiky izay mangetaheta ny teniny.
Tadidio fa tsy izaho no toherin'i ari fa ilay Atra izay nanome ahy fahasoavana ka mizara ny fahamarinana ho antsika eto.
Ny marina ari mandratra fa izay mandray azy ihany no ahazo fifaliana amin'ny farany.
Aleo isika samy ivavaka mba omen'Atra ny fanahy masina ary izara ny marina satria ny marina dia fisaka ka sarotra fantarina,ny fahotana dia mamatotra antsika tsy ahalala ny fahamarinana ka samia mivavaka mba ny fanahin'Atra no ampianatra antsika ahalala ny teniNy.

(l) (l) (l) niryna
98. ari.malala ( 10/09/2009 10:20)
tena sure v i niryna fa manohitra izay sujet omendry foana ah? tena sure à 100%? refa in no atao hoe manohitra? misy sujet ataondry fa tena ts manoratra ao ah na in 1 aza, justement pour éviter l'étiquette de mpanohitra! ary tena miverina amindry iany anie ny tenindry e! ny marina no mandratra, k misy zavatra tenenindry ahitako fanamarihana k manohina andry d iny amizay fa tsmaita argument tsony, d mody ny étiquette hoe zà manohitra an'Andriamanitra foana no avoaka avy any...

Manaraka, ahoana moa no ilazan-dry fa manohitra an'Andriamanitra ah? satria manohitra an-dry? d averiko ndray ny fanontaniana, nga hoa ndry Andriamanitra? Raha ohatra mantsy ka Andriamanitra indry dts manin mints ra zay no fandraisandry anazy, fa averiko amindry foana, ts sasatra ah mamerina izany, aza d tia tsaratsara loatra fa ts manana zo amizany ndry. Efa miteny foana ah fa refa mbola tsy teny tao anaty baiboly (io hoa lay angatahako foana hoe iza no nanoratra, toko fahafiry, andininy fahafiry) no laviko d ts mandà an'Andriamanitra ah zay, fa ra mbola indry, na olona hafa d olona no toheriko. Aza reraka ny amiko fa aleo hoa ho anay sy Andriamanitra irery iany ny momba anà. Izy rery no hany afaka mahalala izay ao am-poko, ny fitiavako Azy. Ny tena mahavarian anà mantsy ry niryna d zao, hainareo tsara ngamba ilay teny hoe aza mitsara, nefa ts zà rery no tsaraindry, ts zà rery no tsarainareo, fa zay rehetra manohitohina anareo, zà en l'occurrence, ikaretsaka entre autres...

Hamaranako ny teniko fa sao lava loatra d zao, samia ftsn mitana ny finoany. Toy ny tsy ikitikitihako izay inoandry no aoka tsy hikitikitihandry izay momba ahy koa. Avelao kely ilay fitsaratsarana anà ho ts kristianina (tenindry io ary azo amarinina raha ts mino anà ndryà d avelao kely koa ilay filazana anà ho mpanohitra an'Andriamanitra, d samy milamina isika. Refa misy commentaire ko ts tiandry d aza valiana sy dingano ftsn fa zà aza tsaratsaraina. Zay iany.
99. ikaretsaka ( 10/09/2009 15:08)
hmmm miandry an'i niryna hamaly
100. niryna ( 11/09/2009 05:15)

misaotra fa voaray ny hafatra ,tsy manakambara aho tazomy izany ny finoanao .

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0534