TENA FALY AHO

41. ifiona ( 30/05/2009 19:32)
Oay:

io fomba fampitoviana ny tsy mitovy io mihintsy no olana, ary mampalahelo fa tsy tafiditra ao an-dohantsika mihintsy ilay izy:

Efa nolazaiko teto fa DEMOKRASIA EFA GOAVANA BE NY ANY @ TANY MISY ANAREO ANY KA AZA AMPITOVIANA NY MISY ATY AMINAY!
Tsy sanatria manambany tena raha miteny an'izany fa omeko ohatra ianareo mpanao politika eto @ serasera:
_Vao avy nanavao ny prézidà-ny ny amerikanina satria tapitra ny isan'ny mandat nahafahan'ny prézidà en place nitondra d jereo fa tsy nihevitra mihintsy i Bush ny hanova constitution mba ahafahany milatsaka fanintelony!
Toa izany koa i Chirac!
_Fa jereo izay niseho tao Alzeria, raha ny tena marina d tsy tokony afaka nirotsaka intsony i Bouteflika satria efa nahavita mandat anankiroa d io fa novainy ny constitution d afaka nilatsaka izy na d olona efa lany andro @ fitsaboana ny tenany aza!

Mbola mila averina aminareo ve fa misy faritra anie tsy tonga ny fiara é, d ny mahalasa saina d izao ery ampitan'ny rano 40% no nifidy an'ilay prézidà eo @ fitondrana d rehefa tafita ery am_pita d lasa 100% ny vato azony!

D hilaza amiko indray ianareo hanao hoe : "Ka efa misy mpanaramaso iraisam-pirenena d satria moa ianareo any ampita ndranomasina any d izao nolazaiko anareo mba fantatrareo ve fa ireny mpanaramaso ireny d any @ faritra efa mazava ihany no mbola arahiny maso!

Mbola averiko fa midina ety ambonin'ny tany raha tena hijery ny fahorian'ny vahoaka fa aza manaiky tratran'ilay effets d'annonces é! Tsy com ny fitondrana fa asa!
Raha fanajana ny safidim-bahoaka no horesahina d tadidio fa impiry ny filou afrikanina no manitsaka ny safidim_bahoaka @ fanovana ny lalanà à leur gise
Mampalahelo ana ny Malagasy tsy mba mijery ny tantara ary tsy mba mahatakatra sy tsy mahita hafa tsy ny eo ambanin'ny oriny!
Ny antony hilazako an'izany d izao jereo ny nataon'i Omar Bongo tao Gabon rehefa atao ny éstimation ny biens_ny any ivelany d mitovy @ trosan'ny firenena entiny, d aiza ireo fananany ireo any frantsa any,
D jereo fa efa kopy i Ravalomanana fa ny diaspora Malagasy bobaka indrindra d any Frantsa en tout cas dans le monde de la francophonie d jereo fa ao afrika atsimo no nametrahany ny fananany, d mihesona daholo ny Malagasy olon'ny fo d ianareo any frantsa any mimenomenona fa tsy mety ny nanonganana an'i Ravalomanana satria na mahazo vao² avy aty ary ianareo d tadidio fa hafa ny olona tena miaina aty Madagasikara!

D nareo moa efa zatra ilay mamiratra any d rehefa tratran'ilay tape à l'oeil nisy teto andrenivohitra ianareo d milaza fa milamina ny Malagasy satria ilay paraître aminareo no zava-dehibe satria izay ilay tadiavinareo ary lazainareo fa mety, firy aminareo moa no faly rehefa noravan'i Ravalomanana ireny trano teny amoron-dalana ireny, tsy ny fandravana no omeko tsiny fa ilay mésure nampiarahana taminy satria tsy mba notsinjovina hoe ho aiza ireo olona rava trano, D hisy hiteny indray hanao hoe ka ny gasy kamo d izao ny valiny jereo ny ataon'i Père Pedro il ne se prélasse pas, d jereo ny zava-bitany ary mbola averiko fa ny doléance an'ireny olona ireny d ENON'Andriamanitra satria mbola averiko fa isakin'ny mankeny aminy i Ravalomanana d na de loin na de pres d mahita ny fahatran'ireny olona ireny ary izay mihintsy moa no no-exploiteny t@ fampanantenana fa tsy ho ela d anana 4L ny isan-tokatrano Malagasy!
Eto d mbola averiko fa midina ety ambonin'ny tany satria je ne serais jamais en mesure de prédire l'avenir fa raha ny indice nisy no natao ny analyse ary ny mpanao politika rehetra akoatran'ireo mpilelaka d nahita fa tsy maintsy nanova constitution i Ravalomanana mba ahafahany mirotsaka araka izay tiany toa ny ataon'i Hugo Chàvez, noho izany d tsy maintsy natao iny fanonganampanjakana iny satria raha niandry 2012 d naniry be ny fakan'ilay ratsy ka sarotra ny nanongotra anazy!

Hamaranako anazy d mialatsiny aminareo izay tsy MPINO KRISTIANINA ny tenako mbola averiko fa manaja ny fihevitrareo aho fa misy zavatra averiko kely!

_Efa nolazaiko fa ho an'ny TSY MPINO d mihevitra izy ireo fa voahongana i Ravalomanana noho ny asa ny TGV, tsy miady hevitra ny amin'izany aho satria misy fahamarinany izany!

_Fa ho an'ireo MPINO kosa d afaka milaza isika fa SITRAK'Andriamanitra matoa voahongana i Ravalomanana ary efa voasoratra izany ka tsy misy afaka nanaova an'izany satria izay no lahatr'Andriamanitra!
Eto aho d mitodika manokana @ nareo MPINO tadidio fa hozaraina amintsika ny fiombantsika ny tsy marina! Tsy ananako ny andininy sy ny antokony fa raha misy mahay d hisaorana anazy ny fanomezana an'izany eto, ary ny voninahitra anie ho an'Andriamanitra Ray Zanaka ary Fanahy Masina irery ihany!


Oay a, miarahaba anao, io resaka lava be ataonao io dia vao maika manamafy ny efa nolazaiko teo aloha hoe tokony miezaka ny hivoatra mihitsy isika, tsy zany ve no tanjona e, nga raha hoe mbola lavitra an'izay miseho aty an-dafy ny any Madagasikara, dia ho AVELA AMIN'IZAO? Nga raha hoe tsy "comparable' dia tsy hiezaka mandrakizay ny hivoarany mba ho comparable any aoriana any? sa tsy stabilité politique no tedavintsika?
Mazava ny teniko hoe ny any andrandraina dia ny mba hisy ny fanajàna ny maha repoblika ny Repoblika, ary zany no mahagaga ahy aminao ry Oay fa toa tsy hitako @ firesakao zany "finalité" zany, na enao aza efa nilaza miandrandra Repoblika vaovao, ka izay indrindra no tokony HIANARAN'NY GASY manaja ny BASES, respect DU MANDAT DU PRESIDENT, respect du choix du peuple, respect DE LA DEMOCRATIE. Tsy zany ndray ve? Fa tsy hoe zao sy zao anie ny Afrika e sns blablabla, ny toe-javatra amin'izao anie samy mahalala daholo e, fa ny any aoriana no hotsinjovana, sa ny fiverenana ny crises politiques matetika toy izao no hotohinzantsika? Mba anarany ihany hoe Republique de Madagascar nefa tsy mbola nisy stabilité satria tsy VOAHAJA ny maha REPOBLIKA azy, nga raha mbola tsy tafa io any @ tany mahantra hafa dia tsy hiezaka ny hampivoatra azy, ka zay indrindra no hilazako hoe tokony ampianarina ny gasy hoe mila manaja ny lalàna minimum eo @ démocratie eo anivon'ny Repoblika @ ZAY, il est grand temps, justement raha te hiditra @ io repoblika vaovao tian'i Oay andrandraina io, sa crises sy fanomgam-panjakana lava zao no tian'i Oay hiseho @ io Repoblika vaovao io?

Oay:

Mitodika manonkana @ ifiona ny tenako, ataoko fa mamadimbadika izay lazaiko rehetra teto ianao, fantatrao tsara ny fijeriko, mbola averiko fa tsy mankahala manokana an'i Ravalomanana ny tenako fa kosa MAHALALA ARY MANANA POROFO SATRIA NIHANTRA T@ NAMANA SY NY FIANANKAVIANA ny NATAON'i Ravalomanana sy ny taranany, tsy resaka supposé io fa réel, na izany aza anefa d efa napetrako eo @ ilay Ray Tsy TOHA ny raharaha ary i Oay d mahatoky fa efa nohenoin'Andriamanitra ny vavaka nataony! Aza manahy i ifiona fa TSY NANOZONA NA NANIRY ny HAHAFATESAN'i Ravalomanana i Oay satria Andriamanitra TSY AZO BAIKONA ary efa voalaza fa Andriamanitra d mandrotsaka orana eny @ izay tiany, ary ny tena MPINO d mahatoky fa an'Andriamanitra ny famaliana!
Ny antony nilazako an'io d izao no-collé-na tamin'i Oay fa mpiondana TGV i Oay, Nolazaina avy eo fa Pierrot i Oay, JEREO anefa fa nahazo t@ i Oay daholo ireo olona ireo, ary mbola averiko fa efa TONGA izao ny fotoana ary tsy maintsy hifandona @ ireo olona ireo i Oay!
Ka amiko ry ifiona d jereo ny rariny sy ny hitsiny, tongava aty Madagasikara manadihady, afaka mihaona isika d omeko anao ny porofo mitohaka @ tendanao d amin'izay ianao tsy hanakambara, raha sanatria moa ka tsy maintsy manohana an'i Ravalomanana ianao noho ny antony izay tsy fantatro d izao mbola averiko fa tsy afaka manozona anao aho satria tsy mety @ maha Kristianina ana izany fa kosa lazaiko fa Andriamanitra mahita ary ny complice d tsaraina au méme rang que l'auteur principal! ary tadidio fa ny tena Malagasy d any @ subconscient-ny any d MINO FA TSY MAINTSY MIVALY NY NATAO d io na @ ratsy na tsara d tadidio ity teny ity "TSY MISY MAMBOLY VARY KA HINJINJA KATSAKA"!


Zao ry Oay a, tsy hoe aty an-dafy aho dia tsy mahalala ny miseho any, za anie miverina any isaky ny 3 volana e, ny raiamandreniko mipetraka any ary manome vaovao tsy tapaka, ny fianakaviako manontolo dia any Madagasikara, fa tsy izany lazainao hoe effet d'annonce zany akory.
Raha tsy tian'i Oay anie Ra8 dia tsisy nanome tsiny an'i Oay e, fa kosa raha miseho ne serait-ce qu'une fois DEFENDRE tgv @ ratsy ataony satria hitan'izao tontolo izao ny ataon'io tgv io, dia eo ny olona no tsy maintsy miteny! ary tsy mbola nisy nilaza mihitsy teto hoe enao nanozona an'i Ravalomanana!
42. rakaroka ( 30/05/2009 20:15)
Ary raha tena hikatsaka ny antsoina hoe "ara-dalàna marina" dia misy loi fondamentale Universelle napetraky ny firenena mpikambana fa raha toa tiana hisy ny "fandria-pahalemana" dia ANTOK'izany ny fanajana ny loi fondamentale des droits de l'homme !
Ka rehefa tsy voahaja io (tahaka izay niseho) dia efa voalaza fa tsy hisy "paix", sns...Koa ny lois fondamentale aza , napetraky ny rehetra odiana fanina koa izay demokrasia any no dradradradraina . Samy manana ny fijeriny azy ny demokrasia, fa raha izaho mijery eto izao dia ny lalàna novolain'ny firenena mikambana izany no demokratika kokoa amiko , ary raha fotorana sy "ajusté-na" ny zava-nisy tany Dago ilay izy, dia tena tsy demokratika kosa kay lé nanjo ny gasy faha Ra8 teo e, koa betsaka ny tsy homana sy very zo tokoa an! Tsa mety ka!
43. ifiona ( 30/05/2009 20:25)
io ry rakaroka tsy misy resaka Ra8 sy tsy Ra8 manokana ntsony fa efa ny ho avin'ny firenena no katsahina a! satria mahatsapa na izaho na ianao na i Oay fa tena mila ampianarina manaja ny lalàna ny gasy, miainga avy any @ ambony toy ny lazainao dia ampiarina hatrany vahoaka madinika rehetra! ka rehefa hitanao hoe nisy tsy voahaja nataon'ny filoha @ resaka droits de l'homme dia mila hialàn'izay filoha manaraka izany! ary matoa nanao conférence ny parlement européen momban'ny accord de Cotonou satria tsy voahaja ny droits de l'homme t@ nisamborana an'i Manandafy sy ireo leaders hafa ary ny gardes du corps dia naverin'i TGV t@ fomba mibaribary zany tsy fanajana droits de l'homme zany! raha hitanao hoe tsy démocratie no niainana t@ andron'i Ra8 dia tokony ezahina hatsaraina zany! fa nankaiza anefa ity démocratie nandrandrain'i TGV nefa mitifitra olona sur une place de la démocratie!
44. rakaroka ( 30/05/2009 20:52)
ifiona:

io ry rakaroka tsy misy resaka Ra8 sy tsy Ra8 manokana ntsony fa efa ny ho avin'ny firenena no katsahina a! satria mahatsapa na izaho na ianao na i Oay fa tena mila ampianarina manaja ny lalàna ny gasy, miainga avy any @ ambony toy ny lazainao dia ampiarina hatrany vahoaka madinika rehetra! ka rehefa hitanao hoe nisy tsy voahaja nataon'ny filoha @ resaka droits de l'homme dia mila hialàn'izay filoha manaraka izany! ary matoa nanao conférence ny parlement européen momban'ny accord de Cotonou satria tsy voahaja ny droits de l'homme t@ nisamborana an'i Manandafy sy ireo leaders hafa ary ny gardes du corps dia naverin'i TGV t@ fomba mibaribary zany tsy fanajana droits de l'homme zany! raha hitanao hoe tsy démocratie no niainana t@ andron'i Ra8 dia tokony ezahina hatsaraina zany! fa nankaiza anefa ity démocratie nandrandrain'i TGV nefa mitifitra olona sur une place de la démocratie!


D'accord aho, amin'ny hoe tsy resaka Ra8 na izy, ary TENA antoky ny Paix le izy raha voahaja, fa 'zao, raha tsy diso aho tokony "phase" de famolavolana
indrindra 'zay madilana hotetenina isika izao; ary tena mitovy @ Oay koa anie 'za tsy proTGV araka ny fanombanareo fa ampandehanana ny raharaham-pirenena dia tsy tokony hosalovaina ny fiatrehina ny teteza-mita, indrindra efa nasiana ilay table ronde izay nanasana ny solontena samihafa!
45. Oay ( 31/05/2009 05:28)
ifiona:


io ry rakaroka tsy misy resaka Ra8 sy tsy Ra8 manokana ntsony fa efa ny ho avin'ny firenena no katsahina a! satria mahatsapa na izaho na ianao na i Oay fa tena mila ampianarina manaja ny lalàna ny gasy, miainga avy any @ ambony toy ny lazainao dia ampiarina hatrany vahoaka madinika rehetra! ka rehefa hitanao hoe nisy tsy voahaja nataon'ny filoha @ resaka droits de l'homme dia mila hialàn'izay filoha manaraka izany! ary matoa nanao conférence ny parlement européen momban'ny accord de Cotonou satria tsy voahaja ny droits de l'homme t@ nisamborana an'i Manandafy sy ireo leaders hafa ary ny gardes du corps dia naverin'i TGV t@ fomba mibaribary zany tsy fanajana droits de l'homme zany!



Mahafinaritra ilay famalinao ry ifiona!
Misy zavatra anefa tiako mba hisarihina ny sainao, Manontany anao aho manao hoe "EFA FANTATRAO VE NY SOSO-KEVITRA NALEFAKO TETO IALANA @ ITY FANONGANAm-PANJAKANA MIVERIMBERINA ITY"
Tsy d nisy namaky ilay izy satria TSY NISY FANAMBANIANA OLONA TAO, mampalahelo!

Aleo aloha mba asiako teny kely ilay Accord de Cotonou mahakasika ilay tsy fanjana ny droit de l'homme!
Tsy nihezaka namaly an'io de façon explicite mihintsy i Oay teto @ serasera satria MIHEVITRA I Oay FA NY OLONA ETO D INFORMES KA NY NATAOKO ARY MBOLA AVERIKO D NY Miteny manao hoe JEREO IZAY NISEHO TAO Thailande fa MiTOVY TSY MISY VALAKA @ izay miseho eto Madagasikara d mba omeo ana hoe inn ny mesure noraisin'ny CI ohatra!
Ny zavatra tokony ho fantantsika d izao misy teny manao hoe "SITUATION EXCEPTIONNELLE MESURE EXCEPTIONNELLE"
Ataoko angamba fa samy nahatsiaro isika fa ni-condamné fermement ny procédure d'arrestation natao t@ i Manandafy i Oay fa kosa sur le fond d ZAVATRA TSY MAINTSY NATAO INY satria JEREO FA REHEFA VOASAMBOTRA i Manandafy et consorts d nijanona ny FAMONOANA OLONA!
Tsy maintsy natao iny hoy aho SATRIA INY NO FOMBA NAHAFAHANA MAMPILAMINA NY TETO AN-TOERANA!

REhefa mianatra an'io lalana io ISIKA (i Oay tsy juriste fa ny cursus universitaire kely mba nataony d nanery anazy mba hahalala izany atao hoe lalanà izany) ny zavatra notsinjirin'ny mpampianatra d ilay EXCEPTION satria rehefa hiresaka lalanà ozy d l'exception matetika no mampiady ny hevitra d io ilay interpretation juridique samy manana ny azy! Mba nohalalinintsika ve moa hatreto hoe AHOANA NY FOMBA NI-JUSTIFIER NY HCC ny INVESTITUREn'i Ravalomanana t@ 2002 sy ny an'i Andry Rajoelina t@ 2009.

Ny mahatonga ana miresaka an'io ary nataoko^paragraphe mitokana d satria eto @ ity FANITSAHANA ny lalanà ity ny olana misy aty AFRIKA!
Eto aho d mamaly an'i ifiona @ ilay fampitoviana ny tsy mitovy, TSY MITENY MIHINTSY i Oay FA TSY TOKONY ALAINA TAHAKA ny FOMBA ny tandrefana @ NAHAFAHANY ni-instauré an'ilay démocratie tany aminy fa dans l'état actuel des choses d tsy possible ny fampitahana satria mi-jouer ao ny facteur :temps ohatra!
Fa na izany aza anefa d efa niteny i Oay hoe ahoana ny fomba atao mba hisorohana ny tsy hiverenan'ny toa izao?
Raha tena mandalina i ifiona d tokony NAHATSAPA KOSA FA ZAVA-DEHIBE ho an'i Oay ilay NEUTRALITé an'ilay Repoblika vaovao, ary eto aho d manararaotra miteny @ i ifioana milaza FA MATOA i Oay manao critique d TOKONY HANANA VAHA-OLANA satria zavatra tsy TIANY Izany bevava izany nefa tsy MITONDRA VAHAOLANA!

Ny vahaolana ary d tsotra! inona no mahatonga ny filou afrikanina hivadika rehefa tonga eo @ fitondrana satria MIHEVITRA RY ZAREO FA REHEFA TONGA EO @ io Fitondrana io d ho MANDRAKIZAY ho eo ihany, d tonga ao an-tsainy ilay sentiment d'impunité d lasa daholo izao dérives rehetrarehetra izao!
Noho izany mba ahafantarany fa misy fetra ny fijanonany eo @ fitondrana d i Oay mihevitra fa TOKONY HAPETRAKA HO ANISAN'NY FADY ( au méme rang ny Coutumes ve sa tabou sa tsy aiko... fa zavatra tsy azo dikaina é!)NY FANOVANA ny ISAN'NY MANDAT Présidentiel SY NY FAHARETANY! ka na miova aza ny répoblika d tsy azo ovaina io!

Amiko d io ilay clé de voute!

D tsy azavaiko intsony kosa fa samy mametraka fanontaniana manao hoe :d refa fantatr'ilay prézidà fa misy farany ny fanjakany d ahoana no fitondran-tenany?? d hitanao ilay valiny

Lava loatra ozy Noue fa d mahereza ary mazoto samia mivavaka ho an'ity NOSINTSIKA ity ary eto aho d manararaotra milaza aminareo namana fa tsy ho avy eto aloha mandritra ny fotoana tsy voafetra satria handeha any ambanivohitra, any @ tany tsy misy anterineto ka d tsy afaka miserasera!
Mandrampihaona sy mandrampanoratra d mba tsarovy ity tenin'i Oay ity :FADIO NY MANOMPO OLONA FA MAHADONDRONA SY MAHAVOTSA SAINA NY FANAOVANA AN'IZANY!

PS: ifiona a! raha mba mandalo aty Madagasikara ianao ka mba afaka mihaona mifanakalo hevitra d tena mahafinaritra! Misaotra ééééééééééééééé!



46. ravonjison ( 31/05/2009 08:26)
IFIONa a , namaky antsipiriany ny hevitra noasoratanao aho, ary hitako fa tena mitovy tanteraka ny hevitsika, d\' accord anteraka @ ireo voalazanao rehetra ireo aho. Noho izany fantatro fa tsy maintsy ho avy i OAY hiady hevitra aminao, satria efa niady hevitra teto koa izahay mikasika io situation ao Dago io.

Efa betsaka ny voalaza teo ambony, noho izany hevitra iray ihany voalazan\' i OAY no ho toheriko, mba tsy ho lava loatra :


Voalazan\' i OAY : Ny zavatra tokony ho fantantsika d izao misy teny manao hoe \"SITUATION EXCEPTIONNELLE MESURE EXCEPTIONNELLE\"

Io voalazanao io ry OAY dia olana satria tsy fantratra hoe iza no mamaritra ilay situation ho exceptionelle . Raha ny fitsarana ao Dago na ny fitsarana iraisam-pirenena ny nilaza izany dia d\' accord aho. Fa @ itý \"cas \" -ntsika itý dia antokon\' olona te hamaly faty ( i Andry te hamalifaty an-dRavalo) sy te hitady seza no mody milaza fa \" exceptionelle ny situation\" ( ianao koa moa izany milaza ).Nararaotin\' izy ireo ny fahantrana misy , ny fahabadoan\' ny gasy sasany, nataony tohatra fiakarana ny vahoaka.
Izany ry OAY dia tsy ekeko mihitsy a, ary tsy misy hidiran\' ny demokrasia @ izany mihitsy.
Ny vokatri\' izany any aoriana dia izao : misy antokon\' olona te haka seza tonga eo, dia izay koa no averiny : \" situation exceptionelle izao ka mila solution axceptionelle, \". Noho izany dia hiverimberina eo foana ny fanonganam-panjakana.
Ny vahaolana @ izay ry OAY dia izao : tsy maintsy @ fomba ara-dalána foana no anesorana ny filoha raha misy fahadisoana lehibe nataony.

Fa tsy hoe : azoazonao ny situation dia tohananao , ary lazainao fa atý Afrika isika ka izay no vahaolana mety , satria ny vahaolana avy any ivelany tsy azo ampiharina ao Afrika, ary izay koa sitrak\' Andriamanitra.
Fa rehefa tsy azoazonao kosa ny situation na tsy mifanaraka @ hevitrao dia manonme ohatra avy any ivelany ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0812