Kristianina ve ny ankamaroan'ny Malagasy???

21. coopsal ( 12/05/2009 08:18)
Mandefitra:
Omenao lanja kokoa ny traikefanao t@ fanantonanao ny Tompo, saingy hamaivaninao ny fampianaram-piangonana mifototra @ filazantsara. Raha tsy handray ohatra afa tsy ny Batisa sy ny Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo aho.

==> Manamaivana aho hoy ianao. Raha tsy niaina sy tsy vita an'ireo rehetra ireo aho dia mety ho marina izany.
- Fa vita batisa t@ vao herin-taona monja aho, ary nampianarina fa ny batisa dia fanadiovana ny olona t@ fahotana fototra.
Izaho vita batisa kanefa ny fototry ny fahotana dia mbola tato anatiko ihany, ary mbola ato anatiko foana ny filàn-dratsy. Ka ahoana no hi-forcer ny tenako hino aho fa tena afaka tokoa ?
- 14 taona aho no noraisina ho mpandray. Fa tsy nahatsapa fahamasinana kokoa aho satria lasa mpandray na nametrahan-tanana, izaho foana no izaho, ny hevitro foana no hevitro, ka na dia namaky baiboly aza aho dia vonona ny nankato izay noheveriko fa nety tamiko ary nitsipaka marin-drano izay tsy neken'ny foko. Kanefa mba hahafahako mitsipaka dia nataoko hoe "mila alalinina io fa tsy raisina ara-bakiteny"!
Raha ny filazantsara, inona aminao ny filazantsara, ahafahana milaza fa mifototra @ Filazantsara ireny ?

Mandefitra:

Iriako ny mba handalinanao ny @ fiasam-pahasoavana omen' i Kristy ny mino Azy.

==> Raha tsy nandalina aho dia ekeko, fa nandalina tokoa aho. Fa tsarovy fa rehefa mahazo ronono ianao dia manana safidy anakiroa :
- Ataonao analyse iny ronono iny, vokatr'izany : mety hahafantatra ny pourcentage ny élément tsirairay avy ao anatinilay ronono ianao, nefa tsy afaka nisotro ilay izy, ary fotsy volo sy reraka.
- Sotroinao ny ronono : mety tsy ho fantatrao hoe, misy Calcium sy vitamine sy protéine, ... sns ao anaty ronono, nefa ianao mitombo sy mahazo hery.

Iriako ny hiainanao mba ho fantatrao ny fiasam-pahasoavana omen'i KRISTY ny mino Azy.
22. Mandefitra ( 12/05/2009 08:45)
coopsal:
- Sotroinao ny ronono : mety tsy ho fantatrao hoe, misy Calcium sy vitamine sy protéine, ... sns ao anaty ronono, nefa ianao mitombo sy mahazo hery.

Azo oharina tsara @ io nefa ny Batisa ... noraisina fony kely, kanefa efa niasa sahady, ka nampitombo ny fitiavan' Andriamanitra sy ny finoana Azy tao ampon'ilay zaza, ka nahatonga azy ifikitra @ ilay Tsitoha na efa lehibe aza izy.

Tadidio fa didin' i Kristy ny Batisa fa tsy didin'olombelona, toy zany koa Izy no niteny hoe "sotroinareo rehetra ity", "raiso, hano" ...

Ary Zay no maha Andriamanitra Azy, rehefa hoy Izy hoe asandrato ny menarana ka zay mijery dia ho sitrana, na nasiany feta t@ rora ilay maso jamba ka sasao de hahiratra ... Izy no miasa, ary manao zay hahatanteraka ny sitrapoNy

Mety tsy ho tsapanao izany, nefa tsy azonao tsinontsinoavina ...
23. ARICO ( 14/05/2009 07:27)
Hoatran'ny somary mitatra moa ilay resaka nefa izay no maha ady hevitra azy fa raha hiverina ary am-boalohany aho dia izao no hitako: maro ny tena mpanara-dia an'i Kristy ny malagasy nefa tsy vitsy ny manao izany ho casquette fotsiny hanaronan-javatra ratsy atao .Hoatran'ny hoe mahafinaritra fotsiny ilay mankany am-piangonana ary lasa FOMBA aza no hiafarany ka mba atao fa raha tsy mankany dia hoatran'ny efa tena misy dikany ; ilay tena toetra takiana amin'ny Kristianina dia tsy hita firy . Raha ny tena marina dia misy foana ny ady hatrehin'ny tena mpino fa raha tsy izany tsy izy izy. Tsarovy fa ny Tompo anie niatrika ady sy fanenjehana é! ary niaritra ny amin'izany hatramin'ny farany ka raha tsy miaritra koa ianao tsy azo lazaina ho mpanara-dia Azy , indrindra fa raha mbola milamina tsy misy fanenjehana ny fiainanao amin'ny fanarahana Azy dia mieritrereta fa .... izay ange ilay hazo fijaliana é! ka eo angamba no mahatonga ny sasany tsy tena hiditra lalina amin'ny fivavahana fa manao azy ho casquette fotsiny satria tsy te hiatrika izay ady izay izy. NY tena mpino dia izao no fiainany : ady isan'andro sy fandresena isan'andro toa an'i Kristy
24. pissoa ( 14/05/2009 16:49)
coopsal ihany ngaha ny rakapy aloha ?

coopsal:

==> Ny statistika kosa dia milaza fa mihoatra ny antsasa-manila ny kristiana eto Madagasikara, na dia ny statistikan'ny Fiangonana aza.

Mety statistika lany daty ihany izany ny ahy :lol:
Na koa mety statistika an-tanan-dehibe ny anao ...


==> Black & White ... Hoy ny mpandinika hoe, ny hazavana fotsy dia polychromatique, izany hoe fitambaran'ny hazavana maro be. Ny mainty kosa dia tsy misy na inona na inona. Mety ho izany koa ny black & white @ ara-panahy, ny white fitambaran'ny hazavana maro be, dia izay tena misy rehetra, ny black dia tsy misy fotsiny.

Fa misy hazavana firy amin'ny ara-pahany izany ry Coopsal ? Dia inona avy ? Dia inona avy ny hazavana nitambatra lasa fotsy ? :-P

Ary amin'ny fanahy ve izany, izay tsy hazavana dia tonga dia tsy misy fotsiny ? Sao tsy mitombina akory ny fanontanianao raha izany no izy ? Dinidiniho ao anie na vakivakio ny voalazan'ny mpandinika e ! :-D :-D :-D


Inona no sitrapon'i Kristy ?

Kristianina ve ianao ? Raha Kristianina ianao dia averiko aminao ny fanontanianao.
coopsal:
Ny fanontaniana apetrako dia hoe "tena mino sy mahafantatra an'i Kristy ve ny Kristiana Malagasy ?"

;)
25. rakapy ( 15/05/2009 07:19)
Hoy pissoa
coopsal ihany ngaha ny rakapy aloha ?

Tsia tompoko ny valiny!

Tsy niditra namaly firy aho satria lasa niderap be ilay resaka,
hoy i Arico
Hoatran'ny somary mitatra moa ilay resaka nefa izay no maha ady hevitra azy fa raha hiverina ary am-boalohany aho dia izao no hitako: maro ny tena mpanara-dia an'i Kristy ny malagasy nefa tsy vitsy ny manao izany ho casquette fotsiny hanaronan-javatra ratsy atao .Hoatran'ny hoe mahafinaritra fotsiny ilay mankany am-piangonana ary lasa FOMBA aza no hiafarany ka mba atao fa raha tsy mankany dia hoatran'ny efa tena misy dikany ; ilay tena toetra takiana amin'ny Kristianina dia tsy hita firy


Ity hevitra ity izao no mba hitako hoe mamaly ilay faonatiana.

26. pissoa ( 15/05/2009 07:38)
Hay ! :lol:

Ary sao dia tsy hoe io no mba hitanao hoe mamaly ilay fanontaniana fa hoe io no hevitra titinao amin'ireo namaly fanontaniana ? Jereo ao ambony ao fa misy mamaly tsara ao ka :-D :-D :-D
27. ikaretsaka ( 16/05/2009 23:09)
kristianitianim-poana ny ankamaroan'ny malagasy sasany!
hazavaiko:

Betsaka aloha ireo tsy tena mahalala akory dia vokany sy ny sainininy de hoe rehefa mivavaka izay dia midika hoe mandray baiboly mihaino toriteny sy miraozy any am-piangonana no hoe mivavaka aminy !

misy koa tsy mahalala sy tsy mahafantatra tsara akory dia lasa "centre" ao @ le hoe rehefa fivavahana no resaka = christianisme izay...
dia lasa borne eo!
de lasa mitampisaka ho azy le hoe rehefa tsy fotsy de mainty... dia veloma ramena sy ramavo fa ratsy nareo na nahazoana fahasoavana aza!
28. coopsal ( 20/05/2009 07:42)
ikaretsaka:

kristianitianim-poana ny ankamaroan'ny malagasy sasany!
hazavaiko:

Betsaka aloha ireo tsy tena mahalala akory ...

==> Marina izany.
Indray mandeha teo am-pisakafoanana i Jesoa nisy nanosotra menaka @ le luxe be. Sorena ny mpianatra fa azo namidy hono iny menaka iny ka nahazoana vola be hozaraina @ mahantra. Fa hoy i Jesoa hoe "ny mahantra eo aminareo mandrakariva fa izaho tsy ho eo aminareo mandrakariva".
Tena mbola tsy nahalala an'i KRISTY mihitsy ireto mpianatra ka nibedy olona tsy tokony nobedesina.
29. soanja ( 22/05/2009 06:10)
coopsal:



soanja:

Rehefa misy manontany aho dia teneniko ho dual no filazako azy (ny iray raisiko ho religion, ny iray raisiko ho riba sy kolontsaina ary fomba).

==> Dia aiza ho aiza eo no misy ny finoana ?




Ny finoako dia tsy any anaty boky fa ao anatiko. Ny fahatsapana an'Andriamanitra ao anatinao lalina, mangina nefa velona. Manoro lalana isanandro ny fomba ifandraisana amin'ny mpiarabelona, hiderana azy isaky ny masoandro vaky ary isaorana izay nomeny na amin'ny hafaliana na amin'ny fahoriana. Tia tsy misy fetra Izy ary tsy sembatesmbanin'ny tahotra ny fisiany ao anaty.

Ankoatr'izay amiko dia ambiny hanampiako sy hitomboako ary hanamafisako ny fahalebiazany eo anatrehako.

Ny resaka taolana sns... indray dia tsy misy resaka finoana fa fanatanterahana ny fanirian'ny tsirairay. Fitiavana izany amiko mba hisian'ny fifandraisana ara-piarahamonina maharitra ary mafonja. Mino ny herin'ny fiombonana koa aho ary izay no isian'ny vavaka itambarana amin'ny samy mpiara-belona.


30. ikaretsaka ( 22/05/2009 12:19)
mitovy fijery @ soanja..amiko koa dia finoana borne izany fehezina boky izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0445