Ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo.
21. soanja
(
15/06/2009 03:52)
tywa68:
soanja:
Ndao horesahintsika ny fifandraisan'ireo amintsika olombelona ary ny mba hananterahantsika ny fikasan'Andriamanitra raha nomeny ireo fahafahana roa ireo isika, izay tena mifaningotra tokoa ny fahitako azy sady faratampony amin'ny lahatry ny vatana sy ny saina ary ny fanahy no atrehina.
Nahoana moa no heverin'ny maro ao anaty finoana fa ratsy ny firaisana ara-nofo? Isan'ny mihevitra an'io ve ianao? Aiza ny sehatry ny fitiavana manoloana izany?
Omeo ny hevitrao. Misaotra mialoha.
Soanja > misy sokajin'olona nanao safidy tsy hiaina an'izany filàn'ny nofo zany, satria nahita fahasambarana hafa izy ao @lay fampielezana ny vaovao mahafaly : tsy hoe rhf tsy ohatrantsika d tsy normal fa safidy sy ANTSO io hoe hanara-dia an'i Kristy tanteraka. Ary zay no maha UNIQUE antsika satria tsy natao hitovy fa samy manana ny lalany na d mitovy tanjona aza :lol:
Misy tokoa io sokajin'olona manokana ny tenany ho madio io ka tsy hanome vahana ny vatany fa hampivoatra ny fanahiny, araky ny fomba fisainany sy nifanekeny taminn'Andriamanitra. Safidy tokoa izany ary tsy misy maharatsy izany. Izay no mahatsara antsika olombelona dia satria samihafa isika na dia mitovy aza ny fipetrapetraky ny vatana eo imaso.
Tsy midika akory izany anefa fa foana ilay fitiavana tsapany ao anaty izay voajanahary tokoa saingy ny fahaizany mandanjalanja izany hopotsitra manoloana ny teny nomeny no famirapiratany.
Gaga aho indray mandeha raha nihaino ity pretra iray nanazava tamin'ireo hanao mariazy tsy ho ela ka manofana azy ireo izy ny fanazavana momba ny fifankatiavan'ny mpivady sy ny firaisana ara-nofo. Na izaho nihaino teo aza taitaitra tokoa hoe aiza ary izay vadiko izay fa mila mampihatra izany aho zao dia izao.
:-D :-D :-D :-D hainy tanteraka ny nanome hasina ny firaisana ara-nofo amin'ny mpivady ary hoy aho hoe na efa nanao ity mopera ity na izy tena mahatakatra ny tsy takatry ny mandady harona mitovy aminy! Sambatra izy afaka maneho izany ara-tsaina sy ara-panahy nefa tsy voatery hahatsapa izany.
22. soanja
(
15/06/2009 03:57)
tywa68:
Tsy ny firaisana ara-nofo no ratsy ho an'ny mpino f'ilay fiantraikan'ilay fiarahana eo @ manodidina sy ny zavadratsy entiny raha tsy sainina tsara hoe inn no mibaiko an'ilay izy :wink:
Io tena hoe mibaiko io tokoa no lakilen'ilay lohahevitra. Inona no mibaiko anao hamelatra fe? Inona no mibaiko anao hampiditra filahiana any anaty fivaviana? Miasa daholo ve ny mahaolona sa ny sasa-tsasany ihany!
Diniho tsara fa afaka atao toy ny misakafo koa ny firaisana rehefa tsy hay ny manavaka ny tsapan'ny vatana sy ny fo ary indrindra ny fanahy!
23. soanja
(
15/06/2009 04:01)
ikaretsaka:
tywa68:
Tsy ny firaisana ara-nofo no ratsy ho an'ny mpino f'ilay fiantraikan'ilay fiarahana eo @ manodidina sy ny zavadratsy entiny raha tsy sainina tsara hoe inn no mibaiko an'ilay izy :wink:
iraisako hevitra...
sady ny aza mijangajanga ange no voasady fa tsy ny hoe aza miray ara nofo e
adultere tsy midika hoe rapport sexuel...
na le teny aza d'efa samihafa
:-D
Ilay teny " mijangajanga" no samihafa no andraisan'ny tsirairay azy ka miankina amin'izay mandray azy no fomba isainany manoloana izany.
Amiko izay firaisana atao tsy ao anaty FITIAVANA dia mijangajanga avokoa ka na mpivady aza rehefa tsy mifankatia nefa manao firaisana satria noho ny antony samihafa dia mijangajanga izany amiko satria mamita-tena ary mandoto ny tempolin'Andriamanitra izay tsy iza fa ny tenanao.
24. soanja
(
15/06/2009 04:08)
ari.malala:
Manohy io fanontanian'i Soanja io (miala tsiny aho zoky) fa manitikitika ahy. Raha hors mariage izy dia lazaina fa fijangajangana. Ilain'ny vatana nefa hono izy io hoy ny dokotera, ka ahoana no fipetrany hoan'ny célibataire, tokony mitady vady ve izany izy ireo sa ahoana?
Hamaliako ny fanontanian'i Soanja, amiko manokana raha entina hanimbana fiainan'olona na hanimbazimbana olona ny firaisana ara-nofo dia fahotana izy izay. Izaho manokana aloha tsy mihevitra ary tsymandray ny firaisana aranofo ho fahotana, eny fa na dia tsy ao anaty fanambadiana aza, fa saingy kosa nefa tokana ihany ny olona anaovana firaisana.
Amiko ry Ary raha hamaly ny fanontanianao dia hoe izay mifankatia ka tena amin'ny fo tokoa samy mahatsapa sy mahalala andraikitra dia afaka miray. Io no fanehoana goana nomen'Andriamanitra antsika hampivoitra ny fitiavana. Izay mariazy na tokatrano na fanorenana maharitra dia tokony ho tanjona tokoa izany raha toa ka ao anaty fitiavana no fiorenan'ilay firaisana!
Misy tanjona lalandava ny fitiavana sy ny firaisana miaraka fa tsy mandeha ila amin'izao ho famenoana izay ilaim-batana ihany!
25. fahamarinana
(
15/06/2009 04:11)
soanja:
Ilay teny " mijangajanga" no samihafa no andraisan'ny tsirairay azy ka miankina amin'izay mandray azy no fomba isainany manoloana izany.
:arrow: za koa mahita fa samihafa ,araka ny tsirairay tokoa e !
soanja:
Amiko izay firaisana atao tsy ao anaty FITIAVANA dia mijangajanga avokoa ka na mpivady aza rehefa tsy mifankatia nefa manao firaisana satria noho ny antony samihafa dia mijangajanga izany amiko satria mamita-tena ary mandoto ny tempolin'Andriamanitra izay tsy iza fa ny tenanao
:arrow: Mahaliana be ahy ity fomba fijerindry iray ity sy mbola tsy nandalo ny saiko koa nefa misy fahamarinana tanteraka ihany koa,amiko aloha an ! Misaotra akia ! Hitako fa mitombina e !
Ny tiko fatarina fontsiny hoe io ' mijangajanga " io ve teny notsongaina tao anaty voambolana malagasy sa teny notsongaina tao anaty Baiboly ? .Eo angamba no mahasamihafa ny fandraisan'ny tsirairay azy ! Mbola hevitro fa avereno amiko rahatoa ka tsy ankafizinareo an (l)
26. soanja
(
15/06/2009 04:14)
ari.malala:
Hamaliako ny fanontanian'i Soanja, amiko manokana raha entina hanimbana fiainan'olona na hanimbazimbana olona ny firaisana ara-nofo dia fahotana izy izay. Izaho manokana aloha tsy mihevitra ary tsymandray ny firaisana aranofo ho fahotana, eny fa na dia tsy ao anaty fanambadiana aza, fa saingy kosa nefa tokana ihany ny olona anaovana firaisana.
Ekeko tokoa io hevitr'i Ary io afa tsy ilay farany koa satria mety lafiny samihafa no isehoan'ny fitiavana ary tena misy tokoa izany tia olona roa indray mipoaka na telo aza saingy ny fahaizana mandanjalanja an'io no sarotra be.
Ary Andriamanitra dia mitaky antsika ho marina sy mahalala onona ary tsy hanimba ny hafa fa tsy hanao danin'ny fo. Eo no miasa ny fanahy!
27. soanja
(
15/06/2009 04:25)
fahamarinana:
soanja:
Ilay teny " mijangajanga" no samihafa no andraisan'ny tsirairay azy ka miankina amin'izay mandray azy no fomba isainany manoloana izany.
:arrow: za koa mahita fa samihafa ,araka ny tsirairay tokoa e !
soanja:
Amiko izay firaisana atao tsy ao anaty FITIAVANA dia mijangajanga avokoa ka na mpivady aza rehefa tsy mifankatia nefa manao firaisana satria noho ny antony samihafa dia mijangajanga izany amiko satria mamita-tena ary mandoto ny tempolin'Andriamanitra izay tsy iza fa ny tenanao
:arrow: Mahaliana be ahy ity fomba fijerindry iray ity sy mbola tsy nandalo ny saiko koa nefa misy fahamarinana tanteraka ihany koa,amiko aloha an ! Misaotra akia ! Hitako fa mitombina e !
Ny tiko fatarina fontsiny hoe io ' mijangajanga " io ve teny notsongaina tao anaty voambolana malagasy sa teny notsongaina tao anaty Baiboly ? .Eo angamba no mahasamihafa ny fandraisan'ny tsirairay azy ! Mbola hevitro fa avereno amiko rahatoa ka tsy ankafizinareo an (l)
Raha ny fitantaran'ny vazaha Anglisy LMS tamin'ny andron'ny Ntaolo dia tsy nahalala tokoa io hevitra mijangajanga io ny Malagasy fa dia niara tonga tamin'ny baiboly io teny io angamba raha ny fandinihako azy. Satria tao an-dRova tao hono dia nisy fiodikondinana samihafa ary miezaka ny mpivavaka Anglisy nanoro an'io fa dia ehe gaga ny Malagasy fa hoe ahoana no zavatra tsarabe io ka dia atao hoe "ota". Toy ny hoe firaisana ara-nofo aza anie toa efa taty afara vao natao toy izany fa hoe " nahalala ny vadiny" no fiteny rehefa hoe manao ny mpivady tamin'izany.... asa anefa aleo ny namana hafa hamaly raha misy mahalala tsara tokoa ny tena izy.
Ny teny hoe " misengy" kosa dia tena Malagasy avy any anindran-tany tsy nalaina tao anaty baiboly ary io dia midika hoe mivejivenjika ilay olona miorika aty sy ary na dia ao anaty tokatrano aza na tsia.
28. tywa68
(
15/06/2009 05:00)
hoy i Soanja
Zay aloha e : tsy mendrik ho mpanara-dia an'i Kristy zay tsy mampiseho fitiavana. Ilay fitiavana akory tsy voatery hoe mahay "raha", fa samihafa mihitsy ny hoe tia ary mizara zany fitiavana zany satria eo @ilay tanjona koa ny antony hanaovana ilay izy na tsia. Ilay fanajàna ny tempolin'Atra samy manana ny fandraisany azy ary io d Atra ihany no mahay mampita aminao ny tadiaviny (raha mihaino sy tena tia azy ianao). :wink:
N'inona n'inona miorina tsy ao anaty fitiavana dia diso eo anatrehan'Andriamanitra amiko
Zay aloha e : tsy mendrik ho mpanara-dia an'i Kristy zay tsy mampiseho fitiavana. Ilay fitiavana akory tsy voatery hoe mahay "raha", fa samihafa mihitsy ny hoe tia ary mizara zany fitiavana zany satria eo @ilay tanjona koa ny antony hanaovana ilay izy na tsia. Ilay fanajàna ny tempolin'Atra samy manana ny fandraisany azy ary io d Atra ihany no mahay mampita aminao ny tadiaviny (raha mihaino sy tena tia azy ianao). :wink:
29. fahamarinana
(
15/06/2009 05:51)
:arrow: .....raha mihaino sy tena tia Azy ianao !.... hoy tywa68 .....:-w :-w marina tanteraka nefa io miheno io mihintsy no tena sarotra satria be sitrapo ka satry foana tsy hiheno raha tsy izay tiana henoina indrindra rehefa tsy mifanaraka amin'ny fanirina izay ! Za manokana no resahako eto fa tsy ny daholo be an ! :? (l)
30. ari.malala
(
15/06/2009 05:55)
Ekena hoe misy ary mety mitranga ny hoe tia olona 2 @ fotoana 1 fa eo no ilàna saina mandinika sy fo mahay manaiky sy mionona hoe rehefa ity no tiako dia izy no hajaiko sy iononako, fa tsy ndeha koa hanandrana an'iroa! Izay no maha samy hafa antsika olombelona @ biby, fa ny biby na dia 3 na 4 miray aminy tsy mampaninona azy.
31. fahamarinana
(
15/06/2009 06:05)
:arrow: hitariko kely indray ary aloha an ! raha jerentsika ary ny fomba ny tany sasany manao polygamie dia aiza indray ny fipetrany raha alaintsika ohatra io lazain'ny ari io ohatra ! Mahaliana ity resaka ity rehefa jerena amin'ny lafiny maro ! Eo manko tsy azontsika ampitovizina amin'ny biby ireny olona ireny !
Miala tsiny amin'ny soanja fa lasa mety hivoana amin'ny fiandohany ity dinika ity an ! :wink: (l)
Miala tsiny amin'ny soanja fa lasa mety hivoana amin'ny fiandohany ity dinika ity an ! :wink: (l)
32. ari.malala
(
15/06/2009 11:20)
Faha, ho ahy efa zatra tokam-po ity aloha akia tys manaiky ny saiko @ ilay hoe polygamie ka! ny vatako raika, ny foko raika tsy afaka hifampizaràko @ olona maromaro.
33. ikaretsaka
(
15/06/2009 11:37)
Tokony faritana tokoa aloha ny hoe fitiavana sy fanambadiana sy ny firaisana ara nofo.. araka ny fivavahana kolotora ary fomba sy fitaizana ny tsi 11
34. tywa68
(
15/06/2009 11:53)
Ikaretsaka : Fahamarinana anie nanitatra kely nanontany an'ilay polygamie e :lol: Efa fantatra fa tsy mety eo @ kristianina ny fakàna vady maro fa 1 ihany, iny aza efa tsy araka sa tsy zany ry Ari.malala hihihih
Tsy hitako zay ho famaritana mila atao : rhf d'accord ny 2 tonta hoe hanao ny tiany atao, d mahasoava zany koa, samia mijinja zay afafiny :-D
Tsy hitako zay ho famaritana mila atao : rhf d'accord ny 2 tonta hoe hanao ny tiany atao, d mahasoava zany koa, samia mijinja zay afafiny :-D
36. soanja
(
15/06/2009 13:44)
ari.malala:
Ekena hoe misy ary mety mitranga ny hoe tia olona 2 @ fotoana 1 fa eo no ilàna saina mandinika sy fo mahay manaiky sy mionona hoe rehefa ity no tiako dia izy no hajaiko sy iononako, fa tsy ndeha koa hanandrana an'iroa! Izay no maha samy hafa antsika olombelona @ biby, fa ny biby na dia 3 na 4 miray aminy tsy mampaninona azy.
Tsy misy mahasamihafa antsika amin'ny biby raha toa ka ny resaka filana aranofo ka! Izay no mahatonga ny fampirafesana eran'io izay sarotra akifika tokoa raha antsoina hoe olana eo amin'ny fiarahamonina. Afaka tena miaraka amin'olona maromaro tokoa isika olombelona saingy ny fivavahana sy ny finoana ary ny fiarahamonina iainantsika no mametra izany araka ny zavatra atolotra eo/ zavamisy na ao anaty kolontsaina.
Tadidio fa nanambady maro tokoa ry zareo lahilahy sasany mpino an'Andriamanitry ny baiboly tamin'ny testameta taloha; ohatra amin'izany i Solomon sy ny mpanjaka David ary ny maro hafa.
Ny Kristianina izay antsoina hoe Mormon aza vao tsy ela tamin'ny taonjato lasa teo mbola nanaraka izany fanambadiana be dia be izany araky ny finoany saingy novany taty aoriana satria nahoana? sarotra tokoa ny manantanteraka an'io ho misy fifandanjana sy tsy miangatra raha te hanana fahamarinana eo imason'Atra. Ny Silamo moa izany dia mazava ny azy fa afaka izy ary mila mitovy ny hitondrana ny vehivavy rehetra. Isika Malagasy dia anisan'ny nanaraka ny fanambadiana maromaro raha kolontsaina no tenenina ary nilamina tokoa io tamin'izany satria mazava ny lalao.
Ny zavatra nanova ny fisainantsika ka nampihatra ny hoe " ahy irery" dia noho ny sivilizasionina tandrefana izay manisy ny resaka " fanana manokana " na " proprety" izay tsy mifandraika amin'ny toetsaina gasy loatra. Ny antsika iombonana ny fanana taloha ary tsy misaramianakavy ny rehetra.
Koa amiko raha mbola ato amin'ny resaka finoana sy fivavahana no iantefan'ny lohahevitra dia hoy aho hoe " izay anjakan'ny fitiavana dia anjakan'Andriamanitra!" fa saingy sarotra ny mahatratra ny fanjakan'Andriamanitra raha tsy fototra amin'izany ny fahamarinana sy ny fiahiana ny hafa!
37. soanja
(
15/06/2009 13:49)
fahamarinana:
:arrow: hitariko kely indray ary aloha an ! raha jerentsika ary ny fomba ny tany sasany manao polygamie dia aiza indray ny fipetrany raha alaintsika ohatra io lazain'ny ari io ohatra ! Mahaliana ity resaka ity rehefa jerena amin'ny lafiny maro ! Eo manko tsy azontsika ampitovizina amin'ny biby ireny olona ireny !
Miala tsiny amin'ny soanja fa lasa mety hivoana amin'ny fiandohany ity dinika ity an ! :wink: (l)
Tsy mivaona fa ao tsara ka. Resaka sexualite no tiako avohitra eto ka izay tafiditra ao anatin'io dia mety avokoa ary tsy ferana izay mihoatra aza. Misaotra na izany aza!
:-* :-* :-*
38. soanja
(
15/06/2009 13:55)
fahamarinana:
:arrow: .....raha mihaino sy tena tia Azy ianao !.... hoy tywa68 .....:-w :-w marina tanteraka nefa io miheno io mihintsy no tena sarotra satria be sitrapo ka satry foana tsy hiheno raha tsy izay tiana henoina indrindra rehefa tsy mifanaraka amin'ny fanirina izay ! Za manokana no resahako eto fa tsy ny daholo be an ! :? (l)
Marina tokoa izany.
Amiko,
Sarotra ny mahatakatra ny tian'Andriamanitra ampitaina amintsika satria ny asan'ny nofo dia mahery vaika tokoa.
Io aza no mahatonga ny olona be dia misafidy mihitsy ny tsy hanao firaisana satria sarotra ny mametra izany rehefa mahazo vahana sy fahafahana lava.
Ny asan'ny Fanahy dia tsy tsapa raha tsy manao meditation na vavaka tena matotra hihainoana izay any anaty lalina. izay no mahatonga ahy matetika mananatra ny tanora hoe rehefa tia dia aza mitsamboatra fa ento am-bavaka lalandava ary mahaiza mamehy tena aloha atolotra an'Andriamanitra izany fitiavany sady ho fisaorana Azy ary miandry fahatsapana akaiky vao miroso lalina. Mamaly vavaka foana tsinona Andriamanitra raha maharitra ianao amin'izany!
Mahereza daholo ary!
39. xxx
(
16/06/2009 06:36)
soanja:
Ndao horesahintsika ny fifandraisan'ireo amintsika olombelona ary ny mba hananterahantsika ny fikasan'Andriamanitra raha nomeny ireo fahafahana roa ireo isika, izay tena mifaningotra tokoa ny fahitako azy sady faratampony amin'ny lahatry ny vatana sy ny saina ary ny fanahy no atrehina.
Nahoana moa no heverin'ny maro ao anaty finoana fa ratsy ny firaisana ara-nofo? Isan'ny mihevitra an'io ve ianao? Aiza ny sehatry ny fitiavana manoloana izany?
Omeo ny hevitrao. Misaotra mialoha.
amiko dia ny firaisana ara-nofo ivelan'ny tokatrano no tsy ekeko
tsy miteny aho hoe ratsy , fa tsy ekeko ho ahy , ho an'ny hafa tsy fantatro
ivelan'ny tokatrano amiko raha toa ka mbola sipa ilay olona fa tsy vady ara-dalàna. Ny ivelan'ny tokatrano hafa moa dia tsy teneniko akory
40. soanja
(
16/06/2009 14:07)
xxx:

Mazava tsara fa misaotra nanome ny hevitrao. Io tokoa no tena izy raha ny fomba sy fisiainana Xtianina.