Tanindrana sy ny fitondrana Merina.

1. patrick2002 ( 09/06/2009 01:43)
Efa hatry ny ela ny rahalahy tanindrana no niahiahy ny merina ho TIA-TENA ,izany dia hita nandritry ny fanjakan`andriana izay tsy nitondra fandrosoana tany an`Indrana fa fangalana fotsiny ny harena tany aminy ,tsy nisy fampianarana nataony fanjakana merina ,tsy nisy fampandrosoana tao-zavatra ,fa famarotana fotsiny ny zava-bita avy aty afovoany noentina tany anindrana ,(savony ,lamba landy ,labozia ,angady )
Rehefa tonga ny mpanjana-tany dia nisy ny fampandrosoana nataony vazaha ,tany an`indrana fampianarana .lalana ,maro ny tanindrana no nianatra t@ androny mpanjanatany ,ka dia mora t@ vazaha no naka ny fony Tanindrana ary ,nasainy nankahala merina ,
Raha vao nahazo fahaleovan-tena ny malagasy dia nomena an`i Tanindrana ny fitondrana ary niteny ny frantsay fa raha vao ny merina no mitondra dia ho lasa ohatry ny iry (sady manondro ny Rova Manjakamiadana i General de Gaulle ),ny fitondrana ,
Nandritry izay dia lasa ordre de fonctionnement ny hoe les cotiers president et les merinas gouvernent .
rehefa nilatsaka president i Ravalomanana dia betsaka ireo tanindrana no nahatsapa fa omeo an`izay mahavita azy ny fitondrana ,nahatsapa izy ireo fa fahantrana no nitondrany tanindrana an`i Madagasikara nandritry ny fitondrany Ratsiraka .
Niharihary ohatry ny tafika andrefa tanana anefa ny fandrobana ,sy ny fangalarana nataony Ravalomanana ,ka niverina ny ahiahiny tanindrana 50 taona lasa @ fitiava-tenany Merina .
Olana lehibe mipetraka an`i Andry TGV ny handresena lahatra an`i cotier amin`izany ,i Andry koa dia merina sady operateur economique ohatry ny Ravalo .
Inona ny schema politika mety hitranga ao madagasikarfa aorian`izao teteza-mita izao fifandraisana eo @ merina sy ny Tanindrana.
novalian'i milamm ny 10/06/2009 12:41
2. Rajakoo ( 09/06/2009 04:15)
Zah tanindrana ,ary fagaha dia heverin-dragahy fa tsy hiova ny toe-tsaina fa mbola zany foana
Efa resakan'ny tgv lany lainga leity zany a!!!!
3. mmmhh ( 09/06/2009 04:16)
patrick2002:
ary niteny ny frantsay fa raha vao ny merina no mitondra dia ho lasa ohatry ny iry (sady manondro ny Rova Manjakamiadana i General de Gaulle ),ny fitondrana ,

afaka hazavainao ve ny dikan'io fatsy azoko?
4. essera ( 09/06/2009 04:17)
Izao kosa anefa no tadidio ra patrick2002, raha voizina foana io d tsy maintsy hipetraka izay. Amiko manokana na tanindrana na merina na betsileo no mitondra d rehefa mampandroso de SAVà.
Ny olana eto amintsika ange d eny ampandehanana ny commandant de bord no manao improvisation. Ka izay no maharendrika lava lé sambo gasikara.
5. Rajakoo ( 09/06/2009 04:25)
ary niteny ny frantsay fa raha vao ny merina no mitondra dia ho lasa ohatry ny iry (sady manondro ny Rova Manjakamiadana i General de Gaulle ),ny fitondrana ,


Symbole zany sisa e!!! trano fotsiny fa tsisy fahefana ,ary raha mbola teo de Gaulle de notondrony tsara ndray le ROVA MAY
Resak'olona efa maty leity zany a
6. mmmhh ( 09/06/2009 04:34)
essera:
Izao kosa anefa no tadidio ra patrick2002, raha voizina foana io d tsy maintsy hipetraka izay. Amiko manokana na tanindrana na merina na betsileo no mitondra d rehefa mampandroso de SAVà.


zay mintsy,
7. xxx ( 09/06/2009 04:40)
le patrick io anie olona nisolelaka foana fa tsy tafa de io ndray resaka fampiadiana foko io no arosiny :roll: :roll: :roll:
8. lilbon ( 09/06/2009 05:06)
Fahasalamana daholo!
Teny in1 mbava ihany ! tsy hoentina handrangitana fa hoentina hamoahan kevitra!

Izany toe-tsaina izany merina sy cotier de toe tsaina nilaozan ny toetra andro ,
Voizin' ny olona maloto saina ! Tsy Antananarivo irery no nahalany an I Marc ravalomanana ho prezidà fa Madagasikara .be ny vato azony tao Majunga ,Antananarivo ,Fianarantsoa .Cotiers ireny nifidy azy ireny .
Soa fa tsy hoatry ny toe-tsainao avokoa ny côtiers rehetra fa mba misy koa manantsaina tsy mivoy firazanana fa raha tsy izany dia efa fongana ny merina .
Ny fitiavantena dia hananan'ny olona rehetra , na iza na iza , na gasy na vazaha , dia n olona rehetra dia mitady hameno paosy avokoa hoatran ny ataonao io, mba manonof ny hanankarena .
N y ahy izao ny tanindrazako madagasikara fa tsy eto imerina irery ary ny an ise tsy madagasikara fa any an indrana fotsiny ?
9. rakaroka ( 09/06/2009 05:29)
N'inn n'inn fanabatiana an'i Patrick eto, dia mahatsapa aho fa misy "fahamarinany ny zavatra lazainy!" . Ary 'za 'zao nahatsikaritra cotier sy vazaha maro tsy mirevy merina noho io toetra "fiharian-karena" sy tombontsoa ho azy monja io! "égocentrique" loatra rizareo "hoy ity mpampianatra iray atsy @ "hautes études Raspail . Ny merina moa betsaka no mora tohina tsy mahazaka kritika anefa "izay ny fitazan'ny olona aloha!
Ary raha mivolana izany i Patrick tsy hoe mandrangitra "adim-poko" fa mi-rapporte fotsiny ihany angamba ny "vision" MISY fotsiny ihany!
10. bozyboleta ( 09/06/2009 05:31)
Io resaka tanindrana sy merina io na voizina na tsia dia efa misy ary tsy ho foana satria misy ary betsaka ny tsy maty voalavo an-kibo.

Tsarovy fa vao nikorontana teto dia nivoaka t@ fahanginany indray ny federalista sy ny mpomba ny faritany mizaka tena.
Isaky ny vao misy korontana eto amin'ny firenena dia lasibatra hatrany ny merina sy ny betsileo miparitaka any amin'ny faritra any.

Inona ny antony??? FIALONANA, FIALONANA, FIALONANA. Toetra izay tena ananan'ny Malagasy maro.


11. rakaroka ( 09/06/2009 05:44)
Raha ny marina tsy tian-drizareo ny fitondran-rDra8 iny, satria saiky merina avokoa no nomena "toerana" anefa betsaka koa ny tanindrana manana ny "diplomany sy ny "fahaizana indrindra koa" heveriny tokony mba niarahana niasa fa dia nakifika ftsn, donk ho an-drizareo, les gvt de Ra8 ne représentent pas l'unité Nationale!
D'autant plus fony niakatra i Ra8 nisy tanindrana maro nogadraina sy natao am-ponja noho ny fiahiana tsotra fotsiny hoe "Ratsirakiste" anefa tsy izany akory aza. Ary betsaka koa ny maty. Misy namana "cotier nahazo "bourse noho ny fahaizany dia tapaka izany faha Ra8, nisy ny nofofoiny nenjehina ary tsy afa-niverina nandevina ny "rainy novonoin-drizareo tany akory. Ka raha toa tafahantona toa io i Ra8 . Io hany ka na tsy mivola aza ny hafa, "Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina!"
12. essera ( 09/06/2009 05:50)
Zao fotsiny e, iza no sahy manohitra an'ity ? izay niakatra teo am fitondrana hatreto, d toy ny nande vary be menaka nitondra sasé ho an'ny fianakaviana tsy tratra antso.Toe-tsaina mihitsy no tsy mety.
Jereo ange ireny réception teny Ambohitsorohitra fa na ny oul ambony tsy eritreretinao aza miady an-kanina ara-bakitey. Mainka moa fa d tena hoe ianao no mitantana ny vilany.
=> Tsy adidy no atao fa izay hahasosoa ny tena manokana sy ny fianakaviana.
13. xxx ( 09/06/2009 06:27)
> Tsy adidy no atao fa izay hahasosoa ny tena manokana sy ny fianakaviana


Izay mihintsy no toe-tsaintsika Gasy izay mitondra eo. Io toe-tsaina io dia toe-tsaina efa fototra, mbola kely ny fianakaviana Gasy dia io no asesiky ny RAD ao an-tsainy.

Manampy trotraka koa moa ireo nama sy fianakaviana raha vao tsy mahazo pitik'afo kely.
Mba jereo anie ny vazaha raha mba be vava izany raha toa ka tsy maha vimbina voandalana ianao e! Ny gasy dia vava be mihintsy raha toa ka tsy nivimbina voandalana ianao.
14. bozyboleta ( 09/06/2009 06:33)
N'aiza n'aiza eto Madagasikara dia misy merina sy betsileo satria ireo dia mpila ravin'ahitra, mazoto miasa ary tsy mifidy asa sy toerana hitadiavam-bola.
Rehefa mahita ireo tafita ny any anindrana dia velom-pialonana satria mihevitra fa fihariana tokony ho azy nefa lasan'ny mpivahiny. Nefa misy dia kamo sady tsy hiasa no tsy hitady.

Ho an'ireo lazaina fa manana diploma sy fahaizana indray koa vao tafita fianarana dia tsy te-hody hanasoa ny any @ faritra niaviany fa aleo mitady asa eto afovoan-tany. Samia fotsiny manisa ireo olona fanta-bahoaka manorim-ponenana eto Antananarivo dia mba lazao izay vitany tany aminy.
Ka iza ary no omena tsiny raha tsy mandroso ny any @ faritra???

Ho an'ny olona nandehandeha tany anelakelaky Madagasikara tany dia sahy miteny fa tena nisy ny fijerena ny tany anindrana nandritra ny fitondran-dRavalomanana. Na fotodrafitrasa na fihariana na fahasalamana sns... saingy misy dia misy koa ny tsy te-handroso fa miandry toloram-potsiny.
15. xxx ( 09/06/2009 07:07)
N'aiza n'aiza eto Madagasikara dia misy merina sy betsileo satria ireo dia mpila ravin'ahitra, mazoto miasa ary tsy mifidy asa sy toerana hitadiavam-bola.
Rehefa mahita ireo tafita ny any anindrana dia velom-pialonana satria mihevitra fa fihariana tokony ho azy nefa lasan'ny mpivahiny. Nefa misy dia kamo sady tsy hiasa no tsy hitady

Ka nefa toa velom-pialonana ny ao am-povoantany satria lasan'ny Frantsay ny fihariana tokony ho azy nefa dia maro no kamo sy mitaingina tamboho sy mangaro-paosy ary manendaka fotsiny ao Tana

Ho an'ireo lazaina fa manana diploma sy fahaizana indray koa vao tafita fianarana dia tsy te-hody hanasoa ny any @ faritra niaviany fa aleo mitady asa eto afovoan-tany. Samia fotsiny manisa ireo olona fanta-bahoaka manorim-ponenana eto Antananarivo dia mba lazao izay vitany tany aminy.
Ka iza ary no omena tsiny raha tsy mandroso ny any @ faritra???



Ny antony dia tsotra ry Bozy a, no centraliser-na ao Tana daholo ny secteur-clef an'i M/car

Ho an'ny olona nandehandeha tany anelakelaky Madagasikara tany dia sahy miteny fa tena nisy ny fijerena ny tany anindrana nandritra ny fitondran-dRavalomanana. Na fotodrafitrasa na fihariana na fahasalamana sns... saingy misy dia misy koa ny tsy te-handroso fa miandry toloram-potsiny


Tsy t@ andron'i Ra8 ihany no nanao izany ny filoha fa nanao daholo . Fa ny zavatra tsapa dia tsy nitanila sy nitongilana ilay zara.
16. xxx ( 09/06/2009 07:41)
i eba rery no tsy merina teo sady nijanona elabe teo @ fitondrana sady tsy nahavita raha fa vendrana ka izay no mahatonga azy hoe miala merina izao dia miditra merina. asa ra ho tafiditra eo i monja roindefo tandroy raha mahay manandroka

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
17. xxx ( 09/06/2009 07:51)
i eba rery no tsy merina teo sady nijanona elabe teo @ fitondrana sady tsy nahavita raha fa vendrana ka izay no mahatonga azy hoe miala merina izao dia miditra merina. asa ra ho tafiditra eo i monja roindefo tandroy raha mahay manandroka


Odryyyyyy zany havendranana !!!! Ny tantaram-pirenenao aza tsy hainao lesona T4 letsy zany baina! :-D :-D :-D :-D
18. bozyboleta ( 09/06/2009 08:47)
Voalaza teo :
N'aiza n'aiza eto Madagasikara dia misy merina sy betsileo satria ireo dia mpila ravin'ahitra, mazoto miasa ary tsy mifidy asa sy toerana hitadiavam-bola.
Rehefa mahita ireo tafita ny any anindrana dia velom-pialonana satria mihevitra fa fihariana tokony ho azy nefa lasan'ny mpivahiny. Nefa misy dia kamo sady tsy hiasa no tsy hitady

Ka nefa toa velom-pialonana ny ao am-povoantany satria lasan'ny Frantsay ny fihariana tokony ho azy nefa dia maro no kamo sy mitaingina tamboho sy mangaro-paosy ary manendaka fotsiny ao Tana


Mba mandinika ve? Tsy fialonana mihitsy fa sarotiny @ an'ny Malagasy.
He zany izy hoe frantsay. Ary io fisolelafana frantsay io koa no mbola tena raiki-tapisaka @ sasany. Aleony lasan'ny frantsay toy izay lasan'ny malama loha na dia Malagasy toa azy aza. Zava-misy io fa tsy foronina.

Voalaza teo :

Ho an'ireo lazaina fa manana diploma sy fahaizana indray koa vao tafita fianarana dia tsy te-hody hanasoa ny any @ faritra niaviany fa aleo mitady asa eto afovoan-tany. Samia fotsiny manisa ireo olona fanta-bahoaka manorim-ponenana eto Antananarivo dia mba lazao izay vitany tany aminy.
Ka iza ary no omena tsiny raha tsy mandroso ny any @ faritra???


Ny antony dia tsotra ry Bozy a, no centraliser-na ao Tana daholo ny secteur-clef an'i M/car


An'iza no fahadisoana??? Tanindrana no nitondra teto efa ho 32 taona nanomboka t@ nahazoana fahaleovantena ka hatr@ 2002. Inona no tsy nanaparitahana ny seha-pihariana tany @ faritra nisy azy tany fa navangongo teto daholo.

Ny zavatra hitako nanomboka ny fotoana nidinako tany ambany ravinkazo tany ary anisan'ny nampalahelo ahy dia tsy tamana any @ misy azy mihitsy ireo behatoka fa lavitra fandrosoana any, ary tena tian-dreo rehefa mba mandalo any dia ny misehoseho @ havana miaraka @ fiara raitra sy ny firavaka be sy ny lamôdy. Te-hisongandina.
Mahagaga anefa fa rehefa misy hirika dia ireo behatoka tsy tamana an-trano ireo foana no mpandrangitra io resaka fitiavan-tenan'ny afovoan-tany io.
Iza no diso????
19. xxx ( 09/06/2009 08:57)
O ry Boziboleta a! Tena mirefarefa be ilay foto-pisainanao e!Mba nahita fianarana ihany sy milaza fa tia tanindrazana nefa dia raciste be izato izy. Izaho merina fa menatra aho raha toa anao no mitovy amiko!!!
Aza manambony tena wa fa manawaina be. Dia rehefa hamonjy conference International ve elah dia mbola hilaza fa merina koa fa tsy Gasy???
20. ra8enforce ( 09/06/2009 09:08)
tanidrana sy ny merina e
http://www.dailymotion.com/relevance/search/njakatiana/video/xputo_njakatiana-antsika-jiaby_music
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1249