olon'izao tontolo izao

1. simplex ( 16/07/2009 19:05)

Hono wa,
misy fondations ao @ baiboly na coran na ze boky foto-pinoana misy eee, ve ny fisian'ny aina extra-terrestre?
genre hoe marsien na hoe creatures bizarres otran'ny @ star wars ireny no tiako tenenina...

aiza waiza, toko sy andininy, raha misy?

raha tsy misy, dia azo lazaina ve izany fa tsy misy ny extra-terrestre?

ok ok

;-)
novalian'i rakapy ny 02/08/2009 08:05
2. Ratoa ( 16/07/2009 22:59)
Ny silamo dia mino fa misy olona tsy hitan'ny mason'ny rehetraeto an-tany. Fa ny olona lasa dia lasa amin'ny ahaizana sy fandinihina ny Coran no mahita azy. Djinné no iantsoany azy. Olona mitovitovy volonkoditra amin'ny gasy ary tena lava volo be hono. Tsotra be sy tsara tarehy hono ny volony ary izy koa tsara tarehy. Misy tsara sy ratsy tahaka ny olombelona hono izy ireo.
izay no reko.
Ny finoana afrikana indray dia milaza fa manana double tsy hita maso daholo ny olona rehetra.
3. Lejoba ( 17/07/2009 00:21)
ny kristiana dia mino fa tsy misy izany. satria ny extra-terrestres aseho matetika dia manana capacités ambonin'ny olom-belona. Ny Baiboly nefa milaza fa ny olona no mpanjakan'ny zavaboary izany hoe faratampony manaraka an'Andriamanitra ka tsy misy eo amboniny na misaina noho izy
4. soanja ( 17/07/2009 06:16)
simplex:


Hono wa,
misy fondations ao @ baiboly na coran na ze boky foto-pinoana misy eee, ve ny fisian'ny aina extra-terrestre?
genre hoe marsien na hoe creatures bizarres otran'ny @ star wars ireny no tiako tenenina...

aiza waiza, toko sy andininy, raha misy?

raha tsy misy, dia azo lazaina ve izany fa tsy misy ny extra-terrestre?

ok ok

;-)


Nisy tokoa ny tantara na miendrika angano ao anaty baiboly izay miresaka ireto karazan'olona ireto. Ny tantara dia milaza fa nahita ny hatsaran-tarehin'ny zanakavavin'olombelona ny zanak'andriamanitra, izay heverina fa anjely angamba na ry zareo avy any an-danitra any nidina teto an-tany, dia nila azy ireo ary ny firaisana tamin'ireo no niteraka olona goavam-be tokoa.

Tafaran'io dia raikitra avy hatrany ny fandringanana nataon'Andriamanitra satria zava-pady avokoa ny hitany nataon'olombelona.

Nisy ihany ny taranaka taty aoriana anefa izay tena mbola tsy maintsy nofongorona noho ny antony samihafa.

Indreto ny miresaka izany;

IREO OLONA GOAVANA NA GIANTS TAO AMIN'NY BAIBOLY

Genesisy

6:1-7

1 Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro,
2 dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy.
3 Ary hoy Jehovah: Tsy mba hananaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-nolo amby zato taona ny androny.
4 Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
5 Ary hitan'i lehovah fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
6 Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony.
7 Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.
1 And it came to pass, when men began to multiply on the face of the ground, and daughters were born unto them,
2 that the sons of God saw the daughters of men that they were fair; and they took them wives of all that they chose.
3 And Jehovah said, My spirit shall not strive with man for ever, for that he also is flesh: yet shall his days be a hundred and twenty years.
4 The Nephilim were in the earth in those days, and also after that, when the sons of God came unto the daughters of men, and they bare children to them: the same were the mighty men that were of old, the men of renown.
5 And Jehovah saw that the wickedness of man was great in the earth, and that every imagination of the thoughts of his heart was only evil continually.
6 And it repented Jehovah that he had made man on the earth, and it grieved him at his heart.
7 And Jehovah said, I will destroy man whom I have created from the face of the ground; both man, and beast, and creeping things, and birds of the heavens; for it repenteth me that I have made them.


14:5

5 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka name]y ny Refaita tany Astartakarnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima
5 And in the fourteenth year came Chedorlaomer, and the kings that were with him, and smote the Rephaim in Ashteroth-karnaim, and the Zuzim in Ham, and the Emim in Shaveh-kiriathaim,

15:20


20 ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita
20 and the Hittite, and the Perizzite, and the Rephaim,



NOMERY

13:33
33 ary nahita ny Nefilima teo izahay, dia taranaky ny Anakita avy amin'ny Nefilima; ary teo imasonay dia tahaka ny tsingentana izahay; ary toy izany koa izahay teo imasony.
33 And there we saw the Nephilim, the sons of Anak, who come of the Nephilim: and we were in our own sight as grasshoppers, and so we were in their sight.

DEOTERONOMIA

1:28

28 Ho aiza no hiakarantsika? Ny rahalahintsika efa nanaketraka ny fontsika tamin'ny nanaovany hoe: Lehibe sy lava noho isika ny olona; ary ny tanàna dia lehibe sady misy mànda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay teo koa ny taranaky ny Anakita.
28 Whither are we going up? our brethren have made our heart to melt, saying, The people are greater and taller than we; the cities are great and fortified up to heaven; and moreover we have seen the sons of the Anakim there.
2:10


10 Ny Emima nonina tany fahiny, dia firenena lehibe sy maro isa ary olona lava tahaka ny Anakita.
10 (The Emim dwelt therein aforetime, a people great, and many, and tall, as the Anakim:



2:20


0 Izany koa no natao ho tanin'ny Refaïta; fa ny Refaïta no nitoetra tao tany aloha ka nataon'ny Amonita hoe Zamzomita.
20 (That also is accounted a land of Rephaim: Rephaim dwelt therein aforetime; but the Ammonites call them Zamzummim,



3:11

11 Fa Oga, mpanjakan'i Basana, ihany no sisa velona tamin'ny Refaïta; indro, farafara vy ny farafarany (tsy ao Raban'ny taranak'i Amona va Izany?), sivy hakiho ny halavany, ary efatra hakiho ny sakany, araka ny hakihon'ny lehilahy.
11 (For only Og king of Bashan remained of the remnant of the Rephaim; behold, his bedstead was a bedstead of iron; is it not in Rabbah of the children of Ammon? nine cubits was the length thereof, and four cubits the breadth of it, after the cubit of a man.)
9:2

2 dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan'ny taranak'i Anàka?
2 a people great and tall, the sons of the Anakim, whom thou knowest, and of whom thou hast heard say, Who can stand before the sons of Anak?
Joshua
11:21

21 Dia nandeha tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tamin'ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan'i Josoa avokoa izy sy ny tanànany.
21 And Joshua came at that time, and cut off the Anakim from the hill-country, from Hebron, from Debir, from Anab, and from all the hill-country of Judah, and from all the hill-country of Israel: Joshua utterly destroyed them with their cities.
12:4

4 Ary azony koa ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, isan'ny Refaïta sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,
4 and the border of Og king of Bashan, of the remnant of the Rephaim, who dwelt at Ashtaroth and at Edrei,
13:12

12 dia ny fanjakana rehetra an'i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin'ny Refaïta); fa resin'i Mosesy ireny ka noroahiny.
12 all the kingdom of Og in Bashan, who reigned in Ashtaroth and in Edrei (the same was left of the remnant of the Rephaim); for these did Moses smite, and drove them out.






5. booboo ( 17/07/2009 10:05)
Tsy haiko ny toko sy andininy fa ao @ TT ao ilay tantara. I Elie mpaminany angamba ilay nisy char-na soavaly feno afo nibirda an'azy niakatra velona " any an-danitra ". Tsy fantatro ny fiantso an'ireo vondron'olona kristiana ry zareo nefa mino ny fisian'ny extra-terrestres fa soucoupe volante hoe io hoy zareo.
6. rakapy ( 17/07/2009 11:33)
Isika zanak'olombelona sy ny tany misy antsika ary ny fahaizana sy fahalalantsika dia bitika dia bitika tokoa raha hoarina @ univers.
Maro dia maro ireo mistery izay mbola tsy fantantsika eto ambonin'ny tany fa indrindraindrindra any an'abakabaka rehetra any.

Fivavahana sy finoana moa no sehatra iresahantsika ity momban'ireo manan'aina ivelan'ny tany ity na ny hoe extra terrestres.

Mety tsy mino ny fisian'io ny xana ary mihevitra fa isika olombelona eto an-tany sy izay miaina eto an-tany ihany no zava-manan'aina eto @ ity univers ity. Nefa ataoko fa tsy marina izany satria eto no hitantsika sy takatry ny saintsika ka tsy mahazo an-tsaina ny alehibehan' ity univers ity.

Nohon'ny mbola tsy fahampian'ny fahaizan'olombelona angamba dia tsy mba afaka nandeha lavitra tany @ planeta hafa isika fa dia ny volana no mba todi-tsika hatramin' izay lavitr'isa taona niforonantsika izay. Ny volana aza moa dia tsy azo lazaina fa planeta.

Ny fisian'ny extra terrestres dia tsy resaka finoana na nofy fa zavatra nahitan'olombelona porofo sy vavolombelona.
Maro ny olona no efa nahita zavatra nanidina teny an-danitra ka nefa dia hita fa tsy zavatry ny tany ilay zavatra.

Raha ny ao amin'ny baiboly no resahana dia mino marina aho fa be no nahita ireny karazan-javatra ireny t@ izany andro izany, nefa moa nohon'ny tsy fahalalan'olombelona azy ireny dia misy no nilaza fa nahita anjely na koa nahita an'A/tra koa aza angamba.
7. Veloo ( 17/07/2009 12:22)
Tsy isika irery no creation nataon'Antra. ny univers dia goavana be tsy takatrin'ny sain-draolombelona, rehefa tonga any an-danitra isika @ fihanvian'i Jesosy fanindorany dia ahita ny mysteres rehetra. I lucifer dia nandede teny @ univers rehefa tsy nahazo nimonona tany an-danitra (ilay toerana nisy an'Antra) nitady izay hofitahiny, tsy nisy nanaiky azy anefa afa tsy teta amin-tsika :cry: , ny nahatongavany teto dia nasain-ndraolombelona nisakafo. Tsy irery isika.
8. rakapy ( 17/07/2009 12:53)
Hoy i Veloo
I lucifer dia nandede teny @ univers rehefa tsy nahazo nimonona tany an-danitra (ilay toerana nisy an'Antra) nitady izay hofitahiny, tsy nisy nanaiky azy anefa afa tsy teta amin-tsika , ny nahatongavany teto dia nasain-ndraolombelona nisakafo. Tsy irery isika.

Ny fahamarinan'io voalazanao io ndray aloha tsy fantatro ka mety mitoetra ho finoana ihany fotsiny.
9. simplex ( 17/07/2009 17:06)

bref, ra azoko tsara izany dia tsy misy profo mazava hoe misy "olona" any @ planeta hafa any?

sa hoe any @ planeta hafa ny anjely sy ny zanak'A/tra sy ny soavaly vy an'A/tra no mipetraka? dia otran'ny hoe avy any an-danitra izy no nivoaka kay avy any @ planeta hafa fotsiny?

aiza kay ny lanitra ee?
ny tiako tenenina hoe @ dimension physika genre espace-tps?
sao dia mba planeta hafa any aza ilay lazaintsika hoe paradisa ity?

misaotra indrindra

;-)
10. Veloo ( 17/07/2009 18:41)
Vakio ny apokalipsa boky farany ao @ baiboly
11. ikaretsaka ( 17/07/2009 19:51)
Ary ny kapoka tsy milipsa ry veloo
12. fahamarinana ( 18/07/2009 19:54)
:arrow: simplex : miha -miampy foana ny fanontanian'ise !. :-D ,ny eo aza tsy voavaly ! :lol: (l)
13. fijo ( 18/07/2009 20:19)
mitovy hevitraz amin'i rakapy aho eto,finoan aihany ireo fa tsy mbola ita izay fahamarinany
14. rakaroka ( 19/07/2009 08:10)
Mitovy fijery @ Rakapy fa misy tsy mila porofoina ´tsony aloha ny extra-terrestre ! Maro ao anaty baiboly ( ho an´izay tsy manana referansy rahatsy io) aza anie ny"fahitana" isan-karazany niseho izay nahatalanjona ny terrien t@ izany, ohatra ny nisehoan´Atra t@ Mosesy,sns... Fa raha namaky boky hafa tahaka ny "Cosmogonie d´Urantia" aho , dia resahiny presque en detail ny structure de notre Univers, ka ilay Atra dia au centre
de toute les planetes no isiany, ary mi gerer izany, dia misy etape isan ámbaratonga , ohatra ny "etats" entre la vie et la mort "etats morontiels" no filazany azy! Misy ny arcanges sy ny "etre supreme" sns. Ary izay Conception izay mifandraika @ finoana na fijery hafa tahaka ny Catholique
izay mino ny olo-masina isan-karazany, dia mino ny interventioníreny sur le plan terrestre, toa mifandraika @ finoana ny fisian´ny anjely manampy.
Fa raha ny fijery Maitreya dia misy tendrobohitra Avo, asa Tibet na Hymalaya honenan´ny andian . ólo-masina hono ary manasoa ny univers rizareo. Finoana io fa efa nahita "fahitana" tany ambanivohitra ny mpandevina maro fa nahita andian ólona tery @ fasana somary an- tapon tendrombohitra, nony tonga teny anefa ny fiara nitondra hay tsy mbola nisy olona teny , anefa tsy olona iray na roa no nahatsikaritra io fa maro t@ mpandevina ! Misy ny extra terrestre ka !
15. simplex ( 19/07/2009 10:15)

zany hoe azo lazaina ve izany fa ny extra-terrestre dia "etre surnaturels" daholo? zany hoe manana hery (pouvoir) tsy fantam-piaviana sy tsy hay azavaina?

sa misy ny extra-terrestre izay mitovy hery/saina amintsika olombelona ??

:P
16. rakapy ( 19/07/2009 10:52)
Hoy Simplex
zany hoe azo lazaina ve izany fa ny extra-terrestre dia "etre surnaturels" daholo? zany hoe manana hery (pouvoir) tsy fantam-piaviana sy tsy hay azavaina?

Raha ny fahalalako azy dia mbola tsy manana porofo tena mazava isika olombelona hoe , avy aiza marina no fiavian'ireo extra terrestres izay nandalo teto @ planeta tany .
Maro mantsy ny planeta eto @ univers ity ka tsy fantatra marina izay tena marina. Mety misy mponina isakarazany any @ planeta maro any???

Ny hoe manana" pouvoir surnaturels" aloha dia tsy fatatro fa ny zavatra azo lazaina sy tsapa dia: Matoa izy ireo afaka ny ho tonga sy mandalo aty @ planetatsika, dia midika izany fa manana fahaizana sy teknika efa lasa lavitra kokoa nohon'ny fahaizantsika izy ireo.
17. Ratoa ( 19/07/2009 13:42)
Voalaza ery ambony fa nyolombelona no nataon'Andriamanitra avo indrindra eto an-tany. Marina izany satria hoy Izy: "andeha isika hanao olombelona tahaka antsika" izany maka endrika sy fahaendrena takaha an'Andriamanitra.
Voalaza ery ambony koa fa nisy anjely nidinatety an-tany ka niray tamin'ny zanak'olombelona ka niteraka olona ngoavana be. Voalaza ao ny Baiboly koa izany . Ary ny finoana no mampisy sy tsy mampisy izany fa mbola tsy voaporofo ara tsiansa izany. Ary noho izany faniratsirana izany sy ny fijangajangana nisy teto an-tany dia naripaka izay tsy nanaraka ny Teny hafa tsy i Noah sy ny fianakaviany sy ireo biby nentiny nanaraka aza. Dia notendrena ireo hoe "mandeha ka miparitaha manerana ny tany". Fa mbola nisy nadritra koa ny zanaky i Noah...Mila mamaky Baiboly aho manamarina fa tsy haik tsy anjery daholo.
Ny extra terrestres dia mbola "objets de recherche" fa tsy mbola voaporofo ny fisiany
18. rakapy ( 19/07/2009 14:54)
Hoy Ratoa
Voalaza ery ambony fa nyolombelona no nataon'Andriamanitra avo indrindra eto an-tany. Marina izany satria hoy Izy: "andeha isika hanao olombelona tahaka antsika" izany maka endrika sy fahaendrena takaha an'Andriamanitra.

Marina dia marina tokoa ny voalazanao Ratoa fa izay no volaza ao anaty baiboly. Nefa araka io volazanao io dia hoe Nataon'A/tra avo indrindra eto an-tany. Tsy midika izany amiko fa fa hoe avo na ambony indrindra eto @ univers.

Raha dinihina indray ny momba an'i Noah, dia tsy voaporofo marina fa tena nisy(existe) i Noah satria raha mijery firaketana ianao dia mbola mipetraka ho personage biblique ihany izy ary tsy nahitana trace na dia kely aza ny momba azy sy ny sambofiarany.

Nefa kosa raha jerena ny extra terrestres dia azo atao hoe objets de recherche araka ny filazanao nefa dia nahitana porofo sy vavolombelona maro ny fisiany.
Voalaza ery ambony koa fa nisy anjely nidinatety an-tany ka niray tamin'ny zanak'olombelona ka niteraka olona ngoavana be. Voalaza ao ny Baiboly koa izany . Ary ny finoana no mampisy sy tsy mampisy izany fa mbola tsy voaporofo ara tsiansa izany

Raha araka ny baiboly io voalaza io dia hita misy fifandraisana @ porofo ara-tsiansa satria dia voaporofo fa nisy karazany roa ny olombelona taloha ela tany. Nisy olona karazany kely teto an-tany taloha ela tany, Izay nitovy alehibe t@ zaza 3 taona ny alehiben'ny olon-dehibeny. Ary ireo olona karany kely ireo dia naringan'ny olona karazany lehibe nohon'ny antony tsy fantatra.
Anisan'ny faritra mbola nahitana io karazan'olona kely io teto M/car sy Indonesie t@ faraparan'ny taon-jato faha 16 sy 17.

Ny zavatra tsy fantatra dia ilay voalaza ao @ baiboly hoe "Nisy anjely tonga tety an-tany ka niray t@ zanak'olombelona ka lasa goavana be ny taranak'izy ireo."
Io dia mety ho extra terrestre no nolazaina fa anjely t@ izany satria mbola tsy nazava t@ olombelona t@ izany andro izany ny tontolo nisy azy.



19. rakaroka ( 19/07/2009 20:02)
Mazava ny fanazavan-dRakapy fa tsy mifintina ho ny tany monja ny Univers e,
ao'reo planète rahavavin'ny tany maro, ka raha tsy singa "terrien" izany dia efa extra-terrestre e! tsy voatery hanana pouvoir eto angamba stria ohatra ny particule-na météorite mianjera voadinika fa "tai-kintana?" mianjera eto.
Ny tena grande késtion ho an'ny mpino angamba dia ny position'ireo
étre supréme mi-agir eto : extra terrestre ve 'zareo ireny sa terrien?
dia eo no miverina ny fanazavana tao @ Urantia fa misy Etre Supréme voatendry na nadaha-tena hanao mission eto mais ils ils appartiennent déjà à l' Univers fa tsy hoe "terriens" ftsn!
20. Veloo ( 20/07/2009 13:29)
10. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 17-07-2009 21:51:08
Lohateny : Re : olon'izao tontolo izao
Ary ny kapoka tsy milipsa ry veloo


efa tsy mahita ho havaly intsony angaha? :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5486