visa madagasikara

1. mignone ( 29/04/2009 06:58)
hono oà ry zareo , misy mahalala ve oé gratuit hono ny visa refa mijanona latsaka ny 1 volana any dago ?
misaotra anze mamaly e !
novalian'i Tazana ny 12/05/2009 01:05
2. ni81 ( 29/04/2009 07:01)
Ho an'ny vazaha ve no gratuit?
3. mignone ( 29/04/2009 07:07)
vazaha
4. ni81 ( 29/04/2009 07:25)
Tsy maintsy mandoa foana fa toa tsisy izany gratuit zany ka!
5. xxx ( 29/04/2009 08:02)
ni81:

Tsy maintsy mandoa foana fa toa tsisy izany gratuit zany ka!


Gratuit h@ 2010 (janvier angamba izy izay) , izay no navoakan'ny HAT
6. mignone ( 29/04/2009 16:02)
misaotra e !
7. Mirananirina ( 01/05/2009 07:18)
tsy gratuit izany hatrizay.
Gratuit h@ 2010 (janvier angamba izy izay) , izay no navoakan'ny HAT

fa io indray no tsy fantako.
8. Noue ( 01/05/2009 07:37)
tsisy fandohavana visa hono hatramy fin 2009 eee! dia miandry jusqu'à 150 000 touristes hono ny tgv :-D :-D :-D :-D
9. Ralay ( 02/05/2009 09:31)
Izaho koa efa nahita an'io filazana io t@ gazety ka araky ny info azoko dia tsy mandoa visa intsony ny teratany vahiny mankany dago raha latsaky ny 1mois ny séjour-ny. Ny antony dia mba hamerenana ny touristes fa tena voamafy ireo orinasa izay mikarakara izany ary indrindra koa ireo compagnie aérienne.
10. mignone ( 02/05/2009 18:59)
re misaotra tompoko o! :-*
11. Tazana ( 03/05/2009 23:40)
Tsy azoko izany ilay logique....hoe hisintonana olona ho avy ve no maha-gratiut ilay visa? Dia mba ahoana moa zany? Ny tsy hatongavan'ny olona anie tsy hoe lafo ny visa fa tsy matsiaro en sécurité ny olona, sa nisy zavatra tsy arako?
12. xxx ( 04/05/2009 00:12)
Izay ilay lozika gasy e! :-D :-D :-D
13. Ralay ( 05/05/2009 05:59)
Tsy misy hoe misy lozika gasy na vazaha fa anisan'ny fisarihana mpizahatany daholo izany rehetra izany na eo aza ny insecurité. Aiza moa ny tany misy sécurité totale?. Tsy hoe rehefa mpizahatany akory dia be vola avokoa ka na 10euro aza no azony dia efa mikaonty ao @ budget-ny izay miampy ny frais izay mihena kely koa sns...... dia ataovy ny ++ fa bebe ihany rehefa mitambatambatra.
14. xxx ( 05/05/2009 06:59)
Tsy ny famohananao ny visa no hitarika ny touristes hamangy ny firenenao ry Ralay a! Tsy ny visa eto M/car mihitsy no lafo raha ampitahaina @ visa any @ toerana hafa. Ary tsy nisy nimenomenona t@ izay visa angamba. Ny airfare no zavatra tena mampimenomenona ireo touristes te handeha aty M/car ka io no tokony asina fiheverana. Hoatran' ny milaza amiko ianao hoe "ataovy ambanimbany ny volume-ny auto radio ami'zay tsy mandany essence ny fiara-nao!!!!" raha ny visa no fohanana.
15. Ralay ( 05/05/2009 18:53)
Tsy misy hifandraisany mihintsy ny exemple raisinao raha izany no fieveranao azy, raha ny exemple raisinao no raisiko dia visa =taxe sur l'essence(TIPP): Izany hoe :Esory ny taxe @ essence (TIPP)dia mihena ny vidin'ny essence dia mihena koa ny dépense-nao dia afaka mandeha manao voyage matetika kokoa ianao @ economie azonao.
Tsy ny famoahana ny visa ihany no mety hampitarika ny touristes hamangy ny firenenao fa anisany izany. Mazava ho azy fa mila jerena koa ny frais sy ny zavatra maro ao @ ilay firenena ho vangina toy ny sécurité, frais,hotel, sns...
Tsy ny Air France ihany araky ny lazainao no tokony hijery izany fa na ny Air-mad aza satria ny olona mandeha mankany dago dia tsy olona avy ao Paris ihany nefa ny tarif dia mora kokoa ny Air france noho ny Air mad indrindra raha miainga @ ville hafa ankoatry Paris na Marseille aza ilay olona ka manao correspondance ao Paris.
16. xxx ( 06/05/2009 06:39)
Ka ny eto M/car anie dia tsotra amin'izao fotoana e!
1-Securite, tsy misy
2- hotel, misy safidy ary mirary
3- frais interieurs-mirary afatsy ny Air mad

Dia mbola ho foanana koa ve ny visa? Lasa varo boba be kosa ilay M/car. Isika anie tsy ao anatin'ny European community ka hoe tsy asiana visa. Ny tokony atao angamba dia ny variable visa sy ny fijerevana competition eo @ company aerienne.
Raha mba mandinika ianao dia mora lavitra ny frais M/car- Europe nohon'ny frais M/car -Afrique. Nefa dia maro be ireo vahiny ankoatra ny Frantsay izay mitsidika an'i kenya sy Tanzania no te handeha ho aty M/car nefa tsy afaka satria nohon'ny frais d'avion. Ka ao no tena lesoka be eo @ ity sehatra ity raha ny fahitako azy
17. Ralay ( 06/05/2009 09:26)
Raha mba mandinika ianao dia mora lavitra ny frais M/car- Europe nohon'ny frais M/car -Afrique.

Ataoko fa diso ny voalazanao raha tena io marina no tinao lazaina fa ny frais Europe- M/car dia lafo kokoa nohon'ny frais Europe- Afrique ary izay no mahabe ny vahiny mitsidika an'ny Kenya sy Tanzania.
Na tsy ao anaty Europa community aza dia betsaka ny firenena tsy mila visa arakaraky ny nationalitén'ny mpitsidika. Tsy izany akory no milaza fa atao varoboba i M/car. Au contraire dia vola tokony halohany @ visa dia ho laniany avy hatrany @ toerana halehany ka tonga mivantana any @ vahoaka fa tsy any ampaosin'ny fanjakana.
Conclusion: Ny frais no tokony ho jerena izay hanenàna azy fa io no vato misakana ny mpitsidika an'ny M/car na ho an'ny vahiny na ho an'ireo teratany Malagasy monina any ivelany aza. Eo @volume no azahoan'ny compagnie aérienne benefice bebe kokoa fa tsy eo @ frais lafo dia mandeha presque vide foana ny avion.
18. diamondra27 ( 06/05/2009 11:55)
tokony atao ohatr'ilay any guadeloupe , misy site manokana manena frais y compris ny sakafo sy hebergement any am hotel = 400 euros monja oe, hitako tam tf1 io
19. xxx ( 07/05/2009 03:35)
Hoy Ralay
Ataoko fa diso ny voalazanao raha tena io marina no tinao lazaina fa ny frais Europe- M/car dia lafo kokoa nohon'ny frais Europe- Afrique ary izay no mahabe ny vahiny mitsidika an'ny Kenya sy Tanzania.

Angamba tsy diso aho fa tsy novakinao tsar ilay voasoratro
Raha mba mandinika ianao dia mora lavitra ny frais M/car- Europe nohon'ny frais M/car -Afrique.

Tsy nanao comparaison ny frais Europe- M/car sy Europe-Afrique aho fa manao comparaison Europe- M/car sy Afrique-M/car. Izany hoe mora ny frais avy any Europe mankaty M/car raha hoarina @ frais avy ao Afrique makaty M/car.
Ny hitako mbola maha lafo azy dia ny fahavitsian'ny competition. Dia manao izay sain-patany ireo companies aerienne.

Diamondra> misy an'io eto M/car , circuit organiser ka tafiditra ao daholo ny rehetra, fa mbola lafo aloha ilay izy e!
20. Ralay ( 07/05/2009 03:45)
Tsy nanao comparaison ny frais Europe- M/car sy Europe-Afrique aho fa manao comparaison Europe- M/car sy Afrique-M/car. Izany hoe mora ny frais avy any Europe mankaty M/car raha hoarina @ frais avy ao Afrique makaty M/car.

Izay vao azoko ny tianao lazaina fa maninona moa na lafo aza ny frais Afrique-M/car fa angaha ny africains no betsaka handeha ho any M/car fa tsy ny Européen?

Raha mba mandinika ianao dia mora lavitra ny frais M/car- Europe nohon'ny frais M/car -Afrique.

Raha arakio voalazanao io indray anefa dia tsy hitako no lazaina satria hanao inona any Afrika ny MAlagasy fa Europe no tian'ny Malagasy haleha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1436