Ny tiana sa ny tia no tokony hotiavina

1. Onjakeli ( 23/07/2009 15:01)
Tsy vitsy angamba ireo mitovy fanontaniana apetrako ity. Eto amin'ity tany ity dia heveriko sy araka ny fahafantarako azy dia par hasard ihany ny hifanojoan'ny olona samy tia ary miaraka eo amin'ny fiainana. Fa amin'ny ankapobeny dia misy ny tiana fa tsy tia ary misy ny tia fa tsy tiana.
Koa eo amin'ny falin'ny fitiavana zareo raha tena tsy mifanojo amin'ilay samy tia dia inona no tsara miaraka amin'ilay: tiana fa tsy tia sa miaraka amin'ilay tia fa tsy tiana ?
DE inona no tokony hatao raha hiaraka amin'ilay tiana fa tsy tiana ary inona no tokony atao rah hiaraka amin'ny tia fa tsy tiana.
novalian'i rhina ny 11/09/2009 06:36
2. soanja ( 23/07/2009 15:35)
Raha ny tenako aloha dia aleoko tsy misy toy izay manan-dratsy saingy samy manana ny fisainany ny olona.

Ny fitiavana anie tsy voatery atotona amin'ny resaka lahy sy vavy fotsiny fa ao ny fametrahana ny fitiavana amin'ny asa atao, fialamboly, fikarakarana havana sy ny mahantra ary ny fanopoana firenena, fiompiona biby tia olombelona: miara milalao aminy eo sns... ary ao koa aza ny fametrahana fitiavana amin'i Kristy na hafa izay hinoanao tanteraka , izay tsy inona fa hanasoavana ny be sy maro na ny fahavalo aza.

Raha voatery tsy maintsy hisafidy anefa dia aleoko zah miaraka amin'ilay olona tsy tiako nefa tia ahy. Satria afaka manome fahasambarana azy aho. Efa zava-dehibe izay. Ny fahasambarako kosa amin'izay fotoana izay dia aviliko amin'ny fanaovana zavatra hafa hampifalifaly ny foko sy ny saiko ary ny fanahiko. Tsy afenina aminy anefa izany tsy fisian'ny fitiavana izay amin'izay izy rehefa ampoka na afapo dia afaka mifindra moramora satria izy mahafantatra zah mahafantatra. Ny ankoatr'izay mantsy raha tsy fantany dia toa manome tangena azy ihany na koa hoe miatsaravelatsihy.
3. milamm ( 23/07/2009 16:20)
sarotra ny fandidiana ozy ny mpitsabo,ny milaza hoe tia nge mora fa le tena marina saro-patarina e,lakalaka otrany akitsapaka araky ny volazany onjakely le olona samy tia tafaraka fa io kalo tsapany ts1/1 foana eny raha mampiesona na tsia ka ozy za oe tsara ny mitia sy tia fa le mampiesona de ratsy...
4. marindra ( 23/07/2009 20:31)
moramora kokoa hono ny mitia toy zay tiavina :D
5. ari.malala ( 24/07/2009 05:55)
Marary b ilay oe tia enao nefa ts tiana, fa azo ianarana koa nefa ny mitia. Aleo zany ilay hoe tsy tianao ilay olona iarahana, fa ianarana ny mitia azy, azo volena ny fitiavana.
6. Ahton ( 24/07/2009 09:06)
Sarotra be miaraka @ olona tsy tiana izany. Absurde be zany. Olona tsy tinao ve de iarahanao. Sady mijaly ianao no mijaly ihany koa ny olona miaraka aminao.
7. ari.malala ( 24/07/2009 10:42)
Tsy voatery ka! sa i Ahton afaka miditra any anaty fon'ny oul? :)
8. simplex ( 24/07/2009 13:12)

zany hoe raha ny tiana no tsy tia kanefa misy olona tia na dia tsy tiana aza dia tsara kokoa ny mandao ireo tsy tiana sy tiana mba hiandry/hitady an'ilay mety ho tiana. Eny fa na dia mety tsy ho tiana tampoka aza ilay nantenaina ho tiana. Izy anefa mety ho tia, dia lasa tsy tian'ny tiany izy izany ka hisafidy hoe hijanona @ tiana ve sa hitady hafa afaka mitia. Ra ohatra mitady izay mety ho tia azy ary izy dia mety hahita olona tia azy tokoa ka dia mandresy ny fifakatiavana. Fa raha tsy mahita izy dia lasa tia olona tsy tia azy indray izany. Lasa 2 izany ny olona tia olona tsy tia.
Tena marina aloha fa raha misy tia olona tsy tia dia lasa tsy tia wazy ilay tia e. Zany hoe miankina @ ilay tiana doly izany ny tena mampisy ny fitiavana na tsy hisy. Ka noho izany raha tia ilay tsy tia, ary misy tia nefa tsy tiana dia tokony hifamadika hoe sao dia isika aza no tokony hitia...

:@
9. Mirananirina ( 24/07/2009 13:48)
ny ahy aloha aleoko olona tia ahy no vadiko ,na dia atao hoe tsy tiako aza izy ohatra.
Toa izay tiako ,nefa izy tsy tia ahy.
Dia aleo ihany ilay tia samy tia e.
10. tess ( 24/07/2009 14:05)
simplex:


zany hoe raha ny tiana no tsy tia kanefa misy olona tia na dia tsy tiana aza dia tsara kokoa ny mandao ireo tsy tiana sy tiana mba hiandry/hitady an'ilay mety ho tiana. Eny fa na dia mety tsy ho tiana tampoka aza ilay nantenaina ho tiana. Izy anefa mety ho tia, dia lasa tsy tian'ny tiany izy izany ka hisafidy hoe hijanona @ tiana ve sa hitady hafa afaka mitia. Ra ohatra mitady izay mety ho tia azy ary izy dia mety hahita olona tia azy tokoa ka dia mandresy ny fifakatiavana. Fa raha tsy mahita izy dia lasa tia olona tsy tia azy indray izany. Lasa 2 izany ny olona tia olona tsy tia.
Tena marina aloha fa raha misy tia olona tsy tia dia lasa tsy tia wazy ilay tia e. Zany hoe miankina @ ilay tiana doly izany ny tena mampisy ny fitiavana na tsy hisy. Ka noho izany raha tia ilay tsy tia, ary misy tia nefa tsy tiana dia tokony hifamadika hoe sao dia isika aza no tokony hitia...

:@


tia zaza tia zaza ny jesosinayy!


:-D
feno tia tia tiana tina bdb lay hevitra de very be aho misavoritaka ny saiko hihihi
11. xxx ( 25/07/2009 12:58)
slt dôly éééééé
Amiko manokana klo de aleko tsy mis.Tantara efa niainako izy io :nisy bandy iray izay niara nianatra zahay ar tena tia ahy izy, izy anefa t@zany ts nanaitra ahy mintsy nisisika teny fôna lery de farany mo nanaiky za ny iarahanay na de ts nitia azy akory az ny foko nande teny ny fotona teny teny iany lasa tiko izy iotaty aorina kinanjo inona no nitranga za iny lasa tena tia be azy iny izy ndray no lasa ni-pà. ts aiko we leo ve izy sa tapitra ilay fitiavany ahy teo aloha.
De avy eo izaho indray no mijaly.
Ka ny tiko tenenina de aleo samy ts mis.
Mitarika problem ho anao ilay izy avy eo
experience vecu_kou manokana klo le izy fa ts haiko ny faitanareo azy.
Ra mis olona tinao nef ts tia anao sarotra be iany ko izany satria enao ts afakany iaraka @ny akory satria izy ts tia anao de enao zany no arary fo eo
manantena ny ts mis. Sa ts aiko we enao ve no ande italao @ny eny fôna ts vô maika loza.
aleo ts misy ééééé
miandry fa ny anjara mis fôna ny tena tianao klo de ts ho ita eny amboalony zany fa ref ela ny ela vô ita zany
zay ééééé
evitra iany reny fa anjaran'ny tsirairay no mifidy izay tiny ho tiavina.
12. kotobekibo ( 26/07/2009 12:05)
raha vao misy iray tsy tia d tsy mandé io e!

raha tsy izay d hijaly foana lé iray tia .
;-)
13. rova30 ( 26/07/2009 13:53)
:)
Sopapa

1°: Tiava ny namanao, tahaka ny tenanao.

2° : Andriamanitra tia anao. ( Miandry anao hitia azy.)

3° : Tiava ny tenanao, tahaka ny tenanao. (Imposible: aza mampijaly tena!)

... sns ...
Anao ny safidy.

Simplex: Mahery be le dozy (lasa relenti tampoka mihintsy ny neeeeeeeeeuronne ako) Aiza ary i salmo laharana voalohany malala tsy foiko izay! hi hi hi!

:)
14. bibidia ( 26/07/2009 19:44)
mbola mahatatididy sekoly alahady anie inao izany e ka izaho FOLO ny didy ka raha ny enina fotsiny anie no arahinao dia mahazo moyen inao sa tsi....
15. rova30 ( 27/07/2009 20:03)
bibidia

kajy ankadrina fa tsy didy folo ka!

tia & ny tiana = iray

1 + 1= 1

ianao & ny Andriamanitra tia anao = iray

ianao + ianao = sarotra be

Atambatra ireo dia lasa be dia be.

:-P Mahay be za o!

;-)
16. kotobekibo ( 27/07/2009 22:58)
ka tsy atao + fa kosa atao multiplication

1 x 1 x1 x 1 x 1 ...... = 1 ihany

samy mànana ny kôty boritrany marina an! :-P
17. ari.malala ( 28/07/2009 10:29)
^^ :-D :-D
18. ni81 ( 28/07/2009 10:35)
zany hoe raha ny tiana no tsy tia kanefa misy olona tia na dia tsy tiana aza dia tsara kokoa ny mandao ireo tsy tiana sy tiana mba hiandry/hitady an'ilay mety ho tiana. Eny fa na dia mety tsy ho tiana tampoka aza ilay nantenaina ho tiana. Izy anefa mety ho tia, dia lasa tsy tian'ny tiany izy izany ka hisafidy hoe hijanona @ tiana ve sa hitady hafa afaka mitia. Ra ohatra mitady izay mety ho tia azy ary izy dia mety hahita olona tia azy tokoa ka dia mandresy ny fifakatiavana. Fa raha tsy mahita izy dia lasa tia olona tsy tia azy indray izany. Lasa 2 izany ny olona tia olona tsy tia.
Tena marina aloha fa raha misy tia olona tsy tia dia lasa tsy tia wazy ilay tia e. Zany hoe miankina @ ilay tiana doly izany ny tena mampisy ny fitiavana na tsy hisy. Ka noho izany raha tia ilay tsy tia, ary misy tia nefa tsy tiana dia tokony hifamadika hoe sao dia isika aza no tokony hitia...
inona dôly ty? :^)
19. Papoose ( 28/07/2009 11:21)
raha ny hvtro manokana dia hoe tiavo ny tinao na ny tia anao rehefa mbola manana hery hitiavana satria tokony handeha ho azy le fitiavana fa tsy forcena na tinao le le ol na tia anao..... fa rehefa lasa zay herim-pitiavana zay na dia hiforcer hitia be faran'izay zokiny eo aza tsy ho tafa fa reraka ambony eo ihany
20. nyratsima ( 28/07/2009 16:56)
sarotra io ! hoy ny ohabolana hoe izay tia adala nefa ny adala tsy afaka mitia ! hitanareo amin'izany ary !!
ny torohevitra hoe ; aleo hisesy de milamina e !! :-P :* :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1019