momba ny trotteur na youpalà bébé

1. arialy ( 06/08/2009 17:13)
saika anotany ny hevitry ny namana mahalala
nisy nilaza mantsy tamiko fa dangereux ny trotteurs sy ny youpalà amizao nefa misy olona hafa niteny fa reny iany no mapandeha ny zazakely
vaka ny saiko oe hividy sa tsia .
aona ny hevitrareo ? misaotra mialoha :)
novalian'i rhina ny 07/09/2009 14:05
2. ni81 ( 06/08/2009 17:32)
Dangereux ahoana fa tsy mazava?
3. tess ( 06/08/2009 17:34)
henoko fotsiny hoe tsy tsara fa ny maha dangereux azy no tsy haiko....
4. Ratoa ( 06/08/2009 19:14)
ny maha dangereux azy, raha tafotohana ny kidiarana iray dia mety hivadika ilay trotteur dia mety harara ny zaza. Faharoa amin'nizany, rehfa mandehandeha kely ilay zaza ka misy zavatra maha sarika azy mipetraka amin'ny tany eoamin'nizay lalolvana, dia hiondrika izy handray na hisambotra an'iny dia mianjera....
Ny tsy maha tsara zay indray, araka ny expérience hitanko, mitsingintsingina amin'ny lohatongony (sur les pointes des pieds) ilay zaza raha madeha, dia ela be vao vaoarina iny. Mitondra déformation amin'ny tenany rehetra izay fomba fandeha izay. Ny zaza avela ela be ao anaty totteur angamba ireny mandringa hitako ireny,
5. tess ( 06/08/2009 19:31)
ié possible lay mitsingintsingina am pointe ny pieds fa tadidiko lay nièce keliko namindra otrzay tam mbola kely nande trotteur ireny :lol:
6. arialy ( 06/08/2009 19:51)
misaotra ze nanome hevitra
zany oe tsy misy mahatsara azy mitsy zany ny trotteurs .
tsy itako zay hevitra , lay zanako koa moa maherisetra ka na chaise haute efa napidinina ary mifatotra izy ao anatiny dia mbola maha tafatsangana azy iany, vao maika moa ka trotteurs mety hapitsingidina azy.
tsy itako ny hevitra hapandeha azy .
7. hery ( 06/08/2009 20:26)
Fa maninona raha atao ady gasy? Mandany fotoana kely manao tàtà. Atao izay hampitsangana azy dia avy eo zarina tàtà am'zay.
8. Ratoa ( 06/08/2009 20:57)
Misy ny atao hoe "parc pour bébé" boribory na carré. tsy mandratra fa matelassé ny ambany dia misy ohatra ny aro-fanina , filet manodidina tsy ivoahany an'ilay parc. Misy amaharany ny ia rehefa hitanao fa matanjaka ny tongony dia ataovy "tatà, malaky mandeha" tsindraindray;
9. soanja ( 06/08/2009 23:08)
arialy:

saika anotany ny hevitry ny namana mahalala
nisy nilaza mantsy tamiko fa dangereux ny trotteurs sy ny youpalà amizao nefa misy olona hafa niteny fa reny iany no mapandeha ny zazakely
vaka ny saiko oe hividy sa tsia .
aona ny hevitrareo ? misaotra mialoha :)


Tsara tokoa ny fanontanianao.

Ny ao anaty atidohan-jaza ao dia tsy tonga dia feno fa mihamisandrahaka moramora sy mitatra ary mihafeno arakaraky ny fifandraisan'ny fahatsapana: maso, sofina, tanana, orona, tongotra, vava, vatana sns... misy eny aminy amin'ny manodidina azy. Zany hoe raha mbola kely ny zanakao ka volenao hirahira sy mozika sy dihy ny toerana iainany dia vetivety dia hisandrahaka ny hozatra madinidinika mikarakara izany ao anaty atidohany, dia mety hanana fahalalana momba ny mozika mihoatra ny zaza tsy niaina izany izy, indrindra moa ka raha tahiny ka manana fitaovana mifameno amin'izany ny zanakao hanaovany traikefa.

Misy zavatra iray anefa izay tena zavadehibe amin'ny fitaizana zaza, ilaina ny fahafahana manaraka ny fizotran'ny natiora izay mahaolombelona azy. Voalohany aloha dia mihetsika izy, manipaka tongotra, mampitraka tratra, manainga loha, miodina, mivadibadika, mipetraka, mandady sns... ireny hetsika rehetra ireny dia takian'ny atidoha avokoa ary manao calcul ny atidohany miasa ahafahany mamita iny ezaka ara-batana iny. Ny hozany sy ny fahatsapana miasa daholo amin'izany. Zany hoe naman'ny ilainy ny mampiasa saina hoe mila mampiakatra ny sandriko aho vao afaka mampiakatra ny lohako, vao hijery izay alehako aho, izay vao handady ho ary sy aty ary ny ity tanako havanana ity no mandeha voalohany. Natoraly ao amin'ny zaza izany tsy misy mampianatra saingy kosa isika afaka mamporisika azy hiezaka satria misy zaza somary votsa ary ao ny mavitrika sns... Fa saingy izy manokana no manao azy noho izany miasa ny atidohany.

Raha fintiniko ny tiako hambara dia hoe tsy misy tsara toy ny ahafahan'ny zaza manana traikefa natoraly. Rehefa vonona handeha izy dia hiasa ny tanany sy ny tongony ary ny masony. Hahatsapa ny hodiny sy ny balance-ny vatany hoe efa ao ve zah zany sa mbola tsy vonona. Tsy asesika handeha ny zaza fa mila avela hiasa ny sainy. Raha te hanao tata izy dia mety saingy tsy roritina akory fa izy no miezaka dia ianao lehibe manaraka. Io fiasan'ny atidoha io no mahatonga ny opala sns ho ratsy satria tsy miasa firy ny atidohany fa ilay zavatra no mitarika azy dia miridana indraindray ka zary ny atidohan-jaza no badenina. Mila miasa ny atidohan-jaza mba havitrika sy ho smart izy rehefa lehibe.

Izany akory tsy midika hoe tsy hahay handeha izy rehefa atao an'iny fa ny tiana hahatongavana dia misy steps na dingana tsy handalovany ao anaty atidohany ao satria maika asesiky ny lehibe izy amin'ny dingana tokony hakany traikefa mafimafy sy mafonja miaraka amin'ny kajikajy hahafahany ivelatra any aoriana.

Efa vita fanadihadiahana izany resako izany ary efa be ny zaza hita araka ny stat fa izay zaza zatra toloran-dava sy hamoraina ny fahalebiazany sy ny fitomboany tsy mifanaraka amin'ny natiora dia mora milavo lefona rehefa eo ampihatrehana ady maro ary matetika miankidoha lava amin'ny hafa, tsy mahavita tena na mora kivy rehefa lehibe.




10. ari.malala ( 07/08/2009 05:43)
Ataovy tatà akia a! zà t@ izy rolah ts mba nividy youpala zany fa nande soamantsara izy rolah ko! tatà ian ny ady eo
11. tess ( 07/08/2009 06:08)
arialy:

misaotra ze nanome hevitra
zany oe tsy misy mahatsara azy mitsy zany ny trotteurs .
tsy itako zay hevitra , lay zanako koa moa maherisetra ka na chaise haute efa napidinina ary mifatotra izy ao anatiny dia mbola maha tafatsangana azy iany, vao maika moa ka trotteurs mety hapitsingidina azy.
tsy itako ny hevitra hapandeha azy .

AMIKO ALOHA AKY VOLA ARIANA fotsiny satria tsy ho ampiasainy ela akory iny dia iny izy no mamindra, tsika gasy aza talou tsy nila izany anie e!
mamindra tsara daholo alou hatramzao hihihih
ny an'ilay nièce keliko izay teny am bozaka no namindra voalohany teny izy nanana ekilibre tsara namindra de hatreo namindra hihihi fafaty kely... fa ilay mianatra mamindra am zvtr plateau na mafy mahitsy tsy nety taminy...
NATAO tata izy de refa mande mitsantatsangana iny de samy mitazona ny tanany nareo mivady de tata foana ....


12. tess ( 07/08/2009 06:10)
Mpandefa : Ratoa [ Valio ] 06-08-2009 22:57:24
Lohateny : Re : momba ny trotteur na youpalà bébé
Misy ny atao hoe "parc pour bébé" boribory na carré. tsy mandratra fa matelassé ny ambany dia misy ohatra ny aro-fanina , filet manodidina tsy ivoahany an'ilay parc. Misy amaharany ny ia rehefa hitanao fa matanjaka ny tongony dia ataovy "tatà, malaky mandeha" tsindraindray;

KA INY PARC INY ve tsy ilàna rehefa ao atrano enao ka manao zvtr dia otran'ny hoe ahidy ao izy mba tsy hipelipelika eran'ny trano , ao izy voahidy ao ianao afaka manao zvtr satria raha sady manao zvtr enao no manaramaso azy tsy ahavita nin nin fa tsy natao ho fianara maande iny .
13. arialy ( 07/08/2009 12:12)
merci daolo
marina tokoa fa ny tàtà no mora indrindra fa izy tsy miraika ny handeha mihitsy ane zay no olana, ka ny pédiatre no niteny tamiko oe maninn ra stimuléna kely.
manana table d'éveil izy, nandramako napetraka ny tongon'ilay table d'éveil fa à peine klk secondes izy no mitsangana eo am lay izy de tonga de mitombina fa kamo.
ny parc indray de ts tafa amzany oe ajanona ela be ao zany fa ao fona izy no milalao tsinona ary tsy hamindra mihitsy izy ao fa mitsangana fotsiny sy milalao.
tsy maitsy hiandry izany ....
:) saotra foana é
14. tess ( 07/08/2009 12:16)
misy kou anie zaza vetivety de mamindra misy somary elaela fa aza forcéna e!
vao un an ngé izy e! hihihihi aleo andeha etape par etape fa mafnaritra dool ny etape retra....
15. arialy ( 08/08/2009 09:23)
tess< izay marina alo é !! miandry fa gasy zany é :) :) :) :)
16. ikaretsaka ( 10/08/2009 03:14)
Indro kely momban'ny tataaa
Nisy dr zamerl izay niteny anay t@ cas an'ilay niece ko izay fony izy nianatra nandeha dia Hoy lery hoe tsy de mahalava zaza sy misy effets secondaires amin'ny fivelaran'ny taolany hono io satria tsy lojika raha hoe ny taolana any @ tapany ambonin'ilay zaza no mizaka ny forces tokony hozakain'ny taolana any @ tapany ambany. Rehefa forces sy ny systeme any ambany hono no tiana travailler-na dia ajanony any ambany.
Ny natorony de hoe kalio @ vodiny ny zaza dia avelao ny maojany sy ny tongony no mitady ny equilibre fa tsy ny tanany
Anisan'ny fika nampandeha ahy hono ny nanosika pouf teo ambony bozaka ...de za aloha tsy fohy e
17. ari.malala ( 10/08/2009 06:40)
Ny an'i Ambinintsoa koa zao nanosika seza eraky ny trano no nampandeha anazy. Arialy, zany dool iany ky ny zaza am volohany a! mitsangana kelikely d aveo mitombona fa kamo fa refa ela ny ela mande hoazy eo iany izy! ndry ndray aza no ts haharaka azy refa mahery miazakazaka izy ko hihihi
18. booboo ( 10/08/2009 14:03)
Miombon-kevitra tanteraka hatrany an-dreniny @ ireo nosoratan'i Soanja ireo zà.

Jereo ange ny zazakely fa tsisy nampianatra hoe mivadika ( du dos sur le ventre ohatra ), mihisaka dia mandady avy eo. Dia ohatra izay koa ny mipetraka sy ny mitsangana ary ny mandeha.

Samy manana ny rythme-ny zaza fa rehefa vonona ny handeha izy dia tsy hita akory dia lasa. Ny zandriko lahy tsy natao tàtà no tsy nandady fa nanaraka meubles no nataony izy irery.

Zà manokana resy lahatra tanteraka sy hampihatra ny motricité libre @ zanako.
19. Ratoa ( 10/08/2009 19:02)
raha mbola kamo andeha ny zaza, aza terena fa manimba ny sainy izany. Mbola tsy vonona koa angamba ny toe-batany ambany iny.
20. rurale ( 11/08/2009 10:13)
Ny zanako zao 8 mois le lahy farany ao , de mba nanana eritreritra an'izay fa aleo aky ady gasy araka ny notenen'ny Hery sns a! refa mande tsara izy aleo hividianana bicycle na moto kely ho azy a!hihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8077