Vadin'i Adama voalohany hono tsy i Eva fa..

1. soanja ( 13/04/2009 01:48)
Dia gaga be ny tenako raha nahalala fa tsy i Eva no namboarin'Andriamanitra voalohany vehivavy ho naman'i Adama fa i ......

Aleo ianaroe no asaiko maminavina aloha. Dia gaga amin'ilay tantara tokoa aho. Hitako ny boky jiosy miresaka io vehivavy io rehefa hiresaka zavatra mahasarotiny antsika andavanandro.

Teneno hoe iza???
novalian'i ndenn ny 23/04/2009 09:57
2. niryna ( 13/04/2009 02:38)
soanja:

Dia gaga be ny tenako raha nahalala fa tsy i Eva no namboarin'Andriamanitra voalohany vehivavy ho naman'i Adama fa i ......

Aleo ianaroe no asaiko maminavina aloha. Dia gaga amin'ilay tantara tokoa aho. Hitako ny boky jiosy miresaka io vehivavy io rehefa hiresaka zavatra mahasarotiny antsika andavanandro.

Teneno hoe iza???

:roll: :roll: =)) =))
3. ikaretsaka ( 13/04/2009 03:00)
tsy namaky baibioly na/ sy fanahy iniana nesorin'i pasiteran'i niryna indray izay matoa tsy fantany:
i Lilith no vadin'i Adama aloha saingy tsy nalaina t@ taolambalo izy io fa nohariana

Jereo ny Isaia 34:14 dia teneno hoe iza io lilith io ary raha tsy mino!
marihina fa raha mamaky baiboly NIV dia fanahy iniana nesorina io andininy io fa tsy tian-dry pasitera apoitra
4. soanja ( 13/04/2009 04:34)
ikaretsaka:

Mahazo prize i Ikaretsaka fa tena zaza maharaka!

:-* :-* :-* :-* (l) (l) (l) Mba tantarao hoe zay fantatr'i Ika momba an'i Lilith amzay ry Nyrina mba mahay ilay tantara! Misaotra mialoha.
5. ikaretsaka ( 13/04/2009 04:58)
soanja> hmmm...
fijery inona no tianao hitondrana azy?
Jiosy (torah) ...izay noraisin'ny Kristianina (baiboly) taty afara sa?

aleo io ary aloha no anombohana azy fa io no be mpahalala kokoa

izao manko no voalaza ao amin'ny Jenezy toko 1 (andininy 26 any hoany raha tsy diso ahako..za tsy mahay tsianjery loatra fa tadididiko fotsiny fa verifieo) hoe nahary ny olombelona LAHY SY VAVY Atra t@ andro faha 6 (ka niala sasatra izy t@ andro fahafito)

---> tadidio fa tsy mbola ary i Eva t@ izay satria

any @ Jenezy toko faha 2 any vao hita ny tantaran'i Eva hoe torimaso lalina sns... dia nalaina ny taola-tehezana sns...
izany hoe efa ni depasse ny andro faha 6...

donc: iza ary io viavy lazaina ao amin'ny toko voalohany io...

Aleo tohizan'i soanja ny fijery hafa (Talmund, death sea scrolls)
6. niryna ( 13/04/2009 05:05)
Mba te-handany andro tokoa angaha hianareo ka
Izay anie no lazaiko lava eto ,aza diso mamafy lainga foana hianareo dahy ,atao ahoana tokoa moa no ilaza ny tenin'Atra raha tsy nampitondraina izy ? Asa mitompo teny fatratra amin'ny fahalalana woa,efa lazaina foana hoe vakio ny baiboly hany ka mamorona zavatra tsy hita ao anatin'ny tabilao .aoka lehiretsy fa saho ahitan-doza ity fitoriana vilana ity a.
Tsara ny mahalala zavatra (dada rabe,ombiasy,faditra,famonoana omby ,kristaly,ny sampankazo sns ,izay experiences mety ho hitan'ny olona na fantatrareo ohatra ) fa aza afangaro ny tenin'Atra .
Baala sy Jehovah tsy miaraka ,tsy misy manompo tompo roa fa ny iray ho tiany ,ny iray ho halany raha tsy hoe love triangle angaha ,ooops izay ka tsy ho fakako satria fiainana mety hiainan'ny olona io

Toy ny fiangonana sasany izay fantatrareo tokoa :
Aiza tokoa moa ka amin'ny sasany tsy maninona ny manambady marobe ,tsy maninona ny mampirafy ,tsy maninona ny manao tokantrano maso ,tsy maninona daholo izay didy folo nomen'Atra eo imason'ny olona dia mety satria izay no tiany sy mahamety ny fiainany ,saingy raha mibebaka kosa dia ho voavela daholo izany

Eny e, isika tsirairay dia ho hadinina avokoa na nitory teny soa nahafaly na mizara izay tandrifindrify sy mety mahasoa amin'ny fiainantsika.
aleo ary aloha omeo blabla indray

1 Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?
Genesisy 3:
2 Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany;

3 fa hy voan'ny hazo eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo.

4 Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo;

5 fa fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy.
efa hatrany hatrany amboalohany no efa nampiasan' i satana ny olona ka mandraka androany

9 Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa hianao?

10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.

mandositra ny tavan'Atra isika rehefa manao ny tsy mety ary mihevitra fa tsy ho hitany,na fihetsika, na fiteny ary indrindra ny fanoroana voana ny mpiray firenena amintsika ka mihevitra ny fahaizana noratovina ho ambony noho ny tenin'Atra ,hany ka manaonao foana sy miteniteny foana satria manda azy avy hatrany .

11 Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka hianao? Efa nihinananao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?

12 Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.

matetika tsy miaiky ny fahotantsika isika fa vao maika miziriziry sy miala pas amin'ny hafa ,tsy miaiky fa diso eo anatrehan'Atra ,tsy menatra ny mizara ny teny izay heverintsika fa mety amintsika kanefa manimba ny fitoriana ny tenin'Atra sy ny finoana azy ary dia mandambolambo amin'ny zavatra mifanaraka ny maha mety antsika ary dia ny hafa no mahazo loza sy voahendrikendrika noho ny nataontsika fa tsy mahatsampa tena hoe marina tokoa ve izany,iza no niteny ahy ,misy mibitsika mangina ve aho ka mizara izany sa dia izay tiako sy mifanaraka ny fiainako no ho lazaiko sy andrebirebeko ireo olona mbola tsy mahalala an'Atra ?
Ny zanak'Atra tompoko dia mahalala ny teny izay toriana sy
ny olona izay mitory ny teny soa mahamahafna izay nomena azy.

13 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.

io fa mbola miala pas ihany ra vehivavy ,dia toa izany koa isika ,mitady haniliha ny fako any an-kafa fa tsy manilika izay tandrify ...mitady olona hi -blemiavana lava izao...mamorona zavatra tsy nolazain'ny baiboly
.
17 Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao hianao, ka nihinano nanao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao.

Adama no resahina ato anaty baiboly voalohany
....dia vakio ny tantara raha te aheno ny tohiny hianareo dahy,raha miziriziry lava moa akory atao baba ,izay izy izany,ny kely finoana no hino anareo fa tsy ny kristiana ,ooops .be loatra ny fafy katrana ataonareo ato amin'ny sera ato.

20 Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.

Mme soanja,Mr ikaretsaka io no valiny tompoko ,vita a ampy izay ny lainga tsara lahatra raha mbola manamafy ny fonareo moa hianareo dia vao maika hamafy tsilo raketa eto ihany
oooops ssss

ireo no mba hevitro .Raha ny voasoratry ny baibolinay kristiana dia tsy nisy ,tsy hisy ary tsy ho hisy vady hafa nomen'Atra an'i Adama ,izy aza nanome ny anaran'ilay vadiny araka ny voasoratra mazava tsara tsy misy pentina

aleo ary aloha omena holy kiss kely :-* :-* :-*
7. xxx ( 13/04/2009 09:33)
ikaretsaka:

any @ Jenezy toko faha 2 any vao hita ny tantaran'i Eva hoe torimaso lalina sns... dia nalaina ny taola-tehezana sns...
izany hoe efa ni depasse ny andro faha 6...

donc: iza ary io viavy lazaina ao amin'ny toko voalohany io...

Any @ toko faha 2 koa vao hita ny namoronana an'i Adama : andininy faha 7

donc: iza ary io lehilahy lazaina ao amin'ny toko voalohany io...

Lilith dia tsy vadin'i Adama velively. Tsy vehivavy akory fa biby.

Mety pretendante angamba tao amin'ny andininy faha 20 fa tsy lany match. Any @ Isaia dia tsy vadin'i Adama ihany koa no itononana an'ilay lilith fa toy ny bibidia.
8. Mirananirina ( 13/04/2009 11:44)
raha izany dia voafitaka daholo izany izahay.Tsy mahalala afatsy Adama sy Eva
9. xxx ( 13/04/2009 11:52)
Mirananirina:

raha izany dia voafitaka daholo izany izahay.Tsy mahalala afatsy Adama sy Eva

Tsy voafitaka zany hoa nareo
Tsy vadin'i Adama zany ny lilith
10. karinah ( 13/04/2009 12:39)
hay vare misy an'izany vhv izany koa?? ny fantatro aloha dia ny silamo dia manana finoana hafa tsy sahala ny an'ny kristianina, ka tsy mahagaga raha hafa koa ny azy ny vhv voalohany,:-D :-D
Ny fantatro aloha dia i Eva, ary tsy hiala amin'ny izay finoako izay aho. Indrindra fa filazana avy amin'ny ireo mpino ivelan'ny kristianisme ilay ziy, tena tsy any aloha raha izaho eee. :roll:
11. soanja ( 13/04/2009 13:10)
ikaretsaka:

soanja> hmmm...
fijery inona no tianao hitondrana azy?
Jiosy (torah) ...izay noraisin'ny Kristianina (baiboly) taty afara sa?

aleo io ary aloha no anombohana azy fa io no be mpahalala kokoa

izao manko no voalaza ao amin'ny Jenezy toko 1 (andininy 26 any hoany raha tsy diso ahako..za tsy mahay tsianjery loatra fa tadididiko fotsiny fa verifieo) hoe nahary ny olombelona LAHY SY VAVY Atra t@ andro faha 6 (ka niala sasatra izy t@ andro fahafito)

---> tadidio fa tsy mbola ary i Eva t@ izay satria

any @ Jenezy toko faha 2 any vao hita ny tantaran'i Eva hoe torimaso lalina sns... dia nalaina ny taola-tehezana sns...
izany hoe efa ni depasse ny andro faha 6...

donc: iza ary io viavy lazaina ao amin'ny toko voalohany io...

Aleo tohizan'i soanja ny fijery hafa (Talmund, death sea scrolls)

Araka ny voalaza ao amin'i Isaia moa izany dia misy ny fisian'ilay anarana Lilith. Tsy misy mahafantatra raha ao amin'i baiboly hoe iza io Lilith io ary nahoana no voatonona tao ny anarany.
Izay mahazatra ihany ao amin'i baiboly izany toy ny hoe tsy fahafantarana ny vadin'i Kaina? iza tokoa moa, tsy voalaza noho izany tsy fantatra nefa tsy atao hoe tsy misy?

Ny antony dia ny voalaza tany amin'ny boky hafa izay tsy tafiditra na nesorina tsy ho isan'ny baiboly no misy ireo tsy voatonona sy mistery hafahafa ireo.

I Lilith dia vehivavy niara-namboriana tamin'i Adama. Ny Torah no manazava azy tsara fa sady lahy no vavy ny olona voamboatra tamin'io. I Lilith anefa dia vehivavy tsy mba nanaiky ny fahefan'i Adama satria taminy dia niara-namboarina izy ireo. Isan'ny tsy nankasitrahan'i Adama azy dia tsy mety hiara hatory amin'i Adama. Niady ny zony ilay vehivavy tao anaty saha aka tsy nanaiky ny zavatra takian'i Adama aminy avokoa. Indray andro dia tapakevitra izy ny handeha hiala tao amin'ny saha. Roa ny safidy, hoy Andriamanitra, na hiverina ao amin'ny saha ka hanaiky an'i Adama na tsy hiverina dia mamonjy toeran-kafa nefa dia isanandro dia hisy hofaty ny zanany. Ilay faharoa no nekeny.

Hatramin'izay dia lasa Fanahy ratsy i Lilith satria rehefa hitan'i Andriamanitra fa tsy nety i Lilith ho vadin'i Adama dia nanamboatra an'i Eva izy, izay nalaina tao amin'ny Adama ny fanamboarana azy. Nanaiky azy tokoa i Eva.
Nialona tanteraka an'i Adama sy Eva anefa i Lilith dia izy no nahatonga ny menarana ho mpaka fanahy sy manolingoly an'i Eva rehefa irery i Eva. Tiany hiala ao amin'i saha ireto satria ialonany.

Hatramin'izay dia mahita zavatra hanapotehana ny zava-panahy i Lilith ary miezaka mitady fiverenana hanjaka amin'i Adama fa tsy i Adama no hanjaka aminy.

Ny boky sy tantara Jiosy dia milaza tokoa momba an'i Lilith sy ny zava-mahagaga sy mampatahotra na ratsy vitany. Izy dia afaka mivadika menarana sy ny hafa maro ho fanahy mpanimba.

Tsy voatery tantara marina io fa araky ny finoany ny rehetra. Ny fisian'ny tantara kosa dia misy ary tiako lazaina eto satria gaga aho fa hay misy izany tantara izany fa isika no tsy maharaka. Ny MYTH dia betsaka tokoa ary isan-karazany ny fisehoany ao an-tsain'olombelona izay niaraniaina taloha. Azo heverina toy ny angano ary azo heverina fa nitranga ihany koa raha ohatra ka misy mahatsapa ny fitrangany eo amin'ny fiainana.

Mahavariana!!!

12. ikaretsaka ( 13/04/2009 13:36)
Any @ toko faha 2 koa vao hita ny namoronana an'i Adama : andininy faha 7

donc: iza ary io lehilahy lazaina ao amin'ny toko voalohany io...

Lilith dia tsy vadin'i Adama velively. Tsy vehivavy akory fa biby.

Mety pretendante angamba tao amin'ny andininy faha 20 fa tsy lany match. Any @ Isaia dia tsy vadin'i Adama ihany koa no itononana an'ilay lilith fa toy ny bibidia.

=> donk tsy i Adama sy i Eva izany anie no olona noharian'Atra voalohany e.. satria raha ampitahaina ny toko voalohgany sy ny faha2 dia mifanipaka be ihany!

na ny tany @ Izaia na tany @ Jenezy raha jerena @ dikan teny tsy gasy (ny gasy tsy manao masculin sy feminin) dia pronom pesonnel feminin foana no niantsoana an'i lilith.
dia tadidio koa fa fomba fiteny any Moyen orient sy saika kolotora niparitaka fahizay (izay mbola raiki-tapisaka ny sasany ankehitriny) rehefa ratsy toetra na tsy tiana ilay olona dia oharina amin'ny biby: Le kisoalahy ity, olona alika iny.....
13. caprio ( 13/04/2009 20:10)
Ndao ary ataontsika we i Adama sy Eva no olombelona voalohany teto an-tany,zany we izy ireo zany no niteraka ka lasa nameno ny tany ankehitriny,dia raha apetraka ny fanotaniana de we:fa maninona ary no lasa tsy mitovy daholo ny ADN ao anatitsika rehetra kanefa avy @ireo olona roa ireo ny rà izay mikoriana ato anatitsika? ary voaporofo zany ankehitriny fa raha ny pivady no miteraka dia tsy maintsy mitovy ADN aminy ilay zaza; ka mieritseritra fotsiny za we sao dia mba namorona olona maro samy hafa ary Atra;de mba anjaratsika tsirairay ny mandinika an-zay,fa ny zavatra tiako marihina dia aza faly mandiso ny hafa foana fa mba samia mandika tsara fa isika anie ankehitriny efa tsy mitovy @ireo Ray aman-dreny be taloha izay manaradrenirano fotsiny,ary aoka vakian-tsika tsara ny baiboly de dinihina tsara fa betsaka anie ny nandray anjara nanoratra tao kanefa misy tsy paminany akory ny sasany,zany we nisy ireo tsy nanana fifandraisana t@Atra kanefa nanoratra tao,fa izay nifandray taminy kosa no antsointsika we paminany.Aza adinotsika koa anefa fa talohan\'ny nanoratana ny baiboly dia efa nisy ny devoly na ny fanahy ratsy izay efa namitaka,ka sarotra hiany ny hiteny we nilaza ny marina daholo ireo mpanoratra tao,ary raha mamaky ny testameta vao2 sika dia efa hitatsika ao fa misy tsy mitovy izay voalazan-dry Matio,Marka,Lioka....sns...zany we samy nanana ny fomba nitantarainy ny zava-misy ry zareo,dia ny tiako ambara zany dia we tohizo ny vavaka sy ny finohana an\'Atra ary Jesosy Kristy raha toa ka kristianina fa aza dia mandiso ny hafa foana fa fantaro tsara aloha izay voalaza vao mamaly fa sao ny devoly no tonga aloha ka ho tezitra hianao dia hiteniteny foana avy eo (l) (l) (l)
14. rakaroka ( 13/04/2009 20:46)
Ié , misaotra an'i Soanja aloha mitondra ny Vao2 eto e!
'za indray t@ planète-femme no nahalalako azy io voalohany,
http://planete-femme.kouaa-blog.com/post/1368/2866
fa raha ny marina tokoa aloha raha manaraka tsara ny baiboly dia mahatsapa fa misy "pièces"-na "puzzle" tsy ampy maromaro ao, ary ny sasany aza dia aty an-kafa no mahatonga saina anao hieritreritra hoe ity angamba dia fameno ...
Ary miombon-kevitra @ Caprio ...
15. xxx ( 13/04/2009 20:50)
caprio:

Ndao ary ataontsika we i Adama sy Eva no olombelona voalohany teto an-tany,zany we izy ireo zany no niteraka ka lasa nameno ny tany ankehitriny,dia raha apetraka ny fanotaniana de we:fa maninona ary no lasa tsy mitovy daholo ny ADN ao anatitsika rehetra kanefa avy @ireo olona roa ireo ny rà izay mikoriana ato anatitsika?

1% no miova @ ADN an'i caprio dia efa lasa rajako i caprio

Sa i caprio ve competent ? raha ohatra isika hiresaka an'ireto facteur aleatoire anankiroa ireto manova ny ADN isaky ny generation :
- ny crossing over
- ny mutation
Ary isao hoe generation firy izay no nifandimby hatramin'i Adama sy Eva!
16. xxx ( 13/04/2009 20:52)
ikaretsaka:

=> donk tsy i Adama sy i Eva izany anie no olona noharian'Atra voalohany e.. satria raha ampitahaina ny toko voalohgany sy ny faha2 dia mifanipaka be ihany!

Avereno vakiana de jereo fa ny ao @ toko faha-2 manao zoom ny andro faha-6
17. mia ( 13/04/2009 20:59)
Ny messages nomen'i jesoa ve tsy mbola important lavitra mihoatra an'izao??

Izy efa naharesy izao tontolo izao!!ny devoly sy ny menarana efa nisy ela ary efa nialona ny olona foana satria natao hitovy endrika @ TOMPO isika!

18. xxx ( 13/04/2009 21:00)
caprio:

dia ny tiako ambara zany dia we tohizo ny vavaka sy ny finohana an\'Atra ary Jesosy Kristy raha toa ka kristianina fa aza dia mandiso ny hafa foana fa fantaro tsara aloha izay voalaza vao mamaly

fa iza moa no nandiso an'iza?
vao mba misy hevitra mifanakalo ve tonga misy be morale sy miseho manome lesona ... sao dia tokony hamaky an'ilay Jenezy toko 1 sy 2 koa aloha razoky e?!
19. soanja ( 14/04/2009 04:07)
caprio:

Ndao ary ataontsika we i Adama sy Eva no olombelona voalohany teto an-tany,zany we izy ireo zany no niteraka ka lasa nameno ny tany ankehitriny,dia raha apetraka ny fanotaniana de we:fa maninona ary no lasa tsy mitovy daholo ny ADN ao anatitsika rehetra kanefa avy @ireo olona roa ireo ny rà izay mikoriana ato anatitsika? ary voaporofo zany ankehitriny fa raha ny pivady no miteraka dia tsy maintsy mitovy ADN aminy ilay zaza; ka mieritseritra fotsiny za we sao dia mba namorona olona maro samy hafa ary Atra;de mba anjaratsika tsirairay ny mandinika an-zay,fa ny zavatra tiako marihina dia aza faly mandiso ny hafa foana fa mba samia mandika tsara fa isika anie ankehitriny efa tsy mitovy @ireo Ray aman-dreny be taloha izay manaradrenirano fotsiny,ary aoka vakian-tsika tsara ny baiboly de dinihina tsara fa betsaka anie ny nandray anjara nanoratra tao kanefa misy tsy paminany akory ny sasany,zany we nisy ireo tsy nanana fifandraisana t@Atra kanefa nanoratra tao,fa izay nifandray taminy kosa no antsointsika we paminany.Aza adinotsika koa anefa fa talohan\'ny nanoratana ny baiboly dia efa nisy ny devoly na ny fanahy ratsy izay efa namitaka,ka sarotra hiany ny hiteny we nilaza ny marina daholo ireo mpanoratra tao,ary raha mamaky ny testameta vao2 sika dia efa hitatsika ao fa misy tsy mitovy izay voalazan-dry Matio,Marka,Lioka....sns...zany we samy nanana ny fomba nitantarainy ny zava-misy ry zareo,dia ny tiako ambara zany dia we tohizo ny vavaka sy ny finohana an\'Atra ary Jesosy Kristy raha toa ka kristianina fa aza dia mandiso ny hafa foana fa fantaro tsara aloha izay voalaza vao mamaly fa sao ny devoly no tonga aloha ka ho tezitra hianao dia hiteniteny foana avy eo (l) (l) (l)

Namaste!

20. soanja ( 14/04/2009 04:11)
Dia ahoana izany ny Neanderthal??? Avy amin'ny taranaka Adama sy Eva koa ve zany ireo sa hafa mihitsy sa ahoana? Sa tsy inoana koa ny fisian'ireo?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0494