Ny hanambadian-kiterahana
1. ni81
(
15/07/2009 06:03)
Ny hanambadian-kiterahana hoy ny ohabolan-tsika (miala tsiny ary aoka tsy halahelo ireo manambady nefa tsy manan-janaka an!) :-*
Ny ankabeazan'ny olona dia tia hanana zanaka, ary dia misy koa anefa ireo na dia efa manambady aza dia tsy tia ny hananjanaka mihitsy... :roll:
Mba sitrako ny ahita izay valin-tenin-tsika tsirairay eto @ serasera. Misaotra.

novalian'i harimananachristian ny 24/02/2015 06:33
2. tess
(
15/07/2009 10:08)
misy indray anefa misy ilay vehivavy sasany tsy te hanambady fa juste maka taranaka amin'ny lahy azony hifanarahana azahoana zaza fotsiny dia ahoana indray ilay fipetraky ny ohabolana malagsitsika amin'izay :-P :?:
betraka ny tranga fatako aky hoe manambady izy fa tsy te hanan-janaka, ny lahy efa avy nanambady voalohany ary efa niteraka tamin'ny vadiny voalohany no tena betsaka manao an'io, fitiavan-tena ny fahitàko azy.... satria izy efa manana dia tsy te hanana intsony tsy te hahalala ilay vadiny faharoa izay mbola tsy niteraka akory ;-)
misy koa ilay tsy fahavononana sy tsy fanana capacité hitaiza zaza , misy ny tahotra ohatra hoe matahotra izy tsy hahavita sy hahavelona ilay zaza,
ao koa dia safidin'ilay couple fotsiny ny hivady fa tsy miteraka, ankavitsiana kosa angamba ô! te hanana vie trankil,
ary dia misy koa anefa ireo na dia efa manambady aza dia tsy tia ny hananjanaka mihitsy...
betraka ny tranga fatako aky hoe manambady izy fa tsy te hanan-janaka, ny lahy efa avy nanambady voalohany ary efa niteraka tamin'ny vadiny voalohany no tena betsaka manao an'io, fitiavan-tena ny fahitàko azy.... satria izy efa manana dia tsy te hanana intsony tsy te hahalala ilay vadiny faharoa izay mbola tsy niteraka akory ;-)
misy koa ilay tsy fahavononana sy tsy fanana capacité hitaiza zaza , misy ny tahotra ohatra hoe matahotra izy tsy hahavita sy hahavelona ilay zaza,
ao koa dia safidin'ilay couple fotsiny ny hivady fa tsy miteraka, ankavitsiana kosa angamba ô! te hanana vie trankil,
3. Papoose
(
15/07/2009 11:33)
dia misy koa lhl te haka zaza fotsiny fa tsy te hanambady. dia ny tsy azoko @ reny hoe marina fa safidy ary le izy fa zany v tsy tahotra handray responsabilite en tant que hoe vady?
4. nathie86
(
15/07/2009 13:45)
ka @ zao lasa oe ny hanambadiana hiadanana ndray eh, d samy manao zay fantany fa mampiadana ao anaty tokatrano, (tsy miteraka, mampirafy sns)
Matetika ny vhv t hana-janaka ftsny fa tsy t hanambady, d olona efa leo ny toetran'ny lhl, na ko oe tiany ilay lhl iray nefa tsy afaka mivady zareo d angalany taranaka hono ho souvenir nefa oe "Un enfant n'est pas une souvenir touristique" lol io no filamatry ny PSI ngamba izy zay.
Ny lhl ndray, ie tsy t hisengager izy, nefa koa mety oe bevoka ftsny le sipa nefa tsy reveny, ny zanany nefa tsy tiany hariana fa d ampiany eny fôna iz mianaka fa saingy tsy ho vadiany miintsy le sipa.
Ireo cas roa ireo d fitiavan-tena daholo, tsy mijery ilay zaza fa dia ny tena irery :)

5. tess
(
15/07/2009 15:18)
Papoose:
dia misy koa lhl te haka zaza fotsiny fa tsy te hanambady. dia ny tsy azoko @ reny hoe marina fa safidy ary le izy fa zany v tsy tahotra handray responsabilite en tant que hoe vady?
misy kou lay ao france ao hiterahana mba ahazoana papier
:^) :^) asa na mbola manankery hatramzao :^)
7. tess
(
15/07/2009 16:47)
ka ao alou no tranga betsaka hitako hatramzao .....:-D ATY aminay io tsy misy fika....
9. simplex
(
15/07/2009 19:51)
ie ny hanambadia-kiterahana fa zany hoe misy fotonany zavatra rehetra.
Somary mampitombo responsabilite be manko ny hoe zanaka dia aleo aloha mba vitaina izay tanjona tiana hatao eo @ fiainana sasan-tsasany alohan'ny idirana @ izany...
Sady revin'ny ntaolo koa le miteraka bedabe fa @ zao 1,2,3 dia ampy ee :)
;-)
10. tess
(
15/07/2009 19:58)
Papoose:
reny v tsy misy arakaraka be satria efa kobo le fika?
ka zay ndrindra ny kestion-ko hoe mbola possible ve io?????
:-P
misy kou lay sipa fetsy be te hamandrika bandy de hiterahana ilay bandy mba ahazoana manambady azy ! fika fika be mitsy :-D :^)
11. ni81
(
15/07/2009 20:09)
misy koa ilay tsy fahavononana sy tsy fanana capacité hitaiza zaza , misy ny tahotra ohatra hoe matahotra izy tsy hahavita sy hahavelona ilay zaza,ka raha toa ka efa nifanaiky teo amboalohany dia ahoana?
12. soanja
(
15/07/2009 22:31)
ni81:
Ny hanambadian-kiterahana hoy ny ohabolan-tsika (miala tsiny ary aoka tsy halahelo ireo manambady nefa tsy manan-janaka an!) :-*
Ny ankabeazan'ny olona dia tia hanana zanaka, ary dia misy koa anefa ireo na dia efa manambady aza dia tsy tia ny hananjanaka mihitsy... :roll:
Mba sitrako ny ahita izay valin-tenin-tsika tsirairay eto @ serasera. Misaotra.
Ny tena ohabolan'ny Ntaolo Malagasy dia ny hoe: " Ny Hanambadian-kiadanana." fa saingy betsaka ny mampiasa ny hanambadian-kiterahana noho ny antony samihafa.
Raha raisina anefa io ka voaboasina zany hoe jerena ifotony dia misy ny hoe "Harena ny zanaka." Tamin'ny andron'ny Ntaolo dia ny betsaka ny asa mila vitaina eny an-tanimbary na an-tanimboly sy ny fiompiana maro hafa, ka ny fanana zanaka betsaka no ahafahan'ny tsirairay mampitombo izany harena izany ka hamelo-maso ny tanindrazana. Fijaliana tokoa izany tsy manan-janaka izany taloha satria miankina amin'ny hafa ny famitana ny asa sy ny famelomana ka zary voateniteniteny ireo izay tsy mba nanana anjara-masoandro noho izany. Tamin'izany fotoana izany koa dia tsy nisy ny sekoly fa teny an-tanimboly no sekoly no nitranga. Sady miasa no mananatra sy manabe.
Matetika tokoa mantsy tamin'ny andron'ny Ntaolo na ny taty afara dia nisy ny vady amboarina. Izany hoe mety tsy io olona io no andrian'ny fonao fa io no natokana ho anao sy mifandraika amin'ny hevitry ny ray aman-dreny ka dia nampiasaina ny teny hoe "hanambadian-kiterahana." Ka raha nisy ireo dia manamboatra saina avokoa ny rehetra fa tsy ny fitiavana akory no zava-dehibe fa ny fanana ny zanaka sy ny taranaka. Teo amin'io vanimpotoana io ihany no isian'ny "Ny ela maharay ny roa." Zany hoe na tsy tiana aza ilay olona rehefa ela ny ela dia miray ihany ary lasa ho iray amin-javatra atao.
Ny atao hoe vady koa anefa dia tena afaka milaza hoe firaisana. Ka raha hiray ny olona dia ny mba hiterahana. Na hoe hanambadian-kiterahana. Ny filan'ny vatana no mitaky fiterahana.
Amin'izao fotoana anefa mino aho fa tsy isaky ny miray isika dia ny hiterahana hatrany. Moa ny harena koa aza tsy voatery intsony hiankina amin'ny fananan-janaka fa matetika aza raha any ambanivohitra any na amin'ny fiainana andavanandro ny mifanohitra no misy. Raha be loatra ny zanaka dia sahirana ny fianakaviana amin'ny famelomana azy ireo. Be ny vava hampisakafoanana ka matetika ao ny mandry fotsy.
Safidy amin'izao fotoana izao ny fiterahana na ny fitaizana. Ny fifanajana ny safidin'ny tsirairay amiko no tena zava-dehibe ka ahafantarany hoe hatraiza ny safidy ataony tsy hanimba ny hafa/fiarahamonina sy ny tontolo iainana ary hatraiza na afaka ve ny fahitana fiadanan-tsaina sy ny fo manoloana izany.
13. tess
(
16/07/2009 05:20)
ni81:
misy koa ilay tsy fahavononana sy tsy fanana capacité hitaiza zaza , misy ny tahotra ohatra hoe matahotra izy tsy hahavita sy hahavelona ilay zaza,ka raha toa ka efa nifanaiky teo amboalohany dia ahoana?
dia izay no mahatonga ny fisarahana ndraindray entre couple satria diso fanantenàna ilay ramatoa ohatra na ilay rangahy......
14. ni81
(
16/07/2009 06:18)
Ny atao hoe vady koa anefa dia tena afaka milaza hoe firaisana. Ka raha hiray ny olona dia ny mba hiterahana. Na hoe hanambadian-kiterahana. Ny filan'ny vatana no mitaky fiterahana.
Ka izay mihitsy, kanefa maninona no misy tsy nanaiky ilay izy ny ankilany (na dia nifanekeny aza tany am-piandohana)? Samy tsy mbola nanambady tany aloha, ary tsy mbola nanana zanaka hafa talohan'ny nanambadiany.
Misy mantsy mpivady sasany tsy mety hiteraka intsony ry zareo noho
ny toe-pahasalaman'ilay vehivavy na ilay rangahy, na ny asa aman-draharaha ...Raha ireo antony ireo dia ny fahafahana no tsy mety intsony.
dia izay no mahatonga ny fisarahana ndraindray entre couple satria diso fanantenàna ilay ramatoa ohatra na ilay rangahy......izany mihitsy
15. endrika01
(
16/07/2009 13:40)
soanja:Soanja>>>Misaotra e,tena hotry ny niverina nianatra taranja Malagasy ,mitantara ny kolontsaina njay zah,namaky lay fanazavana =D=D=D
ni81:Ny tena ohabolan\'ny Ntaolo Malagasy dia ny hoe: \" Ny Hanambadian-kiadanana.\" fa saingy betsaka ny mampiasa ny hanambadian-kiterahana noho ny antony samihafa. Raha raisina anefa io ka voaboasina zany hoe jerena ifotony dia misy ny hoe \"Harena ny zanaka.\" Tamin\'ny andron\'ny Ntaolo dia ny betsaka ny asa mila vitaina eny an-tanimbary na an-tanimboly sy ny fiompiana maro hafa, ka ny fanana zanaka betsaka no ahafahan\'ny tsirairay mampitombo izany harena izany ka hamelo-maso ny tanindrazana. Fijaliana tokoa izany tsy manan-janaka izany taloha satria miankina amin\'ny hafa ny famitana ny asa sy ny famelomana ka zary voateniteniteny ireo izay tsy mba nanana anjara-masoandro noho izany. Tamin\'izany fotoana izany koa dia tsy nisy ny sekoly fa teny an-tanimboly no sekoly no nitranga. Sady miasa no mananatra sy manabe. Matetika tokoa mantsy tamin\'ny andron\'ny Ntaolo na ny taty afara dia nisy ny vady amboarina. Izany hoe mety tsy io olona io no andrian\'ny fonao fa io no natokana ho anao sy mifandraika amin\'ny hevitry ny ray aman-dreny ka dia nampiasaina ny teny hoe \"hanambadian-kiterahana.\" Ka raha nisy ireo dia manamboatra saina avokoa ny rehetra fa tsy ny fitiavana akory no zava-dehibe fa ny fanana ny zanaka sy ny taranaka. Teo amin\'io vanimpotoana io ihany no isian\'ny \"Ny ela maharay ny roa.\" Zany hoe na tsy tiana aza ilay olona rehefa ela ny ela dia miray ihany ary lasa ho iray amin-javatra atao. Ny atao hoe vady koa anefa dia tena afaka milaza hoe firaisana. Ka raha hiray ny olona dia ny mba hiterahana. Na hoe hanambadian-kiterahana. Ny filan\'ny vatana no mitaky fiterahana. Amin\'izao fotoana anefa mino aho fa tsy isaky ny miray isika dia ny hiterahana hatrany. Moa ny harena koa aza tsy voatery intsony hiankina amin\'ny fananan-janaka fa matetika aza raha any ambanivohitra any na amin\'ny fiainana andavanandro ny mifanohitra no misy. Raha be loatra ny zanaka dia sahirana ny fianakaviana amin\'ny famelomana azy ireo. Be ny vava hampisakafoanana ka matetika ao ny mandry fotsy. Safidy amin\'izao fotoana izao ny fiterahana na ny fitaizana. Ny fifanajana ny safidin\'ny tsirairay amiko no tena zava-dehibe ka ahafantarany hoe hatraiza ny safidy ataony tsy hanimba ny hafa/fiarahamonina sy ny tontolo iainana ary hatraiza na afaka ve ny fahitana fiadanan-tsaina sy ny fo manoloana izany.
Ny hanambadian-kiterahana hoy ny ohabolan-tsika (miala tsiny ary aoka tsy halahelo ireo manambady nefa tsy manan-janaka an!) :-* Ny ankabeazan\'ny olona dia tia hanana zanaka, ary dia misy koa anefa ireo na dia efa manambady aza dia tsy tia ny hananjanaka mihitsy... :roll: Mba sitrako ny ahita izay valin-tenin-tsika tsirairay eto @ serasera. Misaotra.
16. endrika01
(
16/07/2009 14:08)
Misy maro ny couple maniry zaza,lay zaza irin-dry zareo anefa,de ireo zaza kamboty,tsy nahita ny Tena Ray aman-dreniny hatr@vao teraka,mety we accidents le Rad-ny,izy avotra soamatsara,misy lay reny maty eo am-piterahana,misy le tovovavy novitain-dry zalahy tany ambadimbadika tany,avy eo bevohoka tsifidiny,tsy te itaiza le zaza de alefany any @fitaizana zaza kamboty ,misy couple 4 ny zaza taizany,samy hafa ray aman-dreny,nefa natsangany toy ny zaza naterany,ireo zaza tsy mahalala we ray aman-dreny mitaiza azy ireo,fa ny fatany dia ireo no ray aman-dreny niteraka azy. Lay ramatoa tsy MOMBA rangahy koa toy izany,fa tsy mifapiteraka ry zareo,nefa koa tsy nanana remords teo @tantaram-pitiavana.Miadana sy sambatra lavitra noho ireo couple ,nifapiteraka izy ireo. ka asa inona izany no oham-pitenena homena azy ireo!!! Angamba refa maditra tsy azo irahina reo zaza e! De tonga amlay hoe mananatra mou izy iny sa maniraka?...zaza tsy nateraka mahabe vatakorona :-P
17. endrika01
(
16/07/2009 14:10)

18. Papoose
(
16/07/2009 17:38)
tess:
ka zay ndrindra ny kestion-ko hoe mbola possible ve io?????
:-P
misy kou lay sipa fetsy be te hamandrika bandy de hiterahana ilay bandy mba ahazoana manambady azy ! fika fika be mitsy :-D :^)
dia ny bandy koa misy manao sipa an'izany hoe bikinina le jo dia manaiky ho azy!! taiky!
19. tess
(
16/07/2009 20:27)
dia ny bandy koa misy manao sipa an'izany hoe bikinina le jo dia manaiky ho azy!! taiky!
ié! ka io tranga io indrindra no betsaka fatako ao france manabikina sipa manana taratasy de lasa mivady avy eo :-P
20. soanja
(
16/07/2009 22:28)
ni81:
Ny atao hoe vady koa anefa dia tena afaka milaza hoe firaisana. Ka raha hiray ny olona dia ny mba hiterahana. Na hoe hanambadian-kiterahana. Ny filan'ny vatana no mitaky fiterahana.
Ka izay mihitsy, kanefa maninona no misy tsy nanaiky ilay izy ny ankilany (na dia nifanekeny aza tany am-piandohana)? Samy tsy mbola nanambady tany aloha, ary tsy mbola nanana zanaka hafa talohan'ny nanambadiany.
Misy mantsy mpivady sasany tsy mety hiteraka intsony ry zareo noho
ny toe-pahasalaman'ilay vehivavy na ilay rangahy, na ny asa aman-draharaha ...Raha ireo antony ireo dia ny fahafahana no tsy mety intsony.
[
Ny zavamisy amin'izao fotoana dia tsy toy ny taloha intsony ny fomba fisainana. Misy ny hoe maika ny hanambady ry zavavy ary izay aza ny tanjona vao vita fianarana na vao mipaika ny 25 taona. Betsaka anefa ny tovovavy ankehitriny dia tsy ny fanambadiana no tanjony fa ny hananany fiainana milamina sy maharitra ary mamokatra kokoa noho ireo izay hitany fa nanambady nefa nikatso. Tsy mahatoky ny fiainany amin'ny fanambadiana ho zavadehibe izy ireo fa ny fiarahamiana kosa dia ilaina matoa izy ireo manambady ihany ny farany na miray trano.
Misy koa ny fisainana hoe rehefa tsy manan-janaka aho dia afaka manampy ny hafa, izay hitako fa maro tokoa ary mila fanampiana. Ny fananana ny an'ny tena aminy dia mety mitarika ho fibahanana tsy hanao sy hanome ny hery rehetra afa tsy ho an'ilay an'ny tena, izay tsy azo lavina fa avy amin'ny natiora ao anatintsika. Saingy efa miova ny fiainana. Be ny manome ny fotoanany hanasoavana ny hafa ary heverina fa izay no atao hoe fitiavana mitafotafo.
Ao koa ireo izay mahita fa mihasimba ny tontolo iainana noho ny inona moa fa tsy nohon'ny fisian'ny zaza maro loatra na olombelona eto an-tany. Tsy ny fisian'ny be loatra no olana , fa ny tsy fahafahan'ny tontolo sy ny firenena ary ny politika manome azy ireo fiadanan-tsaina sy fanahy ary indrindra ny vatany. Zary ireo olona ireo hanimba sy handoto ny tontolo iainana ary hitondra ny maro hivarina an-kady satria simba ny planeta tany, tsotra izao; mivaralila ny atomosfera ary mitaraina ny biby.
Amin'ireo olona ireo dia omena fandanjalanjana ny fiainana. Izay zaza efa teraka eo ary betsaka ireo no tsy nirina no aleony omena fitiavana feno. Hisy foana izany zaza raha mbola betsaka ny tsy ampy fandinihina sy tsy ampy fahalalana ary ny notsinotsinoavina. Ny tontolo iainana anefa na dia mihasimba azy tsy azo jerem-potsiny fa ilana fanarenana ary fiarovana. Mifanaraka ireo roa ireo. Omeo fitiavana ny olona fa hivoatra ny tontolo manodidina azy.
Tsetsetra tsy aritry iny fa maro ny antony ary matetika am-pitiavana daholo no isehoan'izany.