fiainana ao an-trano monotone + RS tsy mande @ loniny

1. xxx ( 30/04/2009 12:04)
VHV ZA manoratra aminareo fa tena leo ny fiainanay ; depuis 2ans zahay no nivady manan-janaka 1 ; ny olanay de ny vadiko depuis zay nivady tsy de misy envie sexuel zany ; une fois dans un mois angamba fa ny ankoatr'izay de za no mi-demande en plus'izay tsisy miboridana ko ; zay vita ihany fa ny ao an-tokantrano ko torak'izay za mo tsy miasa satria tsy mahita asa , de izy no miantoka ny ao an-trano za tsy manana na ariary ary fa mangataka vo mahazo . MBA MANGATAKA CONSEIL HOE IN NO TOKONY ATAOKO FA efa miaha-leo za .
novalian'i vale ny 08/06/2009 15:55
2. xxx ( 30/04/2009 13:03)
Enao no fototr'izany olana izany!

Enao no ao an-trano, enao no tokony hanao izay hampa dynamika ny ao an-trano fa tsy ny olona efa reraka avy miasa.

Maninona enao no mihafahafa mangataka vola amin'ny vadinao? Raha mangataka anefa enao mety mahafaly azy kokoa ny manome. Fa mbola tedavina izy efa reraka avy miasa indray zany no hi devine ze ilainao rehetra.

Momba ny RS tonga de nonoy en douce ao nenazy refa isaky ny @ alina mandrapatongany de atelomy! De ataovy ze mety.
3. bibidia ( 30/04/2009 13:10)
ianao io ve vehivavy sa lehilahy valio ?
4. xxx ( 30/04/2009 13:11)
bibidia:

ianao io ve vehivavy sa lehilahy valio ?

fa i bibidia ve dondrina? VAKIO
5. bibidia ( 30/04/2009 13:28)
mazava é izaho manoratra lhl miezaka hamaly izay mba fantatro raisoko ankapobeny ilay tsy voalohany aho naheno tanatara mitovitovy @ io cas io
- Vao mifoha maraina ianao dia manaova manjamanja (ataovy ianao foana mifoha alohany ) dia somary ataovy bizou raha hoatra mangala-pijery.
- rehefa manao fiaraisana ianao dia mba maoava zesta kely (aza dia mifikitra @
fon-drazana)
- raha ohatra izy efa 38 + dia oahatran'ny etape tsy maintsy lalovana izy somary malaindaina dia lasa vinany lava izany izy .
- io no lazain'ny vazaha beacoup d'émotion. Aza dia manahy loatra izay aloha nya androany fa lava dia lava ny tohiny
6. ni81 ( 30/04/2009 14:26)
Fa angaha tsy ny vavy no mitantam-bola moa? Toa izany no fomban-tsika malagasy koa? Na miasa na tsy miasa ramatoa dia mitantana ny volan'ny tokantrano.
7. Mirananirina ( 01/05/2009 06:43)
Fa angaha tsy ny vavy no mitantam-bola moa? Toa izany no fomban-tsika malagasy koa? Na miasa na tsy miasa ramatoa dia mitantana ny volan'ny tokantrano
ni81 a,efa ilaozan'ny ela sy ela io e.
MBA MANGATAKA CONSEIL HOE IN NO TOKONY ATAOKO FA efa miaha-leo za .

xxx a;sao kosa aza izy efa manao any ho any,ka matetika manko ny contraire no miseho ao antrano;dia ny lhl foana no mitady.in 1 isambolana ve?????? 8O
Marina na ol 80 taona aza hanao izany?Na mety marary kosa izy fa tsy milaza aminao.Dia isan'andro zany izy miondakena eo foana????? :(
Alohany hanapahana hevitra aloha dia anontanio izy hoe in no antony?
Ary mba mihetsiketseha koa ianao sa leo izy mahita anao ao e.
8. tess ( 01/05/2009 10:10)
Vao mifoha maraina ianao dia manaova manjamanja (ataovy ianao foana mifoha alohany ) dia somary ataovy bizou raha hoatra mangala-pijery.

otran'ny hoe fietsika amboarina zany lazainao zany fa tsy natoraly vokatry ny fo! aleo amnde norme am natoraly vokatry ny fo ihany....REFA IZY mitsy no tsy ao tsony ça ne vaut pas la peine ny manao fietsika tsy natoraly :P
9. tess ( 01/05/2009 10:12)
6. Mpandefa : Mirananirina [ Valio ] 01-05-2009 08:43:49
Lohateny : Re : fiainana ao an-trano monotone + RS tsy mande @ loniny
Voalaza teo :
Fa angaha tsy ny vavy no mitantam-bola moa? Toa izany no fomban-tsika malagasy koa? Na miasa na tsy miasa ramatoa dia mitantana ny volan'ny tokantrano
ni81 a,efa ilaozan'ny ela sy ela io e.


samy tsy ekeko ireo satria tsy misy hoe i anona no mitantana na ianao fa ny roa tonta no mitantana sy mandamina ny fandehambola, tsy misy hoe efa nilaozan'ny ela sy ela fa ny fifanarahana eo am mpivady indrindra io resaka vola io no zava-dehibe.....
10. xxx ( 01/05/2009 16:30)
Milay zany miaraka aminy LHL tsy de tia RS matetika izany,raha toa izy ka tsy mihodina a,vizana ny asa izy de mazava hoazy,fa tsy ahavita RS Matetika intsony,ny 1isam-bolana no itany fa maha alezy azy.De ny teny mamy aza hadino fa na tsisy RS aza tsy koi ,calin kely alohany dodo defa milay.
11. xxx ( 01/05/2009 17:04)
xxx: misy tsy mazava , taorian' mariazy hoy ianao izy no tsy nazoto nanao RS intsony dia manan-janaka ianareo . Ny tiako ho fanatra dia hoe le zaza izany teraka avant ny mariazy ve sa tsia ? Ny antony dia izao : maro ihany ny vhv mitaraina izay hoe après ny accouchement dia tsy manana envie intsony ny lhl sasany satria avant hono le RAD zany maîtresse sy amant fa refa nisy zaza dia lasa papa sy maman dia mbola tsy vonona am zay situation izay le saina.
Ka raha teraka le zaza de lasa mikarakara be le zaza no atao de eo alona neny fa lasan'i bébé ny calin.
Sarotra ange ny mitaiza kely ary mahamizana raha sendra le zaza mitomany be ireny amin'ny alina e!
Manaraka izany koa mety vizana am asany koa rangahy de tsy afaka manao RS intsony fa zara raha mba misy caresse sy tendresse

Manaraka izany koa dia mety ianao koa no niova lasa niova ny envie-nao lasa mitady mitady foana fa misy karazana vhv tahaka izany koa

Ka tsara marina raha miresaka aloha ianareo e! dia lazao tsotra fotsiny izy ny amin'ny hetahetanao dia izay.
12. Papoose ( 03/05/2009 20:03)
aza atao vesatra ho an'ny sainao le hoe izy no miantoka de enao mangataka foana vao mahazo...marina fa zany aza no tena réalité, lasa manaraka an'izay koa ny fihetsika, tsy hoe akory enao tsy maintsy miankina @ vao velona fa mba asehoy azy koa hoe mahavita zay vitanao enao....

za koa tsy d'accord @ le mamboly fihetsika...satria mino dia mino aho fa ho reraka ambony eo ihany rehefa tsy mahita fiovana anatina fotoana fohifohy...


mitadiava alternative hafa aloha raha tsy mahandry an-drangahy@ le RS eee!! mitadiava zvt mba tsy ahamonotone an'le fiainana.....
13. hana ( 04/05/2009 12:32)
miarahaba sy mampahery anao aho, satria mampalahelo ihany raha 2 taona nivadiana dia efa misy leo.
Ho anao ny torohevitra omeko fa ianao tsinona no mangataka sy mahita izany eto. Hevitra ankapobeny ihany ireto koa ataovy voankazo an'ala : ny mamy atelemo ary ny mangidy aloavy. jereo tsara izay mety hahasoa anareo satria lamban'akoho ny fanambadiana : faty no isarahana. Noho izany, izay hahatsara sy hahalafatra azy indrindra no trandraho.
Ianareo roa no mivady, avy aminareo ihany koa no mahatsara sy maharatsy ny ao an-tokantranonareo.
Dia mazotoa ary mandray lesona.
1- ho anao vehivavy. Nampidirina tao an-dohako t@ izaho mbola tovovavy ny hoe : tandremo sao mihevitra fa rehefa vita ny mariazy dia vita ny ady, eo aza vao tena manomboka. Ny ankizy lahy koa manao sangisangy zary tenany matetika hoe : raha vehivavy manao kapa scoubidou eny @ arabe, efa manana sipa izy izay. Ny tiana lazaina dia izao : matetika isika vehivavy dia tia mihetsiketsika rehefa mbola mpitovo, somary variana rehefa manana sipa. Manadinodino rehefa manambady, ary farany dia tena tsy mahavatra tena intsony rehefa miteraka satria sahirana @ zazakely sy ny raharaha ets. Ny fanafodiny ? Manaova metimety hatrany. Tsy mila fandaniam-bola be na hoe manaraka lamaody foana tsy akory. Fa ataovy ao an-tsaina hoe io vadinao io isaky ny mandeha miasa dia mahita vhvv marobe mianjaika, manao metimety eny @ arabe sy any am-piasany.
Raha tonga avy miasa izy ka mihosotra menaka tarehy, na manao saron-doha sy akanjo fitena ao an-trano ianao. Aza gaga raha tsy manaitra ny filany.
Misy lehilahy fantatro, tsy miasa ny vadiny fa tena mi-exiger mihitsy ilay rangahy fa ilainy ho manjamanja ny vadiny rehefa mody izy @ hariva : volo mibango tsara, akanjo toy ny hoe handeha hivoaka ho hitan'ny olona sns.

2- rehefa tonga ao an-trano ramose, reraky ny asa, ahoana ny fandraisanao azy? Jereo anie ny zaza eh: raha vao mody ny RAR tonga dia faly be miantoraka eny aminy. Ianao ve mba maneho fifaliana mahita azy? Sa any an-dakozia sanatria no manontany hoe iza izao dia tsy tonga mitsena @ oroka sy tsikitsiky akory? Mety tsy hitaky an'io ny vadinao, nefa tena mandaitra io. Aza kivy raha toa tsy miraika firy aza izy fa erikerika mahatondra-drano eh. Asehoy aminy fa faly foana ianao mahita azy. Mazava ho azy, aza totofana resa-be avy hatrany , indrindra moa sanatria fitarainana na fanomezan-tsiny. Ny lehilahy hono mantsy rehefa reraka, manorisory azy na ny mihaino vhvv miresaka aza. Raha mahita fampihomehezana ianao dia ampihomehezo izy, vitsy ihany no manidy fo @ izany. Na anihanio kely raha tsy olona romotra na hitanao miasa saina no miditra ny trano. Atao izany izay hampangetaheta azy hody eh.
3- raha tsy taitra @ firaisana ara-nofo izy, mba andramo hoe sangisangiana rehefa tsy dia reraka loatra iny? Tandremo sao tanana mangatsiaka be, na lena na maloton'ny fanaovana raharaha nefa no anadalàna azy fa ny mifanohitra @ tanjona eo no miseho. Aza terena izy fa ny lehilahy tsy tia terena. Charmer-o fotsiny eh. Aza manantena be koa nefa fa mamoifo eo dia mifanome tsiny indray avy eo.

Ny zanakareo kosa sao miray fandriana na efitra aminareo? Mety ho sadaikatra noho izay izy mantsy ka lasa ny filany mihitsy no mandefitra manoloana ilay zaza? Ny novakiako t@ boky koa, misy lehilahy nanatrika ny vadiny niteraka hono dia tsy te hierika intsony avy eo.
4- ary ny bikabikanao avy teraka nanao ahoana? Sao lasa be kibo na mivondraka be ka tsy mampilendalenda azy intsony sanatria?

Ny momba ilay ianao tsy miasa indray, inoako kosa fa mivoaka ny trano ihany ianao. Ezaho fantarina mialoha izay mety ilain'ny vadinao. Raha mangataka vola aminy ianao, dia mba ividiano zavatra izy ohatra. Na ataovy mahate-ho tia ny ao an-tokantrano: araka izay mety hahafinaritra azy fa tsy ny fahafinaretan'ny sainao ihany akory. Hahafaly azy @ izay ny mamela ny volany aminao. Tsy voatery mandany vola vao mahafinaritra ny ao an-trano fa mety ho filaminana na fanovana ny toeran'ny zavatra sasany fotsiny dia ampy.

Izay fa be resaka loatra aho eh
Dia mahorena tokantrano sambatra

hana
14. maryline ( 04/05/2009 21:22)
Marina mihintsy ny voalazanao madama hana! ho fanampiny kely,dia mba manaova cours kely momban´ny séduction oh: streap kely fa tsy andriny intsony izay hodina rehefa avy eo, ary ny lehilahy @zao fotoana efa mivoatra ty zava- baovao ka isika vehivavy indraindray saron- kenatra ka mila manaraka ny fivoharana otran-dramose.
15. ari.malala ( 06/05/2009 06:07)
Manampy kely fotsiny ireo voalazan'ny namana, mbola kely tsy azo ilaozana angaha ilay zaza? Tsara kokoa mantsy manana ny fahaleovan-tena ara-bola ny vehivavy. Ny tiako tenenina dia mitadiava iany aloha asa. Mety ho mahasorena azy koa mantsy ilay hoe ianao tsy an'asa... MAhereza e
16. soanja ( 07/05/2009 14:43)
xxx:

VHV ZA manoratra aminareo fa tena leo ny fiainanay ; depuis 2ans zahay no nivady manan-janaka 1 ; ny olanay de ny vadiko depuis zay nivady tsy de misy envie sexuel zany ; une fois dans un mois angamba fa ny ankoatr'izay de za no mi-demande en plus'izay tsisy miboridana ko ; zay vita ihany fa ny ao an-tokantrano ko torak'izay za mo tsy miasa satria tsy mahita asa , de izy no miantoka ny ao an-trano za tsy manana na ariary ary fa mangataka vo mahazo . MBA MANGATAKA CONSEIL HOE IN NO TOKONY ATAOKO FA efa miaha-leo za .


Matetika raha toa ka tsy mahita asa dia mila mamorona asa koa ho anao. Ohatra hoe manjaitra na manao zavatra creative mba entina ampidiram-bola. Tadidio fa tsy voatery hiasa aman'olona foana isika fa na isika aza dia afaka mamorona asa ho antsika amin'ny alalan'izay fananana sy fahaizana ary ny zavamisy manodidina antsika eo.

Isan'iray zavatra manampy amin'ny ahiahy ao anaty koa dia ny fahaizana manala izany faniriana goavana izany tsy ho isan'ny olanao intsony. Izany anefa dia miankina lalandava amin'ny firesahana aminy amin'ny olana rehetra ka raha milaza izy ohatra hoe an an tsy manan'aina atotona amin'ny firaisana ara-nofo izany aho raha tsy indraipa isam-bolana, kanefa tena tianao sy atokisanao ny vadinao fa miteny ny marina dia ny miatrika an'io olana io amin'ny fomba hafa no atao zany hoe manisy bara ny saina hoe tsy afaka ny hanome an'izany amiko zany izy fa ahoana indray ny fomba hafa azahoako fahafinaretana ankoatr'izay. Na izany anefa na tsy izany tsy midika izany ka hanidy ny fonao aminy ianao fa mba mitady fomba hanalefahana ny filana ao anaty tsy hanjary olana sy sakana ho anareo hifankatia. Be tokoa anie ny olona any efa maty an'io taova iray io nefa dia mbola mifankatia ny mpivady e satria ny fiainana ifampitohanana sy ifandraisana ary ifanasoavana fa ny hevitra hanatsarana azy no atao maro.

Amiko raha manam-potoana aho nefa tsy manan'asa dia lasa indray aho mitady zavatra hafa mahafinaritra ahy handaniako andro nefa sady hamokatra ho ahy sy ny fianakaviako ary ny manodidina ahy na dia tsy idiram-bola aza fa natao hanasoavana. Ohatra hoe manao volontaire any amin'ny hopitaly na miditra fikambanana misahana ny fanabeazana na mianatra manao sary hosodoko sns... izay hita fa hampivoatra ankoatran'ilay hidanaka ao an-trano hahandro sy hitaiza zaza fotsiny dia avy eo dodo. Mila omena lanja ny fiainana iainana eto an-tany ary hamokarana amin'ny fomba isan-karazany tsy voafetra. Matetika dia amin'ireo fikambanana sy fifandraisana ireny no hanaovana networking na fampivoarana ny izay efa misy hisandrahaka ka any mety misy olona ahita asa ho anao na hanome andraikitra goavana ho anao. Iainako io lazaiko io ka dia ampitaiko tokoa! Tsy manome asa ny tsy fantatro fa vonona hamokatra aho saingy koa mila hitako ny fivoatrany eo amin'ny fiarahamonina amin'ny fandraisana andraikitra vao afaka hatoky aho fa afaka hamita zavatra iray mivangana na hamokatra ny olona iray.

Io rehetra io no hitan'ny vadinao fa manana ny mahaizy azy ianao fa tsy hiandry azy hanolotra lava izay avy any aminy dia hisokatra ny masony ary hiteny izy fa manam-bady afaka mivoatra tokoa satria mahay mitsakaraka sy mihetsiketsika. Tadidio fa isan'ny mankaleo ny lehilahy na vehivavy ny fiainana monotone ary mila creativa foana rehefa miaina mba tsy ho depressed amin'izao fiainana be lazonady izao.

Antrapa, tamin'ny fiterahana ny zaza ve vonona ny hiteraka ny vadinao sa tonga tampoka ny zaza? io mantsy tena isan'ny olan'ny tokatrano tokoa!

Mazotoa hatrany miatrika sy mahay manala olana ary manome lanja ny momba anao!

:-* :-* :-*
17. rakaroka ( 11/05/2009 13:04)
Adraiiiiy,ssssssshhhh. Fihevitro tsy voatery hi-charmes sns izany pour le "plaisir" de ramosé": hi!hi!hi! . Mba kozy raha miakanjo aho io "izay eken'ny eritreritro sy "mahafalifaly ny saiko no ataoko!" . Ary ny fiheveran'ny bandy fa "centre d'interet izy matetika no tsy andraharahiny anao !... 8O 8O 8O
18. ari.malala ( 12/05/2009 11:49)
Ary ny fiheveran'ny bandy fa "centre d'interet izy matetika no tsy andraharahiny anao !...
marina mints zan!
19. mmmhh ( 13/05/2009 11:40)
Tena mitovy hevitra @ hana (12) io zah,

Mba hezaho ny mamalifaly azy,
sady ny lehilahy reefa avy miasa, matetika, efa reraky ny asa dia zavatra kely fotsiny dia mahasorena azy,
20. ni81 ( 13/05/2009 11:47)
Mba hezaho ny mamalifaly azy,
sady ny lehilahy reefa avy miasa, matetika, efa reraky ny asa dia zavatra kely fotsiny dia mahasorena azy,
tokony ho fitia mifamaly kosa fa tsy hoe izy reraka e! Na dia ao an-trano aza ange ny vehivavy dia misy asa isan-karazany atao e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.318