fa inona marina

1. ari.malala ( 08/06/2009 05:31)
Miarahaba ny lehilahy rehetra (ny vehivavy koa arabaina lol)

Fa inona marina hoà no mahatonga ny lehilahy taitra rehefa mahita vehivavy manao mini jupe na manao short e? :)
2. xxx ( 08/06/2009 05:41)
Otran'ny mahataitra anareo vhv mahita lhl manao bikni kely fotsiny kah.
Tonga de maka sary antsaina be hoe hummmmmmm!! :lol:
3. mmmhh ( 08/06/2009 07:27)
zah kosa klou tsy taitra @ lehlah manao bikini zany e,

4. ni81 ( 08/06/2009 07:38)
Otran'ny mahataitra anareo vhv mahita lhl manao bikni kely fotsiny kah.
Tonga de maka sary antsaina be hoe hummmmmmm!!
raha taitaitra toy izany ilay vhv ka raha mandeha eny @ piscine na plage izany tsy ho raharaha be no hanjo azy? :-D :-D :-D Soa fa zà koa mitovy @ mmmhh
5. RATOVOARY ( 08/06/2009 07:55)
Miarahaba ny lehilahy rehetra (ny vehivavy koa arabaina lol)

Fa inona marina hoà no mahatonga ny lehilahy taitra rehefa mahita vehivavy manao mini jupe na manao short e?

Tsy voatery hoe izay sipa manao mini-jupe sy sôrta kely akory de ahataitra, na sipa taolana kely azave de mbola hibitaka ihany :-D .
Fa arakaraka kosa io e! Ny ahy manokana aloha raha mba tsaratsara vatana le sipa dia eo vao misy fitsiriritana anaty hoe: mba tsara kosa ny constutan'ty sipa ty zany ah! Fa iny ny tsy lasa lavitra fa eo fotsiny ihany :lol:.
6. Tazana ( 08/06/2009 11:35)
xxx:

Otran'ny mahataitra anareo vhv mahita lhl manao bikni kely fotsiny kah.

hae? iza no milaza anao an'izany? Ny manintona (fa tsy ny manaitra ny vehivavy akory!) dia ny carrure an'ny lehilahy aloha...

Ny antony ve ry ari tsy ny habetsahan'ny hoditra miseho manao hoe omeko tsy omeko?! Raha sady efa tsara tarehy + araka ny tenin'i Ratovo hoe tsara vatana (samy manana ny tsara aminy io) dia avy plus ny hoditra miseho... :/ 8-) :{ :^) Zany ihany no mba hilana mitandrina koa fa mahita ny ankizy - indrindra aty ivelany amin'izao aho dia...ah kivy fa toa zara raha mitafy! Inrindra zao efa été...
Eisy e...fa ny torohevitra nomen'ny mpampiankanjo ho an'ny vehivavy: mba hihazonana anao ho "mihaja" dia raha efa be miseho ny aty ambony (tratra sy tànana: décollteté et sans manches) dia atao lava ny ambany. Raha kosa fohy ny ambany dia tsy tokony mitanjaka be tsony ny ambony dia manome paozy féminin tsara nefa tsy lasa be loatra fa antonony tsara...(aza fady raha ohatra ny hors sujet kely)
7. ari.malala ( 08/06/2009 11:36)
lehilahy manao bikini? de inona no manaitra amin'izany? :-P
8. TWING ( 08/06/2009 14:31)
mahita ny tsy fahita ve tsy ho taitra e?????????? 8O :D


Lainga kosa aloha ra ohatra ka hoe ny vehivavy mahota lehilahy manao pataloha "moulu" ka mibontsina be ny devant ka tsy ho taitra e.LOL :D
9. ari.malala ( 09/06/2009 05:14)
Tazana, tsy hors sujet ka :) ilaina mintsy aza ny torohevitra ohatr'izany ko :)

Ny mahatonga ahy hametraka io fanontaniana io mantsy dia izao, mahamarika aho fa rehefa manao mini jupe na manao short ny vehivavy iray, dia tsy vitsy ny lehilahy no miherika manara-maso, eny na dia miaraka @ sila-panahiny aza! indray mandeha izay moa naika voateniko ilay lehilahy hoe io akaikinao io jerena tsara fa sao tafintohina manaramaso ahy :^) :-D :-D :-D
10. tess ( 09/06/2009 05:26)
ari.malala:

Miarahaba ny lehilahy rehetra (ny vehivavy koa arabaina lol)

Fa inona marina hoà no mahatonga ny lehilahy taitra rehefa mahita vehivavy manao mini jupe na manao short e? :)
tsy ny lahy ihany aky no taitra fa na ny vavy koa aza ah


:-P
11. TWING ( 09/06/2009 09:51)
ny marina anie zany dia misy vehivavy mampiasa ny vatany @ antsoina hoe "seduction"

sao dia tokony nareo vehivavy zany no mijery ny fomba fitafinareo ?
12. mmmhh ( 10/06/2009 06:56)
TWING:
ny marina anie zany dia misy vehivavy mampiasa ny vatany @ antsoina hoe "seduction"

sao dia tokony nareo vehivavy zany no mijery ny fomba fitafinareo ?

inona no tian'i Twing @ le we sao de tokony nareo vehvavy no mijery ny fomba fitafinareo,??

zah aloha reefa miakanjo zah, tsy noho iza na noho iza no hanaovako azy fa noho izaho le manao azy ihany,
ary ndraindray aza zah reefa tsy azoazoko ny fitafiko dia tena tsy a l'aise mintsy zaah,
na mini jupe, na maxi ,na mini short , na pataloha n'inon'inona ataoko de noho izaho ihany,
13. TWING ( 10/06/2009 10:10)
ka misy anie ny vehivavy tena zay no ao antsainy dia ny mba hijerena azy e.
aime étre mater par tt le monde, exibiste ve zany sa tsy haiko e
14. Papoose ( 10/06/2009 16:37)
taitra ny lhl satria mahita tsy misinda manger.... kosa kou!!!
15. ari.malala ( 11/06/2009 07:11)
ny hafa fa tsy ny rehetra! za koa aloha toa an'i mmmhh e! ho ahy no antony anaovako ny ankanjo iray fa tsy hoan'ny hafa!
16. Papoose ( 11/06/2009 16:45)
sur v ari.cherie fa t@ izay fotoana rehetra izay dia ho an'i ari cherie ihany no antony anaovandry akanjo otsotsizay?? aiza kosa e :-P
17. ravatorano ( 12/06/2009 08:28)
tena misy mihitsy kosa joba manao mini jupe reny mba hisarihana kofa fotsiny e fa tsy voatery ny rehetra indray nefa io.
Na za na i anao mety mahalala namana ohatran\'izany fa heveriko nefa fa samy amin\'ny reveiny koa io e!
ny lhl tena taitra kosa raha mahita ilay zipo fhy loatra ireny kle ! fiouuuuuuu
oka razoky marina ah ! avy d mahasarika ny maso mijery tsy mitondra mody ireny asa mety par instinct koa e fa tsy voatery hoe sain-dratsy foana arak\'ilay eritreretinareo vhv azy e
:wink:
18. RATOVOARY ( 12/06/2009 13:14)
Ny ahy kosa aloha raha hitako hoe manintona ahy ny toebatany asehony @iny mini-jupe iny, tsy haiko zany hoe hanao mody fanina tsy hijery zany e! Raha misy fika aza ilazako aminy fa tsara vatana izy avetrany de teneniko aminy. Iny koa anie mba sady mi-encourager azy fa manendrika azy ilay fitafiana anaovany e! . ;-)
Fa io wa rah sipa skil-kely ohatra na le sôsisy be reny no hanao mini-jupe tssssssssss... tsy mamely; mampilefa kléty e!
Mba jerena ihany ry zareo izay manendrika ny vatana rehefa mitay fa tss zay rehetra malaza dia jolohana daholo a! :evil:
Misy koa zany le sipa vô tsikariny fa hoe manaramaso azy ny pok'n de vao maika jefika ery nefa indraindray le haratsiny mihitsy no ijerevan'ny kil azy maharitra. :lol:
19. tess ( 12/06/2009 13:18)
TWING:

ka misy anie ny vehivavy tena zay no ao antsainy dia ny mba hijerena azy e.
aime étre mater par tt le monde, exibiste ve zany sa tsy haiko e



ka in kou nefa no maharatsy izany e!ç otranaro bandy mi style am vam ihany io na dia horera aza de mi style ihany


:-D
20. tess ( 12/06/2009 13:23)
zà manokana dia ny akanjo fohy na zipo fohy no manendrika ahy sy mampa l'aise rahana mafàna ny andro, raha mangatsika azo asina collant, toy izay lay hatreo am lohalika na hatreo ambany lohalika, ny mirefarefa ndray manahirena refa miakatra totohatra fa vohitsaka de mamingana foana,
ka refa mbola tsy miketrona, kosa lay lohalika , na hoe matavy be mirakitra be ny fe ....manin no tsy hararaotina ny manao mini na short , miandry refa anitra miketroka lohalika indray vao hi bi sy hi bà ve?????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1145