manao ny fanaon'ny olona miaraka...........!!!

121. ravonjison ( 16/08/2009 13:47)
xxx:

Hono hoa ry xxx, inona no mahatonga anao hiaraka @ io tovolahy io, na dia efa fantatrao aza fa manana sipa izy ? Mba azonao velabelarina ve ?

Satria tiko izy : mahatsiro sambatra ah am fitiavako azy !! na de eo aza zany réalité be zany (hoe efa manana sipa izy) !!! miaraka aminy ah satria tiko izy !
olona iray efa manam-tompo no mambabo ny foko




xxx an , sao kosa ary dia afangaronao ireto zavatra roa ireto :
1- tia azy tokoa ianao ( tu l\' aimes )
2- raiki-pitia sy potika aminy ianao ( tu est amoreuse).

Tranga 1 : tianao ilay olona : matetika io fitiavana io dia efa voasedra,ohatra hoe nisy narary , na nisy fahasairanana teo aminareo ka naharitra ilay fitiavana. Izany hoe tianao ilay olona miaraka @ lafitsarany sy ny lafiratsiny rehetra, ny adidy sy andraikitra manodidina izany. Nisy fotoana tao ahalalanao ilay olontianao.

Tranga 2 : raiki-pitia sy potika aminy ianao. Eto dia jamba tanteraka ilay olona raiki-pitia ary tsy mahatsapa ny zava-misy ( feno hormona ny ao andihany, sambatra dia sambatra izy). Matetika ilay olona raiki-pitia mieritreritra fa io olon-tiany io no idealy ( = tsara @ lafiny rehetra), na dia mahita aza ny manodidina fa misy zavatra betsaka azo kianina ao. Ny olona rehetra dia mahita izany, ilay raiki-pitia sy potika ihany no tsy mahita. Matetika rehefa misava ilay fotoana mahapotika dia mihiratra @ izay ny maso.
Betsaka ny antony mahatonga ny olona ho raiki-pitia: mba te-hanana olontiana, ny namana rehetra efa manana fa izy ihany no tsy mbola manana, noho izany mba miezaka koa hanana, aventure, mba te hirevy @ fiainana sns... Ireo rehetra ireo anefa dia tsy midika fa tianao tokoa ilay olona.

Ny fahitako azy dia raiki-pitia sy potika aminy ianao , izany anefa tsy midika velively fa tianao tokoa io olona io.

Mba diniho kely ihany.
122. vale ( 16/08/2009 21:13)
de refa mande ny ftona: misy ftona izy miteny amiko hoe: "NDAO HIARAK E!NEFA TS METY SATRIA ZA EFA MIARAKA AM anona!!!"hoy izy.

xxx: io fotsiny no nosinganiko satria nanaitra ahy!.. amiko ny filazàny an'io ami-ndry dia Tsy SERIEUX izany ny anareo ..satria izy EFA miaraka @ sipany izy, ka fomba ankolaka hapitainy an'izany amindry io sao indry dia manantena zavatra matotra.Tsy midika izany fa tsy tiany indry, eo ilay fitiavana fa saingy ilay efa taloha izany no tiany HIaraka aminy, fa indry kosa dia fanampiny fotsiny ihany. Ka raha za ny teo @ placen-dry dia miala no mety, handany fotoana @ eo fotsiny. Indry tsapako tena tia be azy ka lasa tsy mahadinika izay zavatra lazainy na koa minia tsy mahalala izay lazainy satria tena mbola ao anatin'ilay fitiavana, aza forcé-na hoe : ANEFA izahay manao ny fanaon'ny ol miaraka, aza manamboatra saina @ izany fa mazava be io voalazany io. Bon courage kely satria tsy ho anjaran-dry velively io bandy io! ..... :-* :wink:
123. phabi ( 19/05/2016 15:07)
ra ny tena marina momba n'io resakao io de ts tia anao izy f le RS fotsini zani no iarahani aminao f enw no ts tonga saina ra ny fahitako azy ko, fiarahana tss tanjona ange zani anareo zani e,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7901