mila hevitra za

1. rtcflora ( 31/05/2009 22:46)
slt ,manombaka firy volana kay refa bevoka no tsy tokony hiasa mafy sy hibatabata zavatra intsony. de firy volana avy teraka vao tokony hiasa oh: vao afaka manasa lamba,mikarakara sakafo . de inona ko ny sakafo efa tokony hotandremana ,de manomboka firy volana .fa za tena tsy misy aiko ny resaka hoe atao ,ny dr tsy mba manoro za aty amfaritany . misaotra de manatena sosokevitra
novalian'i rtcflora ny 06/06/2009 08:31
2. hana ( 31/05/2009 23:48)
miarahaba anao rtcflora,
malalaka be ny valinteny azo omena anao satria samy manana ny toe-batany sy ny tontolo iainany ny vehivavy. Ny filazan'ny dr sy mpampivelona matetika dia ny fahaizanao mihaino ny vatanao: raha mahatsiaro ho reraka na sahirana dia ajanony; makà aina
Raha olona efa zatra niasa mafy ianao, dia na hatr@ 7 volana any aza raha mbola zakanao, tsy manahy. raha tsy hoe mandrara angaha ny dr noho ny zavatra hitany @ fisafoana. Misy tsy mahavita n'inn n'inn @ 3 volana voalohany, misy matanjaka be. Misy ny mpiasa an-trano ireny, efa hiteraka vao mijanona tsy mikoso-trano.
Ny mibata enta-mavesatra koa toy izany, indraindray mila mitandrina be @ 2 volana, dia avy eo tsy maninn hatr@ - volana, dia mila mitandrina indray mandra-piteraka.
Aty an-dafy ora vitsy aorian'ny nahaterahana dia efa mitsangana mampandro sy mikarakara zazakely. any m/kara, mifana. Misy 7 andro anaterana sakafo eo am-pandriana sy mampiasa pô dia rehefa misasa ihany vao mivoaka ny efitra. rehefa tsy misy mpampifana dia tsy maintsy manasa lamba na afaka 2 andro aza.
@ ankapobeny ny bevohoka tsy tokony hihinana hena atono, trondro manta (sushi sy poisson fumé), sakafo misy gelée rehetra. Ny fromage au lait cru (misoratra eo @ fonony io aty). Miezaka kosa mandanjalanja sakafo, mihinana voankazo masaka tsara sy légumes madio tsara.
Avy eo, arakaraky ny fotoana diavina, misy hoe misakafo maivamaivana, manome hery, na tsy mampatavy ets. Fa tsy tokony hifady sira na zvt hafa raha tsy lazain'ny dr na rasazy

Mahereza dia tongava soa ny vahiny
3. Mirananirina ( 01/06/2009 11:51)
Araka ny tenin'i hana io dia samy manana ny toebatany ny olona,ka noho izany maha bevohoka anao izany dia tokony hitandrina fotsiny,indrindra ny mibata entana mavesatra,afaka manao sport ihany nefa ianao oh,piscine,gymn
afatsy ireo mafy be
de firy volana avy teraka vao tokony hiasa

Firy andro hoe?Vao avy teraka aza ianao dia efa mikarakara ny zanakao,izany hoe mihetsiketsika izany,fa mitandrina fotsiny fa reraka.Herinandro dia azonao atao daholo ny raharaha rehetra.
inona ko ny sakafo efa tokony hotandremana

azonao ho hanina daholo na inona na inona,(aza mihinana double anefa)tandremo fotsiny ny sigara sy ny alcool.

4. flodine ( 01/06/2009 15:30)
rtcflora:

slt ,manombaka firy volana kay refa bevoka no tsy tokony hiasa mafy sy hibatabata zavatra intsony. de firy volana avy teraka vao tokony hiasa oh: vao afaka manasa lamba,mikarakara sakafo . de inona ko ny sakafo efa tokony hotandremana ,de manomboka firy volana .fa za tena tsy misy aiko ny resaka hoe atao ,ny dr tsy mba manoro za aty amfaritany . misaotra de manatena sosokevitra

AZA MANDAINGA EO, ZAH ZAO DOKOTERA ATY @ FARITANY, MANORO HEVITRA DAHOLO NA NY DR NA NY SAGE F.
AZA MANARATSY TOY IO SAO DE HANAHIRANA ANAO AN.

5. fahamarinana ( 01/06/2009 17:07)
:arrow: Samy manana ny dr-ny tokoa angamba fa ny marina dia anjarantsika vhv manana ahiahy koa no mametraka fanontaniana aminy ,azo atao koa ny maka hevitra amin'ny sites bobaka be mikasika ny vhv sady ianao rahateo afaka mampiasa aterineto .Ny olana amiko eto amin'ny forum dia samihafa ny tranga nandalovana rehetra sy ny toe-pahasalamana ,ny mety amiko mety tsy hety aminao ,ny dr no tena mahay momba azy tsara be ! Raha any ambanivohitra be aza anie mety hisy dispensaires koa e,raha tsy misy hopitaly sns sns ! Tsy dia haiko moa ny any amin'ny misy anao any fa azo heverina koa hoe raha sanatria ka mahatsapa harerahana be ny vatatena dia mila sy mitaky fitsaharana amin'ny asa atao ,satria rehefa mitondra vohoka dia efa misy zvtr miova ao !Dia mirary soa e! (l)
6. rakaroka ( 01/06/2009 17:57)
Ny hanampiko dia tsara raha mihinana "calcium,fer betsaka", ilaina ihany koa ny mifady sira hono raha 'ngeza ny kibo fa mahamora fiterahana.Dia manaova mora e!
7. rtcflora ( 01/06/2009 21:46)
ho an'i flodine za aty sambava no mipetraka . ny rasazy aty aza mandeha tana miteraka olona fantatro izany .

za manko tam le27 mai nandeha tongotra kely tsiampy 30mn nandeha tany am dr de nisy ra nandeha refa
avy nisakafo atoandro za de niverina tam dr ndray de nasiny nanao repo au lit fotsiny
tsy mba nolazainy akory oh oe: misokatra alo ny kol nao na oh oe tsiako ze lazainy .zay lay dr aty sady na echographie aza tsisy eto sambava fa tsy maintsy mande antalaha na vohemare nefa karefour . za ko ra aty no hiteraka de tsisy famille fa za sy ny vadiko ihany ka izay no mahatonga ahy manotany oe afaka firy andro no afaka mikarakara trano ... 5 volana mahery alo lay kobo e.msaotra
8. ari.malala ( 02/06/2009 06:20)
Mila fitandremana ihany izany hoe nandeha tongotra dia mandeha rà rehefa avy eo an! makà aina tsara, dia tandremo ny manao vizana.
9. ikaretsaka ( 02/06/2009 15:24)
arakarak'olona io ka
misy hitako le any @ tanana ireny mbola mahavbita manetsa sns izy ny maraina dia teraka anefa ny hariva...
misy vao 3 volana ankibo de efa mitsotsotra "miandry fotoana" hono
10. locl ( 02/06/2009 20:18)
Samy manana ny filazany fa ny teo-batana no mitondra an'io, rehefa tsy mahatsiaro reraka toi dia ataovy ny asa
11. booboo ( 03/06/2009 09:46)
Raha mandeha rà izany dia mila mitandrina be tokoa : mitsotra dia somary ampiakarina ambony ny tongotra ( ampio ondana na coussins).

Mianara mihaino ny vatanao fotsiny, dia rehefa reraka dia makà aina. Aleo hijanona ao aby ny raha² tsy maninona fa ny aina tsinjovina : miankina tanteraka aminao ilay zazakely ao am-bohoka sy rehefa teraka ka sao tsy maharaka eo ny vatana sy ny nono raha sendra reraka loatra...
Rehefa mibata entana mavesatra indray ka vao mahatsapa hoe mihenjana be loatra ny kibonao dia ajanony. Toy izany koa rehefa manakatra zavatra @ toerana ambony.
Rehefa miondrika haka zavatra @ tany na hanidy kiraro sns dia tsy ny lamosina no aondrika be fa somary mitingitingina no fatao.
Rehefa miarina eo am-pandriana dia tsy avy dia mitraka be, fa mihorirana klou izay vao mitsangana.
Rehefa any @ dernier trimestre de grossesse dia @ ilany havia no matory mba tsy ho voatsindry ilay veine cave akaikin'ny kibo, dia mikoriana tsara ny rà @ zay.
Dia ataovy sakafo equilibré kokoa noho ny fataonao teo aloha ny sakafonao.

Rehefa teraka indray dia ny fahaizana mihaino ny vatana ihany koa no zava-dehibe.
Raha mampinono dia ny tongolo e, laisoa no tsy tsara hanina loatra fa mavesatra @ ilay zazakely. Ny jus d'orange koa ohatra izay.

Bonne grossesse ô !

12. kotobekibo ( 03/06/2009 20:40)
Arakarakao ihany io . Mila manao exercice koa ianao mba ahamora ny fiterahanao , piscine na dia antongotra , asa majinijinika fa tsy hoe mafy loatra .
- Ny namako iray ohatra , ny andro iterahany izy mbola nanao magazay niaraka @ reniny eran'ny tanàna ( mandeha tongotra )
- misy ol fantatro hafa efa bevohoka 4 mois mbola nitsinjaka nanao basket ( tournois )
- misy hafa fantatro koa ; 6e mois d efa hospitalisé à domicile tsy mahazo manao n'inn n'inn , na ny asa amandraharaha ao antrano aza . Mipetra-potsiny , eny ambony fandriana lava izao .

Izay farany zaka atao fa aza forcer-na koa . Raha vao misy rà mandé d manatona mpitsabo haingana fotsiny .
13. vale ( 04/06/2009 11:30)
hoy i rakaroka:

Ny hanampiko dia tsara raha mihinana "calcium,fer betsaka", ilaina ihany koa ny mifady sira hono raha 'ngeza ny kibo fa mahamora fiterahana.Dia manaova mora e!
_____________________________________________________
Ie ,ary koa raha tiana hisosa tsara ny fiterahana dia manomboka 4 mois any ny vohoka dia manomboka mifady sira, fa hisosa tsara ny fiterahana ny zaza, ny rahavaviko rehetra dia nasain'i mamanay nanao an'io avokoa ary tena moramora fiterahana daholo. Dia tongava soa ny vahiny!!

14. raclo ( 04/06/2009 16:20)
Mirananirina:

Araka ny tenin'i hana io dia samy manana ny toebatany ny olona,ka noho izany maha bevohoka anao izany dia tokony hitandrina fotsiny,indrindra ny mibata entana mavesatra,afaka manao sport ihany nefa ianao oh,piscine,gymn
afatsy ireo mafy be
de firy volana avy teraka vao tokony hiasa

Firy andro hoe?Vao avy teraka aza ianao dia efa mikarakara ny zanakao,izany hoe mihetsiketsika izany,fa mitandrina fotsiny fa reraka.Herinandro dia azonao atao daholo ny raharaha rehetra.
inona ko ny sakafo efa tokony hotandremana

azonao ho hanina daholo na inona na inona,(aza mihinana double anefa)tandremo fotsiny ny sigara sy ny alcool.

15. raclo ( 04/06/2009 16:22)
marina fa oe afaka mitsangana tokoa vao avy tera! fa naizany aza mitandrema iany fa misy fiatraikany le mitsangana avy teraka, marary lamosina!

[/quote]

16. tywa68 ( 04/06/2009 17:49)
Rtcflora > Efa be ireo torohevitra ireo fa ty angambany no tsy voateny : MANGATAHA FANAMPIANA @ RAMOSE fa AZA MISEHO MAHAVITA IRERY HOE LASA MATANJAKA BE AHO ZANY d MIBATA BE sns ... :lol: Manaova mora e :wink:
17. ari.malala ( 05/06/2009 05:54)
raclo:

marina fa oe afaka mitsangana tokoa vao avy tera! fa naizany aza mitandrema iany fa misy fiatraikany le mitsangana avy teraka, marary lamosina!
Tsy haiko ianareo any am-pita angamba mety misy aide soignante mikarakara ny zaza fa ny hitako t@ zà avy teraka aloha dia ilay vao avy any an-kibo iny ihany ny zaza no karakarain-drasazy, fa rehefa avy eo ny tena ihany no tsimaintsy mikarakara azy e! tsy maintsy mitsangana, ary tsy azo andrasana intsony ny vehivavy miteraka fa manjary mihanta be hono ka tsy mikarakara ny zanany hihihi!

18. fahamarinana ( 05/06/2009 06:08)
:arrow: arimalala : ny taty aminay koa sahala amin'izay ihany ,ny 1er jour mampiseho ny Reny izy ny fomba fampandroana zaza sy ny tokony atao dia ny 2eme jour manatrika eo izy fa injy no manao azy ,ny fahatelo sy ny ambiny mandra-pivoaka dia ny mandanja sisa no ataony fa anjaranjy no manao ny rehetra !
Ho an'ireo natao césa angaha no mikarakara izy betsaka kokoa mihoatra ny "teraka normal"...Ny aty aloha izay fa ny any Dago angamba afaka mihantahanta amin'ny havana ,rar sns sns ...Afaka ny hiandry an'iza eo tokoa moa ! Za manokana tsy marary lamosina na nitsangana avy hatrany aza ,na tamin'ny césa na teraka normal fa io koa moa samy manana ny toe-batany ny tsirairay ,za rahateo tsy nanana n'iza n'iza nihantana fa lavi-toerana ! (l)
19. vale ( 05/06/2009 13:26)
ari.malala> tena tsy misy manampy anjy aky aty fa dia @ 1° iny ihany, ireo lazain'i Faha ireo, ny ampitso njy tsy maintsy mitsangana manasa ny zaza, sns, sady tsy mba afaka misy matory eny @ hopitaly ny havana fa enao sy ny zaza irery mandram-pivoaka, ny zaza1° 3jrs vao mivoaka mody, fa ny manaraka indray mba vetivety dia alefany!!
20. ari.malala ( 05/06/2009 13:59)
Faha marinana sy Vale, ka mitovy @ aty ihany izany ko! izaho izao tsy marary lamosina izany koa aloha na dia izany aza e! izay any afara any no tsy haiko...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6605