Tsy hoe maty nofantsihina i Kristy dia voavonjy ianao

41. ikaretsaka ( 29/04/2009 14:58)
ka izay le tsy azoko.. @ le "voanjo alika" izany ny Kristianian dia te hitovy lenta @ Jesoa... de raha raisina le lojikanareo izany de tsy ilaina intsoony Razezo rehefa mitovy aminy sh'hatreo e?
42. cutie ( 29/04/2009 20:38)
37. Mpandefa : Mandefitra [ Valio ] 29-04-2009 06:41:49
Lohateny : Re : Tsy hoe maty nofantsihina i Kristy dia voavonjy ianao
Ny asam-pamonjena efa vita. Ianao sisa no erany raha hino sy handray zany na tsia.

Fa rehefa mino fa voavonjy; nohon'ny fahasoavan'i Jesosy Kristy sy ny asam-pamonjena vitany; dia miasa.


zay indrindra, safidy sisa no atao :-D
43. ikaretsaka ( 29/04/2009 23:44)
de hino an-drazezo de hisalaka tanana fotriny satria efa voavonjy? doy e
44. piste ( 30/04/2009 00:14)
Niandry ny mpametraka sujet moa aho fa tsy tonga nanohina ny antso :
Tsy eo moa izy fa izao no fahazoako ny zavatra voalazany zay somary ataoko fanontaniana :
Moa ve tsy ilaina ve izany ny Sorom-pamonjena nataon'i Kristy teo amin'ny Hazofijaliana, satria ny asanao ihany no hamonjena anao ?
Moa ve hahavonjy antsika eo anatrehan'Andriamanitra ny asantsika ?
Rah izay tokoa, dia inona no ilàna ny Fijalian'i Kristy ?
Moa ve misy olona afaka mirehareha vokatry ny asany eo anatrehan'Andriamanitra ?

Dia ahoana indray ilay voalazan'ny Md PAoly ao amin'ny Bokin'ny Romanina manontolo fa ny Finoana fa tsy ny asa no hahavonjy ny olona.

Eto dia mampahatsiaro ilay fahìnoharana nataon'i Jesoa mikasik'ilay vavaka nataon'ny farisianina sy ilay mpamory hetra.
Ny iray niseho azy mpivavaka ary nitanisa ireo zava-bitany teo anatrehan'Andriamanitra.
Ilay mpamory hetra dia tsy nahasahy nijery ny lanitra akory fa nandon-tratra. Niaky ny fahalemeny, ka nangataka famindram-po.
Mazava anefa ny voalazan'i Jesoa fa ity farany no nohenoin'Andriamanitra vavaka fa tsy ilay raikalahy mpieboebo.

Ka dia ahoana marina ary izy ity. Tsy ilaina indray ve ny asa fa dia minoa fotsiny ihany.
Zay fa sao lava loatra.
45. rakapy ( 30/04/2009 00:28)
Izao voalazana izao dia mitory fa misafotofoto be ihany ilay baiboly na koa feno sari-teny ka saro-dinihina.
Io izao ohatra no nentin'i jesosy nefa ny dikany ao ambadika dia milaza zavatra maro.
Ary eo no mahavoa ny xana maro. Lasa manara-bakiteny satria lalina loatra ilay boky.
46. ikaretsaka ( 30/04/2009 15:47)
piste>

Moa ve tsy ilaina ve izany ny Sorom-pamonjena nataon'i Kristy teo amin'ny Hazofijaliana, satria ny asanao ihany no hamonjena anao ?

amiko samy ilaina.. soroka miara milanja io

Moa ve hahavonjy antsika eo anatrehan'Andriamanitra ny asantsika ?

arakarak'ilay hoe inona ilay asa eto... sao misy mihevitra hoe efa nanao sorona razezo de reveo manja "Carpe diem"!


Rah izay tokoa, dia inona no ilàna ny Fijalian'i Kristy ?

iny no fototra... fa anjarantsika no manohy ny rindrina sy ny tafo (io le hira hoe miaraka miasa @ Jesoa izahay ...manomana tany sy lanitra vao... )

Moa ve misy olona afaka mirehareha vokatry ny asany eo anatrehan'Andriamanitra ?

Tsisy, saingy tsy natao hireharehana eo anarehan'Atra ny asa fa natao hifampifanampiana eo @ samy zava boahariny
47. rakaroka ( 30/04/2009 19:39)
'za mahatsapa fa ny fampianaran'i Paoly ity mihitsy no nandrianin'ireo mpitady tany malemy hanorenana ny "finoany" . Dia antsoiko tsotra hoe Paoliste rizareo fa tsy xtianiste , i Jesoa mbô nanafatra ahay niandrandra fa raha mino azy dia tsy hifetra @ nataony ftsn fa hihoatra aza ny asa tokony atao , ce qui n'est pas le cas ho an'ny sasany mpiraviravy tanana sy voaziogan'ota lava ka zary farofy tsy afaka hahavita zavatra intsony ! dia hany fiononana miondana ny fampanantenan'i Paoly toa izao !
48. cutie ( 30/04/2009 21:02)
Hiasa enao mba ho voavonjy hoy nareo, ka raha tsy fantatrao aza we ahona sy ahona le momba an'le famonjena ka in ny antony iasana eo?

Zay no iombonako hevitra @ mandefitra we efa vita ny asam-pamonjena, anjaranao sisa ny hisafidy na hanaiky an'io, ka hanaraka an'io @ fomba xstiana zany.
49. rakaroka ( 30/04/2009 21:20)
Raha ny marina dia natao hiasa kosa angamba ny olona: misy na tsy misy famonjena an, fara faharatsiny mahavahy ny olana hoe ny hatsembohan'ny tavanao no hihinanao ary ilaina ny "mihinana mba ho velona fa tsy hanantena mana latsaka avy any an-danitra lava satria tsy misy loatra 'tsony io!
Lay mihanina @ asam-pamonjen nataon'i Jesoa mihitsy no tsy lasa e ! Izy no ni-accomplir ny devoir-ny fa ny anao dia mbola miandry ny fanefanao izany, ary le devoir anefa tsy suuffit hoe mino aho, fa mila avoitra @ hafa ho tsapany fa nahafindra tendrombohitra le finoana !
Raha matoa nolazaina koa fa ny finoana tsy misy asa dia maty momoka , satria
betsaka koa no "izany!"
50. cutie ( 30/04/2009 21:24)
ka ny tiako lazaina eto nge nga we de hipetra-potsiny eo, in daholo moa ny adidy tokony ataon'xtiana??, efa asa daholo zany, fa le we efa vita ny famonjena no toro lalana fotsiny hodiavin'ze te hanaiky an'io.
51. piste ( 01/05/2009 08:26)
Marina ny an\'i Cutie, efa tanteraka ny zavatra rehetra dia ny famonjena izany. Dia izay koa no nambaran\'\'i Kristy talohan\'ny nialany aina teo ambonin\'ny Hazofijaliana.
Io fanoloran\'i Kristy ny ainy ho famonjena antsika io no fototry ny finoana kristianina. Ka tsy azo hihodivirana. A partir, izay famonjena antsika izay no manomboka ny asa. Ka izay no nanirahan\'i Kristy an\'ireo apostoly handeha hatraiza hatraiza hijoro vavolombelona sy hitory ny Famonjena.
K
Noho izany, tsy hoe miasa aho mba ho voavonjy fa VOAVONJY AHO KA MIASA. Sady raha ny asanao fotsiny tsy hahavonjy anao izany. Ka ny asa velomin\'ny finoana no manentana ny fiainan\'ny Kristianina. Ary io asa arahin\'ny finoana io koa ny Valim-pitiavana ataontsika amin\'Andriamanitra.
Ohatra tsotra : ny ankizy raha tsy toloranao fitiavana na hampianarinao hitia dieny mbola kely dia tsy hahay hitia izany.

Fanontaniana : raha voavonjy isika dia maninona no mbola mijaly, nahoana no mbola manota, sns.
Satria efa nomena safidy malalaka hatrany isika olombelona hatram\'izay nahariana antsika izay. Ka manana fahafahana na handray na koa handà izay famonjena izay. Ka miankina amin\'ny tsirairay io.
Amin\'ny maha-Fitiavana an\'Andriamanitra dia tiany ho an-tsitra-po tanteraka hatrany ny handraisantsika ny Famonjena fa tsy an-katerena.
Raha mandà ianao dia mivoaka amin\'izay sehatry ny famonjena izay. Kanefa noho ny famindram-pony dia mbola manana possibilité hiverenana fafaharatsiny dieny mbola ety ambonin\'ny tany.
Ka miankina amin\'ny tsirairay io fa ny famonjena dia efa vita fa ny fandraisantsika azy no andrasana amintsika.
Farany :
Ny mòraly kristianina dia tsy natao ho garant hidirana amin\'ny Fanjakan\'ny lanitra fa FIJOROANA VAVOLOMBELONA. Izany hoe MORALE NY OLONA EFA VOAVONJY.
52. bor2lais ( 01/05/2009 09:23)
Miombon-kevitra amin'i piste ny tenako eto !

Fanampiny kely fotsiny : samy manaiky fa mila miasa isika, saingy ny fanahy hitondrana na hanaovana ilay asa amiko no tsy itovizana.

1. Fanahin'ny Zanaka.
Am-pitiavana, tsy mila tambiny satria notiavina sady nandray maimaim-poana ...

2. Fanahin'ny mpanompo
Misy faneriterena, tahotra, "tsy maintsy atao ity zavatra ity fa raha tsy izany ..." na koa "Adidy ity ka na mazoto na tsy mazoto dia tsy maintsy atao ..."
53. rakaroka ( 03/05/2009 20:25)
[quote=cutie]
ka ny tiako lazaina eto nge nga we de hipetra-potsiny eo, in daholo moa ny adidy tokony ataon'xtiana??, efa asa daholo zany,

Misy "ajustement" tiako atao mihitsy eto. Ary raha napetraky ny mpitandrina tao @ fiangonana nisy ahy ity resak'i Cutie ity hoe inn moa ny "adidy miandry ny xtiana ? Angamba tsy hifetra @ izay tatao faritan'ireo mpitarika ftsn, ary nampitsoaka ny mpivavaka maaaro satria tsy mitovy "choix" d'investissement".
Io na ny nampiasana ny vola , na ny fotoana, sns , remise en question"!
Satria maaro koa ny fanajariana ny fiainana no tsy voahevitra fa voabahan'ilay efa vitan'i Kristy dia zary tsy maka leson'ny fiainana raha tsy izay intsony ny xtiana maro

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 5.7142