fantaro aloha ny dikan'ny atao hoe FITIAVANA

1. zaytinao ( 08/07/2009 18:41)
ny fitiavana dia émotion, tsy hita maso nefa tsapa avy ao anaty. Izany hoe hery iray mivoaka avy ao, ary izy io dia azo Havitana zavatra tsy takatrin'ny saina heritreretina.

Manarak'izay, dia ny fitiavana dia zavatra mandeha ho azy, tsy misy fanerena. Ny mifanohatra aminy diany fankahalana.
Ny fitiavana dia maro no afahana maneo azy: teny fihetsika, fanomezana....

Tadidio anefa fa misy karazany ihany koa ny fitiavana: fitiava-tena, fitiavan'olona roa, fitiavana ny namana, fitiavana harena.

Tiavo ny namanao hitanao maso alohan'ny hitenenanaohoe tia an'Andriamanitra ianao raha mino azy, satria ny namanaohitanaoo aza tsy tinao, ataonao ahoana ny hitia an'Andriamanitra tsy hita maso?

FITIAVANA NO IHORENAN'NY ZAVATRA REHETRA.
novalian'i Veloo ny 16/07/2009 17:00
2. simplex ( 08/07/2009 18:47)

ny fitiavana koa tsy azo anaovana theoria be loatra :-P
3. Papoose ( 08/07/2009 18:53)
otsan'ny fanina kely za na mety tsy mahazo an le kozy! ko le emotion mety tsy azo tsapin-tanana amiko fa hita maso koa!
4. tess ( 08/07/2009 19:21)
simplex:


ny fitiavana koa tsy azo anaovana theoria be loatra :-P



:-D ampiko kely tsy azo alaintahaka ihany kou! ny tiko lazaina hoe manao toy ny fitiavan'i ranona ato ambadika ohatra :-P ;-)
5. reve ( 08/07/2009 19:45)
Ny fitiavana dia avy @ Andriamanitra ary ny fitiavana an'Andriamanitra dia tsy azo hampitoviana amin'ny zavatra hafa mihintsy.
hoy ny Tompo Jesoa: "...didy lehibe no homeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo..."
de hoy koa ny Tompo "...fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao nomeny ny Zanany Lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra Mino Azy..." :* :-*
6. simplex ( 08/07/2009 20:01)

ho tonga any @ krispijo ity ra izao no mitohy :P

... miteraha, ary mamenoa ny tany...

:lol:
7. zaytinao ( 08/07/2009 20:04)
Tsy azo atao théorie @ahoana ary, nareo izany tsy miheritreritra vao manao zavatra? ny zavatra rehetra dia mila fantarina sy mila ametrahina drafitra maty paika vao azo atao. Raha miteny aho hoe azo atao dia tsy midika indray izany hoe 'lay heritreretinao a!!!!!!

Fa mba fantarina oa aloha ny zavatra vao resahina!!!
8. simplex ( 08/07/2009 20:14)
Fa mba fantarina oa aloha ny zavatra vao resahina!!!
le hoe manao ve izany? :P
9. zaytinao ( 08/07/2009 20:19)
a!!!!!!!!!!!tsy voatery ka!!!!!!!!!
fa rehefa hanao baolina dia théorie any aloha.
anao Pasitera dia torak'izay ihany.
10. tess ( 08/07/2009 20:21)
mila ametrahina drafitra maty paika vao azo atao
IZANY VE TSY ATAO HOE CALCUL BE NDRAY
11. zaytinao ( 08/07/2009 20:36)
Calcul calcul ihany fa izao, rehefa tia dia tia.
ex:ekena fa sarotra fa na ny fahavalo aza dia tiavina foana

Hitanao!! ao @ Baiboly ny tena ahitana ny "PRINCIPE3 général an'io resaka io.Aiza no ahitanao izany hoe raha misy mamelaka ny takolakao avanana dia tolory azy koa ny avia,fa tsy hoe nify solon'ny nify.

Fa hitanao, ny "BASE"n'ny zavatra rehatra dia fitiavana
ex:raha hianantra mathématiques ianao, raha tsy tinao io dia sarotra ihany ny ahaizanao azy.

MAZAVA VE ZAY?????????????????
12. simplex ( 08/07/2009 20:41)

azavao misimisy hoe ny resaka porofom-pitiavana :P
13. zaytinao ( 08/07/2009 21:25)
ny porofo-pitiavana dia ireo rehetra ahafahanao maneho ny fitiavanao olona iray.@ alalan'ny teny moa io matetika.

ireny zaza kely ireny no tena ahitana azy, izy rehefa misy olona tiany dia tsy fohiny.

Mbola tsy ampy?
14. tess ( 08/07/2009 21:27)
Hitanao!! ao @ Baiboly ny tena ahitana ny "PRINCIPE3 général an'io resaka io.Aiza no ahitanao izany hoe raha misy mamelaka ny takolakao avanana dia tolory azy koa ny avia,fa tsy hoe nify solon'ny nify.


zà tsy mila baiboly vao afaka mitia :-P
15. tess ( 08/07/2009 21:29)
12. Mpandefa : zaytinao [ Valio ] 08-07-2009 23:25:03
Lohateny : Re : fantaro aloha ny dikan'ny atao hoe FITIAVANA
ny porofo-pitiavana dia ireo rehetra ahafahanao maneho ny fitiavanao olona iray.@ alalan'ny teny moa io matetika.

misy olona tsy maneho fitiavana am alaln'ny teny fa fihetsika na savy de fanomezana foana :-P
16. zaytinao ( 08/07/2009 21:42)
hi!!!!!!!!!!!!hi!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!hi!!!!!!!!!! :lol: :lol: :lol: :lol: :lol:
17. soanja ( 09/07/2009 02:21)
zaytinao:

ny fitiavana dia émotion, tsy hita maso nefa tsapa avy ao anaty. Izany hoe hery iray mivoaka avy ao, ary izy io dia azo Havitana zavatra tsy takatrin'ny saina heritreretina.

Manarak'izay, dia ny fitiavana dia zavatra mandeha ho azy, tsy misy fanerena. Ny mifanohatra aminy diany fankahalana.
Ny fitiavana dia maro no afahana maneo azy: teny fihetsika, fanomezana....

Tadidio anefa fa misy karazany ihany koa ny fitiavana: fitiava-tena, fitiavan'olona roa, fitiavana ny namana, fitiavana harena.

Tiavo ny namanao hitanao maso alohan'ny hitenenanaohoe tia an'Andriamanitra ianao raha mino azy, satria ny namanaohitanaoo aza tsy tinao, ataonao ahoana ny hitia an'Andriamanitra tsy hita maso?

FITIAVANA NO IHORENAN'NY ZAVATRA REHETRA.


Raha zah indray ny hanome teoria dia hoe Andriamanitra mihitsy ilay fitiavana aparitakao amin'ny hafa rehetra sy ny tenanao ary ny tontolo rehetra.

Izy ilay hery tsapanao avy ao anaty, izay mitia ny hafa sy tsapanao mangotraka ho an'ny hafa.


18. zaytinao ( 09/07/2009 03:58)
[quote=soanja]


Raha zah indray ny hanome teoria dia hoe Andriamanitra mihitsy ilay fitiavana aparitakao amin'ny hafa rehetra sy ny tenanao ary ny tontolo rehetra.

Izy ilay hery tsapanao avy ao anaty, izay mitia ny hafa sy tsapanao mangotraka ho an'ny hafa.


Marina izany ry soanja!!! Andriamanitra dia FItiavana. Ekena ka!!!!!!!!
Izany anie no nolazaiko tetsy ambony hoe: ny hiorenan'io théorie na ny principe io dia ny Baiboly, fa ny foto--kevitra hijoroan'ny Baiboly dia ny Fitiavana e!!!!!!!



19. cutie ( 09/07/2009 04:04)
Tadidio anefa fa misy karazany ihany koa ny fitiavana: fitiava-tena, fitiavan'olona roa, fitiavana ny namana, fitiavana harena.


FITIAVANA NO IHORENAN'NY ZAVATRA REHETRA


De aiza ho aiza @ reo fitiavana voatanisa reo no misy an'i zaytinao :-D
20. nathie86 ( 09/07/2009 10:42)
simplex:


ny fitiavana koa tsy azo anaovana theoria be loatra :-P

loool
Ny fitiavana dia tena tsy théorie mihitsy, fa pratique tanteraka. Io ilay oe @ alàlan'ny fihetsika. lasa adala raha manao théorie beuh :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5334