Tsy hoe maty nofantsihina i Kristy dia voavonjy ianao

21. rakaroka ( 22/04/2009 18:53)
Ny "fandrika" tandremana tsara , dia ny fianonana @ "faharesena lahatra" miendrika "ignorance" . Ohatra MAZAVA BE ity :idea:
I Jesoa izao no nivolana hoe "mialà amiko ianareo mpanao heloka", dia mbola misy misisika sy manantena lava noho ny teny fampandrina adrisan'ireo fampianarana sadasada aty aoriana fa toa tsy afaka ao ambanivahoan'ny ota raha mbola olombelona ary il suffit de hoe"mandray sy mino an'i Jesoa hono tsy am-piheverana kely akory itony "condition" napetrany sy ny fampianarany maaaro , dia manantena "famonjena" . Dia maaaaro tokoa moa ny mihogahoga "Jesoa Jesoa" anefa izy koa nilaza fa joe "tsy fantatro akory ianareo" satria misy zavatra andrasany amintsika indrindra koa fa tsy ny hoe "miandry sy miandrandra azy ftsn !" .
22. cutie ( 22/04/2009 21:50)
Mpandefa : Zafintaolo [ Valio ] 21-04-2009 11:36:00
Lohateny : Tsy hoe maty nofantsihina i Kristy dia voavonjy ianao
Hoy i coopsal:

"Raha ny momba ny Karma, marina fa ny olona dia mandray ny vokatry ny asany; fa ny mahasamy hafa ny fampianaran'i Kristy amin'ny fampianarana Hindou dia izao -- ny Kristiana miasa satria voavonjy, ary ny Hindou miasa mba ho voavonjy."

Tsy misy lahatsoratra mampianatra an'izany na dia iray aza ao @ Baiboly.
Tsy mbola voavonjy mihitsy ianao na dia maty "nanao sorona ny ainy aza i Kristy' (tsy ao @ Baiboly koa io lahatsoratra iray io).
Ny otanao dia mijanona otanao ary ho tsaraina noho izay rehetra nataonao ianao, ka tsy misy idirany izay fahafatesan'i Kristy izany.
Noho izany miasa mba ho voavonjy ndrao ho diso fanantenana ianao.

lalina ndray zany marina :-D
23. fahamarinana ( 23/04/2009 02:57)
rakaroka:

Ny "fandrika" tandremana tsara , dia ny fianonana @ "faharesena lahatra" miendrika "ignorance" . Ohatra MAZAVA BE ity :idea:
I Jesoa izao no nivolana hoe "mialà amiko ianareo mpanao heloka", dia mbola misy misisika sy manantena lava noho ny teny fampandrina adrisan'ireo fampianarana sadasada aty aoriana fa toa tsy afaka ao ambanivahoan'ny ota raha mbola olombelona ary il suffit de hoe"mandray sy mino an'i Jesoa hono tsy am-piheverana kely akory itony "condition" napetrany sy ny fampianarany maaaro , dia manantena "famonjena" . Dia maaaaro tokoa moa ny mihogahoga "Jesoa Jesoa" anefa izy koa nilaza fa joe "tsy fantatro akory ianareo" satria misy zavatra andrasany amintsika indrindra koa fa tsy ny hoe "miandry sy miandrandra azy ftsn !" .

:arrow: Marina tanteraka !Iraisako hvtr ! Amiko hatrany koa moa izay an! :) (l)
24. Mandefitra ( 23/04/2009 05:54)
Ny tenin'i Jesosy hoe "miala amiko ianareo mpanao heloka" ange rakaroka ka ireo zay mba nahazo pouvoir (nanasitrana , nandroaka demonia, nanampy ny mahantra etc ...)zany hoe "mba nanao asa soa" tokoa, saingy tsy nifototra t@ finoana an'i Jesosy Kristy, na tsy naharitra t@ izany.
Zary lasa reheraha ho an'ny tenany ny asa tsara nataony, ka nantenainy ho famonjena azy nefa indrisy ...

Ka sao any ilay "fandrika" dia ny hoe miasa mba ho voavonjy nefa tsy ao ilay tena Finoana handovana ny fiainana mandrakizay.
25. bor2lais ( 23/04/2009 14:24)
Hoy Ika hoe :
\"ohatran\'ny hoe ianao izany no mandahatra de ze mety aminao ihany no tsimponinao: nefa ianao milaza fa mpino...
de iza no importansa: ny sitraponao (izay naharesy lahatra anao, sa izay sitraky ny ray)?\"

-> Amiko ny Tenin\'Andriamanitra dia tahaka ny \"lumière blanche\" (Mazava) ary ny Baiboly dia toy ny \"prisme\" (fitaovana ahalalàna ny Mazava), ka arakaraky ny \"angle\" (finoana na tsia, sns) hijerenao ilay \"prisme\" no loko hitanao (mena, maitso, manga, sns) fa tsy ilay fotsy tanteraka akory.

Sombiny ihany amin\'ilay \"lumière blanche\" io hitanao io ka tsy misy afaka hiteny fa ny loko hitany ihany no tena izy, nefa tsy afaka hiteny koa aho hoe diso io loko hitanao io (satria tsy mitovy amin\'ny loko hitako).

Ny tiako lazaina dia tsy misy resaka hoe sitrapoko na tsia na izay metimety amiko ihany no ambarako, fa izay no loko tonga aty amiko (fa tsy izaho akory no mamaritra ilay loko). Rehefa tsy loko mainty no lazaiko dia heveriko fa misy mahamarina azy hatrany.

Tahatahaka izay ihany koa ilay antsoiko hoe fandresen-dahatra ! Ny maharesy lahatra ahy tsy voatery mitovy amin\'ny maharesy lahatra an\'i Ika (vice versa). Fa raha milaza kosa aho hoe \"mainty\" (hita mibaribary fa mifanohitra amin\'ny Tenin\'Andriamanitra na amin\'ny fampianaran\'i Kristy, sns) dia azon\'i Ika lazaina avy hatrany aho hoe \"non\" : mifanipaka amin\'ny \"fotsy\" io lazainao io !

Fomba fijeriko manokana ihany io ambarako sy zaraiko io ka ialako tsiny raha toa ka tsy mazava na tsy itoviantsika (avereno aty amiko izy amin\'izay fotoana izay). Ny tanjona dia ny hampandroso mandrakariva ny dinika sy ny fizarana hifanaovantsika.

Mazotoa hatrany ary !
26. ikaretsaka ( 23/04/2009 14:54)
bor2lais:

Ika > Amiko, resy lahatra = tsy manan-kalahatra (hanoerana) intsony ka tapa-kevitra fa hanaiky. (persuadé, convaincu, ...)

Mety tsy noheverina tamin\'ny voalohany akory nefa lasa maharesy lahatra.

Ka resy lahatra amin\'ilay fanazavako ny teny hoe \"resy lahatra\" i Ika sa tsia ? :lol:

Tsia...
amiko tsy hoe satria izaho resy lahatra no nahatonga ahy hino...non...
nino aho aloha izay vao nanao examen an'ny inoako fa tsy nanao examen aloha vao nino

za tsy ST Thomas didimo manko

27. rakaroka ( 23/04/2009 20:10)
[quote=Mandefitra]
Ny tenin'i Jesosy hoe "miala amiko ianareo mpanao heloka" ange rakaroka ka ireo zay mba nahazo pouvoir (nanasitrana , nandroaka demonia, nanampy ny mahantra etc ...)zany hoe "mba nanao asa soa" tokoa, saingy tsy nifototra t@ finoana an'i Jesosy Kristy, na tsy naharitra t@ izany.
Zary lasa reheraha ho an'ny tenany ny asa tsara nataony, ka nantenainy ho famonjena azy nefa indrisy ...

Ny fampianarana nampitaina ry Mandefitra dia zary nisy "derive", izany hoe navaona mihitsy, satria raha "zohina tokoa ny fampianaran'i Jesoa mikasika
ity "mialà amiko ity" dia "PROCESSUS d'état de pensée na toetra na hetsika na zavatra atao anie no nifotoran'ny fampianariny t@ io :"AOKA HAZAVA TSARA" ary tsy nilaza mihitsy izy hoe "inoy aho" t@ izany KA "aza TAILANINA
na avadika ny resaka satria HAMERY NY OLONA MAAAAAARO NY FANAOVANA IZANY! satria tsy ily FOTOTRA NAMPIANARINY NO NOTRANDRAHANA FA
arak'hevitr'olona taty aoriana vao NOFORONINA MAZAVA HO AZY!

28. rakaroka ( 23/04/2009 20:23)
[quote=Mandefitra]

Ka sao any ilay "fandrika" dia ny hoe miasa mba ho voavonjy nefa tsy ao ilay tena Finoana handovana ny fiainana mandrakizay.

Ny fantatro dia izao: Mila miasa ny olona na ahoana na ahoana, indrindra moa @ izao "FAHAVOAZANA MANGITSOKITSOKA LALOVAN'NY FIRENENA IZAO".
Fiheverako TENA HELOKA Beee vava ny MANAKIVY NA MANENJIKA NY OLONA @ INDRINDRA NY ASA SOA ATAONY AZA ! Koa raha atao aza hoe "hitadiavany dera no nanaovany izany , c'est son mérite ! Izy aza nahavita izay ho vitany fa tsy nivanendaka miandry ny "fiavin'i Kristy ftsn sanatria !" Sady tsy anjarantsika ny hitsara ny "dehaky ny olona noho ny asany", fa mba andrandraina koa aza isika araka ny teny mar famporisihana mba hanao asa soa , sns...Noho izany tsy TSINOTSINIAVINA MIHITSY IZANY KA!
Ary tsy fandrika koa ilay izy du moins tsy soa aza ve ny mahavita asa sy soa ho an'ny mpiara-belona izany?

29. cutie ( 23/04/2009 22:54)
Mpandefa : rakapy [ Valio ] 22-04-2009 01:58:16
Lohateny : Re : Tsy hoe maty nofantsihina i Kristy dia voavonjy ianao
Raha ny fahazaoko ny resak'i Tywa68 izany dia hoe. Izay mino sy mihaino an'i kristy jesosy ihany no hovonjena?

Ary hanao ahoana no hahazo ireo izay tsy mino an'i jesosy fa zanak' A/tra nefa nanao soa ihany koa? tsy voatery natokana ho an' ny mitonotena fa xana ihany mantsy ny fanaovan-tsoa fa maro be tokoa ireo manao soa tsy amin'ny anarany.

ka reo mpitonotena ho xstiana nga mahalala ze tsy xstiana any fa ny tenany ihany no hitany, de sokajiany ao anatin'ny finoany daholo zao rehetra zao :-D
30. bor2lais ( 24/04/2009 12:36)
ikaretsaka:

bor2lais:

Ika > Amiko, resy lahatra = tsy manan-kalahatra (hanoerana) intsony ka tapa-kevitra fa hanaiky. (persuadé, convaincu, ...)

Mety tsy noheverina tamin\\\'ny voalohany akory nefa lasa maharesy lahatra.

Ka resy lahatra amin\\\'ilay fanazavako ny teny hoe \\\"resy lahatra\\\" i Ika sa tsia ? :lol:

Tsia...
amiko tsy hoe satria izaho resy lahatra no nahatonga ahy hino...non...
nino aho aloha izay vao nanao examen an\'ny inoako fa tsy nanao examen aloha vao nino
za tsy ST Thomas didimo manko

------
-> Toa ilay teny hoe \"resy lahatra\" mihitsy no toa tsy azoazonao raha izany. Soloy teny hafa raha izay no tianao (fa mety izaho koa angamba no tsy mahay mampiasa ilay teny).

Amiko mantsy, ny finoana dia safidy manokana fa tsy tery.
Ka ilay safidy raisina eto ve tsy efa faharesen-dahatra ihany !!

P.S Miala tsiny amin\'ny tompon-kevitra raha toa ka lasa HS ny resakay.

31. ikaretsaka ( 24/04/2009 14:55)
tsy misy manda ange hoe safidy ny finoana e.. fa antso aloha vao safidy
ny "avia manaraka Ahy" foana aloha no teny voalaza mialoha fa tsy ny hoe "hanaraka Anao tsy haditra"
"Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo" ho'zy!

Na t@ Abrahama sy Moizy izany ta t@ Razezo na mandrak'androany, saingy be ny vanjo alika nanova azy!
32. bor2lais ( 24/04/2009 17:01)
Hajaina ny hevitrao Ra-Ika a !
Aleo hivalona eo (raha sitrakao) iny resaka iny fa tohizo ny dinika momba ity lohateny ity !
Mamerina ny fialan-tsiny raha toa ka somary HS kely izahay sy Ika !
Mazotoa daholo !
33. ikaretsaka ( 24/04/2009 20:16)
Tsy misy resaka hajaina sy tsy hajaina le izy fa jereo @ realite..raha any @ tany silamo ohatra dia sitrak'Atra no hoe be silamo any de normal, raha misy mi expose kristianisme de sitrak'atra iny matoa exposed tany
34. piste ( 25/04/2009 20:55)
Hoy i coopsal:

"Raha ny momba ny Karma, marina fa ny olona dia mandray ny vokatry ny asany; fa ny mahasamy hafa ny fampianaran'i Kristy amin'ny fampianarana Hindou dia izao -- ny Kristiana miasa satria voavonjy, ary ny Hindou miasa mba ho voavonjy."

Dia hoy Zafintaolo :

T
sy misy lahatsoratra mampianatra an'izany na dia iray aza ao @ Baiboly.
Tsy mbola voavonjy mihitsy ianao na dia maty "nanao sorona ny ainy aza i Kristy' (tsy ao @ Baiboly koa io lahatsoratra iray io).
Ny otanao dia mijanona otanao ary ho tsaraina noho izay rehetra nataonao ianao, ka tsy misy idirany izay fahafatesan'i Kristy izany.
Noho izany miasa mba ho voavonjy ndrao ho diso fanantenana ianao.

Ivereno dinihina tsara ry namana ny finoana fa ny anao izao no tena diso, fa ny an'i Coopsal io no tena fampianarana kristianina marina.

Miandry ny fanazavanao aho.
Ok
35. ikaretsaka ( 26/04/2009 02:57)
Le fisainana hoe " ka dia tsy mila hiasa intsony satria efa voavonjy" anie ry piste no tian-kambara eto hoe kristianina ve sa tsia e!
Amiko toa tsy ny famonjena sy ny fizestiavana fa voavonjy loatra no maha kristianina...fa ny fiaraha-miasa @ ndraZezo hanomana tany sy lanitra vao @ fanohizana sy ny fandavorariana ny maha ianao sy ny manodidina anao aloha ...
36. bor2lais ( 28/04/2009 13:05)

---
Sûr ve Ra Ika fa izay tokoa no tian'ilay nanao ity lohateny ity hambara eto ?
Ny fandraisako ilay lohateny indray dia hoe : mila miasa ianao mba ho voavonjy !

37. ikaretsaka ( 28/04/2009 18:28)
Ny fahitako azy indray de manamafy ilay voalazan'i Md Jakoba hoe aza manantena fotsiny avotra satria nino sy teo Razezo sy ny nataony de zay: fa tohizo koa le asam-pamonjena @ fanefaana izay lahasanao
38. Mandefitra ( 29/04/2009 04:41)
Ny asam-pamonjena efa vita. Ianao sisa no erany raha hino sy handray zany na tsia.

Fa rehefa mino fa voavonjy; nohon'ny fahasoavan'i Jesosy Kristy sy ny asam-pamonjena vitany; dia miasa.

Ary ny tompo mihitsy no maniraka : "Zay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ..."
39. ikaretsaka ( 29/04/2009 13:01)
tsia.. tsy mbola vita ny asa mpamonjena... ny demarragen'ny asam-pamonjena no efa vita

"tsy izay manao hoe tompoko tompoko... fa izay manantanteraka ny sitrapon'ny Ray"

ny fanatanterahana ny Sitrapon'ny Ray dia tsy ny fhamboana hoe satria nanao an izao i Kristy de iny fa hanao koa.. raha tsy iznay efa bedebe ny havadika ny rano ho lasa pi de lany teo am-piandrasana raha tsy ho tonga eo...
fa ny fa fanatanterahana izay kely vitanao eo @ manodidina..
"tiava marina tokoa de ataovy izay tianao atao" hoy ilay olomasina 1 izay
40. rakaroka ( 29/04/2009 13:02)
[quote=Mandefitra]

Ary ny tompo mihitsy no maniraka : "Zay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa ..."

Ka eto indrindra lé blem knou : 8O 8O 8O :-w :-w :-w :-$
Satria rehefa zohina le asa ataon'ny mitonona ho Xtiana dia tsy ilay mitsimbina olona hafa tahaka ny nataon'i Jesoa fa toa le mifanohitra koa!
fa satria
"efa vitany tokoa angamba ny rehetra !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 3.2424