Ary ny anao mba ahoana?

41. tess ( 29/05/2009 15:03)
ari. ka zay ndrindra mantsy aky! ny montre na lunette na accessoires marika otrzany de tsy misy latsaky ny 100 euro eo ny vidiny , tena marika io an! ary misy garantie foana izy refa marika, fa lay hitako ao analakely io tena arnak be! mitsy! tofoka be zà vao nahita lay vidiny, satria hita zao fa fôsy marika de mbola petahana anzay ihany lay vidiny ho anlay gasy kely hihihi
lay amidy 5 euro 10 euro 20 euro aty mitsy ireny hihihi
42. kotobekibo ( 29/05/2009 17:02)
zà indray tsy d matin'ny marka , fa mividy ihany indraindray . Tsy d manambola koa rahateo moa ka aleoko miandry SOLDES vao mividy raha tena tiako ilay zavatra , izany hoe efa 50 , 60 , 70 % ny fihenambidy .
Ny fampitoviana vidin'entana indray d miankina @ zv misy ,
izany hoe miankina @ izay alehako no ividianako ilay zvt ,
ohatra raha andeha hiantsena aho ao @ grande surface iray zà d araraotiko vidiana izay fantatro fa mora ao , fa kosa tsy andeha any andakira hividy savony 1 fotsiny satria any no mora ilay modely . :wink:
43. Koditra ( 01/06/2009 18:59)
Oanà manokana ndray aloha dia mety ho hafahafa aminareo nefa holazaiko ihany, eo @ sakafo aloha dia tena mifidy, ohatra tsotra ny hoe aleoko mividy vary lafo kokoa nefa tsy be vato sy tsy be akotry, aleoko mividy salade 1 somary lafo kokoa nefa tsy antitra be sy ao @ ilàko azy tsara toy izay hoe mahazo 2 nefa ny ankabetsahany ariana daholo sns...
Raha resaka fitafiana indray dia tsy hivakiko loha izay resaka marque, refa tiko ny loko sy ny qualité ary hitako fa mety mba hahabôgôsy anà defa vidiko iny. Aleoko lavitra aza mividy ireny fitafiana vendrana be sy tsy misy mitsiriritra ireny satria nareo nge any andafy any dia tsy mafantatra ny blèm aty eh. Vao manasa lamba enao ka manomboka miahy eny @ tady eny antokontany ny lambanao defa vitan-drizalah mpangalatra calcul ny fizaràna azy, anà lé blouson, anà ilay Jean milay be io, anà io Polo menamena io fa elah efa nahazo ilay Polo maintso tary Besarety tary sns…, ary ny mahafetsy an-drizalahy koa dia izy tsy maka raha mbola mando ny akanjonao eny ampihahazana eny fa izay iray mahavonjy azy maina voalohany na ny tompony na rizalahy mpangalatra. Ataovy @lé nôfa be ireny oà dia tsy misy mitsiriritra, na adinonao aza ny mampiditra an’iny @ alina fa tsy maintsy hotratranao eo foana iny refa maraina ny andro. :lol:
44. ari.malala ( 02/06/2009 05:59)
Koditra, :-D :-D :-D marina tsy misy azo lavina fa mampime be ilay filazanao azy hihihi

Tess, hay ve e! ary mba ts menatra akia ilay mpivarotra raha izany!
45. vale ( 05/06/2009 21:36)
Zà indray dia tsy mba kamo mivezivezy mitety magasins, zavatra tena tiko mihintsy ny ahy ny fanaovana shopping, lol .Ny ahy kosa aloha rehefa tsy magasin TATI dia petahako REHEFA TIKO na ohatrinona vidiny (enfin, raha zakan'ny tsena e! lol), ny kiraro sy ny poketra no tsy dia mba tiko loatra raha tsy tena cuir, mividy ihany aho rehefa ilay ballerine kely lamody ireny, rehefa anaovan'ny be sy ny bobaka dia tsy ahoako na le morabe aza, (lamody io knouh! :-D) ...ny akanjo tahak'izay koa, satria amin'ilay miova isan-toana ny lamody dia tsy mampaninona ahy na tsy de marque aza, rehefa be mpanao fotsiny dia lasa izao, ny resaka fitaovana hanaovana sport no sarotiny aho raha tsy de marque kosa(maillot de bain, jogging, basket etc...)
Ny akanjo, ba kiraro, slip :-D kosa dia tahaka an'ny voalazan'i Tess ,Jennifer tsy ahoako satria be model mahafatifaty sy manara-damaody, ary za taloha tena cliente be an'ny jennifer tam mbola mince!lol izao malahelo mihintsy fa tsy maintsy miakatra kely C&A na KIABI etc satria moa Jennifer tsy misy grande taille fa ohatry ny natokana ho an'ny taille mannequin zany dol ny articles-ny... ny azy anefa tena mora,no saika any dol ny "ankizy" no miakanjo,tssss..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1808