mila filaminana ny malagasy

1. mihitsy ( 08/06/2009 05:57)
Ho anareo mpomba andra8 no tena iantefan'ny antsoko. Moa ve ra8 tsy efa nanome fahefana an'miaramila? tsy efa nilaza ve ny ambasadin' Etazonia fa tsy nambanana basy zany ra8 nanome an'io fahefana io? Ka inona no mbola anakorontananareo ny fiainan'ny malagasy? Tsy andrinareo ve ny hahavitan'ny HAT 2 taona farafahbetsany? raha mila andra8 nareo maninona no tsy manaraka azy any am misy azy any fa avelao zaha malagasy hiaina hilamina eto, nareo any andafy mpomba azy any: sur fa milamina ny fiainanareo any fa aza tia tena e, tsy manan-kavana miaina eto Mada nga ianareo?
Sa ve efa lany ny sosinareo azo tam fitondran-dra8? mahaiza miaina am tsy fisiana ohatr'reo vahoaka marobe reo fa zany anie no tena fiainany hatra'zay e
Te-hiaina hilamina zahay
Misaotra Tompoko
novalian'i milamm ny 08/06/2009 16:28
2. Noue ( 08/06/2009 06:05)
ilay izy kosa angamba tsisy resaka oe lany saosy ee ! fa kosa misy ny olona miady mba hiverenan'ny ara-dalàna , satria fantatra fa nisy dia nisy ny zavatra tsy nety tao.
na izany na tsy zany dia tsy maintsy misy koa ny adv na @ tany mandroso be zao aza dia tsy maintsy misy io ! lozika anie zany ee
3. sakaymena ( 08/06/2009 06:06)
marina zany fa matoa koa reo vahoaka malagasy marobe reo leo andr8 ka tsy tia intsony koa tsy tokony ho terena intsony ny hiverenan ny dadany eo.fa tia kely zay mbola mitonona fa zanaky dada. ary dia tena voalazanao gas tia tena .satria mafy ny ady any ko hitady ranondranony am ndr8 ndana mitady asa hafa any gress de mangina fa r8 efa bye bye
4. xxx ( 08/06/2009 06:16)
mihitsy; tsy andry ve ny nahavitany ny mandat any dada dia nifidy olona vaovao rehefa tsy tia azy fa tsy nanongana-panjakana
5. essera ( 08/06/2009 06:18)
Noue:
ilay izy kosa angamba tsisy resaka oe lany saosy ee !

Ekena mits, ts ny retra2

[quote=Noue]fa kosa misy ny olona miady mba hiverenan'ny ara-dalàna , satria fantatra fa nisy dia nisy ny zavatra tsy nety tao.

Nanomboka tany am le fihetseham-bahoaka fa na nisy nitarika aza teo tsy niainga izany iny raha efa tsy zakan'lé vahoaka. Efa nanandrana ange ny sasantsasany, jeneraly fidy sns fa tsy mbola naharesy lahatra ny vahoaka, ny mpanohitra tam zany fotoana.


[quote=Noue]na izany na tsy zany dia tsy maintsy misy koa ny adv na @ tany mandroso be zao aza dia tsy maintsy misy io ! lozika anie zany ee

D eo indrindra isika satria efa nipetraka ny REVINA BE SOFINA (efa nentin dada samirery ny fibaikoana fa tsy nandinika intsony) ka na nisy aza ny fomba mody hampisehoana tam firenena any ivelany hoe tena mihaino izahay d mod anaovana an'ireny statut vao2 ho an'ny antoko politika ireny fa raha nandinika i Noue d oul mpanohana ihany no anisan'ny tao fa ny mpanohitra ange forfait par défaut.
Rajemison ange efa sahy nitsangana hoe aleo asiana couleur ity fitondrana ity fa tsy loko tokana d iny izy nidila tany ivelany iny tampoka vokatry ny ... Efa tam reny d efa nisy fanairana.

6. ravalotgv ( 08/06/2009 07:40)
tsy aleo ve aloha mba samy manao ze triany kely fa rehefa reraka sy tapitra ve ny azo aodina tsy hifampitady eo ihany eee

7. xxx ( 08/06/2009 07:45)
Hita latsa-paka eo amin`ny fiaraha-monina amin`izao ny fizarazarana sy ny fifandrafiana ka na izay climat izay fotsiny aza dia efa ampy tsy hampandroso ity firenena ity .ary manampy trotraka an` izany ny tsy fisian`ny fandriam-pahalemana izay nohamafisin`ny toe-tsaina TIA MANDROBA sy MANDIKA LALANA sy FIKOMIANA nandritran`ireny TOLONA fandoroana sy fandrobàna orinasa nataon`ny TGV ireny izay zary lasa " SOATOAVINA " indrindra fa ny eto Antananarivo . Ny rehetra dia samy mahalala fa ny FIFIDIANANA ihany no mety afaka mamaha io olona io saingy ny fisian`ireo fepetra fanilihana ny CANDIDAT ( Ra-8) indrindra indrindra no tsy hampisy filaminana eto . Làlana roa izany no miandry an`i Mcar , na isika manome lanja ny fifidianana dia aleo hilatsaka daholo izay te hilatsaka , dia ataovy madio ny fitsipika rehetra ( ary asaivo milatsaka i TGV hijerena azy ) dia izay lany eo dia lany , ary rehefa tsy izay dia RAISO NY FITAOVAM-PIADIANA DIA ANDAO HIADY AN-TRANO .
Fa na ahoana na ahoana aloha an , ny TAFIKA mbola averiko ihany fa tompon`andraikitra tsy afa-miala amin`ny FAHORIANA MAHAZO NY MALAGASY ANKEHITRINY ka mipetraka ihany ny fanontaniana raha tokony ho fohanana izy io na tsia fa sady tsy misy ilàna azy nefa mandany volam-bahoaka fotsiny . Vola tokony hanaovana famokarana sy hanasoavana ny mahantra , lany handoavana karaman`ny MPANOGAM-PANJAKANA fotsiny .
8. mihitsy ( 08/06/2009 08:12)
xxx:

mihitsy; tsy andry ve ny nahavitany ny mandat any dada dia nifidy olona vaovao rehefa tsy tia azy fa tsy nanongana-panjakana


ka efa hat aloha ry xxxx no eo a!, adalan'ne iray nanome ny fahefany teo an-tanany, fahefana azony ve de omeny olon-kafa indray!
de avelao zahay hiaina am-pilaminana e, ndana nareo mankany am ra8 raha mila azy

9. xxx ( 08/06/2009 08:26)
mihainà ampilaminana ianao raha izay no tianao e, fa mba avelao izahay haneo ny hevitray, fa izany no demokrasia! nareo mahita fa aradalana ny fanonganam-panjakana, fa izahay kosa dia tsy hanaiky anizany mihitsy, mazava ve?
10. mihitsy ( 08/06/2009 08:33)
Noue:

ilay izy kosa angamba tsisy resaka oe lany saosy ee ! fa kosa misy ny olona miady mba hiverenan'ny ara-dalàna , satria fantatra fa nisy dia nisy ny zavatra tsy nety tao.
na izany na tsy zany dia tsy maintsy misy koa ny adv na @ tany mandroso be zao aza dia tsy maintsy misy io ! lozika anie zany ee



ara-dalana ahoana no tianao tenenina ry Noue? raha nisy ny filoham-pirenena nandika lalam-panorenana de ra8 no be indd, de tsy mihaiky an'zany ve enao?, raha ny ara-dalana koa tsy tokony ny miaramila no nomeny ny fahefana fa ny lehib'n'ny senat
koa ara-dalana inona ary no tadiavinao e? sao de adalana no betsaka fa mieritrereta!
11. essera ( 08/06/2009 08:36)
xxx.6. Tsy tokony adinonao fa tsy ny TGV irery no nandeha nibata entana tam reny tsena ireny fa tokony dinihinao kely hoe :
- Misy ny mpanararaotra (na tim na tgv - maro d maro mihitsy)
- nisy ny tena mpangalatra (ka hiafina aza atao ka mainka fa wé misy mpanampy)
12. rohy ( 08/06/2009 08:36)
tsy ara-dalana izany io na inona no tenenina eto e.Ary efa zary fomba fanao raha vao mba mahatarika olona vitsivitsy ity otoproklamasio ity .Io mihitsy no tokony hatao anatin'ny lalam-panorenana hoe "SAZIANA NY FANAOVANA AUTOPROCLAMATION " @ sehatra toy ireny (filoha indrindra indrindra) fa lasa mizesta @ io daolo ze mahazo tehaka kely de miditra an-tsehatra @zay ny mpanisy sira.
Ho an'le tsy mety milamina de izao: asaivo alamin'i dadakelin'elah fa izy no nanakorotana an'io.
13. xxx ( 08/06/2009 08:40)
na inona na inona aloha tsy nety nataony ra8 dia lanimbahoaka izay, ka tokony hajaina ny safidimbahoaka,
14. milamm ( 08/06/2009 09:25)
tsy azo lavina nefa tsy nahay nanararaotra izy t@ fotoana nahalany azy ahatanteraka ny hetahetambahoaka fa namoky tena sy nanao ny sitrapony tsy voafetra,moramora t@ mpanararaotra no niditra handrava ny fitondrany satria nivoha ilay varavarana nampisaraka azy t@ vahoaka nifidy azy ,naviliny koa ny safidimbahoaka saingy efa tara loatra ny fahatongavany saina.
ireo izay nanaraka ilay fanambarana t@ valandresaka navoakan'i Ravalomanana t@ RFI momba ny famindram-pahefana nataony volana marsa dia mahalala fa ankerisetra no nanaovana io ary porofo fa noterena izy dia na ny ivoahany aza dia tsy vita raha tsy nanao sonia io izy,izany hoe noterena handika ny lalampanorenana farany izy tsy ahafahany miverina.Tsy mpomba ny mpanao politika aho na i deba na i Ravalomanana satria samy nanao jadona sy nanapatra fahefana
iverina @ ilay resaka,avelao hilamina izahay
Tsy azon'ireo mpanao habobo hanaovana ronono antavy intsony aho raha mpangalatra fanjakana sy mpampihoroho no mitana fahefana dia mino marina ianao fa filaminana no dikany izany,oh.izao ny hetra izay tsy ananany fahefana akory no ampiakariny satria tsy misy vola izy ireo malahelo aho raha ireo havako sy mpiray tanindrazana amiko no handoa vola ho an'ny mpangalatra fanjakana nefa dia teren'ireo tsy nofidiam-bahoaka ,izany no antsoina hoe tsy ara-dalana ,tsy fotoanany fanodinana saim-bahoaka intsony izao ilazana fa milamm na koa iditra @fitaovana fifandrafesana ampiasainy mpanao politika ampizarazaraina ny malagasy ,mila averina ny ara-dalana hanjakany rariny sy ny hitsiny dia ilay fiandrianam-pirenena izay vao afaka miroso @ tena filaminana
15. mihitsy ( 08/06/2009 09:43)
xxx:

na inona na inona aloha tsy nety nataony ra8 dia lanimbahoaka izay, ka tokony hajaina ny safidimbahoaka,



ekena fa lanim-bahoaka izyry xxx fa odianao fanina ve fa nomeny ny miaramila ny fahefana e! de mbola mpitondra foana izy am'zany?
f'angaha ty fahefana ty kilalaon-jaza de oe omeko de avy eo ndray lazaina fa mbola ahy?
fa sao de le ody mihitsy ary no tena maha-fanina anareo reto!
16. milamm ( 08/06/2009 09:48)
i mihitsy no efa fanina ,tsy za kalo io xxx io ny famindram-pahefana mihitsy no tsy azonao tsy midika akory io fa miala @ toerana iandreketany maha-filoha an'i M.kara azy izy na dia marina aza fa anti-constitutionel efa nolazaiko etsy ambony
17. mihitsy ( 08/06/2009 09:49)
milamm:

ireo izay nanaraka ilay fanambarana t@ valandresaka navoakan'i Ravalomanana t@ RFI momba ny famindram-pahefana nataony volana marsa dia mahalala fa ankerisetra no nanaovana io ary porofo fa noterena izy dia na ny ivoahany aza dia tsy vita raha tsy nanao sonia io izy,izany hoe noterena handika ny lalampanorenana farany izy tsy ahafahany miverina.



fa tsy efa niteny ve ny ambasadorn'ny Etazonia fa tsy nisy fanerena azy zany teo e, sa io ambasadaoro io no nanaery azy?
18. mihitsy ( 08/06/2009 09:52)
milamm:

i mihitsy no efa fanina ,tsy za kalo io xxx io ny famindram-pahefana mihitsy no tsy azonao tsy midika akory io fa miala @ toerana iandreketany maha-filoha an'i M.kara azy izy na dia marina aza fa anti-constitutionel efa nolazaiko etsy ambony



za no fanina sa enao? famindram-pahefana le izy sa interim? vendrana daholo zany ny olona aminao?
19. xxx ( 08/06/2009 09:52)
Miverina i dada sy mama dia tsy miady intsony ny zanany Malagasy izay no filaminana haingana idrindra zah xxx akama an
20. milamm ( 08/06/2009 09:53)
tsy ny ambasaderan'i etazonia akory no niharany fandrahonana tsy fahazahoa-ndalana mijanona eo antanindrazana fa i Ravalomanana ary namafisiny izany fa raha nijanona izy na fahefankadiny fotsiny aza dia ny ainy no nanefa izany,ka azonao sary antsaina @ zay ngambany hoe iza no tratrany fandrahonana voatery I ravalomanana sa ny ambasaderan'i etazonia ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0419