Fa maninona Atra no nanao ny moka ? ngaha !

1. niryna ( 10/06/2009 20:51)
Rehefa voakaikitry ny moka isika dia mety lasa eritreritra kely tokoa hoe fa faminona Atra no nanao ny moka na ireny karazana biby maro samy hafa mety manaikitra antsika ireny ?
Atra dia nanao ny zavatra rehetra ho tsara avokoa tamin'ny voalohany saingy tao aorian'ny fahotana dia lasa mpifahavalo ny olona sy ny biby .Nataon'Atra hiaro ny biby ny olona kanefa dia lasa ny tena indray no kakerin'ny moka hmm ?? :D :D
Kanefa kosa toa izy ireny izay nanaikitra antsika indray lasa sakafon'ny vorona misitsiditsina mitovy aminy.
Fa amin'ny andro farany kosa dia :
http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAIA&toko=11&andininy=6-9&dika=
(l) niryna
novalian'i niryna ny 23/06/2009 16:44
2. cutie ( 10/06/2009 21:30)
:-D :-D :-D :-D
nefa I want to hug bears right now de ahona ? ndrindra baby polar bears :-D
3. milamm ( 10/06/2009 21:40)
ary raha can I be your bear right now,cutie de ahoana :lol:
4. soanja ( 10/06/2009 23:03)
niryna:

Atra dia nanao ny zavatra rehetra ho tsara avokoa tamin'ny voalohany saingy tao aorian'ny fahotana dia lasa mpifahavalo ny olona sy ny biby .Nataon'Atra hiaro ny biby ny olona kanefa dia lasa ny tena indray no kakerin'ny moka hmm ?? :D :D :-* Kanefa kosa toa izy ireny izay nanaikitra antsika indray lasa sakafon'ny vorona misitsiditsina mitovy aminy.



Ny fahitako azy indray ry Nyrina dia tsy hoe isika foana no ahita ny fahamamiana amin'ny fianana eto an-tany fa na dia ny biby sy ny bibikely, ny zavamaniry ary ny zava-tsy-manan'aina izay namboarina. Samy manana ny hasiny ireo ary samy manana ny andraikitra entiny avy hanantanterahany ny fiainany na ny asany eto ambony planeta tany.

Tsy natao ho antsika irery ny tany fa noharin'Andriamanitra satria isan'ny efa tao anaty planiny izany. Manandanja amin'Andriamanitra ny zava-drehetra ary natao hifameno sy hifandray. Isika olombelona kosa dia nomeny lanja ambony raha ny voalazan'ny baiboly satria isika no hitany fa tsara indrindra tamin'ny zavabitany.

Nahoana?

Satria isika no nomeny ny Fanahy Fahendrena natao hisainana sy handavorariana ny fikasany momba antsika sy ny manodidina antsika.

Nomeny antsika koa anefa ny fahafahana hisafidy ary eo no tena ahitany na ampiasaintsika ny fahendrena izay katsahiny amintsika hitondra ny faratampony dia ny Fahamarinana ao aminy.

Tsy ny moka no diso, tsy ny olombelona no diso ary tsy Andriamanitra velively no diso raha nisy fikaikeran'ny moka ny olombelona fa ny fahalavorariana eto an-tany no nitondra amin'izany dia tsy inona fa ny fiodinan'ny fiainana ary hisy ny hoteraka ary hisy ny hofaty raha ny eto an-tany amin'ny samy manana aina.

Mahereza mandalina.




5. milamm ( 11/06/2009 08:57)
diaahoana ilay fiteny hoe,
manaonao foana ohatran'Andriamanitra nanao ny voay...
Asa na ny olombelona no mbola tsy nahita ny vokatsoa netiny moka sy voay fa mamono olona marobe izy roa reo ka mahalamborona ihany,za akory tsy miteny hoe Andriamanitra no diso
6. soanja ( 11/06/2009 14:12)
milamm:

diaahoana ilay fiteny hoe,
manaonao foana ohatran'Andriamanitra nanao ny voay...
Asa na ny olombelona no mbola tsy nahita ny vokatsoa netiny moka sy voay fa mamono olona marobe izy roa reo ka mahalamborona ihany,za akory tsy miteny hoe Andriamanitra no diso


Tsara daholo ny zavanamboarin'Andriamanitra satria lavorary ny tanany. Isika olombelona kosa no manana fahafahana mitsara izay hita maso na hoe mahafatifaty ahy ny aye aye na biby ratsy mitondra lagigny satria izay no isan'ny momba antsika.


7. xxx ( 11/06/2009 14:31)
Natao ireny mba hisainan'ny olona @ bzava-drehetra fa tsy hanomezana tsiny an'Atra e , raiso ohatra @ fiainana andavan'andro dia ho voavaly ny olanao
8. Koditra ( 11/06/2009 18:33)
Mahay zavatra A/tra, nataony ifampihinana ny zavamananaina,
Niryna mihinana akoho, ny akoho mihinana katsatsaka, ny katsatsaka mihinana moka, ny moka mihinana an’Niryna dia samy matavy @zay hohanina avy eo. Misy ohatra bedabe azo raisina fa io aloha no akaiky indrindra. Dia natao hifamelona eo re eh! Sa tsy izany?
9. niryna ( 11/06/2009 20:57)
cutie:

:-D :-D :-D :-D
nefa I want to hug bears right now de ahona ? ndrindra baby polar bears :-D

dia mahafatifaty ery ny mijery ilay baby polara bears,ngezabe kanefa dia mbola badokely,asiana kilalao ngodalanina be eo akaikiny dia atositosiny,atao hoe lehibe kanefa ngeza .
dia amin'ny farany afaka manome hug azy cutie ka
raha mbola kely koa izy ka zatra aminao dia tsy maninona
Ny bibilava ihany no aza atao ao an-trano hoe miaraka matory aminao fa raha sendra mivadika iny hianao no voatsindry izy dia tonga dia izay,kendainy ary dia maty.Asa fa toy izany koa na biby tianao izao aza ka voahitsaka ny rambony dia mivadika manaikitra koa

:D
10. cutie ( 11/06/2009 21:04)
hihihihihi
Mila mandeha any Alaska mitsy za ka :-D
11. ikaretsaka ( 11/06/2009 23:49)
Ny ahy ny mba fanontaniako raha afaka manontany an'Atra zahako de hoe fa maninona I niryna no nohariany
12. ari.malala ( 12/06/2009 05:29)
ika, =)) =)) =)) =))

niryna, azafady fa somary HS kely, misy fanontaniana miandry anao ao ambanimbany ao mba valio azafady. misaotra
13. niryna ( 15/06/2009 20:52)
milamm:

ary raha can I be your bear right now,cutie de ahoana :lol:



:D
14. niryna ( 15/06/2009 20:58)
niryna:

Atra dia nanao ny zavatra rehetra ho tsara avokoa tamin'ny voalohany saingy tao aorian'ny fahotana dia lasa mpifahavalo ny olona sy ny biby .Nataon'Atra hiaro ny biby ny olona kanefa dia lasa ny tena indray no kakerin'ny moka hmm ?? :D :D :-* Kanefa kosa toa izy ireny izay nanaikitra antsika indray lasa sakafon'ny vorona misitsiditsina mitovy aminy.

soanja:


Ny fahitako azy indray ry Nyrina dia tsy hoe isika foana no ahita ny fahamamiana amin'ny fianana eto an-tany fa na dia ny biby sy ny bibikely, ny zavamaniry ary ny zava-tsy-manan'aina izay namboarina. Samy manana ny hasiny ireo ary samy manana ny andraikitra entiny avy hanantanterahany ny fiainany na ny asany eto ambony planeta tany.

dia izany no antony tsy amonoana azy amin'ny tsy misy dikany,jereo ka mandalo ny olona dia mahita vitsika eny amin'ny arabe tonga dia itsahina amin'ny tongony fotsiny izao.
Nisy boloky kely izay teo ambavahadinay indray maraina andeha iangona izahay ,dia hoy aho mantsy ny vadiko hoe andeha hoentiko mody io,dia hoy izy mantsy ahy tsy rototra akory hoe raha tianao io biby io dia avelao izy andeha ,hi,hi

Tsy natao ho antsika irery ny tany fa noharin'Andriamanitra satria isan'ny efa tao anaty planiny izany. Manandanja amin'Andriamanitra ny zava-drehetra ary natao hifameno sy hifandray. Isika olombelona kosa dia nomeny lanja ambony raha ny voalazan'ny baiboly satria isika no hitany fa tsara indrindra tamin'ny zavabitany. Nahoana?
fa nomen'Atra fahefana isika mba hikolokolo sy hitsinjo ireny biby sy zava-maniry ireny dia tokony ataontsika izany e


15. soanja ( 16/06/2009 05:03)
niryna:

Rehefa voakaikitry ny moka isika dia mety lasa eritreritra kely tokoa hoe fa faminona Atra no nanao ny moka na ireny karazana biby maro samy hafa mety manaikitra antsika ireny ?
Atra dia nanao ny zavatra rehetra ho tsara avokoa tamin'ny voalohany saingy tao aorian'ny fahotana dia lasa mpifahavalo ny olona sy ny biby .Nataon'Atra hiaro ny biby ny olona kanefa dia lasa ny tena indray no kakerin'ny moka hmm ?? :D :D
Kanefa kosa toa izy ireny izay nanaikitra antsika indray lasa sakafon'ny vorona misitsiditsina mitovy aminy.
Fa amin'ny andro farany kosa dia :
http://baiboly.org/toko.asp?boky=ISAIA&toko=11&andininy=6-9&dika=
(l) niryna


Io zavatra notsindriako mainty io no mahatonga ny olona hanontany an' Nyrina eto hoe inona zany no tena foto-kevitry ny lohateny?




16. ikaretsaka ( 16/06/2009 10:19)
Izay mantsy ry soanja...
Efa nisy resaka be koa teto momban'ny famaritana ny tsara sy ny ratsy..sy ny ota..efa averina foana hoe tsy hoe satria isaky ny misy raha tsy maha confortable an'i niryna de raisinao ho ratsy sy mpanota izay...
Izay no nahatonga ilay fanontaniako hoe fa naninona ianao no nataon'Atra ho nisy nefa ianao koa ohatra misy olona tsy ataonao confortable?

Somary mananihanny ilay fanontaniako fa jereo cote philosophique anie
17. tywa68 ( 17/06/2009 05:10)
Koditra:

Mahay zavatra A/tra, nataony ifampihinana ny zavamananaina,
Niryna mihinana akoho, ny akoho mihinana katsatsaka, ny katsatsaka mihinana moka, ny moka mihinana an’Niryna dia samy matavy @zay hohanina avy eo. Misy ohatra bedabe azo raisina fa io aloha no akaiky indrindra. Dia natao hifamelona eo re eh! Sa tsy izany?


Koditra > Mety végétarienne i Niryna :lol: fa tsy ny olona rhtra no kakerin'ny moka na d zany aza.

Hafakely indray ty lohateny ty :-D :-D
18. fahamarinana ( 17/06/2009 05:39)
:arrow: tywa68 :za koa tena tsy mety tafiditra fa tapatapaka ny tsinaiko !
niryna :zay anie ilay tsy ahafoizako anjy,mahita dinika foana sady serieux no mampihomehy no mampiasa loha !Izy aby zany e ! :-* (l)
19. ari.malala ( 17/06/2009 05:39)
Ary niryna grave raha hody fanina refa tratran'ny fanontaniana mahatohitra na manohintohina azy an! ao ambanimbanya o misy fanontaniana efa nihantona efa ho 1semaine ngamba, izy mandalo ihany d ts valiany :roll:
20. ikaretsaka ( 17/06/2009 09:36)
Efa fombany...valiany a cote rehefa avy eo na any aloha iny volana maromaro de hanokafana dinika vaovao rehefa antenainy fa adinon'ny olona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0786