Firy indray no maty androany ry tgvendrana???

41. Noue ( 24/04/2009 13:56)
ifiona:
Noueeeeee aza averina ntsony ilay sary raha azo atao
ok akia ifiona a!


:-*
42. ifiona ( 24/04/2009 14:11)
merci Noue :-* :-* :-*
43. xxx ( 24/04/2009 14:20)
Soanja >>> heloka bevava ary hitsaran`ny taranaka faramandimby ny fisian`ny Coup d`Etat n`ireo BE SANDRY SY BE FITAOVAM-PIADIANA ho lasa zary FANAO ETO AMINTSIKA RAHA TSY DIENY IZAO DIA EFA APETRAKA HO FANTATRY NY BESINIMARO FA TSY AZO ATAO IZANY NA IZA MILAZA AZY HO FAVY NA IZA . IZAY NO MAHATONGA NY OLONA HIJORO na mihatra aman`aina aza . TSY FATIM-BOTO vitsivitsy misora-tena ho Prezida akory no hanao otage ny fiainan`ny vahoaka Malagasy manontolo noho izany MILA SOROHANA eo haingana io ary amin`ny FOMBA TENA HENJANA , amin`ny FOMBA JIOLAHIM-BOTO IHANY KOA .
44. Mirananirina ( 24/04/2009 14:49)
Zokivavy a! mampalahelo ilay izy ary vao maika mampalahelo mahita fa enao mijery koa mbola mahatsiaro mangirifiry ka latsadranomaso mahita ilay izy!
Mila mitady vahaolana anefa isika fa tsy vitan'ny tomany io zavatra io!
Enao moa zokivavy manana aterineto ao an-trano ka mba misarika anao aho jereo fa tsy eto amintsika irery no misy toejavatra toa izao fa ao Thailand ohatra, d jereo hoe ahoana ny fomba namahanan'ny Thailandais ny olany!
Fa na ahoana na ahoana d raha mbola tsy ny mpanao politika no mitomany sy mahatsiaro fa tsy mety izao fifamonoana izao d zavatsarotra!

Oay a,olona tsy mpikomy anie ireto voavono e,vahoaka tsotra;arosoy ary ny vahaolana.
Ataoko fa faly amin'izao ry zareo mpanao politika e zandrilahy a.
45. tafondro ( 24/04/2009 15:44)
Raha mba afaka mandinin-tena kely isika dia mety hisy ihany ny vahaolana aroso ,tsy misy olona tsy mieritreritra anie fa ny fanasana atidoha tsy @ ny tokony hisiany no mety raha hialàn-tsika afaka miresaka @ itony site itony é !
Na ny handicapé mental aza mbola manana ampahan\' atidoha afaka miasa .
Dia mino ve ianareo fa ny fandrangitana sy ny fampisavorovoroana ny sain \'ny olona @ alalan \'ny sary mahatsiravina sy hevitra mihantsy ady no hanova zavatra ? Efa nitranga ny loza dia tokony tsy ho hadinoina mandrakizay ny antony nisehoany ,fa tsy hanadio tena sy hanadio eritreritra @ fahorian\' ny sasany fotsiny no mety atao .
Any ankoatra any mbola hifankahita @ ireo bourreaux ny olona victimes-ny .
Ary samy ho henjehin\' ny eritreriny foana ny olombelona @ izay zava-bitany tety an- tany,ary samy hanana ny tandrifiny azy ny olona rehetra rehefa ho avy ilay andro handaozana ity tany ity .
Ary aza hadino koa fa na nahazo seza t@ fomba tsy dia mendrika aza ireo mpitondra fahefana ,dia aza hadino fa tsy maintsy misy foana ny fifandraisa- mpitantànana eo @ izy ireny sy ny olona manodidina azy mikarakara ny asa nosahaniny ,ary koa ny momba ny fintantanana ny tombontsoa novokariny ,izay marihana fa tsy hanaraka azy any am- pasana akory na dia vary fitoventy aza.
Na izy minisitra na filoha , na direktera ,na maire , na officiers miaramila ,...
Ataoko fa tsy eritreritra mitombina ny fanosehana ny olona handeha hanao cobbaye manoloana ny basy.
Jereo kely fotsiny fa efa betsaka ny moyens azo nanilihana ny mpanao politika tsy nanao ny asany ara- dalàna eran \'izao ntontolo izao .
Ohatra tany pakistan ,colombie ,thailande ,yogoslavie ,urss ,indonesie ,bresil....
Koa dia anjaran\' ny malagasy ny mieritreritra izany ,fa aza dia manao famporisihina ombilahy be vozona hanitsaka ny zaza menavava toy ny taloha intsony.

46. Noue ( 24/04/2009 15:51)
tafondro:

Dia mino ve ianareo fa ny fandrangitana sy ny fampisavorovoroana ny sain \'ny olona @ alalan \'ny sary mahatsiravina sy hevitra mihantsy ady no hanova zavatra ?
sary mahatsiravina ahoana moa izany ee??? tsy maintsy haseho ny vahoaka ny zava-mitranga satria TSY RARINY!!!


47. xxx ( 24/04/2009 15:58)
tafondro;fantatra fa mahatsiravina koa no natao e! naninona no novonoina ny olona
48. tafondro ( 24/04/2009 16:00)
Tsy manda aho hoe tsy rariny anie ry Noue é ,fa raha ny famporisihana ataon' ny sasany mbola handeha hamono tena kosa dia tsy ekeko .
:oops:
49. xxx ( 24/04/2009 16:03)
ka ny tolona tsy maintsy tohizana e! fa tsy hoe nisy maty dia andao hifitsaka vao miha mahazo hainy ry DJ tsy mahaloa volana artiste
50. Noue ( 24/04/2009 16:20)
zay indrindra manko !!
51. Oay ( 24/04/2009 16:38)
Mirananirina:


Oay a,olona tsy mpikomy anie ireto voavono e,vahoaka tsotra;arosoy ary ny vahaolana.
Ataoko fa faly amin'izao ry zareo mpanao politika e zandrilahy a.



Efa fantatr'i zokivavy ny vahaolana personnelle n'i Oay an! à savoir hoe : i Oay d tsy midina eny andalambe eny haka fanjakana satria tsy ara-dalana izany! noho izany d vao nanomboka izao fihetsiketsehana izao d efa niteny i Oay fa tsy midina eny @ 13mai eny izy, fony mbola teny ny TGV!

Fa ny mahavaha izao olana izao d ilay nataon'ny MFM t@ 10 août 1991 mila courage politique ilay izy!

Ka ny mise en pratique an'ilay izy d toa izao:
_Rehefa mahatsapa ny TGV fa tsy hovoavaha ny resaka d miala!

na:

_Rehefa hita fa sarotra ny famerenana an'i Ravalomanana d ajanona ny fihetsiketsehana!

Satria raha vao atao ny iray @ ireo d sur fa tsy misy olona maty intsony!

Fa ny tena vahaolana d tairina ilay famotsorakeloka faobe d afaka miverina daholo ny rehetrarehetra hatramin'i Ravalomanana!


52. Noue ( 24/04/2009 17:18)
Oay:

_Rehefa hita fa sarotra ny famerenana an'i Ravalomanana d ajanona ny fihetsiketsehana!
fa nahoana kosa ??? Aza hadino fa Ravalomanana no tompon-toerana fa ny iray kosa dia nanao coup d'etat !!! sa ve avela @ zao zany?? sa ve rariny zany oe fanaovana coup d'etat zany?? sa zany no atao oe democratie notatatataina hatramizay????


53. halloween ( 24/04/2009 17:26)
fa ny 100 maty teo A/mbtsrohitra ve zany amin 'i Noue tsy mavesatra fa io iray io no tena izy ?? sa heverinao fa tsy malagasy ireo notifirinareo teo A/rohitra ireny ?
54. xxx ( 24/04/2009 18:26)
le teny aminy zône rouge ve izany ra wui??? malagasy koa le teny saingy malagasy nanitsaka zône ruoge!
55. halloween ( 24/04/2009 18:37)
ra wui dadanlah ! sa mitady tifitra be am capsat ndray rapitso ! le babakoto lahy ty manamerde !
56. xxx ( 24/04/2009 18:49)
:-D :-D :-D tratra indray le sabotsy(wuiwui) :-D :-D :-D de tsy mahita havaly!
57. Noue ( 24/04/2009 19:34)
"halloween":
fa ny 100 maty teo A/mbtsrohitra ve zany amin 'i Noue tsy mavesatra fa io iray io no tena izy ?? sa heverinao fa tsy malagasy ireo notifirinareo teo A/rohitra ireny ?
ny fitifiran'olona tsy manan-siny androany ny resaka eto fa aza hafangaro!!! na zany na tsy zany dia tsisy fihovana ny tifitra fa ireo capsat no biby mpamono olona ee!!!
58. fijo ( 24/04/2009 20:40)
mahagaga tokoa,fa toa ny lohany foana no kendrena rehefa misy maty.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083