Firy indray no maty androany ry tgvendrana???

21. Mirananirina ( 24/04/2009 12:59)
hay tena mahatsiravina be,tena mitomany aho marina
22. Noue ( 24/04/2009 13:00)
dia zao zava-nitranga zao ve dia mbola misy sahy ihany manohana ny tgvendrana ????
23. soanja ( 24/04/2009 13:05)
Mandefitra:

Ny mahagaga dia voatifitra eo @ lohany daholo ireo maty. Zany hoe habibiana tanteraka ny an'ny capsat.

Tsy tokony ho ny tongotra ve no kendrena? sa le mamono olona mitsy no fahafinaretana? Mbola miara-paly @ zao ve ry oay, essera, soanja ...?
Ary maninona no mangiana ry Datoa Odon?


Mahaontsa ahy ny zavamisy ao Madagasikara. Mampalahelo fa ny vahoaka madinika no lasibatry ny ady politika mitranga ataon'ireo tsy mataho-tody rehetra.

Tsy misy manakasitraka izay CAPSAT. Zah dia tsy mankasitraka izay TGV. Ny hoe hidina eny an-dalambe handrangitra amin'izao fisian'ny habibina tsy roa aman-tany izao dia hadalana tokoa. Ny tena mampalahelo dia ny olona manao ny asany , tsy misy idiran'izay politika no matetika iantefan'ny rihitra.

Amiko dia efa azon'io fitondrana io ny toerana dia aleo ry zareo hanao ny asany. Ny fitakiana sy ny kivorovory dia vao maika mandrongatra ny herisetrany. Raha tsy afaka manohy ny asako aho dia malahelo satria betsaka ny tsy hisakafo ao Mada. Ka raha ilaina ny hiarahako miasa sy hamitana izany amin'ity fitondrana ity na dia tsy finidiko/ tsy ankasitrahako aza dia ataoko satria toy izany ny nataoko tamin-dRa8.

Tsy Politika intsony no jereko fa ny aina izay volamena tokoa raha oharina amin'izay teritery heverinao fa mety hanelingelina ny fisainanao. Tsy hiady ara-politika velively aho fa hiady ho an'ny tsy manan-ko hanina.

Raha tsy hitan'i Mandefitra io hevitro io dia tsy manahy fa samy manana ny fomba fijeriny isika.


24. xxx ( 24/04/2009 13:05)
iza koa ry noue no hanohana io a!ela ny niainako fa tsy nahita ohatra zao zah ka
25. Noue ( 24/04/2009 13:06)
zao ny asan'ny capsat zay tohanan'ny tgvendrana!!

[URL=http://img24.imageshack.us/my.php?image=img125910p3oyj.jpg][IMG]http://img24.imageshack.us/img24/6306/img125910p3oyj.jpg[/IMG][/URL]
26. Oay ( 24/04/2009 13:10)
Mirananirina:

hay tena mahatsiravina be,tena mitomany aho marina


Zokivavy a! mampalahelo ilay izy ary vao maika mampalahelo mahita fa enao mijery koa mbola mahatsiaro mangirifiry ka latsadranomaso mahita ilay izy!
Mila mitady vahaolana anefa isika fa tsy vitan'ny tomany io zavatra io!
Enao moa zokivavy manana aterineto ao an-trano ka mba misarika anao aho jereo fa tsy eto amintsika irery no misy toejavatra toa izao fa ao Thailand ohatra, d jereo hoe ahoana ny fomba namahanan'ny Thailandais ny olany!
Fa na ahoana na ahoana d raha mbola tsy ny mpanao politika no mitomany sy mahatsiaro fa tsy mety izao fifamonoana izao d zavatsarotra!

27. soanja ( 24/04/2009 13:11)
sitlo:


- tsy haiko koa fa anontaniko an'i soanja sy Oay

Ny hita:
- famakiana reserve nationale
- famonoana sy fisamborana olona (tsy Ambohijatovo ihany fa hatramin'ny faritany)
- tsy haiko koa izay antsokosoko any


Ianao no manontania tena hoe nahoana moa no toy izao i Madagasikara????

Inona no nisy no lasa biby ny rehetra! Amiko raha tena tia tanindrazana ianareo dia hilaza amin'ny vahoaka hoe ajanony aloha ny fivorivoriana sy ny filaharana satria tsy vahaolana izany amin'izao. Amiko raha misy olona mitaky ny fivoriana sy ny filaharana amin'izao dia mitaky ireo olona ireo atao sorona.

Fantatra fa votsitra ny bibidia dia mbola alefa hiodikondina ve ny zanakao??? Diniho lalina ny zavatra atao.


28. Noue ( 24/04/2009 13:11)
zao zany ny atao oe democratie ry Oay???
29. ifiona ( 24/04/2009 13:13)
Noueeeeee aza averina ntsony ilay sary raha azo atao

mampalahelo tokoa e
30. xxx ( 24/04/2009 13:18)
soanja a! maneke hoe tsy rariny ny ataony tgv anao
31. soanja ( 24/04/2009 13:21)
TSY RARINY NY ATAON'I TGV ka Ndao hokarakaraina haingana ny fifidianana fa aza laniana amin'ny zavatra tsy hamokatra ny ain'ny Malagasy!!!!!
32. sitlo ( 24/04/2009 13:24)
soanja:
Ndao hokarakaraina haingana ny fifidianana

izay nolazain-dRavalo ihany
33. Noue ( 24/04/2009 13:25)
ahoana tsara oeee???
34. xxx ( 24/04/2009 13:27)
Soanja >>
efa impiry no nisy resaka fampihavanana fa tsy nety e , miziriziry daholo à gauche à droite ka inona intsony no azo atao.

Ny Communauté internationale ity toa mitazam-potsiny

Ny eto @ serasera mifandramatra ohatran'ny voan'ny haromontana daholo
35. roxanaha ( 24/04/2009 13:29)
Sao kosa mba trop lôtra zao eee??????tsy hitako intsony zay teny mahalaza ny zava misy any Madagasikara. Mbola ho adinina @nareo mpandatsaka ain 'olona ireo zao rà latsaka zao. :( :( :( :( :( :(
Nataoko ihany ny hangina fa tsy mety e.@ ty tany ty tokoa no ahitana fahoriana!!!!!
36. Noue ( 24/04/2009 13:30)
nisy ireny oe fihaonana, hifandinihina, natao daholo zay azo natao nefa iza moa no nanipaka foana??
37. Noue ( 24/04/2009 13:35)
mino aho fa tsy mety intsony ny hangiana !!
38. soanja ( 24/04/2009 13:49)
xxx:

Soanja >>
efa impiry no nisy resaka fampihavanana fa tsy nety e , miziriziry daholo à gauche à droite ka inona intsony no azo atao.

Ny Communauté internationale ity toa mitazam-potsiny

Ny eto @ serasera mifandramatra ohatran'ny voan'ny haromontana daholo



Izay no tena mampalahelo amin'ity raharaha ity!

Raha mba azoko atao mantsy milaza amin'ny vahoaka Malagasy hoe ajanony aloha ny fitadiavana ny rariny fa tsy mbola fotoanany izao fa ny fitadiavana ny filaminana aloha izao mba hisian'ny fieritreretana lalina hoe inona ny dingana manaraka maharitra!


39. xxx ( 24/04/2009 13:53)
aleo velezina ny vy dia eny mafana filaminana ahoana notadiavina h@ zay ny tgv tsy nilamina raha tsy azony ny nilainay valiny fiakarana fidinana ka aleo ho tohizana ny tolona
40. ravonjison ( 24/04/2009 13:54)
"Olakolaka ny an' ny varahina fa ny faran' ny rani ikopa ihany".
Tsy maintsy tao haingana ilay fifidianana fa tena tsy mety mihitsy izao. Aiza ve dia ny sasany dakana toy ny alika, ny sasany samborina toa valala, ny sasany tifirina toy biby fihaza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079