TENA FALY AHO

1. naritsimba ( 29/05/2009 12:29)
Mety be no gaga angamba mahita ilay lohateny hoe: TENA FALY AHO.
Ny antony dia tsotra, misaotra an'i fijo sy ry noue nanokatra lohahevitra ho ahy manokana, izany ahatsapako fa hay tena misy mijery ihany ireo zavatra nolazaiko fahiny izay tsy nisy nihaino sy namaky, fa @ izao andro izao dia tena voadinika @ atsipirihany mihitsy.
Matoa izany voadinika izy @ izao fotoana dia marina izay nolazaina ary atahorana sao hihitatra, tiako anefa no milaza fa ireo zavatra nolazaiko hatramin'izay dia efa tafapetraka tany @ tompon'andraikitra daholo ny volana febroary 2007, ary nampiana isaky ny mahita tsy rariny miseho. Efa ao anatin'ny fanadihadiana tanteraka ny manam-pahefana tompon'andraikitra @ izao fotoana. Ny mahavariana dia misy mitady hirika mafy hanajanonana azy ireo fa tsy voasakana, ary eto aho dia miala-tsiny satria na hifona amiko aza ireo olona ireo satria fantatro sady mahafantatra ahy tsara dia tena tsy ho ekeko mihitsy. Samy mijinja ny nafafiny ny rehetra fa tsy misy afa-maina izany. Mafy no nentiko na ny tenako na ny fianakaviako saingy ny marina tsy mba maty.
Mankahery ireo izay mitovy fijery sy fisainana amiko aho mba hanao ny marina sy ny tsara hatrany, hoy ny fitenintsika malagasy hoe:
Aleo halan'andriana toy izay halam-bahoaka.
Dia mirary soa ho an'ny rehetra hatrany.
Samia ho tahian'Andriamanitra daholo.
2. naritsimba ( 29/05/2009 12:55)
Dia ho feno ny Fanahy Masina hatrany anie isika rehetra fa tsy ho amin'izao Pentekosta izao ihany.
3. bozyboleta ( 29/05/2009 13:00)
Mba gaga aho raha olona sahy miantso an'Andriamanitra sy ny Fanahy Masina toy izao nefa sady manozona no miantso fahafatesana ho an'olona no mbola mihevitra ny hanimbazimba ny fasan'olona.
Avereno vakiana daholo ny post-nao hanamarinanao ireo nolazaiko ireo.
8O 8O 8O
4. naritsimba ( 29/05/2009 13:12)
Aminao izany rehefa miantso an'Andriamanitra dia tokony hanaiky izay atao aminy, tsy Jesoa aho akory ary tsy mitovy aminy mihitsy.
Ekeo foana izay mitady hamono anao, sy mangalatra ny fanananao ry bozyboleta. Maninona no tsy navela niditra izahay raha teny Ambohitsorohitra fa notifirina? nefa ange mpiantso sy mpanonona ny anaran'Andriamanitra ingahy filoha eh!
izay ilay mahagaga sy mahavarina
Esory aloha ny vatan-kazo eo @ masonao vao manala ny andry eny @ hafa.
5. bozyboleta ( 29/05/2009 13:26)
Tsy ho Jesoa na oviana na oviana mihitsy koa aloha e!
Mampihoron-koditra ny mahita olona SAHY manonona ny anaran'Andriamanitra sy miantso ny Fanahy Masina ary miseho ho mpivavaka nefa OZONA sy FAHATEZERANA no feno @ fony sy ny vavany.

Asa iza ilay andriamanitra toriany fa tsy ilay Andriamanitra ivavahan'ny Kristiana aloha raha ireo post samihafa ireo.



6. coucou2 ( 29/05/2009 13:33)
za koa mba gaga oe misy olona miantso ny anaran'A/tra nefa ny ao ampo rehetra nbola valifaty daholo. Mila mandinitena.
Ary sao dia ny vatankazo @ masonao mihitsy alo no mila esorina fa isaky zay resaka ra8manana dia ny 07 fév foana no aharihary .
Ny marina tsy mba maty marina an! Mbola iseho ny marina momba ny 07 fév fa aza maika nareo.
7. Noue ( 29/05/2009 13:33)
naritsimba:
Esory aloha ny vatan-kazo eo @ masonao vao manala ny andry eny @ hafa.
soahiany fa ianao no nilaza an'io! dia tanteraho aza aloha !!!


8. fifaliana01 ( 29/05/2009 15:38)
Izahay eto @ IIIeme Arrondissement sy ny mpivarotra rehetra eto Andravoahangy hilahatra eo amin’ny tetezan’ny Behoririka rahampitso, mandrampahatonga any @ Magro @ 9 ora sy sasany . Izay hanatevindaharana RAISINA AN-TANADROA E!
9. xxx ( 29/05/2009 16:13)
Izahay eto @ IIIeme Arrondissement sy ny mpivarotra rehetra eto Andravoahangy hilahatra eo amin’ny tetezan’ny Behoririka rahampitso, mandrampahatonga any @ Magro @ 9 ora sy sasany . Izay hanatevindaharana RAISINA AN-TANADROA E!


REVEO AO NY ANAREO FA IZAHAY VAHOAKA MADINIKA DIA TSY HANDANY ANDRO HILATRA IZANY INTSONY. NY HO HANINAY ISANA'ANDRO AZA EFA TSY HITANAY KOA IZAY FILAHARANA HO AN'I RA8 VE NO HANDANIANAY ANDRO. NEREO NO EFA VOKY SY TSY MAHALALA VOKY KA AZA NY MADINKA NO FETSIFETSENA.
10. ifiona ( 29/05/2009 17:27)
naritsimba:

Aminao izany rehefa miantso an'Andriamanitra dia tokony hanaiky izay atao aminy, tsy Jesoa aho akory ary tsy mitovy aminy mihitsy.
Ekeo foana izay mitady hamono anao, sy mangalatra ny fanananao ry bozyboleta. Maninona no tsy navela niditra izahay raha teny Ambohitsorohitra fa notifirina? nefa ange mpiantso sy mpanonona ny anaran'Andriamanitra ingahy filoha eh!
izay ilay mahagaga sy mahavarina
Esory aloha ny vatan-kazo eo @ masonao vao manala ny andry eny @ hafa.


efa ela ihany aho no namakimaky ny dinika ataon'i naritsimba fa ny tena tsikaritro dia ity: fo feno "rancune" no tsapako isaky ny mahita anao manoratra aho. Izaho moa vao aingana no niditra teto @ ity forum politika ity (teo @ janvier teo) ary tsy fantatro raha efa mpandray anjara teto enao fahiny, fa ny hitako hatr@ zao aloha dia tena misy alahelo be hanananao aminy. Fa eto kosa aloha aho dia voatery mamaly satria toa ôtran' mivadika n'importe quoi izy ty.
Raha ny zavatra ratsy hiampanganao an'i Ra8 aloha dia tsy fantatro na marina na diso fa hatr@ zao aloha zay affaires momban'i Ra8 na momban'i Tiko efa nandalo fitsarana dia nahazoan'i Ra8 rariny, ohatra resaka levée de blocage de comptes, tsy fantatro hoe rahoviana ny fandalovana fitsarana manaraka fa raha ny hitako dia lainga afafy no betsaka amin'ireny karazana ampamoaka ireny ary hamoronana porofo. Ny mahatonga ahy miteny an'izany moa dia efa nolazaiko fa mbola averiko eto ihany, t@ nahitako ilay reportagen'ny france24, t@ nolazain'ireo membres de la hat hoe: "nous devons faire une accusation en règle. Il faut trouver des chefs d'inculpation;par exemple ra8 est un criminel, ra8 est un traitre.", zany hoe tena mbola ho foronina ireo porofo."
Raha ny resaka Ambotsirohitra indray dia efa nanazava ilay ex gp hoe tsy ireo velively no nitifitra t@ ireny fotoana ireny, nazavainy tsara ilay izy t@ izay hoe tsy possible hoe ry zareo no nitifitra; ary na eritreretina aza hoe ry zareo, io moa efa natao adihevitra be teto fa io anie zone rouge e, raha tokony hisy ny olona responsable t@ ireny dia tsy i Ravalo irery fa eo koa i TGV izay nitarika ny vahoaka ho eny nefa avy eo nanjavona tsy hita popoaka.
Ekeko hoe mety misy antony personnel tsy hitiavanao an'i Ra8, saingy zany ve no hi-cautionnéna ny nataon'i TGV? mangataka porofo ny ratsy nataony enao, ny porofo anie dia efa betsaka e ary miampy isan'andro isan'andro, nanomboka t@ ireny fandoroana ny TVM sy RNM ireny, efa may ny batiment dia nefa navelany nosakanan'ny vahoaka ny pompiers tsy hanao ny asany, donc irresponsabilité d'un maire, passible de sanction. Manaraka an'iny dia ny fibaikoana miaramila hikomy ary hanao coup d'Etat, ny video momban'iny dia efa hitan'izao tontolo izao. Manaraka an'izany dia ny fitifirana ireo olona nilahatra teny @ 13 mai nefa ny tgvistes navela nilahatra teny nandritra ny 3 volana tsy misy olona mihitsy, ny legalistes anefa tsy ampy herinandro d'efa tifirina nefa anarany ihany hoe place de la démocratie, sady @ zany tsy nisy halatra sy korontana toy ny t@ andron'ny 13 mai fa ny miaramila ihany no nanankorontana azy.
Dia ireo gadra politika notsorana sy maivava be t@ legalistes ireny ve dia hinianao tsy jerena sy henoina? ireny ve dia mety? mety ve ny nataon'i TGV tonga dia naka ny avion an'ny air mad nefa tsy nampilaza ny voyageurs tao anatiny? aza atao par rapport an'i Ra8 ny valiny fa Ra8 efa fantatray fa tsy tianao izy, fa mba ataovy hoe raha toa ary ka tsy nisy i Ra8, @ fo tsy miangatra, mety ve izao ataon'i TGV zao?

Manaraka izany koa dia ilay resaka fivavahana sns. Io moa zany samy manana ny conviction-ny, fa ny tena hita hoe tsy mitombina kely anie dia enao manonona ny anaran'Andriamanitra sy Jesoa foana nefa raha vao hanontaniana hoe fa maninona no tsy mifanaraka zay lazainao sy ataonao dia hoe ZA ANIE TSY JESOA E! tsy mbola nisy nilaza anie hoe Jesoa ianao saingy mba ataovy mifanaraka ihany ny zavatra lazainao e! marina fa manana ny limite-ny ny olombelona ary zay no maha-olombelona azy, dia maninona anefa raha milaza fotsiny hoe: izaho anie olombelona ihany manana ny fahalemeko sns, fa tsy tonga dia maivava be hoe za anie tsy Jesoa e! zany ve no valin-tenin'olona miaina @ finoana? asa aloha e, remarque fotsiny iny fa angamba mila eritreretina ihany.



11. xxx ( 29/05/2009 17:30)
xxx:

Izahay eto @ IIIeme Arrondissement sy ny mpivarotra rehetra eto Andravoahangy hilahatra eo amin’ny tetezan’ny Behoririka rahampitso, mandrampahatonga any @ Magro @ 9 ora sy sasany . Izay hanatevindaharana RAISINA AN-TANADROA E!


REVEO AO NY ANAREO FA IZAHAY VAHOAKA MADINIKA DIA TSY HANDANY ANDRO HILATRA IZANY INTSONY. NY HO HANINAY ISANA'ANDRO AZA EFA TSY HITANAY KOA IZAY FILAHARANA HO AN'I RA8 VE NO HANDANIANAY ANDRO. NEREO NO EFA VOKY SY TSY MAHALALA VOKY KA AZA NY MADINKA NO FETSIFETSENA.



enao ary mba afaka misakafo zao fa mba nieritreritra ny mety hanjo ny zanaky ny zanakao ve enao?
12. Noue ( 29/05/2009 17:38)
bravooo ifiona ! tena voalazandry tanteraka ny rehetra eee ! :-* :-*
13. xxx ( 29/05/2009 18:40)
raha tsy mandray andraikitra dieny izao, isika Malagasy rehetra dia ho lasan'ny frantay tanteraka ny tany
14. rakaroka ( 29/05/2009 18:51)
Mankasitraka 'Naritsimba , tsssss.... hitako lé approchen-dRafijo mijery
MITONGILANA BEEEE IRY E, 'ntsssssssssssss mbo nianatra ihany hono lery dia manao fijery toa ireny :-D :{ :{ :{ 8O 8O 8O =)) =)) =)) mampanongo tena marina e :/ :/ :/ Ra-8 efa goaika antitra eo @ afera sy ny fitantanana tsy refesi-mandidy hono no ampitahainy an'i Andry izay vao omaly raha ny marina, dia efa depassén'i Andry hono Ra8 @ izany! :-D :-D :-D
Anefa anie izy momba an-Ra8 sahala @ innn,
'za aloha ry Naritsimba dia ny filazanao no inoako kokoa, tsy hihambo ahafantatra ny tsy eo anatrehana mihoatra noho ianareo niaina izany aho.
15. xxx ( 29/05/2009 18:56)
miainga any indray ny deliran'i KIRAROKA :-D :-D :-D :-D :-D :-D
16. Oay ( 29/05/2009 19:01)
Ary mamely mafy mihintsy ny mpanompon'i Ravalomanana ato izany an!

Ao ireo voakapoka mafy d nandeha nisitrika d ireo fa niverina miaraka @ vary mangatsiaka d adino daholo izay noresahina fa otran'ny rano nantondraka vorom-bazaha izay nolazaina taminy!

Ka mila averina kely aloha ny resaka na d tsy d tsara loatra aza ny manao resaka aller-retour fa rehefa manoloana olona efa miverintsaina d mamerina impito manantitrantitra é!

Ka izao ary momba ny raharaha FITIFIRANA d efa nolazain'i Oay fa tsy misy afaka manamarin-tena ianareo fa ALEO NY FITSARANA MAHALEON-TENA no hiandraikitra an'izany!

NOHO IZANY D ALEO HITSANGANA NY repoblika vaovao izay NEUTRE mba tsy hisian'ilay resaka connivence ka mety hanova ny valimpitsarana.

Marina fa hita mibaribary izao fa TSY MANERY FITSARANA NY HAT jereo ny valimpitsarana momba ilay journaliste ohatra, samy mahalala isika raha tsy hoe manompo olona fa raha t@ andron'i Ravalomanana iny affaire iny d nidoboka ilay mpanao gazety satria resaka politika iny, kanefa na tsy manery fitsarana aza ny HAT d à mettre en doute foana ny impartialité-ny rehefa manoloana affaire ngoda be!

NOHO izany d NY MANANTSAINA SY MAHATOKY TENA D TOKONY HIVONDRANA ARY HILAZA fa Tsy MILA:

_Andry Rajoelina
_Ravalomanana
_Ratsirahonana
_Andriamanjato
_Ratsiraka
_Pierrot Rajaonarivelo.
_Voninahitsy
_Pety
Sy ireo rehetra efa NITSETSITRA SY NIVAROTRA AN'i Madagasikara!

Hamaly kely ny momba an'i naritsimba aho, araka izay mba voavakiko t@ ireo nolazainy d hitako fa TENA MAFY NY NAHAZO ANAZY ary sarotra ny mipetraka eo @ toerany satria JEREO NY ATAONAREO MPOMBA AN'i Ravalomanana @ fiarovanareo anazy satria nangalarin'i TGV ny Toerany d manozona sy manompa an'i TGV ianareo, tadidio anefa fa i Ravalomanana mbola miaina any an-dapa ary araka ny resaka mandeha d na TSY HIASA intsony aza izy mandrampahatapitrin'ny fofon'ainy d tsy hanana olana, fa ny OLANY @ izao fotoana izao d manao défi @ vahoaka Malagasy izy satria efa napetrany fa après lui c'est la déluge, ary efa niteny ihany koa izy fa tsy maintsy vitany ny mametraka anazy ho Empereur.

i naritsimba kosa d vahoaka tsotra, tsy mba milliardaire kanefa d nangalarina ny tany d nomena ny sinoa! D iza no mbola afaka hiteny amiko hoe "Tsy koi izany fa reveo"

D izao momba an'ilay resak'Andriamanitra AZA ENTINAREO HANDEMENA NY SAIN'NY MPINO SY IZAY MANONONA NY ANARAN'Andriamanitra ny filazana fa rehefa mpino sy mino an'Andriamanitra d tsy tokony hisendotra sy hanozona olona, jereo ny nataon'i Kristy raha nandroaka ny mpivarotra tao @ tempolin'Andriamanitra izy é! Ary aoka hofatantsika fa IRENY MPINO SY MPANONONA NY ANARAN'Andriamanitra ireny raha manao ratsy d avo roa heny ny fatra hitsarana anazy, ka avelao izy hanonononona ny anran'Andriamanitra fa HOTSARAINA NY @ Izany izy ireny fa aza matahotra ianareo!

Hamaranako anazy d izao :"Afaka manompa ianareo, afaka manozona ianareo fa izao fotsiny no tadidio Andriamanitra mahita antsika rehetra sy izay ataontsika, mety misy amintsika tsy voakapoka mihintsy na d nanao ratsy aza, fa izao i Oay d milaza aminareo fa hotsaraina @ izay ataontsika isika ary tsy maintsy mivaly ny natao, d mbola amafisiko fa na tsy mifankahita aza isika d Andriamanitra mahita antsika tsirairay avy ka na hino ianao na tsy hino d tadido fa na ilay ratsy kely indrindra ao anatin'ny lohanao eto ampamakiana ity hevitra ity d ho avy aminao ny valiny"
D MBOLA AVERIKO FA AZA MANOMPO OLONA SATRIA EFA VOLAZA FA AZA MIHAKOHOKA HAFA TSY @ ily RAY any an-danitra!
17. rakaroka ( 29/05/2009 19:30)
Miombon-kevitra 100 % @ Oay 'za etsy @ filaza ambony ^:^ ^:^ ^:^ ,
'Ntsssss io fa tsy mahazaka ny ilazana ny marina lé xxx dia miafina nefa mbo te hiseho 8O 8O :roll: :-D :-D . Mipirina re rehefa tsy mahazaka délire. Tsy forcé anie wa eto,
Dia ny sasany manao toriteny Bbbeeeee ny miantso an Atra tsy tokony hanozona e,sns....hadinony angaha fa Jesoa izay koa aza voalaza fa nanozona,
mapmé rehefa "manao étalage-na connaissance" mba hisitonana ny olona hanamarinantena ny sasany :^) :^) :^) 8O 8O 8O =)) =)) =))
18. ndenn ( 29/05/2009 19:53)
Oay:

Ary mamely mafy mihintsy ny mpanompon'i Ravalomanana ato izany an!

Ao ireo voakapoka mafy d nandeha nisitrika d ireo fa niverina miaraka @ vary mangatsiaka d adino daholo izay noresahina fa otran'ny rano nantondraka vorom-bazaha izay nolazaina taminy!

Ka mila averina kely aloha ny resaka na d tsy d tsara loatra aza ny manao resaka aller-retour fa rehefa manoloana olona efa miverintsaina d mamerina impito manantitrantitra é!

Ka izao ary momba ny raharaha FITIFIRANA d efa nolazain'i Oay fa tsy misy afaka manamarin-tena ianareo fa ALEO NY FITSARANA MAHALEON-TENA no hiandraikitra an'izany!

NOHO IZANY D ALEO HITSANGANA NY repoblika vaovao izay NEUTRE mba tsy hisian'ilay resaka connivence ka mety hanova ny valimpitsarana.

Marina fa hita mibaribary izao fa TSY MANERY FITSARANA NY HAT jereo ny valimpitsarana momba ilay journaliste ohatra, samy mahalala isika raha tsy hoe manompo olona fa raha t@ andron'i Ravalomanana iny affaire iny d nidoboka ilay mpanao gazety satria resaka politika iny, kanefa na tsy manery fitsarana aza ny HAT d à mettre en doute foana ny impartialité-ny rehefa manoloana affaire ngoda be!

NOHO izany d NY MANANTSAINA SY MAHATOKY TENA D TOKONY HIVONDRANA ARY HILAZA fa Tsy MILA:

_Andry Rajoelina
_Ravalomanana
_Ratsirahonana
_Andriamanjato
_Ratsiraka
_Pierrot Rajaonarivelo.
_Voninahitsy
_Pety
Sy ireo rehetra efa NITSETSITRA SY NIVAROTRA AN'i Madagasikara!

Hamaly kely ny momba an'i naritsimba aho, araka izay mba voavakiko t@ ireo nolazainy d hitako fa TENA MAFY NY NAHAZO ANAZY ary sarotra ny mipetraka eo @ toerany satria JEREO NY ATAONAREO MPOMBA AN'i Ravalomanana @ fiarovanareo anazy satria nangalarin'i TGV ny Toerany d manozona sy manompa an'i TGV ianareo, tadidio anefa fa i Ravalomanana mbola miaina any an-dapa ary araka ny resaka mandeha d na TSY HIASA intsony aza izy mandrampahatapitrin'ny fofon'ainy d tsy hanana olana, fa ny OLANY @ izao fotoana izao d manao défi @ vahoaka Malagasy izy satria efa napetrany fa après lui c'est la déluge, ary efa niteny ihany koa izy fa tsy maintsy vitany ny mametraka anazy ho Empereur.

i naritsimba kosa d vahoaka tsotra, tsy mba milliardaire kanefa d nangalarina ny tany d nomena ny sinoa! D iza no mbola afaka hiteny amiko hoe "Tsy koi izany fa reveo"

D izao momba an'ilay resak'Andriamanitra AZA ENTINAREO HANDEMENA NY SAIN'NY MPINO SY IZAY MANONONA NY ANARAN'Andriamanitra ny filazana fa rehefa mpino sy mino an'Andriamanitra d tsy tokony hisendotra sy hanozona olona, jereo ny nataon'i Kristy raha nandroaka ny mpivarotra tao @ tempolin'Andriamanitra izy é! Ary aoka hofatantsika fa IRENY MPINO SY MPANONONA NY ANARAN'Andriamanitra ireny raha manao ratsy d avo roa heny ny fatra hitsarana anazy, ka avelao izy hanonononona ny anran'Andriamanitra fa HOTSARAINA NY @ Izany izy ireny fa aza matahotra ianareo!

Hamaranako anazy d izao :"Afaka manompa ianareo, afaka manozona ianareo fa izao fotsiny no tadidio Andriamanitra mahita antsika rehetra sy izay ataontsika, mety misy amintsika tsy voakapoka mihintsy na d nanao ratsy aza, fa izao i Oay d milaza aminareo fa hotsaraina @ izay ataontsika isika ary tsy maintsy mivaly ny natao, d mbola amafisiko fa na tsy mifankahita aza isika d Andriamanitra mahita antsika tsirairay avy ka na hino ianao na tsy hino d tadido fa na ilay ratsy kely indrindra ao anatin'ny lohanao eto ampamakiana ity hevitra ity d ho avy aminao ny valiny"
D MBOLA AVERIKO FA AZA MANOMPO OLONA SATRIA EFA VOLAZA FA AZA MIHAKOHOKA HAFA TSY @ ily RAY any an-danitra!

Raha miresaka valifaty izany naritsimba , dia tokony ho fantatrao fa efa be ny olona nitondra ny mafaitra noho io politika nolovana t@ mpanjanaka io .
Tsy @ hoe maha- vahiny ny firehan- kevitra aloha no tiako ho tenenina eto ,fa ny @ maha- kristiana anao , raha ohatra ianao ka tena xana.
Betsaka ny malagasy no efa nianjadian' izany fanambakana politika nampiharin' ny mpitondra rehetra nitondra tao Mada tao hatr@ ny fahaleovantena ( sarintsariny ihany amiko )
Ary ny tena olana dia raikin-tampisaka ao anatin' ny sain' ny malagasy noho ny fanabeazana azy ireo ny fomba fitondrana navelan' ireo mpanjanaka , ka tena mbola misy foana hatramin' izao fotoana izao .Ekena fa misy ireo taranaka vazaha dia efa tena mandray ny tenany ho gasy tanteraka , na ny sinoa , ny karana , ary ny hafa ihany koa aza , dia efa tena mahatsapa ny tenany ho malagasy , noho ny "humanité malagasy" ,izay tena voalohany eran' izao tontolo izao raha jerena .Anjarantsika tsi 11 no mikajy izay tokony hatao manoloana ny fanantontoloana misy @ izao vanin' andro hiainantsika izao .
Tadidio narintsimba fa anisan' izany olona voadona ara- politika izany koa ny ankamaroan' ny malagasy nifindra monina aty ivelany , ary marary tokoa ny fo sy ny saina indraindray , mieritreritra ny tanindrazana , izay hilevenan' ireo razambe fahagola . Fa tsy afa- manoatra .Miandry ny lahatra hiseho fotsiny sisa no azo atao .
Raha mbola taranaka malagasy ihany ianao dia azonao atao tsara ny mandanjalanja ny zavatra niseho teo @ fiainanao , @ maha- malagasy anao , ary koa ny hanapahanao hevitra ny @ fitoriana hapetrakao sy ny ambiny izay mbola ho raiketinao eo @ fiainana .
Anisan' ny mitovy hevitra @ i oay aho ny @ ireo mpanao politika malagasy ankehitriny . Tsy mila olona votom- pinoana ara- politika aho hitondra an' i Mada. Tsy mila AREMA ,MONIMA ,TIM, TGV ,SY IZAY REHETRA METY HO AVATARS POLITIQUES HERITES, KA MBOLA HAMERINA NY FANAMBOTRIANA NY MPIRAY TANINDRAZANA AMIKO N' AIZA N'AIZA ,ARY N' IZA N'IZA .
PAROLE D'HOMME COMPLETEMENT RESOLU .



:oops: :oops: :oops: :oops:
19. ifiona ( 29/05/2009 20:00)
Oay:

Ary mamely mafy mihintsy ny mpanompon'i Ravalomanana ato izany an!


eo ianao dia efa disoiko sahady, @ fomba ahoana moa no hilazanao hoe "mpanompon'Ravalomanana ny olona ato, nga nisy nilaza hoe Ra8 no andriamanitra teto, satria zany amiko ny hoe manompo

Oay:

Marina fa hita mibaribary izao fa TSY MANERY FITSARANA NY HAT jereo ny valimpitsarana momba ilay journaliste ohatra, samy mahalala isika raha tsy hoe manompo olona fa raha t@ andron'i Ravalomanana iny affaire iny d nidoboka ilay mpanao gazety satria resaka politika iny, kanefa na tsy manery fitsarana aza ny HAT d à mettre en doute foana ny impartialité-ny rehefa manoloana affaire ngoda be!


Raha tsy manery fitsarana ny HAT, maninona ny HCC nankatoa t@ 18 mars hoe nifindra t@ Rajoelina ny fahefan'i Ravalomanana dia aty aoriana milaza ndray hoe tsy manana fahefana hilazàna an'izany?

Oay:

Hamaly kely ny momba an'i naritsimba aho, araka izay mba voavakiko t@ ireo nolazainy d hitako fa TENA MAFY NY NAHAZO ANAZY ary sarotra ny mipetraka eo @ toerany satria JEREO NY ATAONAREO MPOMBA AN'i Ravalomanana @ fiarovanareo anazy satria nangalarin'i TGV ny Toerany d manozona sy manompa an'i TGV ianareo, tadidio anefa fa i Ravalomanana mbola miaina any an-dapa ary araka ny resaka mandeha d na TSY HIASA intsony aza izy mandrampahatapitrin'ny fofon'ainy d tsy hanana olana, fa ny OLANY @ izao fotoana izao d manao défi @ vahoaka Malagasy izy satria efa napetrany fa après lui c'est la déluge, ary efa niteny ihany koa izy fa tsy maintsy vitany ny mametraka anazy ho Empereur.


mbola ao an-dohanao fotsiny angamba zany hoe te hipetraka ho Empereur lery satria tsy mbola naheno anazy niteny an'izany mihitsy aho. Ny fantatray fotsiny dia hoe voafidim-bahoaka izy @ maha filoha azy ary na inona na inona ataony, tsy afaka hi-justifié mihitsy ny hanaovana coup d'Etat, zay mantsy no arguments tena hitako ataon'i Oay hoe matoa ny vahoakany nanaiky coup d'Etat dia misy antony ao, ka zao ny ahy rehefa tsy mety dia tsy mety fa tsy arovarovako hoe satria Ra8 nanao an'izao dia azo ekena ilay coup d'Etat, non, sady ny akamaroan'ny vahoaka nanaraka an'i TGV t@ voalohany aza dia nanjary gaga t@ fivoaran-javatra hoe nitaky démocratie dia avy eo nitono tena ho président tampoka teo. Voafidim-bahoaka izy ary tokony ho hajaina zany safidy zany mandra-pa tapitry ny mandat-ny, zay ihany, raha tsy zany raha zany anie no ekena dia zay président manaraka eo tsy maintsy ho endahina eo koa raha vao tsy faly ny ampahan'ny malagasy e! zany ve no hampivoatra ny firenentsika! ka io no hilazako hoe tsy azo hitadiavana prétexte mitsy ny coup d'Etat, fa tsy hoe: ka i ra8 dictateur tsinn ka! na hoe ka Ra8 mpangala-bola tsinn ka! na hoe ka Ra8 empereur tsinn ka! tsy misy "ka" zany fa rehefa voafidy izy dia hajaina hatr@ faran'ny mandat-ny e, ary tsy adala akory ny olona eran'izao tontolo izao raha sahy milaza fa t@ andron'ny Ravalomanana no nahitana fivoarana betsaka indrindra teo @ ity tanindrazantsika malalaka ity!
ny tenako moa efa nanao sosokevitra rahateo hoe tokony miala teo io TGV io, fa tsy miverina eo @ toerany Ravalomanana, dia aroso ny fifidianana.

Oay:

D izao momba an'ilay resak'Andriamanitra AZA ENTINAREO HANDEMENA NY SAIN'NY MPINO SY IZAY MANONONA NY ANARAN'Andriamanitra ny filazana fa rehefa mpino sy mino an'Andriamanitra d tsy tokony hisendotra sy hanozona olona, jereo ny nataon'i Kristy raha nandroaka ny mpivarotra tao @ tempolin'Andriamanitra izy é! Ary aoka hofatantsika fa IRENY MPINO SY MPANONONA NY ANARAN'Andriamanitra ireny raha manao ratsy d avo roa heny ny fatra hitsarana anazy, ka avelao izy hanonononona ny anran'Andriamanitra fa HOTSARAINA NY @ Izany izy ireny fa aza matahotra ianareo!


Tsy mbola nisy nilaza mitsy hoe rehefa mpino dia tsy tokony hanozona, mazava ho azy ary tsy hiadin-kevitra fa rehefa tezitra @ maha olombelona dia misy fitondra tena na teny tsy voafehy araky ny tokony ho izy, fa tokony kosa raha tena olona hendry izy dia tokony tonga saina fa diso tafahoatra ny vava avoakany dia tokony hifonany amin'Andriamanitra izany , fa tsy vao maika ampitomboina andro aman'alina ny fanaratsiana olona iray. Hoy ianao hoe avelao izy hanonononona ny anaran'Andriamanitra, tsy aleonao ve izy mba atoronay ihany hoe toa tsy mety ity ataonao, raisina izy tsara, tsy raisina azy zany, toy izay avela @ zao dia sao sanatria very ilay iray tokony mba hankany am-paradisa? Zany no maha mpianakavin'ny finoana antsika ka, mifananatra sy mifanoro mba tsy hisy ho lavo!

20. rakaroka ( 29/05/2009 20:11)
Fanamarihana ataoko ho an'ireo manana fijery voafetran'ny lamboridin-tsoavaly ny fijeriny ka mihevitra fa tsy maintsy "manapitra mandat" ny filoha iray! Oh tsia dia "zohio ny "tantara" fa vtraky BBbbbe ny filoha tsy nahatapitra "mandat" izany Ka mbo "MAHAIZA MISINTONA LESONA @ fiainana
fa tsy izay heverin'ny fijery voafetra monja akory no "izy" e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566