matotoa ve i jesosy

1. ndotofetsy ( 23/08/2009 12:24)
Azo atao hoe matotoa ve i jesosy raha nitsangana t@ maty (revenant) de avy eo niakatra any @ avo sa inona no azo hilazana azy :^) :^)
novalian'i cutie ny 27/08/2009 13:09
2. remahity ( 23/08/2009 13:17)
eh! mon pote, je ne suis pas croyant-pratiquant, fa izao kosa la moindre de chose dia tsotra:

ne pose jamais une question à consonnance provocatrice

ainsi:

reformule ta question , et on te repondra
3. cutie ( 23/08/2009 14:12)
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
4. ari.malala ( 24/08/2009 06:22)
ne pose jamais une question à consonnance provocatrice

ainsi:

reformule ta question , et on te repondra


+1
5. rzakarivola ( 24/08/2009 10:58)
ndotofetsy:
Azo atao hoe matotoa ve i jesosy raha nitsangana t@ maty (revenant) de avy eo niakatra any @ avo sa inona no azo hilazana azy

==> "Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.
Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra hianareo? Ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
Izahao ny tànako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
". [Lioka 24:36-39]
6. rakapy ( 24/08/2009 11:16)
Ny lolovokatra koa mitasngana @ maty :-D :-D :-D
7. ravonjison ( 24/08/2009 14:54)
rakapy:

Ny lolovokatra koa mitasngana @ maty :-D :-D :-D



Tsy misy lolovokatra mitsangana @ maty izany, fa olona nomena poizina ireny.
8. rakapy ( 24/08/2009 14:56)
Tsy misy lolovokatra mitsangana @ maty izany, fa olona nomena poizina ireny.

Ary sao dia nomen-dry zalahy poizina koa i rajesosy dia nitsangana tao?
9. ravonjison ( 24/08/2009 16:18)
rakapy:

Tsy misy lolovokatra mitsangana @ maty izany, fa olona nomena poizina ireny.

Ary sao dia nomen-dry zalahy poizina koa i rajesosy dia nitsangana tao?



Tsy nomena poizina hafa izy , satria narahina maso akaiky tokoa izy t@ ireny fotoana ireny ( miaramila no niambina) ka tsy possible ny hisy olona mpanao fanafody ndeha hitetitetika hanao zavamiafina. Tangena no nampisotroina azy t@ izy teo @ hazo fijaliana ka nengetaheta.

Tsy matoatoa izy satria ny matoatoa dia tsy misy fa resaka fotsiny.

Iny fitsanaganana t@ maty iny dia mbola olana tsy hananana valinteny hatramin\' izao, fa tsy maintsy ekena fotsiny. Satria efa nojerena daholo ny tranga mety possible ( hypotheses ): tsy nalevina izy fa nisy nangalatra, tsy maty izy fa nitsoaka, voatsolotra ny miaramila mpiambina fasana dia ny nangalatra ny vatany, sns... fa ny fantatra dia maty izy, avy eo anefa foana ny fasana. Izay aloha hatramin\' izao dia tsy maintsy ekena.

Avy eo dia niseho t@ mpianany izy, nisy nahita azy t@ lalana makany Emaozy.
Eto dia tsy fantatra na \" halucination \" no hitan\' ireo olona , na tena nitsapa azy tokoa ireo olona ireo na nahatsapa nofo sy taolana. Raha nofo sy taolana mantsy izy dia tokony ho niaina sy nisy nahita foana, ary tokony nitohy ny fahitana azy . Fa naninona izy no tsy niseho intsony avy eo ?

Izany rehetra izany dia tsy hananana fanazavana hatramin\'izao, noho izany dia tsy maintsy ekena fotsiny.

Fa izy koa aloha tsy matoatoa izany e .
10. rakapy ( 24/08/2009 16:23)
Tangena no nampisotroina azy t@ izy teo @ hazo fijaliana ka nengetaheta.

Ehhhhh! tena ilay taingena marina zany no dara tamin'iny^^ ^^ ^^
11. simplex ( 24/08/2009 16:59)
dontofetsy:
Azo atao hoe matotoa ve i jesosy raha nitsangana t@ maty (revenant) de avy eo niakatra any @ avo sa inona no azo hilazana azy :^):^)
:-D:-D
tena marina, par definition kosa, matotoa ny filazana an'zany :)

par extension izany, raha mahita matotoa enao dia olona voavonjy izay :roll: mety ho azo lazaina koa aza fa A/tra :^):P

(l)simp
12. rijadolly ( 24/08/2009 17:40)
ravonjison sy Rakapy a! fa angaha moa tsy ranom-binaingitra le izy e!
13. tywa68 ( 24/08/2009 17:43)
ie divay niotrika hono :lol: :wink:
14. rakapy ( 24/08/2009 17:51)
ravonjison sy Rakapy a! fa angaha moa tsy ranom-binaingitra le izy e
:-D :-D :-D Ka hoe taingena hoy Ravonjison tetsy ambony?? dia lasa vinaigitra indray eto, dia divay niotrika koa???
Mety ho gilomidro no iafarany marina :-D :-D :-D
15. tywa68 ( 24/08/2009 18:17)
Rakapy > ho avy eo ny mazoto hampiseho an'ilay tena misoratra ao @ baiboly fa mahandrasa tantana e :lol: :-D
16. rakapy ( 24/08/2009 18:22)
Marina izany :-w
17. ni81 ( 24/08/2009 18:22)
ie divay niotrika hono
Ka hoe taingena hoy Ravonjison tetsy ambony?? dia lasa vinaigitra indray eto, dia divay niotrika koa???
Mety ho gilomidro no iafarany marina

divay niotrika kosa angaha moa tsy = vinaingitra?
Fa tsy tangena kosa ka! Tsisy tangena raha tsy any dago :D
18. soanja ( 25/08/2009 01:59)
Araky ny voalaza ao anaty baiboly tokoa dia tamin'ny endrika hafa i Jesoa no niseho tamin'izy roa lahy teny an-dalana ho any an-tsaha.

Mark 16: 12-13
12 Ary taorian'izany Jesosy dia niseho tamin'ny endrika hafa tamin'ny roa lahy aminy, izay nankany an-tsaha.

13 Ary izy ireo nandeha ka nilaza tamin'ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa.

Teny Anglisy

12Afterward Jesus appeared in a different form to two of them while they were walking in the country. 13These returned and reported it to the rest; but they did not believe them either.

Araky ny voalaza tao koa mantsy dia tsy nahalala azy i Maria Magdalena raha nahita azy raha tsy efa niantso ny anarany i Jesoa. Tadidio anefa fa mpinamana be ireto ary nifanerasera be taminy mihitsy i Jesoa talohan'ny nahafatesany. Nihevitra ity iray ity fa mpiandry fasana ilay olona hitany fa tsy i Jesoa. Nisy koa nandritra ny fisehoany dia tsy nanaiky nokasihana Izy.

Noho izany rehetra izany dia afaka lazaina fa niova endrika Izy. Ka hoe matoatoa na tsia dia asa anefa satria ny tenako izay efa nahita matoatoa dia toy ny mahita olona ihany ny fahitako ilay zavatra hitako saingy tsy hita tsara ny endriny fa maizina , ilay izy koa manjavona rehefa avy eo. I Jesoa koa dia hita dia avy eo manjavona sns... Ny lolo vokatra indray dia tena olona mihitsy no hita, misy vatana ary tsy manjavona fa iny lasa dia dify.

19. soanja ( 25/08/2009 02:25)
Misy fomba fiteny izay hoe " Collective consciousness" io dia hoe rehefa samy manaiky isika rehetra fa nitsangana tamin'ny maty i Jesoa fa tsy maty dia lo ny vatany dia azo lazaina fa izay avokoa no nisy. Afaka mahita zavatra amin'izay finoana iray izay isika isanisany mino ny hevitra aely.

Ny teny faraparany momba ny nitsanganany tamin'ny maty ary ny tsolotra nomena ny mpiambina na miaramila no mahatonga ahy hisy bahana tsy hino ny zavanisy tanteraka. Iza tamin'ny apostoly no nanatrika ny fanaovana tsolotra??? Nahoana no nasiana hoe ireo teny ireo no naelin'i Jiosy mandraka androany. Tsy tafavoaka ny tantara eto fa somary misy karazana fanazavana sady mitory fandisoana ny hafa. Raha nitsangana tamin'ny mato tokoa i Jesoa dia tsy nila io teny faraparany io fa ny finoana dia afaka mitondra ny fahatsapana ny zavanisy.

Ireto izany.

Matio 28: 11- 15

11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanàna ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.

12 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila

13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay;

14 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.


15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany.
20. soanja ( 25/08/2009 02:31)
Tadidio fa misy ity teny ity voasoratra koa ao anaty baiboly

I KORINTIANINA 15: 44

44 afafy tena araka ny fomban'aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. Raha misy tena araka ny fomban'aina, dia misy araka ny fombam-panahy koa.

44 it is sown a natural body; it is raised a spiritual body. If there is a natural body, there is also a spiritual [body].
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.054