MOBILISATION

1. Noue ( 24/04/2009 13:02)

Haparitako eran'ity fotum ity io sary io mba ahatonga saina ny mpanohana an'i tgvendrana sy ny demokrasiany !! tsongoy tena, tsongoy fo raha tsy mankarary anareo ny fahitana an'io olona voatifitra androany io

[URL=http://img24.imageshack.us/my.php?image=img125910p3oyj.jpg][IMG]http://img24.imageshack.us/img24/6306/img125910p3oyj.jpg[/IMG][/URL]
novalian'i fijo ny 24/04/2009 20:31
2. xxx ( 24/04/2009 13:06)
noue aoka zay fa tena mila ahalasa adala ny vadiko ato tsy mety mijery sady menatra koa zah ny ampiseho hoe zao no ataony miaramila gasy ray tanindrazana amiko
3. Noue ( 24/04/2009 13:08)
je pense oe ilaina io mobilisation io satria mba samy Malagasy isika rehetra ary mino aho fa tsy hisy hanaiky an'zao isika na dia mpanohana ny tgvendrana aza !! ataoko io mba ahatonga saina ny rehetra satria RARINY VE ZAO ????
4. xxx ( 24/04/2009 13:14)
mangovitra ny lohaliko ato aoka isika hivavaka ho any tanindrazana fa tena loza ty
5. yuka ( 24/04/2009 13:15)
Atao ihany ny hangina fa tsy mety e!
inona no olan'izao fanjakana izao ,no manapoaka lohanolona isanandro e!
tena tsy mandara mintsy reo :twisted: :( :cry:
6. sitlo ( 24/04/2009 13:15)
Ampiko an'ito.
[center][/center]

Ny tsy azo sary teny Anosy moa izany tsy lazaina intsony.
7. sitlo ( 24/04/2009 13:18)
[center][/center]

Marihina fa tsy misy teny amin'ny zone rouge ireo na iray aza.
8. soanja ( 24/04/2009 13:19)
Noue:


Haparitako eran'ity fotum ity io sary io mba ahatonga saina ny mpanohana an'i tgvendrana sy ny demokrasiany !! tsongoy tena, tsongoy fo raha tsy mankarary anareo ny fahitana an'io olona voatifitra androany io

[URL=http://img24.imageshack.us/my.php?image=img125910p3oyj.jpg][IMG]http://img24.imageshack.us/img24/6306/img125910p3oyj.jpg[/IMG][/URL]



Inona kay izany no tian'i Noue hahatongavana? Hoe midina andalambe daholo ry Malagasy dia tolory ny vatanao hatao sorona sa ahoana???

Ratsy ny fanjakana TGV fa raha ianao kosa mbola mitomany ny hiverenan'i Ra8 amin'izao dia efa fitakiana ny Malagasy handatsaka ny rany noho ny aminy ianao! Tsy mendrika izany Ra8!!!


9. sitlo ( 24/04/2009 13:23)
soanja:
Ratsy ny fanjakana TGV

fa angaha tsy hisolelaka amin'i TGV indray hoe? :-@
10. Noue ( 24/04/2009 13:24)
hita mibaribary zao fa tena tsy nahontsa an'i soanja mahintsiny na dia pitiny aza ny fahitana an'io olona voatifitra androany io !!! ny azy dia mbola ny fankalahana an'i Ravalomanana ihany ny hasesiny !!!


MOBILISATION HO AN'NY OLONA MANANA FO MITEMPO ARY MAHATSAPA FA TSY RARINY ZAO FAMONOANA OLONA ISAN'ANDRO ZAO !!!


11. yuka ( 24/04/2009 13:25)
samy nihosondra daholo zao ny tanana,de alefaso amizay ny fifidianana e!
ny vahoaka any madagasikara no tompotsafidy,fa tsy isika eto ambody ORDI
12. bazylou ( 24/04/2009 13:25)
izahay koa nie manan ny sarin'ny teny ambohitsirohitra e!!
13. milamm ( 24/04/2009 13:26)
izaho dia sahy milaza fa asa maiziny ratsy iraka sy sophie ary ireo mpiray petsapetsa aminy izao misy lohahevitra ho borahiko atsy ambadika atsy fa tsy rariny intsony izao famonoana izao,tsy misy hafa ny any sri lanka,rwanda sns
14. soanja ( 24/04/2009 13:27)
sitlo:

soanja:
Ratsy ny fanjakana TGV

fa angaha tsy hisolelaka amin'i TGV indray hoe? :-@


Na tianao na tsy tianao dia tsy izaho no hohitanao hiady seza. Izay eo dia ekeko satria izay no zavamisy! Matoa misy ny zava-drehetra dia satria nisy ny fahatongavana tamin''izany. Andraikitro ny manantanteraka ny asako araka nyy misy eo ary manohy izay tokony atao. Fa raha hoe handeha hidina andalambe satria RATSY ny eo dia tsy dia i Soanja no hitanao handany roandoha amin'izany.


15. xxx ( 24/04/2009 13:28)
eny ry bazylou vendrana zone rouge a!
16. Noue ( 24/04/2009 13:28)
tsy aiko oe fa mba olombelona ve ireo capsat mamono isan'andro ireo ???
17. sitlo ( 24/04/2009 13:30)
Izany hoe hisolelaka an-dRajoelina ihany izany ianao na izao aza.
18. bazylou ( 24/04/2009 13:30)
zone rouge koa io e!! looll eny ry andevon le8 isany!! :-D
19. Noue ( 24/04/2009 13:31)
ary i bazylou hono andevon'iza ???? :evil: :evil: :evil: :evil:
20. soanja ( 24/04/2009 13:35)
sitlo:

Izany hoe hisolelaka an-dRajoelina ihany izany ianao na izao aza.


Ny teny fisolelahana angamba mety diso ny fitenanako azy ka mahalasa adala anareo eto. Fa ny tiako lazaina dia raha io no misy dia iafiako izany satria mahatoky aho fa hisy ny fifidianana tsy ho ela izay hahafahako mampihatra ny zoko sy ny fidian'ny foko mba ho filoha.

O ry Sitlo mba nianatra ihany ianao. Aza dia variana milalao teny fa izao masaka atolory!!!

TSY MANKASITRAKA AN-DRA8 AHO NA HANAO AHOANA NA HANAO AHOANA FA ZAVATRA HAFA OMENA VAHAOLANA FA TSY NY FIVERENANY!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0861