Ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo.

1. soanja ( 10/06/2009 23:09)
Ndao horesahintsika ny fifandraisan'ireo amintsika olombelona ary ny mba hananterahantsika ny fikasan'Andriamanitra raha nomeny ireo fahafahana roa ireo isika, izay tena mifaningotra tokoa ny fahitako azy sady faratampony amin'ny lahatry ny vatana sy ny saina ary ny fanahy no atrehina.

Nahoana moa no heverin'ny maro ao anaty finoana fa ratsy ny firaisana ara-nofo? Isan'ny mihevitra an'io ve ianao? Aiza ny sehatry ny fitiavana manoloana izany?

Omeo ny hevitrao. Misaotra mialoha.
2. ari.malala ( 11/06/2009 05:55)
Manohy io fanontanian'i Soanja io (miala tsiny aho zoky) fa manitikitika ahy. Raha hors mariage izy dia lazaina fa fijangajangana. Ilain'ny vatana nefa hono izy io hoy ny dokotera, ka ahoana no fipetrany hoan'ny célibataire, tokony mitady vady ve izany izy ireo sa ahoana?

Hamaliako ny fanontanian'i Soanja, amiko manokana raha entina hanimbana fiainan'olona na hanimbazimbana olona ny firaisana ara-nofo dia fahotana izy izay. Izaho manokana aloha tsy mihevitra ary tsymandray ny firaisana aranofo ho fahotana, eny fa na dia tsy ao anaty fanambadiana aza, fa saingy kosa nefa tokana ihany ny olona anaovana firaisana.
3. rodro ( 11/06/2009 10:54)
Ny fitiavana sy ny firaisana aranofo
Ny firaisana aranofo de tokony tsy hisehorahoatra tsy hovadinao le olona nakoa mbola vetivety niarahana

Satria zaho organizateur cpl de haiko mitsy ny zava misy @ reo

Ny firaisana aranofo de tsimanaporofo fahoe tianao le olona
ka raha miteny ianao hoe andao hanao firaisana aranofo sanandrozao de tsifitiavana zay :-* :-*
4. soanja ( 11/06/2009 14:08)
Ity misy hiran'ny Rija Rasolondraibe izay ankafiziko tokoa satria mahalaza zavatra be dia be tokoa.

" Maso sendra mifanojo
Fitsiky mitsilopy
Taratra manify mifanandrify
Niteraka hazavana
Nampiely hafanana

Ireo dia ampy
Handraisako anao
!"

Tsarao raha diso io fa efa ela aho tsy naheno io hira io an.

Tohizako ny dinika raha vao malalaka kely aho. Misaotra.
5. Koditra ( 11/06/2009 18:38)
Fangà moa ry Soanja tsy safidy sy fahalalahana efa nomen’A/tra ny hoe «Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany»? Saingy nahazo filinina ny olona dia tsy nataony ho fitaovam-piterahana fotsiny ihany fa nataony fialamboly sy fakàna fahafinaretana ihany koa satri tsy mbola nisy film sy video na spektakla t@ zany fotoana nanomezana ny tsodrano zany. Tsapan’ny olona taty aoriana ihany koa io ka dia notohizana h@ zao vaninandro izao, tsy atakalo fijerevana film sy vidaka, efa tanteraka rahateo ilay hoe mamenoa ny tany, diso feno loatra indray aza. :lol: :lol:

Fahotàna ve sa tsia? Amiko dia tsy fahotàna izy io rehefa tsy an-tery sy indrindra indrindra ao anatin’ny fitiavana, tsy olana io na mpisipa na mpivady rehefa atao @tokony ho izy sy tsy miteraka olana.

Hamaliako ny fanontanian'i Soanja, amiko manokana raha entina hanimbana fiainan'olona na hanimbazimbana olona ny firaisana ara-nofo dia fahotana izy izay. Izaho manokana aloha tsy mihevitra ary tsymandray ny firaisana aranofo ho fahotana, eny fa na dia tsy ao anaty fanambadiana aza, fa saingy kosa nefa tokana ihany ny olona anaovana firaisana.
Nitovitovy ihany ny fomba fijeritsika saingy ilay frazinao farany fotsiny no somary sarotra ihany na dia safidy aza ilay hoe Tokana satri tsy ho voatery lasa vady ny sipa nohon’ny antony maro samihafa.
6. ari.malala ( 12/06/2009 05:25)
Koditra, eny tsy voatery ho vady ny sipa, fa rehefa mba ilay miaraka @nao aloha no eo dia izy tiavina sy tolorana ny momba anao rehetra, fa tsy efa misy miaraka aminao d iny fa tara @ rasoa ianao d hanao firaisana @ rasoa d mahita an'i ketaka idnray d tara @ ketaka d iny koa fa hiaraka @ ketaka, zay no tiako tenenina @ ilay hoe tokana ihany ny olona anaovana firaisana. Etape par étape zany e! :-P
7. sitlo ( 12/06/2009 09:25)
amiko, ny hevitro, ny fahitako azy,...

Izy io ange ry zareo tsy ianareo no mamaritra azy e!

Efa voasoratra tsara ao anaty Baiboly, sady didy folo mihitsy:
"Aza mijangana"
"Aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao"

Dia mbola nampian'i Jesosy: "eny fa na an'eritreritra aza" (masta).

Koa hampitovy laharana amin'i Mosesy sy Jesosy ve ilay hoe "amiko".

Ilain'ny vatana nefa hono izy io hoy ny dokotera

Tsy salama izany ny Papa?
8. xxx ( 12/06/2009 09:48)
Cf sitlo :lol:
Tsy salama izany ny Papa?

:-D :-D :-D
9. Koditra ( 12/06/2009 19:09)
Arimalala : Resaka mampirafy zany ilay tinao nolazaina, azoko ka. Ok.

Sitlo : Ilay hoe "Amiko" tsy midika fijangajangana na fitsiriritana vadin'olona, hevitry ny tsirairay no nanontaniana, raha miaraka @sipako aho, tiko izy, reciproq, inona no olana raha te-hifandombera sy izay mety ho tohiny eo izahay?
Raha apetraky Sitlo hoe fijangajangana ny fanànana sipa mialohan'ny fanambadiana dia ok, mety ho marina ho an'Sitlo fa tsy marina Amiko.
10. ni81 ( 12/06/2009 19:17)
Tsy salama izany ny Papa?
:lol: :lol:
11. ikaretsaka ( 13/06/2009 00:39)
Raha tsy salama izy maninona no mbola afaka mijoro sy mandende
12. cutie ( 13/06/2009 01:23)
izy efa antitra iny koa ve de mbola mila firaisana ara- nofo ihany :-D :-D :-D :-D
13. tywa68 ( 13/06/2009 11:10)
soanja:

Ndao horesahintsika ny fifandraisan'ireo amintsika olombelona ary ny mba hananterahantsika ny fikasan'Andriamanitra raha nomeny ireo fahafahana roa ireo isika, izay tena mifaningotra tokoa ny fahitako azy sady faratampony amin'ny lahatry ny vatana sy ny saina ary ny fanahy no atrehina.

Nahoana moa no heverin'ny maro ao anaty finoana fa ratsy ny firaisana ara-nofo? Isan'ny mihevitra an'io ve ianao? Aiza ny sehatry ny fitiavana manoloana izany?

Omeo ny hevitrao. Misaotra mialoha.

Soanja > misy sokajin'olona nanao safidy tsy hiaina an'izany filàn'ny nofo zany, satria nahita fahasambarana hafa izy ao @lay fampielezana ny vaovao mahafaly : tsy hoe rhf tsy ohatrantsika d tsy normal fa safidy sy ANTSO io hoe hanara-dia an'i Kristy tanteraka. Ary zay no maha UNIQUE antsika satria tsy natao hitovy fa samy manana ny lalany na d mitovy tanjona aza :lol:
14. tywa68 ( 13/06/2009 11:19)
Tsy ny firaisana ara-nofo no ratsy ho an'ny mpino f'ilay fiantraikan'ilay fiarahana eo @ manodidina sy ny zavadratsy entiny raha tsy sainina tsara hoe inn no mibaiko an'ilay izy :wink:
15. fahamarinana ( 13/06/2009 11:40)
:arrow: Iraisako hvtr ihany koa i tywa68 ! Samy manana ny tanjony araka ny finoany sy ny fomba fitondrany ny finoany,isika izao ary samy mpino (na milaza na tena miaina na anarana fontsiny ihany na tena miaina araka Azy tanteraka koa ) nefa dia samihafa tokoa ny fandraisantsika io resaka iray io ! (l)
16. ikaretsaka ( 13/06/2009 17:39)
tywa68:

Tsy ny firaisana ara-nofo no ratsy ho an'ny mpino f'ilay fiantraikan'ilay fiarahana eo @ manodidina sy ny zavadratsy entiny raha tsy sainina tsara hoe inn no mibaiko an'ilay izy :wink:


iraisako hevitra...

sady ny aza mijangajanga ange no voasady fa tsy ny hoe aza miray ara nofo e

adultere tsy midika hoe rapport sexuel...
na le teny aza d'efa samihafa
:-D
17. xxx ( 14/06/2009 09:39)
Ikaretsaka:

iraisako hevitra...

sady ny aza mijangajanga ange no voasady fa tsy ny hoe aza miray ara nofo e

adultere tsy midika hoe rapport sexuel...
na le teny aza d'efa samihafa

:roll: :roll: :roll:
Ny fijangajangana dia firaisana ara-nofo ataon'ny olona manam-bady sy olona iray tsy vadiny.

18. soanja ( 15/06/2009 03:27)
Tohizako ary ny ahy>

Ny zavatra rehetra raha niorina na namboarin\'Andriamanitra dia noho ny FITIAVANA. Nisy ny tany satria feno ny fepetra rehetra nahitan\'Andriamanitra fa tokony hisy aina ity planeta iray ity. Hamitany izany dia novoleny ny FITIAVANA.
Vao bitika ny zaza iray dia efa feno tsirin\'aina ho tsimoka hivoatra ho aina indray andro any ao anaty vatan\'ny vavy raha vavy io na lahikely. Ary rehefa feno taona izy hivoatra ho olon-dehibe na adolantseto hoy ny gasy akademia dia mihamasaka io isam-bolana ary ao ny mivoaka very satria tsy nisy firaisana , raha nisy kosa firaisana dia lasa olona indray ilay tsirin\'aina iny. Zany hoe vao kely bitika isika dia efa miomana ny ho tonga amin\'izay fitiavana goavana izay saingy miantoboka foana amin\'ny fitiavana an\'i Neny sy i Dada ary ny fiankaviana rehetra. Miparitaka maneran-tany ny fitiavana.

Zany hoe rehefa dinihina, AMIKO, dia miaina miodina amin\'io fitiavana sy fifa nintonana io daholo ny zavamanan\'aina na tsia rehetra toy ny universa izay ialofantsika izay misy ny tany. Mifanintona dia mifampipoaka, dia mamorona zavabaovao indray. Io no antsoina amin\'ny teny anglisy hoe \"The Matrix\" ka io dia enerjia miparitaka eny rehetra eny. Ny biby mifanimbolo dia mifandray, ny zavamaniry ohatra manintona ny tantely ho tonga aminy eo. Isika olombelona koa dia mamoaka io enerjia mifanintona io na dia tsy hita maso aza. Na dia ao ambadik\'ity ordinatera ity aza ny olona iray dia mahatsapa ilay enerjia mety atosak\'iray hafa ohatra.

Raha mihaona i Koto sy Soa ka nifanojo ny masony ary efa niparitaka teny foana ny enerjia dia efa misy ny matrix izay mifandray. Mihamafana io enerjia io rehefa mifanojo ny onjany ary efa velona sahady izay velona ka manome an\'i Kotosoa, ilay fanahy vaovao avy amin\'Andriamanitra. Efa miorina ny fitiavana eo amin\'io olondroa io na dia tsy mbola niray aza iry roroa. Mifanintona ny fihetsiky ny vatana, ny teny mamy ary ny fo mifangia. Ao anelanelany ao Andriamanitra. Io ilay Fitiavana. Rehefa misy ny fisintonana goavana dia mitaky daholo ny vatana hifandray . Fahatsapana tsy hay tohaina ny ao ary na lahy na vavy dia mahatsapa izany ara-batana sy saina ary ny fanahy. Farany dia miray, mitambolona ireo mpifankatia , mifampidim;piditra ary tonga ilay fiatrehana goavana hanome an\'i Kotosoa. Io ilay zaza niforona tao anaty fitiavana goavana. Izay avy amin\'Andriamanitra ilay fitiavana.

Isika olombelona raha mifankatia dia voajanahary tokoa ary tsy hay tohaina izany. Isika no mifanaiky dia vokatry ny fo tokoa fa hifaningotra ary safidy malalaka no omen\'Andriamanitra hoe afaka manao hoe Eny ianao na TSIA noho ny antony samihafa.

Tsy ny baiboly no hilaza ny vatanao hoe zao atao fa ny tenanao no hanome anao ny fahafahana izay vitanao sy mahasambatra anao ary ny fitokianao fa tsy hamitaka anao izany fitiavana tsapanao izany! Satria mantsy isika rehetra koa dia mahalala fa mamitaka ny zavatra tsapan\'ny vatana sy ny fo indraindray. Eo no ilaina miasa ny herin\'ny fanahy! Moa va tena tsapanao ilay Matrix sa herim-batana taitaitra no iainanao amin\'io fotoana io?

Tsy misy ny ota ao anaty fitiavan\'olon-droa n\'iza n\'iza satria ny fitiavana dia miorina amin\'Andriamanitra, fa raha toa kosa ka manimba ny hafa izany fifandraisana izany dia mety tsy hitarika amin\'ny mahasoa tokoa. Nisy ve ny fifanekena tao anaty firaisana? Samy mazoto ary ao anaty FITIAVANA? vonona ve ny isanisany avy handray ny andraikitra tandrify manodidina ilay firaisana SATRIA zah sy ianao samy mahalala fa afaka mamoaka zaza ny firaisana satria io nametrahan\'Andriamanitra azy? Ohatra ka tsy hanao kapoty fa hoe amin\'izao ohatra na hoe tsy hampiasa fanabeazana aizana fa alefa dia lasa sns... Raha misy ny fiterahana dia iza no handray andraikitra amin\'izany famoahana zaza vaovao izany? Vonona ve ny tokatrano handray zaza sa samy mbola olon-ko ho azy ny resaka fa tsy misy resaka tokatrano?

Raha manambady ny iray na ny izy roa dia inona no tokony ho atao, io tsy azo ivalozana fa rehefa tia dia tia! Anjaran\'ny tsirairay no mahalala izay tokony tandrify sy mahamety izany fifandraisana izany. Tsy ny hafa no hilaza fa mijanganjanga ianao fa ianao sy ny tenanao, ao anatinao ao dia efa mahafantatra na mety izany noho ny voady natao tamin\'izay nifanekena na tsia? Mahatsara ilay tiavinao ve izany firaisana izany sa vao maika aza hampiditra anareo amin\'ny kizo? Hitondra aiza ny firaisana tsy hitondra tanjona???? Raha filam-batana ilay izy dia afaka mifanaraka noho izany fa saingy ao anaty Fitiavana ve sa ve dia filana tsy misy fitiavana?

N\'inona n\'inona miorina tsy ao anaty fitiavana dia diso eo anatrehan\'Andriamanitra amiko. Satria io fitiavana io no nampisy antsika ary manodina antsika. Ny ankoatr\'izay dia manimba ary tsy mitondra ny saintsika sy fiainantsika ho soa.

Diniho ilay firaisana fa tsy vitan\'ny ara-batana velively akory fa ara-tsaina sy ara-panahy koa satria ireo no mitambatra no atao hoe Fitiavana.
19. soanja ( 15/06/2009 03:35)
sitlo:

amiko, ny hevitro, ny fahitako azy,...

Izy io ange ry zareo tsy ianareo no mamaritra azy e!

Efa voasoratra tsara ao anaty Baiboly, sady didy folo mihitsy:
"Aza mijangana"
"Aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao"

Dia mbola nampian'i Jesosy: "eny fa na an'eritreritra aza" (masta).

Koa hampitovy laharana amin'i Mosesy sy Jesosy ve ilay hoe "amiko".

Ilain'ny vatana nefa hono izy io hoy ny dokotera

Tsy salama izany ny Papa?


TSIA velively amiko ity hevitra iray ity. Zah no mamaritra izay fahatsapana omen'Andriamanitra ahy ao anatiko ho mahasoa sy ifandraisako amin'ny hafa fa tsy ny baiboly na olon-kafa any!


20. soanja ( 15/06/2009 03:43)
Koditra:

Fangà moa ry Soanja tsy safidy sy fahalalahana efa nomen’A/tra ny hoe «Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany»? Saingy nahazo filinina ny olona dia tsy nataony ho fitaovam-piterahana fotsiny ihany fa nataony fialamboly sy fakàna fahafinaretana ihany koa satri tsy mbola nisy film sy video na spektakla t@ zany fotoana nanomezana ny tsodrano zany. Tsapan’ny olona taty aoriana ihany koa io ka dia notohizana h@ zao vaninandro izao, tsy atakalo fijerevana film sy vidaka, efa tanteraka rahateo ilay hoe mamenoa ny tany, diso feno loatra indray aza. :lol: :lol:

Fahotàna ve sa tsia? Amiko dia tsy fahotàna izy io rehefa tsy an-tery sy indrindra indrindra ao anatin’ny fitiavana, tsy olana io na mpisipa na mpivady rehefa atao @tokony ho izy sy tsy miteraka olana.





Amiko indray dia ny FITIAVANA aloha no tsapa voalohany zay vao hoe mety ho ray aman-dreny ve isika? Raha ny fahitako azy dia tsy nisy nihevitra ny hanamboatra zaza ny ankabetsahan'ny olombelona raha manao firaisana eo fa nohon'ny fitiavana mahery vaika mifanitona fa kosa Andriamanitra dia mahalala fa ny vokatry ny fitiavana iray dia zavatsoa iray, dia tsy inona fa ny zazakely!

Raha hoe hanamboatra zazakely no notadiavin'Andriamanitra isaky ny hanao firaisana dia tsy afaka nahatsapa fafinaretana isika olombelona raha miray amin'ny andro voalohany afaran'ny fadimbolana vita.

Tian'Andriamanitra hifankatia isika ary hanorina tanjona mahasoa ao anatin'izany fifankatiavana izany dia ny tokatrano!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1455