Mila torohevitra azafady

1. xxx ( 24/07/2009 08:43)
Miarahaba ary de mìsotra sahady ho an\'izay mamaly. Ho an\'ny vhvy no tena ipetrahan\'ny fanontaniako. Asa na mitsapa(test) dieny voalohany ilay tiako na ahoana, fa froid be indraindray (oatrany macho sy égocentrique izany),indraindray kosa calin be mahate-ho tia. Marihako fa mbola distance aloha izao saingy ti-hanambady ahy tokoa izy. Ka ahoana kay ry zavavy isany ny fomba hamolahanareo olona toy izany dieny zao? Amiko koa izy no toa io fa ny fianakaviko milaza fa tsotra,simple,mahafinaritra izy s mivavaka.
novalian'i xxx ny 28/07/2009 08:55
2. menvasoua ( 24/07/2009 09:07)
tsy haiko aloha izay tena antony an,fa raha za de ohatr' izay toetrany izay ihany ko, izany hoe misy fotoana ah mangatsika satria mangatsika ko ilay olona miaraka amiko ,arakarak' ilay olona miaraka aminao ihany io raha amiko manokana ,ny antony tsinona mba tina hifandanja ilay fitiavana fa tsy mandeha ilany, raha mijery mantsy toa ny vhv foana no mijaly @ fitiavana,de ny hitsinjovako an' izay de mihezaka ny hitia tahaka ny fitiavany anao.
fahatsapako manokana io fa tsy haiko ny any hafa
3. ari.malala ( 24/07/2009 10:34)
Ka ahoana kay ry zavavy isany ny fomba hamolahanareo olona toy izany dieny zao?
sanatria biby angaha no hofolahina? nefa tsindriana tsara hoe olona? :roll:
4. xxx ( 24/07/2009 11:09)
Ka aleo kosa tsy milaisser faire hatrany am-boalohany. Arakaraky ny fanazarana azy @voaloany ihany no hahalalany fa manana ny personnaliténao ianao fa sao sendra olona tsy mba mihaino na ny tiny ihany no hatao!
5. marindra ( 24/07/2009 11:43)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 24-07-2009 13:09:42
Lohateny : Re : Mila torohevitra azafady
Ka aleo kosa tsy milaisser faire hatrany am-boalohany. Arakaraky ny fanazarana azy @voaloany ihany no hahalalany fa manana ny personnaliténao ianao fa sao sendra olona tsy mba mihaino na ny tiny ihany no hatao!

le xxx ary ambony ihany ve io???
6. xxx ( 24/07/2009 11:55)
marindra-> oui. Ny nolazaina ahy izany dia efa toetrany ihany ilay égocentrique kely dia efa hamboariny rzareo samy mpinamana ihany pas méchamment fa vao mainka mampifatotra andreo ary, amy farany hainy ihany . Fa ilay toetra @ asa zatra mitondra no tadiaviny hampiharina amy fitondrany fitiavana ka tsy lasa!
7. xxx ( 24/07/2009 12:19)
Ka ahoana kay ry zavavy isany ny fomba hamolahanareo olona toy izany dieny zao?


ari.malala:
sanatria biby angaha no hofolahina? nefa tsindriana tsara hoe olona? :roll:


Vao miainga dia ny hamolaka no ao an-tsaina !!! Marina ny ahiahin'i ari , tsy te ho eo @ toeran'ilay sipa ny tenanay


8. marindra ( 24/07/2009 12:35)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 24-07-2009 13:55:28
Lohateny : Re : Mila torohevitra azafady
marindra-> oui. Ny nolazaina ahy izany dia efa toetrany ihany ilay égocentrique kely dia efa hamboariny rzareo samy mpinamana ihany pas méchamment fa vao mainka mampifatotra andreo ary, amy farany hainy ihany . Fa ilay toetra @ asa zatra mitondra no tadiaviny hampiharina amy fitondrany fitiavana ka tsy lasa!

Ka lazao azy tsotra fotsiny we aza ampitoviana @ fitondrany asa ny fitiavany anao koa. Fa mino alou za fa tsy zay loatra ny tanjony fa matoa koa nge enao tia azy de misy antony hitiavanao azy ihany ao e. Fadio alou ny mamolaka ankolaka fa mifototra aminao ihany io avy eo.
9. simplex ( 24/07/2009 13:02)

zany hoe le izy a distance no tena olana satria otran'ny sarotra be zao ohatra ny mitambitamby sy miangoty @ email :lol:

sinon, lelah ah no miteny, tsara tokoa ra mifampizatra dieny ampanombohana ny fifampitondrana sy fifandraisana eo @ couple... ampiko kely ary hoe tsy misy lelah manana principe tsy azo ovana izany refa hainao ny mi-motiver sy miresaka aminy, du moment hoe raisonnable le izy...
zany hoe aza mitady ny tonga lafatra loatra fotsiny e. Tsy maintsy misy disadisa sy olana kely foana @ mpifankatia...

;-)
10. Mirananirina ( 24/07/2009 13:46)
saingy ti-hanambady ahy tokoa izy.

ohatra ny tsy sur izany ve sa ahoana e.sa ianao no te hanambady azy kosa e.
Ilay hoe folahana indray aloha dia amiko tsy mety izany.aiza koa no hisy an'izany e.marina mihitsy ny voalazan'i ari-malala
sanatria biby angaha no hofolahina? nefa tsindriana tsara hoe olona
11. xxx ( 24/07/2009 14:06)
samy te-hiroso @ fanambadiana izahay ka! fa ny tena tsy tantiko aminy aloha hatram'izao izany dia izaho olona tia "dialogue", izy anefa rehefa miantso manontany ny valin'ny famahako olana taty fotsiny dia miraccroche! hoe ataovy izao dia izay. Asa na mijery ny hoe hatraiza ny fahafahako mamaha olana izy fa hitako henjana ihany ilay tsy asiana fifampiresahana ka izay no anaovako anareo hoe test ve?

tsy genren'olona masiaka aho akory fa au contraire tsy tia disadisa sy mitady marimaritra iraisana foana. Fa io côté ny io mihitsy tsy mila fifampidinihana sy tonga dia miraccroche io mihitsy no tsy azoazoko izany: misy tatitra aza tonga aty amiko hoe "fier ny toetrako hono izy, ary izaho irery hono no olona afaka hanitsy azy amy fiainana, elle est dure hono" . Izany hoe matoa izy miteny izany tena misy toetra henjana mbola mila hatrehako ao aminy... ary izy rehefa hahitsin'ny namany dia hoy izy hoe fantako anie fa diso izaho tamin'iny e, fa ataoko foana!
12. booboo ( 24/07/2009 14:07)
Miarà-miaina ela² klou vao miroso @ fanambadiana. Samy hafa mantsy ny à distance sy ny mifanabe tarehy isan'andro ao an-trano ...
13. tess ( 24/07/2009 14:12)
xxx:

Miarahaba ary de mìsotra sahady ho an\'izay mamaly. Ho an\'ny vhvy no tena ipetrahan\'ny fanontaniako. Asa na mitsapa(test) dieny voalohany ilay tiako na ahoana, fa froid be indraindray (oatrany macho sy égocentrique izany),indraindray kosa calin be mahate-ho tia. Marihako fa mbola distance aloha izao saingy ti-hanambady ahy tokoa izy. Ka ahoana kay ry zavavy isany ny fomba hamolahanareo olona toy izany dieny zao? Amiko koa izy no toa io fa ny fianakaviko milaza fa tsotra,simple,mahafinaritra izy s mivavaka.

raha mbola mi douter ny toetrany dia aza mbola miditra am fanambadiana mitsy sao tafiditra kely ao de hi divorce.
zà manokana aloha ny toetrany no tena zava-dehibe satria olona hiaraka hiaina amiko isan'andro ao, ka raha olona froid na mi bouder isaky izay mietsika na olona mora kizintina be na miakatr'afo be tsy azo hiarahana miaina dia aleoko seule e!
ny olona afaka mizàra humour fifaliana, fitiavana,olona kalm sy zvtr mahafinaritra no tsara hiarahana sao marary fo sy andoha am toetrany eo
tsy ny fianakavianao no hanambady azy fa ianao donko ianao no mahita hoe mi convenir anao izy sa tsia, sao refa tonga ao am fanambadiana ao vao miaritra ny trèfla be manadàla.


14. tess ( 24/07/2009 14:18)
Ka aleo kosa tsy milaisser faire hatrany am-boalohany. Arakaraky ny fanazarana azy @voaloany ihany no hahalalany fa manana ny personnaliténao ianao fa sao sendra olona tsy mba mihaino na ny tiny ihany no hatao!
:-D
Ka ahoana kay ry zavavy isany ny fomba hamolahanareo olona toy izany dieny zao?

sanatria biby angaha no hofolahina? nefa tsindriana tsara hoe olona?
[/quote]

RAHA efa toetrany izany dia tsy misy azo hatao na folahana toa inona aza, anjaranao fotsiny no misafidy hoe mety amiko izay toetra izay sa tsia , dia hiarao raha mety raha tsy mety dia hialao

ari. : ilaina folahana kosa refa manana fahazàran-dratsy izay lay olona :-D
15. tess ( 24/07/2009 14:25)
TSY FOLAHANA ara-bakiteny kosa io fa fomba fiteny azy fotsiny angamba, fa ny folahana tiana lazaina dia fomba fitarihina ilay ankilany tsy hanao iny toetra ratsiny tsy zakanao iny, ohatra nivady izy roa kely anefa ilay bandy ohatra mbola tsy mahafoy ny revy maha celibat azy dia ny fihezahanao hanova ny toetrany sy ny sainy tsy hijanona toy celibat intsony no atao hoe folahana, izay alou no fandraisako azy hatrizay ary izaho dia otran'ny amantaonany vao nahafolaka satsia mbola tsy nahalevona ny vie de cilibat-ny tanteraka izy tamzany fa haiko ny nampiova azy, ny filazako azy de hoe haiko ny namolaka azy...... :-P
16. xxx ( 24/07/2009 14:31)
azon'i tess mihitsy ilay izy! :-D
fa ny mahagaga ahy dia ny olona manodidina azy miteny hoe "c'est un mec super", olona tsotra anie izany simple be raha bandy! afaka manaiky tsara rehefa tena homena ny hafatra dia mimpirina izy fa micomprendre tsara fa izy mihitsy io tia manao défi kely io indraindray!"
miteny rzareo hoe ny toetrany no nahababo andreo taminy. Asa koa fa any amy raiko izy miteny hoe aza gaga ianao raha manao tatitra kely ny zanakao fa tena notester ko izy hoy izy nataoko mihitsy izay nahatezitra azy(miraccroche, mandrangitra...) fa oatran'ny hitako continuel be ilay izy hatreto ka mahatonga saina ihany hoe sao izany no hataony an-tokantrano eo avy eo! ka mahatonga ahy manontany anareo io hoe ahoana ny hatao raha sendra olona toy izany.
17. tess ( 24/07/2009 14:48)
fa maninona koa raha tsy asiana test isakizay mihetsika e! kou raha tsy hividy voiture izy ity kou hoe aleo alou ho testéko raha mi roule tsara! hihihih
ny toetran'ny tsirairay anie dia rehefa miaraka maharitra vao mahatsapa sy mahakobo ny toetrany e! ka araka ny nolazaiko io raha mbola misy doute dia aleo tsy mivady aloha, aleo mifankahalala tsara indrindra ny toetra no tena zava-dehibe....ka ianao ihany no mahita azy ao! anefa ilaina kou ny mi s'adapte ny tsirairay avy am resaka toetra raha tena misy ny fitiavana eo am roa tonta ...
RAHA Mbola azo hiafina sy mety ho zakanao fa ny tsy azo hiafina mihintsy no tsy mety ny miharitra azy fa aleo tsy misy toy izay polisy hoy lay fiteny zay
18. ravonjison ( 24/07/2009 15:57)
Voalaza teo :
" Marihako fa mbola distance aloha izao saingy ti-hanambady ahy tokoa izy. Ka ahoana kay ry zavavy isany ny fomba ......"


" ....samy te-hiroso @ fanambadiana izahay ka! "

Tsy azoko loatra izany demarche -nareo izany. Ianareo ve mbola á distance dia efa niresaka fanambadiana. Ny ahy aloha raha mbola á distance izany dia resaka fiarahana fotsiny aloha. Rehefa ao anaty fiarahana indray vao miseraka fanambadiana.
Bon ! Tsy maninona fa izay no nataonareo. Dia izao izany no mba azoko lazaina: - iarao aloha izy, ataovy sipa aloha izy, satria mandritra izany fiarahana izany no ahafantaranao azy tanteraka, ary @ izay koa no ahafantaranao na azonao folahana izy na tsia.

Fa raha á distance no hitsaranao azy, matetika ny manodidina no henoinao, ny manodidina anefa mety manao jery vilana, na mety manana interet @ fanambadianareo.
19. bibidia ( 24/07/2009 16:31)
izao ry akama efa niainako resaka fanamabadiana à distance io fa nivadika biby e ka izay veleso ny vy dia dieny mafana , ny ela maharay roa , ny afo lavitra tsy azo amindroana .Herinandro @ date prevue ahatongavako izy nataon'ny havany fisehoana @ Bandy hafa .Izaho @ izany vinanto tsy mahare fosa .
ny teniko ry akama famisavisana ny ratsy hono hiavian'ny soa SAMY MANANA NY ANJARANY NY OLONA FA MAHEREZA
20. xxx ( 24/07/2009 17:06)
Ravonjison-> nisy tranga (signes spirituels) tsy nampoizina no nahatonga anay samy resy lahatra fa mifananjara. Tsy resaka hoe vady hita @ internet sns akory ka hoe mbola nilana fahamailovana tanteraka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6959