sipa tara am bandy ao an-tanana ah de.................

21. ari.malala ( 27/05/2009 05:50)
anhan! arabaina zany bounany fa nahita ny tiany ko! d mahatanteraha soa e! :P mahafeno ilay critères bedabe zany io bandy io ry bounany? :P
22. soanja ( 27/05/2009 06:11)
bounany:

Za de vevavy 23ans! in-1 mande nanao sipa za de amzao mande seule.
Fa ao an-tananay oa misy bandy zay : matetika zahay talo mihaona de otran mifampijerijery.Lery mou tode hita be hoe tara aminà fa tsy sahy miteny direct, tsy haiko ze antony tsy ahasahiana mikôzy rah tena tia ana izy! Fa za tam zay mbola tsy tia anazy fa de mijery fontsiny! nande hoazy tamiko le maso mifanojo fôna! :roll: :roll:
De teny de teny de nisy fotona zahay sy izy tsy de nihaona firy tsony! de tampoka teo nihaona matetika indray zahay am zao:de eo am zay ah vô tena potika am lery! tena babo 100% ah tsy laviko fa tena rotika mban'ny tsinaiko!
ny tranonay sy ny an zareo mou tsy de mifanalavitra nefa tsy de mifanakaiky kou! satria misy fiakarana b zay de zahay aty ambany de ry zalahy ary ambony be ary! eo akaikin ndry zareo misy epicerie zay de nefa eo akaikinay misy kou ! fa aleoko any ah no mividy zavatra am zay mihaona aminy ! de mody odiako hadino ny mividy ny zavatra sasany am tokony hovidiko am zay afaka miverina any ah! mamanay refa maniraka de za no volontaire makany na de efa vizana aza satria fiakarana be le escaliers makany!
de nisy fotona izy niarahaba ana de novaliko : fa tena potika oa za! tsy ety an-tany ah am zany fa efa ary e ! sambatra mangina ato am-poko ah ! tsy haiko tsony e !
Tsy te hanao premier pas za ! satria lazain'ny sasany fa sipa mikôty bandy eo vô loza! sady tsy mety am eritreritro kou e ! tena tsy andriko tsony marina e! asa mba ovina izy vô mba ho sahy miteny?
Inona no tokony hataoko? FA TENA POTIKA AH! TSY MAHITA TORY AH AM ALINA ! tena any aminy fôna ny lohako, ny saiko sy ny eritreritro ary indrindra ny FOKO!


Raha ny zavatra iray irina loatra dia tadidio fa matetika dia tsy mitondra fahatsarana ho an'ny tena. Manimba aza indraindray.

Zavatra iray loha ny ahy no azoko anampiana ara-torohevitra. Esory ao an-tsaina izy sy ny momba azy, raha vitanao. Aza atao hoe iny olona iray iny no manodina ny saina, fiainanao sy hanaovanao programa mihoatra ny tokony atao.

Raha hisy ny fifandraisana dia hisy tokoa izany. Misokatra ho azy eo aminareo ny fihaonana. Ianareo tsinona eo an-tanana ihany. Aza atao hoe izany no hameno ny saina. Ny zavatra raha natao hampijaly vatana sy ny saina ka fikirina loatra dia tsy mahatsara velively na fitiavana io n'inona n'inona.

Misy fomba iray na teknika iray mahomby fanao ka manampy tokoa fa asa na mety handaitra aminao. Maka aina toerana malalaka sy milamina, tsy misy mpanelingelina, manoloana natiora milamina raha misy io. Ezaho ho hita ao anaty maso mikipy izy eo ambony tananao. Ampiakaro miakatra ny tanana mitantana azy. Atomboy ny vavaka mangina. Apetraho eo anatrehn'Andriamanitra ny rehetra. Vavaka tenenina ao an-tsaina: Andriamanitra o, maniry aho raha maniry mba afaka hifandray akaiky amin'i.... raha sitrakao izany! Apetrako aminao ny zava-drehetra.

Manomboka eo dia esory ao an-tsaina ilay olona sy ny adin-tsaina. Tohizo milamina ny fiainana. Raha mianatra ianao, dia fianarana atao tsara. Raha miasa ianao dia tohizo sy hatsarao ny asa sy ny fianana ao an-trano. Manaova zavatra positif manatsara ny manodidina anao. Atao amin'ny fo feno fitiavana. Raha hainao ny manao an'io dia ahita ianao fa tsy ho ela dia hifandray aminao izy raha sitrak'Andriamanitra izany. Sokafy ho an'ny hafa koa ny fo fa aza ferana amin'izay iray ihany.

Mazotoa lalandava amin'izay atao. Soanja


:-* :-* :-* :-* :-*
23. stanyh ( 27/05/2009 12:22)
slt bounany!tsapako tsara ny mahazo anao ary tena sarotra satria enao vehivavy,hafahafa iany raha hoe enao ndray no nde anao 1er pas na dia efa fanaon'ny ankamaroan'vehivavy @ zao aza.
tsotra ny mba tiako ho lazaina dia hoe ataovy 'zay ifaneraseranao @zay tena namany tsy d mfanalavitra mantsy ny tranonareo ka sûr a fa tsy maintsy misy namany mba fantatrao d iny alou alaina namana( fa tandremo sô d lasan le namany eo ndray a!vazy2 zany ) ,@ zay mantsy mora kokoa ny ifandraisanao @ny,eo iany koa no ahitanao hoe fitia mifaly ve nenareo,d ho itanao miandalana eny ny tohiny!ilazao vao2 iany zay refa pouins nenareo.ok! :?:
24. vale ( 27/05/2009 17:06)
tsy voavakin'i stanyh anga fa oe le bandy niarhaba an'i bounany anie e, tsy efa 1er pas ve izany? raha tara @ i bounany dia tohizana fotsiny ny ny fifampiarabina dia voavoly hoazy ny fifandraisana. :^)
25. mbaliana ( 27/05/2009 18:01)
ary aiza ary i Bounany zao? raha za no eo amin'ny toeran'i Bounany dia rehefa lemifanena amin'iny dia mody mandatsaka zavatra mouchoir na mody tafintohina kely dia hita eo zay fihetsik'i lery.. tokony hanampy anao mantsy izy amin'izay dia raiketina ny resaka rehefa avy eo manomboka amin'ny misaotra , tena tsy tandriko mihitsy iny raha tsy nisy anao ecc...raha nandatsaka zavatra na mody marary tongotra fa voafingana .... :lol: :lol:
26. stanyh ( 28/05/2009 08:46)
slt ndray ary e!ay ve efa niarahaba le bandy e!ary za tsy namaky tsara,ka inona tsony marina zany moa ny olana ?tohizo aloha ny fifampiarabana fa efa zava-dehibe zay.D aza menamenatra fa tonga dia atao ôtrin'reny miarahaba olona rehetra reny e!mba aza miandry arabaina koa fa efa mba niarahaba izy d arabao fôna rehefa mifankahita.ok! :oops:
27. bounany ( 28/05/2009 09:29)
vale, stanyh, mbaliana
merci! milay be nareo am le conseils !
io an'i mbaliana io otran interessant !
tsy andriko ery les pratiques !
refa poince de teneniko eto !

28. tess ( 28/05/2009 10:27)
mbaliana: njy zany tena mitovy hevitra am lay breziliana namako vavy zayç tara be tam lay bandy zay izy de mody nasiany ny hoe mody midonrika nandroaka ny zavatra latsaka anefa fanahiniana nalatsaka, ny tanjony tamin'io de hoe hampidera ny fesse he he he hoy izy hoe asiko ny mini jupe de string refa miondrika aho hoy izy de hita dool ny tsy fahita fa raikitra ny andry zareo an!
fa tsy naharitra fa lay bandy mbola jeune be noho izy , mpinanatra police na ny hotel aza mbola tsy mahaloa anzany izy tamzany fa any anaty hazo hono no mi hummm :-D
29. Mirananirina ( 28/05/2009 11:34)
andremo indray nefa ny môla loatra,fa manjary vao maika tsy tiany.


tsy azoko tsara ny dikan'ny le hoe môla loatra

Ny tiako tenenina dia hoe tia azy ianao,dia ampisehoy aminy fomba mendrika izany fa tsy aminy hadalàna.Ny môla lazaiko hoe ohatra anaovana minijupe na mifoka sigara na hoe manaitra azy fotsiny ,tsy izay mihitsy no atao
30. bounany ( 28/05/2009 11:51)
Mirananirina > ah ! mazava ! merci
31. mmmhh ( 28/05/2009 12:49)
de nanao ahoana ary ny tohiny e,
efa misy resaka ve zao sa mbola bonjour bonjour fotsiny??
32. Djhamhal ( 28/05/2009 13:16)
ny toro hevitra omeko anao dia ity: ataovy izay fihetsika itanao fa mety ahasarika azy aminao ; na fiteny(miarahaba oh ) ;na fijery; fa tandremo! aza manao fihetsika diso ny mety kosa (le oe trop!) fa sao de ihomehezan'ny olona indray ianao raha misy mahita ! dia aza manintona azy @ fitafy sexy koa fa mbola tsy hainao zay toetrany na mety aminy zany na tsia! fa rehefa manao ireo dingana ireo ianao nefa itanao fa tsy misy vokany , dia aleo manaja tena fa sao dia ny fo no hibaiko ny vatanao fa tsy ny saina ka hanimba anao!
33. Mirananirina ( 30/05/2009 11:54)
de nanao ahoana ary ny tohiny e,
efa misy resaka ve zao sa mbola bonjour bonjour fotsiny??

eny tokoa hoa
34. Koditra ( 01/06/2009 06:58)
Bounany : tena lasam-Bounany mihitsy a namaky ny dinikao :-D
Matoa izy tsy rototra aminao dia tsy misy zavatra manintona na mahasarika azy mihitsy izany any aminao, avohay ny tsara anananao, raha tsara tarehy hianao dia esory iny kaskety fanaonao sy maha tombandahy anao iny dia bangoy tsara ny volo fa mety ho taitra aminao ihany lery. Raha ny bika indray no tsara anananao dia avohay ilay mini-jupe iny ohatra, aza hanaovana intsony ireny sôrta sy tisôrta mahatombandahy anao ireny, nenao kosa ve isaky ny hitany dia raha tsy tisôrta Cocacola dia tisôrta Orange na Zain na tisôrta Tiko madagasikara, tsss. Andramo dia aza mody topazana maso lery fa izy indray no mety hiarahaba anao voalohany ary siora fa hovoaatitra hatrany atrano ianao.

Ny aza itako nefa ka sady tsy tarehy enao no tsy bika, ndrekaky ô, tonga dé teneno avy hatrany lery hoe tiko be enao dia izay ipoahany any irehetany fa tsy misy mangataka voatehamaina akory eo, sa aôna ozizy toi? :lol:


Tess : Veloma any @ dadabe sy bebe any eh! :)
35. xxx ( 01/06/2009 10:08)
Ataoko angamba fa efa mitovy ny zon'ny lhl sy ny vhv. Midika izany fa manan-jo ianao vhv ny hilaza sy hamboraka izay ao am-ponao @ lhl iray.
Raikitra moa dia tsara, tsy raikitra moa atao ahoana? Ny lhl raha mikoty na mamboraka ny ao am-pony @ vhv iray dia tsy voatery hahazo fahafaham-po avy @ vhv foana ka nahoana ianao vhv no tsy mahavita toy izany nefa dia isika vhv no manam-bava nohon'ny lhl rehefa atao ny kaonty????
Ny ahy manokana dia izaho no namboraka voalohany taminy, ka dia lasa vadiko izy hatramin'izao.
Mba mahagaga ahy no tsy asahianao.
36. Mirananirina ( 01/06/2009 11:42)
Ny aza itako nefa ka sady tsy tarehy enao no tsy bika, ndrekaky ô, tonga dé teneno avy hatrany lery hoe tiko be enao dia izay ipoahany any irehetany fa tsy misy mangataka voatehamaina akory eo, sa aôna ozizy toi?

koditra,inona ary ity e;eny e!betsaka tokoa aloha ny olona no mijery bika sy tarehy alohan'ny fitiavana.
37. Koditra ( 01/06/2009 13:23)
Mirananirina : fa maninn ndray ary za? Zao lé izy, maro karazana ny antony itiavana olona iray, mety hoe ny tarehy, bika, fahaizana, hatsarampanahy, harena, mety koa hoe ny 2 na 3 @ireo mitambatra sns... Matetika dia ny bika aman-tarehy io aloha no hita voalohany, manaraka ny sisa. Raha io filazan\'Bounany azy io nefa dia tsy mbola nifampiresaka akory rizareo, tsy mbola nisy akory fotoana nahafahany nampiseho fa tsara fanahy izy na manampahaizana izy satria juste nifampiarahaba fotsiny, sa ve tokony holazaina aminy hoe zà dia tara be aminao, marina fa ratsy tarehy amambika aho fa ny fahaizana sy ny hatsaram-panahy no mameno azy ka dia andramo ka izahao fa tsara zà. :lol: :lol:
38. xxx ( 02/06/2009 06:25)
Tena marina izany, Za ko efa sendra tara be t@ sipa iray izay. Efa ela mihintsy izy vao nety niresaka tamiko. Fa vao niresaka wa izahay , tonga dia tsapako fa tsy tiko intsony ilay sipa. Ny fomba firesany tonga dia halako be.
39. Mirananirina ( 02/06/2009 08:47)
Mirananirina : fa maninn ndray ary za? Zao lé izy, maro karazana ny antony itiavana olona iray, mety hoe ny tarehy, bika, fahaizana, hatsarampanahy, harena, mety koa hoe ny 2 na 3 @ireo mitambatra sns... Matetika dia ny bika aman-tarehy io aloha no hita voalohany, manaraka ny sisa.

tena marina aloha izany koditra e,dia mahagaga tokoa.indrindra ny fananana no tena jerena 1.
Tena marina izany, Za ko efa sendra tara be t@ sipa iray izay. Efa ela mihintsy izy vao nety niresaka tamiko. Fa vao niresaka wa izahay , tonga dia tsapako fa tsy tiko intsony ilay sipa. Ny fomba firesany tonga dia halako be.

Fomba firesaka ve dia mety hankahalana olona tokoa???????Tena gaga indray aho.
40. bounany ( 02/06/2009 11:29)
za alou tsy haiko fa raha araka ny firesaky ny olona henoko de tô hoe manja ihany za! ary rah ny fijerin le bandy ana kou no dinihiko sy fakafakaiko de ny endriko ivelany no tena manintona anazy ! de tsy haiko zay hataony refa tena hahalala ny toetrako izy!
hatram zao ry reto de mbola tsisy kôzy e !efa 2semaine zay zahay no tsy nihaona ! izy tsy fantatro mitsy hoe nankaiza ! na ny ôcazion hampiharakao an le conseils nomenareo aza ts misy hatram zao !
fa ny vao2 de zao : misy bandy zay mipetrak eo akaiki ndry zareo, mitendry gloom le bandy de za kou mou mba tia an reny kouny kou : de lasa namako le bandy zao ! de faly ah satria eo akaiki ndry zareo le bandy no mipetraka ! atao aôna mou fa de petit à petit l'oiseau fait son nid
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0397