Resaka sérieux: HILATSAKA HO FILOHAMPIRENENA NY TENAKO

1. kidoropamba ( 05/06/2009 11:48)
Hafaliana tsy homby tratra no hilazako anareo eto tapaka sy namana fa hilatsaka ho kandida amin'ny filoham-pirenena izay ho avy ny tenako. Ny soritr'asa ho tanterahina moa dia ho lazaina aminareo mian-dalana eo ihany. Fa ny priorité aloha dia ny handresy an'i HAT sy Ra8 raha milatsaka eo ry zareo.

Mivonona àry izay hifanandrina amiko fa roso ity ka tsa mimpody koa.
Eto amin'ny serasera aloha ny hanombohana ny deklarasion dia avy eo ho hitanareo any @ gazety indray afaka volana vitsivisty. Ilay "exclusivité" izany dia mba nomena ny sehatra"serasera" na dia tsy nangatahana vola aza. Omena maimam-mpoana izany.

Lazaiko eto miandàlana ny rafitra tiako aroso. Ka manomboka androany tsy miresaka hafa tsy ny fifidianana ihany ny tenako.

Ny vola hanaovana propagande dia efa hita, hisaorana an'Andriamanitra. Mitentina eo ho eo @ 20 miliona dolara (amerikana io fa tsy zimbabweana an) eo dia ampy tsara.

Eo ampanomanana ny ekipa aloha izaho izao ka somary sahirankirana ihany. Saingy kosa dia ny filoham-pirenena no tanjona ka rariny raha homanina tsara.

Ity izao ny slogan (an'isany amin'ny maro) efa hita: "Tokana ny safidy: na handroso, na hihemotra". Efa misy copyright io ka izay te haka tahaka dia ho sazian'ny lalàna.

Misaotra Betsaka.
répondu par kidoropamba le 08/06/2009 11:03
2. andrywui ( 05/06/2009 11:52)
EKENA LETSY KIDORO A! TONGA DE POINSA BE ZANY FIKAN TOI ZANY E !!

ZA HANOME SONO MATANJAKA HANAOVANLAH PROPANY !!

3. essera ( 05/06/2009 11:57)
Tairo ko
4. xxx ( 05/06/2009 11:57)
Izaho sy Ra8 hitety faritra hanao propagandy @ bisikileta sady hivarotra ronono.
5. rohy ( 05/06/2009 12:02)
Mersi an!!! ho mora be @ zay hono ny kidoro apanga eeeee!!!!
Saingy.....ilay handresy an-dRavalo izao no toa olana be ko.ny ambiny alo maivana e.Aza manaiky mitsy elah raha vao tsy misy deziem toro eo

=D> =D> =D> =D> =D> bonn sansa lesy ra ho any frans a
6. xxx ( 05/06/2009 12:10)
I ra8 lesy efa lavo ka nanaiky hiaraka amiko hivarotra ronono an-tavy a!
7. rohy ( 05/06/2009 12:25)
I ra8 lesy efa lavo ka nanaiky hiaraka amiko hivarotra ronono an-tavy a!


elah irery anie hono no hivarotany ronono an-tavy e. Tsy mandeha tsinona le ronono kay zany elah mbola mitady.
8. kidoropamba ( 05/06/2009 12:36)
Tsy azo ekena intsony ny jadona sy ny fanambaniana ny saim-bahoaka.
Hapetraka mazava ny tena demokrasia mifandraika amin'ny hetahetan'ny vahoaka ary mifanaraka amin'ny kolotsaina izay mendrika ny fiarahamonina.

Aparitaka eran'ny madagasikara ny fahafahana mivarotra ronono izay mahavelona ary tadiavin'ny vatan'ny ankizy sy ny ray amandreny efa zokinjokiny.

Santionany io.

"Miomana fa tsy maintsy tonga izahay!" - slogan iray indray io.
9. xxx ( 05/06/2009 12:44)

elah irery anie hono no hivarotany ronono an-tavy e. Tsy mandeha tsinona le ronono kay zany elah mbola mitady

Fa angaha vizana ny TIKO ry Rohy??? Mba tsy kopy an'izany indray izaho!!
10. mmmhh ( 05/06/2009 12:55)
hihihihi

zay zany hono e,

kandida iray zany aloha no efa sur fa hilatsaka,

De mba ataovy anaty progrma ny fanamboarana / sa financement n'ny serasera.org an,
11. rohy ( 05/06/2009 13:04)
ronono matavin-Draxxxx anie zany e! ny an'ny Tiko ve tsy ireny mana,dibera ,yaourt sns...ireny e????
12. xxx ( 05/06/2009 14:21)
ny an'ny Tiko ve tsy ireny mana,dibera ,yaourt sns...ireny e????

Efa nivadika ho tantara letsy zany bandy akama fa aza manofy eo elah!
13. yuka ( 05/06/2009 14:28)
Hay ve izany no antony nanaratsianao sy handanianao fotoana manenjika andra8 ee!
ianao koa kay nitsiriritra ny toerany :-D :-D :-D
Mirary anao mba ho lanimbahoaka fa izaho aloha tsy anisan'ireo handatsabato ho anao ee!
hainao ihany ilay anay e
:D :D :D
14. xxx ( 05/06/2009 14:32)
Tsy misy olana Yuka a! afaka alefanao any Swaziland ny vato TIM- nao
15. yuka ( 05/06/2009 14:35)
alefako any mintsy aky ry xxx a! :-D :-D :-D
16. xxx ( 05/06/2009 14:38)
Ataovy tsara ny adiresy sao afitsaky 'ny vadin'ny Ra8 efa maro be ao Afrika ao ilay bileta de voty :{ :{ :{ :{
17. kidoropamba ( 05/06/2009 14:45)
Ny serasera (sy ny hafa, izay fampiroboroboana ny koiltiora io) aloha tsy maintsy hanaovana subvention mazava ao anatin'ny teti-bolampanjakana. Ary hatsofoka ao anatin'ny politikan'ny kolotsaina.

Hoan'izay milaza SAHADY fa tsy hifidy ahy: Tsotra. Aza maika aloha fa araho ny fizotran'ny sambon-danitra KPB. Mbola manana 10 volana isika hifandresy lahatra.

Haniokafana Ambasady mahefa any Swaziland. Tsy azo avela maina ireny virjiny ireny. Hanaovana fanandramana amin'ny aretim-bazaha: Stress. Mety hanaovana recherche mihitsy satria toa efikasy ihany ireny maranidranitra nounou ireny. Politikan'ny fanatanjahan-tena koa no hilàna an'ireny.

"Miomana fa tsy maintsy tonga izahay" - slogan KPB
18. andrywui ( 05/06/2009 15:16)
Misy kozy iray ty rakidoro a!
- tondé mividiana lets kalack maromaro fa ilaintsika ireny amin'nlé stratezia charles a!

- Yuka ,sy Mirana mba manaraka anay hatao miss de propagande e!!

- tsy maintsy tafita elah rakidoro fa za jerena a!

--MIARAMILA ny aty ary efa tsara ofana fa tairo e !!

19. yuka ( 05/06/2009 15:22)
Aza mapiomehy eo i andrywui tsa mba izaho no anaraka anareo any,marina mafy raha mba izaho :-D :-D :-D :D
20. xxx ( 05/06/2009 16:06)
Sur leitsy rakidoro a! Aiza ny fangalana karatra hiditra membra fa hiditra ny tenako?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0549