Ampidiro aloha ny tenimiafina
Kristianina ve ny ankamaroan'ny Malagasy???
1. rakapy
(
06/05/2009 05:01)
Raha mihaino ny resaky ny ankamaroan'ny Malagasy ianao, raha mijery ny vahoaka rehefa tonga ny alahady ianao, raha mijery ny ankolafiny maro na eto an-toerana na any ampita dia hita fa toa Xana ny ankamaroan'ny Malagasy. Satria dia mamonjy fiangonana, vavaka no hisantarana ny fety sy ny fiaonana matetika sns....
Nefa raha jerena @ lafiny iray indray dia toa xana tsy tena madio ny fahitana azy.
Tsy madio hoy aho satria mantsy ny Xana,izay hita any @ toerana hafa, toa an'i Jerosalema, na Angletera, Roma. sns... dia mijanona ary manaja ny maha-Xana azy ny fiainany ary dia i kristy irery ihany no tompoiny.
Ny eto M/car dia toa mifangaro ilay kristianisma sy ilay fomba nenti-paharazana.
Raha hitanisa ohatra vitsy aho toy ny famadihana, ny fanadroana, ny fanondraha toaka ny fiara hitondra razana, na trano avy nivoaha-paty sns... nefa rehefa miresaka amin'ireo olona nanao izany ianao dia tsy miala ao am-bavany ny anaran'i jesosy kristy.
Nefa dia hita mazava fa tsy fomba xana mihintsy ilay nataony fa fombam-drazana mazava tsara.
Somary gaga aho matetika rehefa miresaka amin'ireny olona ireny ary manotany tena hoe "Iza marina ilay tompoinao?" nefa ianao dia fatra mpanenjika ny atao hoe fomban-drazana ka lazainao fa fanompoan-tsampy nefa dia tsy tahotra tsy henatra akory fa dia ianao ihany koa aza dia manao izany?
Ka eo no mipetraka ilay fanotaniako hoe:
Kristianina marina ve ny Xana Malagasy sa mba te ho kristianina nefa tsy mbola mahafoy ilay fomban-drazana ka manompo tompo roa?

novalian'i ikaretsaka ny 22/05/2009 12:19
2. falyfenosoa
(
06/05/2009 05:54)
rakapy: efa nisy fanazavan-kevitra nataoko momba an'io teto, ary nisy ihany koa Blaogy an'i namana iray izay nilaza fa ho tahian'Andriamanitra sy ny razana ny malagasy.
Io dia samy manana ny heviny, izaho dia manana ny hevitro ahy manokana ary tonga amin'ilay tenin'ny Soratra Masina hoe:
Ho avy faingana Aho; Tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao. Apokalypsy 3:11

3. rakapy
(
06/05/2009 05:59)
Toa tsy tena mahavaly ilay fanotaniako ilay valiteninao. Mba asio fanazavana misimisy raha tsy mahadiso. Misaotra mialoha.
4. xxx
(
06/05/2009 06:59)
Marina ny anao Rakapy fa taiza no nisy kristiana nanondraka toaka am zorotrano nefa avy eo dia asina ranovoasina ndray le trano. :-D :-D :-D
5. coopsal
(
06/05/2009 14:56)
rakapy:
Kristianina marina ve ny Xana Malagasy sa mba te ho kristianina nefa tsy mbola mahafoy ilay fomban-drazana ka manompo tompo roa?
==> Kristiana = mpanara-dia an'i KRISTY.
Hoy aho hoe eny, fa hatr@ naha nofo aman-drà an'i KRISTY no nisy ny mpanara-dia azy, an'arivony. Niangona tamin'izay nalehany, nitady azy, nihaino ny fampianarany ... Fa tsy ireny rehetra ireny no afaka nahita azy rehefa nitsangana izy, fa izay nino azy ihany ka nandray am-po ny fampianarany, dia ny teniny izay fanahy sy fiainana.
Ankehitriny, mbola izany ihany no mitranga.
Raha hanontany ianao hoe : tena mino an'i KRISTY marina ve ny kristiana Malagasy ? Hafa indray ny valin-teny. Nefa raha fantatrao Kristy dia ho fantatrao ny valiny
6. rakaroka
(
06/05/2009 19:46)
Ny tena mahasadaikatra anie dia ny "fisehoana" sy filazana ho Xtiana,
dia avy eo anefa rehefa "arahina le fampianaran'i Kristy , tena hitany nialoha tokoa aloha lé hoe be no miantso "tompoko tompoko" anefa na Izy aza toa
sahirana ny hilaza fa mpanara-dia azy 'reny olona ireny!

7. fijo
(
06/05/2009 20:38)
ka aza hadino,fa io finoana kristianina ao mada io anie ka finoan a"nampidirina"fa tsy tena finoan tsika e,noho izany narahan'ny ankamaroann'y gasy ilay izy,saingy n aizany aza ,tsy tena very tao amin'ny malagasy ilay ten afinoany izay mbol atena hatahorany sy hajainy.
ohatra,raha manontany malagasy iray ianao hoe:inona no sahinao atao,mipipy eo ambody fiangonana sa mipipy eo ambody doany?
vitsy rah amisy gasy sahy mipipy eo ambody doany

8. pissoa
(
07/05/2009 16:08)
Voalohany aloha dia tsy ny ankamaroan'ny Malagasy mihitsy no Kristianina. Jereo ny statistika ! Mety tsy ny maro an'isa akory aza. Ny intolerance amin'ny kristianisma - na ny asa be vitan'ny kristianina - no heveriko mahatonga antsika mihevitra fa ny ankamaroan'ny Malagasy no kristianina :lol:
Faharoa, tsy ny zavatra rehetra inoana amin'ny "maha-malagasy" no manohitra ny maha-Kristianina. Ny fitsarana black and white no mahatonga ny fiheverana fa izay an'ny Malagasy rehetra dia mifanipaka amin'ny maha-Kristianina.
Ny ohatra omen'i Fijo dia tsy voatery midika finoana sy tsy finoana fa mety fanajan'ny Kristianina ny inoan'ireo mino izay ao amin'ny Doany fotsiny. Ary ny zavatra atahorana dia tsy voatery izay heverina fa ao amin'ny doany fa ny olona amin'izao mihitsy. Ireo intolerant amin'ny Kristianina :lol:
Izaho tsy miteny hoe manaraka ny maha-Kristianina daholo ny zavatra ataonay Kristianina an ! Isan'andro dia misy zavatra tsy araka ny sitrapon'i Kristy vitan'ny tena Kristianina ... fa midika ve izany hoe tsy tena Kristianina izy ? Tahaka ny hoe isan'andro dia maro ireo fanimbazimbana ny maha-malagasy mitranga amin'ny aterineto. Tsy takona afenina ohatra ny tsy fahaizana ny teny Malagasy akory nefa efa firimpolo taona ; na tsy fanomezan-danja tsotra izao mihitsy ny teny malagasy. Dia midika ve izany fa tsy Malagasy ilay olona ?
(Saika nanao xxx aho fa tsy dia afaka mi-forum loatra amin'izao ka tsy afaka tena hiady hevitra ... fa toa aleo tsy xxx tampoka noho io fampitahana amin'ny maha-Malagasy sy mahaKristianina io)
:-D :-D :-D :-D :-D

9. soanja
(
08/05/2009 00:06)
rakapy:
Raha mihaino ny resaky ny ankamaroan'ny Malagasy ianao, raha mijery ny vahoaka rehefa tonga ny alahady ianao, raha mijery ny ankolafiny maro na eto an-toerana na any ampita dia hita fa toa Xana ny ankamaroan'ny Malagasy. Satria dia mamonjy fiangonana, vavaka no hisantarana ny fety sy ny fiaonana matetika sns....
Nefa raha jerena @ lafiny iray indray dia toa xana tsy tena madio ny fahitana azy.
Tsy madio hoy aho satria mantsy ny Xana,izay hita any @ toerana hafa, toa an'i Jerosalema, na Angletera, Roma. sns... dia mijanona ary manaja ny maha-Xana azy ny fiainany ary dia i kristy irery ihany no tompoiny.
Ny eto M/car dia toa mifangaro ilay kristianisma sy ilay fomba nenti-paharazana.
Raha hitanisa ohatra vitsy aho toy ny famadihana, ny fanadroana, ny fanondraha toaka ny fiara hitondra razana, na trano avy nivoaha-paty sns... nefa rehefa miresaka amin'ireo olona nanao izany ianao dia tsy miala ao am-bavany ny anaran'i jesosy kristy.
Nefa dia hita mazava fa tsy fomba xana mihintsy ilay nataony fa fombam-drazana mazava tsara.
Somary gaga aho matetika rehefa miresaka amin'ireny olona ireny ary manotany tena hoe "Iza marina ilay tompoinao?" nefa ianao dia fatra mpanenjika ny atao hoe fomban-drazana ka lazainao fa fanompoan-tsampy nefa dia tsy tahotra tsy henatra akory fa dia ianao ihany koa aza dia manao izany?
Ka eo no mipetraka ilay fanotaniako hoe:
Kristianina marina ve ny Xana Malagasy sa mba te ho kristianina nefa tsy mbola mahafoy ilay fomban-drazana ka manompo tompo roa?
Zah manokana izay miantso ny tenako ho Xtianina dia sady mitazona no mahaMalagasy ahy no koa manaraka ny fampianarana nomen'i Kristy momban'ny fifandraisana eo amin'ny samy olombelona ary fanamasinana izay atao isanandro vaky.
Rehefa misy manontany aho dia teneniko ho dual no filazako azy (ny iray raisiko ho religion, ny iray raisiko ho riba sy kolontsaina ary fomba). Tsy manompo razana aho fa manaja kosa ny fomban'ny Malagasy izay nataon'ny razana hatramin'izay. Hinoako ve izay atao eo raha toa ka misy Joro ohatra. Dia hoy aho hoe TSIA fa kosa manao aho satria io no hitandrovako ny fihavanana sy ifampifanajan'ny samy Malagasy mpihavana na mpiray tanana. Raha miteny ny raiko hoe mba tongava mamono ahy rehefa tahak'izay dia hanao izany aho satria izay no faniriany, toy ny fanirana hapetrako ho amin'ny taranako hatao amiko.
Afaka mihevitra ny hafa hoe manompo sampy aho na maninona fa ny ao anatiko kosa dia mahalala fa matoa aho tomga manoloana ireo olona be dia be ireo dia Andriamanitra iray tsy toha no nitantana ahy ho eo hanolotra ny voninahiny tamin'ny fifandrasaina sy hatsarana na fahoriana nisy teo.
Amiko ny mahaXtianina ahy dia mety tsy hitovy amin'ny fijerin'ny hafa anefa dia io tsy fitovizana io koa no hajaiko satria ny omby niaramandry hono tsy indray mifoha hoy ny Ntaolo!
10. Mandefitra
(
08/05/2009 12:06)
Mitovy hevitra @ Pissoa (elaela ianao tsy tazana) hoe tsy maro an isa akory ny kristianina.
Ary @ ireo misora-tena ho kristianina indray aza dia vitsy no tena miaina @ maha -kristianina azy :
- Mety mbola voafatotry ny fomban-drazana
- Mety tratry ny fampianaran-diso
- Mety mihinana amam-bolony
- Mety miandry miracle lava fa tsy nahatsapa ny haleben'ny famonjena Kristy sy ny fitiavaNy
- Mety te handray 2, mamy ny atsy fy ny aroa
...
dia hoy coopsal hoe

tena mino an'i KRISTY marina ve ny kristiana Malagasy ?
11. piste
(
09/05/2009 09:13)
Diso fipetraka avy hatrany ilay fanontaniana, satria mbola ao ilay tarazo hatrizay, izay mampifanohitra tanteraka ny Fomban-drazana maha-Malagasy sy ny maha-Kristianina.
Tadidio fa nohariana ho Malagasy isika aloha vao nantsoina ho kristianina.
Ok

12. piste
(
09/05/2009 09:14)

13. bor2lais
(
09/05/2009 13:30)
Tsara faritana izany ny tiana resahina raha ny voalazan'i "piste" no jerena :
"Malagasy Kristiana" sa "Kristiana Malagasy" no izy ?
1. "Malagasy Kristiana" : Malagasy aloha vao Kristiana
2. "Kristiana Malagasy" : Kristiana aloha vao Malagasy
Lohateny hafa indray angamba izay !

14. xxx
(
09/05/2009 23:25)
HOY NY NTAOLO" MBA MATAHORA ILAY ZANAHARY AO ANTAMPIN´NY LOHA MBOLA TSY NIDITRA NY KARAZANA FIVAVAHANA DIA EFA NINO AN´ANDRIAMANITRA NY GASY.ALLELUIA AMEN
15. coopsal
(
11/05/2009 13:43)
fijo:
ka aza hadino,fa io finoana kristianina ao mada io anie ka finoan a"nampidirina"fa tsy tena finoan tsika e,noho izany narahan'ny ankamaroann'y gasy ilay izy,saingy n aizany aza ,tsy tena very tao amin'ny malagasy ilay ten afinoany izay mbol atena hatahorany sy hajainy.
ohatra,raha manontany malagasy iray ianao hoe:inona no sahinao atao,mipipy eo ambody fiangonana sa mipipy eo ambody doany?
vitsy rah amisy gasy sahy mipipy eo ambody doany
==> Io ohatra nomenao farany io no manambara fa ny finoana kristiana eto Mada dia tena ny finoan'ny Malagasy mihitsy, fa nisalotra anarana hoe "kristiana" fotsiny. Ny fombafomba fotsiny no niampy fa ny fo tsy niova.
16. coopsal
(
11/05/2009 13:51)
pissoa:
Voalohany aloha dia tsy ny ankamaroan'ny Malagasy mihitsy no Kristianina. Jereo ny statistika ! Mety tsy ny maro an'isa akory aza. Ny intolerance amin'ny kristianisma - na ny asa be vitan'ny kristianina - no heveriko mahatonga antsika mihevitra fa ny ankamaroan'ny Malagasy no kristianina :lol:
==> Ny statistika kosa dia milaza fa mihoatra ny antsasa-manila ny kristiana eto Madagasikara, na dia ny statistikan'ny Fiangonana aza.
Ny fanontaniana apetrako dia hoe "tena mino sy mahafantatra an'i Kristy ve ny Kristiana Malagasy ?"
pissoa:
Faharoa, tsy ny zavatra rehetra inoana amin'ny "maha-malagasy" no manohitra ny maha-Kristianina. Ny fitsarana black and white no mahatonga ny fiheverana fa izay an'ny Malagasy rehetra dia mifanipaka amin'ny maha-Kristianina.
==> Black & White ... Hoy ny mpandinika hoe, ny hazavana fotsy dia polychromatique, izany hoe fitambaran'ny hazavana maro be. Ny mainty kosa dia tsy misy na inona na inona. Mety ho izany koa ny black & white @ ara-panahy, ny white fitambaran'ny hazavana maro be, dia izay tena misy rehetra, ny black dia tsy misy fotsiny.
pissoa:
Izaho tsy miteny hoe manaraka ny maha-Kristianina daholo ny zavatra ataonay Kristianina an ! Isan'andro dia misy zavatra tsy araka ny sitrapon'i Kristy vitan'ny tena Kristianina ...
==> Inona no sitrapon'i Kristy ?
17. coopsal
(
11/05/2009 14:09)
soanja:
Zah manokana izay miantso ny tenako ho Xtianina dia sady mitazona no mahaMalagasy ahy no koa manaraka ny fampianarana nomen'i Kristy momban'ny fifandraisana eo amin'ny samy olombelona ary fanamasinana izay atao isanandro vaky.
==> Rehefa mamaky ireo filaozofia entinao eto aho ka mampitaha izany @ fampianaran'i Kristy dia mahita fa marina ny teninao.
Ahoana ny amin'ny fifandraisan'ny olombelona amin' Andriamanitra? (araka ny fampianaran'i Kristy)
soanja:
Rehefa misy manontany aho dia teneniko ho dual no filazako azy (ny iray raisiko ho religion, ny iray raisiko ho riba sy kolontsaina ary fomba).
==> Dia aiza ho aiza eo no misy ny finoana ?
soanja:
Tsy manompo razana aho fa manaja kosa ny fomban'ny Malagasy izay nataon'ny razana hatramin'izay. Hinoako ve izay atao eo raha toa ka misy Joro ohatra. Dia hoy aho hoe TSIA fa kosa manao aho satria io no hitandrovako ny fihavanana sy ifampifanajan'ny samy Malagasy mpihavana na mpiray tanana.
==> Ary ahoana ny hevitr'i KRISTY mikasika ny joro ?
Ny fihavanana eo ve ho tonga hatrao ambondrombe ?
soanja:
Raha miteny ny raiko hoe mba tongava mamono ahy rehefa tahak'izay dia hanao izany aho satria izay no faniriany, toy ny fanirana hapetrako ho amin'ny taranako hatao amiko.
==> Aiza ho aiza amin'ilay finoan'ny Malagasy hoe : ny fanahy no olona, ny fikarakarana ny taolana ?
Ary amin'ny maha kristiana anao, ahoana ny ambaran'i Kristy mifandraika amin'izay famonosan-damba ny taolana izay?
soanja:
Afaka mihevitra ny hafa hoe manompo sampy aho na maninona fa ny ao anatiko kosa dia mahalala fa matoa aho tomga manoloana ireo olona be dia be ireo dia Andriamanitra iray tsy toha no nitantana ahy ho eo hanolotra ny voninahiny tamin'ny fifandrasaina sy hatsarana na fahoriana nisy teo.
==> Raha nanokatra baiboly aho anio maraina dia ity no voalohan-teny hitako tao : "Ary ny aminareo, ry taranak'Isiraely, izao no lazain'i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin'ny fanatitrareo sy amin'ny sampinareo." [Ezekiela 20:39]
soanja:
Amiko ny mahaXtianina ahy dia mety tsy hitovy amin'ny fijerin'ny hafa anefa dia io tsy fitovizana io koa no hajaiko satria ny omby niaramandry hono tsy indray mifoha hoy ny Ntaolo!
==> Lasa saina aho eto hoe, sao dia mba ny fitsanganana amin'ny maty no noresahina tamin'io ? Indray mandry (maty) fa tsy indray mifoha (mitsangana) ... Araka ny ambaran'ny Baiboly hoe : "ary maro amin'izay ao amin'ny vovoky ny tany no hifoha, ny sasany ho amin'ny fiadanana mandrakizay, ny sasany ho amin'ny fijaliana mandrakizay".
18. coopsal
(
11/05/2009 14:29)
Mandefitra:
Mitovy hevitra @ Pissoa (elaela ianao tsy tazana) hoe tsy maro an isa akory ny kristianina.
Ary @ ireo misora-tena ho kristianina indray aza dia vitsy no tena miaina @ maha -kristianina azy :
- Mety mbola voafatotry ny fomban-drazana
- Mety tratry ny fampianaran-diso
- Mety mihinana amam-bolony
- Mety miandry miracle lava fa tsy nahatsapa ny haleben'ny famonjena Kristy sy ny fitiavaNy
- Mety te handray 2, mamy ny atsy fy ny aroa
...
==> Ahoana ilay tena maha kristiana amin'i Mandefitra ? Rehefa dinihiko mantsy ah, ireo zavatra tanisainao ireo dia ohatra ny ataoko daholo ihany :
1- voafatotry ny fomban-drazana : ny razako dia kristiana, ary fomban-darazako ny mivavaka rehefa misakafo, atao batisa ny zaza rehefa tonga ny fotoana, miditra katekomena dia manao mpandray rehefa tonga ny fotoana, ... atao mariazy rehefa tonga ny fotoana ... ary tsy tokantrano masina raha tsy notsofin-drano tao am-piangonana.
2- tratran'ny fampianaran-diso : mety ho izaho mihitsy izany, satria na dia efa :
- mivavaka sy mangataka tso-drano ary fanatrehan'ny Tompo aza aho eo am-pihinanana, mandritra ny sakafo aho tsy misaina an'izany Tompo izany fa ny tsiron'ny sakafo sy ny fomba fametrahana ny couvert, na ny laoka be sira, na ny resaka eo am-pihinanana dia ampy hampisendaotra ahy sy hijanonako tsy hihinana intsony ilay nangatahako fitahiana sy fanatrehan'ny Tompo.
- vita batisa aza aho, izay voalaza fa fanalana ny fahotana fototra, dia mbola tsapako ato anatiko ny fototry ny fahotana, dia ny filàn'ny nofoko hijangajanga sy hitsiriritra ... sns.
- mpandray aza aho, voalaza fa manana an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy, mbola maro ny tenin'i Jesoa tsy arahiko fa laviko tsotra izao, ary rehefa mila famonjena aho dia tsy izy no ilàko vonjy voalohany, na dia mety ho manonona ny anarany aza aho.
- natao mariazy tao am-piangonana aza aho, mbola mifamaly zahay roa sady misy fotoana, na tsy miteny aza aho dia mahatsapa ny foko ho tezitra mafy te hanilika an'io vadiko io, dia izay nekeko teo anatrehan'ny Fiangonana sy Andriamanitra, nekeko fa nomen' Andriamanitra ahy.
3- Mihinana amam-bolony : Ity aloha mba tsy izaho e! Tsy fombako ny manaiky ny tenin'ny Tompo avy hatrany izany (mihinana amam-bolony), indrindra rehefa sarotsarotra ho an'ny foko no manaiky ilay teny ... tsy maintsy mandalina aho ahitako izay heveriko ho marimaritra iraisana amiko sy ny Tompo.
4- Mety miandry miracle lava fa tsy nahatsapa ny haleben'ny famonjena Kristy sy ny fitiavaNy : izaho ihany koa ity taloha, fa natahotra aho sao lasa tsy mpino eo dia no forceko fotsiny hanaiky hoe : lehibe ny famonjen'i Kristy sy ny fitiavaNy, na dia tsy tena tsapan'ny foko loatra aza izany hoe famonjena izany.
5- Mety te handray 2, mamy ny atsy fy ny aroa : Ity koa tsy izaho, ny ahy indray rehefa kristiana aho dia kristiana, mitazona ny fiangonako XXXXXXX aho, ka na iza handrabiraby eo, na dia amin'ny fampianarana ara-tSoratra Masina hitako tena tsy misy holavina sady miantraika amin'ny fiainako aza, ny ahy ny finoako ihany no tanako, XXXXXXX aho dia tsy miala amin'izay. Ny azoko atao angaha, ary izay mihitsy no ataoko, raha misy ankafiziko ny fombafomba na fitafy na fiainana ivelan'io finoako io, dia ataoko ilay izy saingy sarotiny aho mitazona fa izaho dia XXXXXXX.
19. coopsal
(
11/05/2009 14:34)
piste:
Diso fipetraka avy hatrany ilay fanontaniana, satria mbola ao ilay tarazo hatrizay, izay mampifanohitra tanteraka ny Fomban-drazana maha-Malagasy sy ny maha-Kristianina.
==> Nisy ny fomba, fa ny tena finoana Malagasy tany am-boalohany ve dia araka ireny fomba tanterahina ireny tokoa ?
Ohatra, "Ny fanahy no olona", nahoana no ny taolana no karakaraina (ohatra hoe fonosin-damba fa mangatsiaka i ranona ?).
piste:
Tadidio fa nohariana ho Malagasy isika aloha vao nantsoina ho kristianina.
Ok
==> Manaiky io teny farany io aho, ary laviko ireto manaraka ireto:
1- Nohariana ho kristiana ary nantsoina ho Malagasy
2- Nohariana ho Malagasy ary mijanona ho Malagasy
20. Mandefitra
(
12/05/2009 07:41)
coopsal> Miombon-kevitra aminao @ ankapobeny fa misy zavatra tsikaritro ka holazaiko ihany :
Omenao lanja kokoa ny traikefanao t@ fanantonanao ny Tompo, saingy hamaivaninao ny fampianaram-piangonana mifototra @ filazantsara. Raha tsy handray ohatra afa tsy ny Batisa sy ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo aho.
Iriako ny mba handalinanao ny @ fiasam-pahasoavana omen' i Kristy ny mino Azy.
tsy voatery hitovy ny toe-pon'ny olona, ny haavony ara-panahy, ny habetsaky ny finoany.
Ka sady miantso @ filazan-tsara ny Tompo, no maniraka ny Fanahiny hanavao ny fon'ny mino isan'andro, no miasa @ ireo fiasam-pahasoavana natolony tao @ fiangonana (Batisa sy ny Fandraisana) ...