Saobakaka milomano ao anaty rano

1. niryna ( 19/06/2009 19:26)
Nahavariana ahy ity tantara saobakaka milomano ao anaty rano ity ka mba zaraiko anareo.Zavatra roa no ataoko ohatra eto hoy ilay mpampianatra ka dia ...................

Maka rano mafana hianao dia atsoboy ao anatin'ilay rano mafana ny saobakaka raha tsy tonga dia mipitika ery Mahafantatra izy fa mamay ilay rano ka dia nanavo-tena no nataony aingana. oops saika maty leisy aho a ..aleo aloha aho hisaina kely amin'izay .

Ny manaraka indray hoy izy dia maka koveta kely hianao dia asio rano mangatsiaka io Ataovy ao ilay saobakaka ,jereo raha tsy milomano ao izy,falifaly ery Dia alefaso moramora amin'izay ny afo ,mafana tsikelikely,mahazo aina ery anie izy e.Mafana dia mafana dia eo izy fa tsy miala satria tena tamana ary farany inona no mitranga ? maty tao anatin'ilay rano mafana izy.
Inona no lesona azo tsoahina amin'io ry ireto ?
(l) niryna
répondu par niryna le 21/06/2009 07:55
2. xxx ( 19/06/2009 19:39)
kamo be ny mamaky azy fa mba ataovy fohifohy dia inona ilay atao azafady azavao tsara ( Tsy izay moa le morsa ry nyrina)
3. cutie ( 19/06/2009 21:36)
ze zavatra tsy tinao atao @ tenanao aza atao @ hafa.
Marina ve zay ry Niryna??
4. fijo ( 19/06/2009 22:08)
misy kosa tsy tiako atao amiko fa tiako atao amin'ny hafa ka
5. cutie ( 19/06/2009 22:08)
:-D :-D :-D :-D
6. fijo ( 19/06/2009 22:10)
de handainga eto kosa ve ary
7. cutie ( 19/06/2009 22:12)
de in le tsy tiana zany aza :-D
8. fijo ( 19/06/2009 22:14)
ohatra za tia manindritsindry olona,fa tsy tiako raha tsindriana
9. cutie ( 19/06/2009 22:15)
de ahona ouzy le oul tsindriana @ zany
10. fijo ( 19/06/2009 22:16)
hozy hoe hay hay hay
11. cutie ( 19/06/2009 22:18)
:-D :-D :-D :-D
12. fijo ( 19/06/2009 22:19)
ko indry manontany ko
13. cutie ( 19/06/2009 22:21)
de ahoana ouzy fijo @ zany :-D
14. mmmhh ( 20/06/2009 04:30)
Inona no lesona azo tsoahina amin'io ry ireto ?


Ny eritreritro de ity:
- raha misy zavatra tonga hitanao mbola tsy nidiranao / nataonao fa ratsy na koa mety hahafaty anao, de tsy hidiranao, tsy hataonao.
Eto zao le saobakaka, vao niditra tonga de vao nijabaka de hitany fa mamay be le rano de niala izy.
- rah eo @ fiainana mirindra tsara (rano mangatsiaka), mahafinaritra (nilomano, nilalao) no hidiran'ny ratsy tsikelikely dia mety maharoboka anao (miha-mafana) ary matetika hita mahafinaritra izany (tsy te hiala) , nefa tsy fantatr'isika fa mety hiafara @ fahafatesana izany.

Ireo mba hevitro tsy haiko angaha we hiresaka Reflexe i Nyrina. :wink:
15. ravonjison ( 20/06/2009 08:51)


" Ireo mba hevitro tsy haiko angaha we hiresaka Reflexe i Nyrina. "

Ilay resaka reflexe izay no mba manitikitika ahy ', miampy ilay " capacité d' adaptation ".
16. ikaretsaka ( 20/06/2009 10:46)
Mitovy @ ravonjison koa ny eritreritro
17. gasynamana ( 20/06/2009 12:42)
Any Bezaha Toliary ny rano mahamay foana fa tsy misy saobakaka maty izany, fa velona tsara daholo.
18. niryna ( 21/06/2009 07:43)
gasynamana:

Any Bezaha Toliary ny rano mahamay foana fa tsy misy saobakaka maty izany, fa velona tsara daholo.

hi,hi miliba ao anatin'ny rano mafana izy izany .
Tsy ilay ranomafana an'Antsirabe ireny anie ry gasy e,atao ao anatin'ny koveta dia alefa moramora ilay hafanana ary dia maty ao anatin'ilay rano mafana izy amin'ny farany.Ndry ,mampanahelo be ooops mampalahelo no tiako tenenina fa io no fitenin'ny ankizikely

:D
19. niryna ( 21/06/2009 07:45)
mmmhh:

Inona no lesona azo tsoahina amin'io ry ireto ?


Ny eritreritro de ity:
- raha misy zavatra tonga hitanao mbola tsy nidiranao / nataonao fa ratsy na koa mety hahafaty anao, de tsy hidiranao, tsy hataonao.
Eto zao le saobakaka, vao niditra tonga de vao nijabaka de hitany fa mamay be le rano de niala izy.
- rah eo @ fiainana mirindra tsara (rano mangatsiaka), mahafinaritra (nilomano, nilalao) no hidiran'ny ratsy tsikelikely dia mety maharoboka anao (miha-mafana) ary matetika hita mahafinaritra izany (tsy te hiala) , nefa tsy fantatr'isika fa mety hiafara @ fahafatesana izany.

Ireo mba hevitro tsy haiko angaha we hiresaka Reflexe i Nyrina. :wink:

hmmmm ,tsy ratsy kosa ilay eritreritrao an

^:^ ^:^
20. niryna ( 21/06/2009 07:47)
xxx:

kamo be ny mamaky azy fa mba ataovy fohifohy dia inona ilay atao azafady azavao tsara ( Tsy izay moa le morsa ry nyrina)


ka hoe saobakaka milomano ao anatain'ny rano mafana dia mitsambikina hono
saobakaka milomano ao anaty rano mangatsiaka dia faly ery fa rehefa hafanaina ilay rano dia tamana ao izy dia ao ka ao ka ao fa tsy mety miala ao ,tsy misy manaitra fa dia ao ary dia maty amin'ny farany.
Inona no ohatra azo lazaina amin'io ary e,mazava ve
:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0455