Vadin'i Adama voalohany hono tsy i Eva fa..
21. ikaretsaka
(
14/04/2009 04:55)
xxx:
=> donk tsy i Adama sy i Eva izany anie no olona noharian'Atra voalohany e.. satria raha ampitahaina ny toko voalohgany sy ny faha2 dia mifanipaka be ihany!
Avereno vakiana de jereo fa ny ao @ toko faha-2 manao zoom ny andro faha-6
Zoom sa forcena hifocus fotsiny
Ohatran'ny hoe nanorina trano aho no nolazaina omaly tanaty entry ana blog ohatra.... dia androany aho manoratra hoe naka biriky maro aho nanorenana rindrina de naka tafo...
de hoe misy hifandraisany @ le trano naoriko omaly ve... mety trano hafa mihitsy io resahiko androany io
22. sarobidy
(
14/04/2009 05:40)
Izaho indray aloha na misy ireo zavatra lazainareo ireo, na tsy misy, ary efa henoko izy io fa tsy mampangozohozo ny finoana efa aty anatiko izany. Tokana ny nampianarina anay hatr@ mbola kely ka hatr@ izao dia ny finoana an\'Andriamanitra, tokana, olona telo, ary ny firesahana amin\'ny Atra @ alalan\'ny Soratra Masina (ny Baiboly). Ka raha misy zavatra hafa tsy hitako ao anaty Baiboly nefa voalaza any amin\'ny boky hafa toy ity lazainareo ato ity izao dia tsy mahataitra ahy. Bedebe ny fampianarana, ny boky, ny zava-misy taloha hita sy azo jerevana na eto @ net miezaka manazava zavatra isan-karazany, ohatra hoe i jesoa ange ka vadin\'i Marie Magdalena, dia hoy aho hoe, na nisy ary izany rehefa tsy nambaran\'ny Soratra dia tsy ataoko mampiasa saina ahy. TSY MAMPANGOZOHOZO NY FINOAKO ZANY.
Tano mafy izay anananao eh!!!!! ;-)
Miombon-kevitra @ Nyrina tanteraka satria KRISTIANINA.
Tano mafy izay anananao eh!!!!! ;-)
Miombon-kevitra @ Nyrina tanteraka satria KRISTIANINA.
23. soanja
(
14/04/2009 06:20)
sarobidy:

Tsara raha mafy orina ny finoan'i Sarobidy ka!
Ny hoe famafazana lainga aloha amiko dia fanendrikendrehana ihany io satria samy manana ny finoany ny olona. Ary samy manana ny mahaliana azy sy ny mahafinaritra azy. Raha olona iray hilaza ahy fa mahalala ny tapakazo tany an'ala ka nianatra izany aho ary nahazoako mari-pahaizana tokoa dia tsy afaka hiantso ahy ho Mpamosavy izy satria izay no atao hoe Fialonana sy fanendrikendrehana amin'i Gasy rehefa tsy mahalala n'inona n'inona. Tandremo fa naman'i ota io.
Ny finoana Jiosy dia finoana toy ny finoana rehetra ihany. Misandrahaka sady isan'ny nipoiran'ny finoana Xtianina.
Amiko dia tsara ny mamoaka izay zavatra mahatsikaiky sy mahavarina ary ny zavatra mety mampanitantsaina. Ny Myth dia ianarana any andakilasy saingy isika any ampianarana any Madagasikara tsy dia mandalina an'io loatra. Ireo no antsoina hoe Angano vazaha. Ny fahaizana mandinika sy mamolavola ny fahalalana azo ary ny fandanjalanjana azy amin'nhy fampiharana azy amin'nhy fiainana no zavadehibe.
Raha niteny i Andriamanitra hoe resaka andevo ao amin'ny baiboly dia mino aho fa tsy hanandevo olona intsony indry amin'izao fotoana. Satria nahoana? Tsy mifanaraka intsony amin'nmy vaninandro iainantsika izany. Ny fanambakana sy ny fanambaniana olona dia efa mazava fa tsy mahasoa ny fiarahamiaina ary sady manimba ny toetsaina ifandraisana.
Raha resaka Adama sy Eva zany amiko izao dia efa resaka angano sisa fa ny tena izy dia ny fivoarana natoraly no nisy. Raha nisy ny fivoarana dia tao Afrika no niavian'ny olombelona voalohany.
Tsy ny finoan'i Nyrina na i Nyrina no tsy tiako fa mahavariana ahy ny toetran'i Nyrina izay milaza azy ho Xtianina nefa mahavita mitsara ny hafa tokoa amin'ny tsy fitovian'ny finoana. Efa ela aho no niaritra ny nataony satria fantany fa tsy tiako ny mifandramatra raha samy finoana dia manararaotra tokoa izy, saingy raha izaho no antsoina mpamosavy dia hozy aho hoe misia ary ny mazava fa dia i Kristy angamba no hanoro azy ny lalamahitsy vao hisokatra ny voamasony.
24. tywa68
(
14/04/2009 08:32)
Soanja > misaotra mampatsiahy fa be zavatra mahatsikaiky ao anaty baiboly ! tsy manala ny finoana lalimpaka akory zany fa maika aza maniraka ny tena hitodika @ manodidina :-*
25. rasobakobako
(
14/04/2009 08:39)
- Iza no faly raha mifandramatra eto isika ? tsy ny devoly ve
Ekeko fa betsaka ny manampahaizana, maro ny manao fikarohana, mety ho diso ireny ka mamitaka sy tsy mampandroso amin'ny finoana, mety ho marina ihany koa ka tsy azo ambaniana sy hamaivanina.
Mety ho avy amin'Andriamanitra ireny, satria Izy no manome fahalalana, mety avy amin'ny devoly koa satria izy fetsy ratsy.
Raha baiboly no resahana, tsy misy manampahaizana manokana momba an'io, ny mandalina no betsaka.
Raha ny tantara no resahana, tsy misy nanatrika izay niseho tany aloha
Raha fikarohana no resahana, tsy misy porofo mivaingana eo
Raha Andriamanitra sy Jesoa Kristy no resahana dia hoy Izy " Ny fihevitro tsy fihevitrareo"
NOHO IZANY, ampy ho ahy ny fahasoavan'Andriamanitra, ampy ho ahy ny nanoloran'i Jesoa Kristy ny ainy hamonjena ahy, tsy ho variana hamakafaka zavatra tsy mahasoa sy tsy mampandroso ny finoako aho. Fa ny fantatro dia tsotra, Jehovah Andriamanitra Tsara, Tsitoha, mahefa ny zavatra rehetra, nanome ny zanany lahy tokana (tena tiany) hanavotana ahy mpanota, maty Jesoa Kristy, nijaly mba ho avotra aho, mba ho velona aho. Nitsangana Izy, velona Izy, tsy miova izy omaly sy anio ary ho mandrakizay. Deraiko Andriamanitra.
Na iza na iza vadin'i Adama, tsy misy fiantraikany amiko izany

26. fahamarinana
(
14/04/2009 11:59)
:arrow: Misaotra anareo rehetra nanao fikarohana mikasika ny adama,eva sns! N tombony nentin'ilay dinika ho ahy dia nahatonga ahy nandray Baiboly tampoka hanadihady ihany koa ,na noho izay monja aza dia isaorako any Soanja ! :)
Ny tsapako fontsiny,haterto ary hamafisiko fa hevitro irery koa ,dia toa tahaka ny samihafa ny boky angalantsika references hany ka somary ahitana valiny karazany maro ! Eny na ny Finoantsika tsirairay avy aza moa toa misy karazany be ihany koa ,sa ahoana ?
Amiko manokana nahatsikaiky ahy ny voalaza rehetra nefa koa etsy andaniny efa haiko ireo izay hinoako dia ny Telo izay Iray !Tsy misy aha-rombaka akory ny Finoako azy ireo fa tsy mampaninona ahy koa anefa ny mamaky ny fandalinanareo !Za rahateo efa tia karokaroka sy tia fanadihadiana izay ihany koa ! :) (l)

27. ni81
(
14/04/2009 12:57)
Ny tsapako fontsiny,haterto ary hamafisiko fa hevitro irery koa ,dia toa tahaka ny samihafa ny boky angalantsika references hany ka somary ahitana valiny karazany maro ! Eny na ny Finoantsika tsirairay avy aza moa toa misy karazany be ihany koa ,sa ahoana ?raha toa ka baiboly dia nitovy.
:)
Amiko manokana nahatsikaiky ahy ny voalaza rehetra nefa koa etsy andaniny efa haiko ireo izay hinoako dia ny Telo izay Irayio no tena zava-dehibe
28. xxx
(
14/04/2009 13:10)
niryna >>> ary maninona kosa ianao no mora tohina ? ny Baiboly koa anie ka azo vakiana toy ny tantara, ijerena ny lafiny literatiora, psychologie t@ fotoan'androny ... sns e . Le livre à 1000 facettes
29. Mirananirina
(
14/04/2009 16:26)
Tsy voafitaka zany hoa nareo
Tsy vadin'i Adama zany ny lilith
Ka izay no voalaza ato ko
Qui est donc Lilith, cette figure féminine qui dans la tradition juive est réputée avoir été la première compagne d’Adam ? En partie oubliée par l’histoire et les textes d’exégèses issus de la chrétienté, Lilith prit une place sporadique et trouble dans les différents systèmes de croyances judéo-chrétiens portés sur la Femme et sa sexualité. Cette démone est au carrefour de plusieurs religions et demeure, semble t-il, la figure féminine qui témoigne le plus universellement
30. rakaroka
(
14/04/2009 19:23)
'za loha dia mbola "MAMERINA NY FISAORANA AN'i SOANJA mbô mitondra "size" mandalina sy manadihady sy manoka-tsaina toa izao e!
Tsssss ireo milaza fa nahampy azy ny baiboly ,ny telo izay iray sns
koa maninn eto fa tsy mihanina @ baiboly ftsn :roll: :?: 8O 8O 8O :roll:
Tsssss ireo milaza fa nahampy azy ny baiboly ,ny telo izay iray sns
koa maninn eto fa tsy mihanina @ baiboly ftsn :roll: :?: 8O 8O 8O :roll:
31. xxx
(
14/04/2009 22:03)
Io baiboly io tompoko dia tsy misy afaka ny hirehareha fa tena mahay an’io ,mbola vinavina sy fakana ara-keviny daholo no andraisana ny dikan’izio. Matoa ianareo fanatique tery saina ireo mbola miady hevitra eto dia midika izany fa tsy mitovy ny fampianarana azo tany ambadika tany, marina mihitsy io nolazain’i Rakaroka io manao oe fa inona no mbola alehanareo eto raha mieritreritra ianareo fa ny anareo no marina.Maro ny voalaza ao anatin’io baiboly io izay tsy milaza nininona sy tsy misy fanoharana azo raisina fa vakina dia dinganina fotsiny faza terena hohisy dikany sy hafatra avokoa,maro koa ny voalaza ao tsy voatery hotanterahina arabakiteny , anontanio aho raha tsy itanareo izany. Mahaiza mandalina sy mamakafaka fa tsy ampihotsina ny finoanareo akory izany.
Farany , raha tsy takatry ny saina ilay lohahevitra dia tsaratsara kokoa ny mifindra lohahevitra hafa fa manimba dinika fotsiny.
OK?
Farany , raha tsy takatry ny saina ilay lohahevitra dia tsaratsara kokoa ny mifindra lohahevitra hafa fa manimba dinika fotsiny.
OK?
32. ikaretsaka
(
14/04/2009 22:14)
raha hiresaka Atra sy olombelona suy vivavahana sy kristianina sns... tompoko dia tsy ao anaty baiboly ihany no manovo
averiko foana hoe ohatran'ny eau vive ny baiboly
ranon'Andranovelona ve ny eau vive> Eny!
fa ao anaty eau vive 1 tavoahangt aby ve ny ranon'Andranovelona... non!
averiko foana hoe ohatran'ny eau vive ny baiboly
ranon'Andranovelona ve ny eau vive> Eny!
fa ao anaty eau vive 1 tavoahangt aby ve ny ranon'Andranovelona... non!
33. rasobakobako
(
15/04/2009 06:01)
Misy ny sasany mora tohina. Tsy voatery hitovy hevitra foana ny olona manao dinika, izany no mahasamy hafa ny tsirairay, samy manana ny mety aminy, amin'ny sisa asio soratra toy izao ny dinika alefanareo rehefa tsy mahatanty ianareo "HO AN'IZAY MITOVY HEVITRA AMINAY IHANY", fa izahay kosa tsy maintsy mijoro ho vavolombelon'ny finoanay, toa anareo ihany koa. Eto ange tsisy mifanery hoe EKEO ny hevitro sy ny finoako e! fa samy milaza ny ao antsainy, tsy misy miteny ratsy sy manompa eo,
Amboary ihany ny fo o!
Amboary ihany ny fo o!
34. soanja
(
15/04/2009 13:26)
rasobakobako:

Misaotra anao tokoa afaka namoaka an'io satria betsaka tokoa ny olona tsy afaka ny hihevitra toa anao, asa noho ny fanabeazana azony na ny Tahotra koa sao tsy mafy orina ny finoana ao anaty.
Amiko, Soanja, dia tsy voafetra ao anaty anaram-piangonana na finoana natsangan'olombelona ho fanjakana na iasana ny finoako. Afaka misandrahaka tokoa ary vonona lalandava handray ny fahasoavan'Andriamanitra amin'izay rehetra itoeran'ny aiko sy ny ezaka ataoko hahatongavana amin'izany fiombonana ao amin'Andriamanitra izany.
35. fahamarinana
(
15/04/2009 13:50)
:arrow: Soanja o ! : za oah mbola miandry ny manaraka fa alefaso aloha jereko ! :)
:arrow: Tsy hoe tsy maintsy akia fa tahaka ny hoe mila arovantsika i Kristy nefa anie Izy no miaro antsika e ! sa diso aho eto ?....Amiko manokana izay an (l)
rasoabakobako:
fa izahay kosa tsy maintsy mijoro ho vavolombelon'ny finoanay, toa anareo ihany koa
:arrow: Tsy hoe tsy maintsy akia fa tahaka ny hoe mila arovantsika i Kristy nefa anie Izy no miaro antsika e ! sa diso aho eto ?....Amiko manokana izay an (l)
36. xxx
(
15/04/2009 13:53)
Mahavariana tokoa ilay lazain'i Ika hoe :
- lahy sy vavy no nanaovany azy
- avy eo indray hoe nanao vavy avy @ taolan-tehezan'ny lahy
- lahy sy vavy no nanaovany azy
- avy eo indray hoe nanao vavy avy @ taolan-tehezan'ny lahy
37. caprio
(
15/04/2009 20:08)
Sarotra hiany ny miady hevitra ny @ity resaka ity, satria heverin'ny sasany fa we manozongozona ny finoany hianao raha vao mba milaza ny zavatra fantatrao ao anaty baiboly,tsarovy anefa fa hatreto kaloha dia miara-manaiky isika ny @ fiasian'Atra sy Jesosy Kristy ary ny baiboly ,ka tsy hitako izay ampatahotra atsika ny @izany,ary misy koa ny sasany na dia misy porofo mazava be aza dia mbola mahita lazaina foana,ary maro mihitsy ny olona no tsy te hanaraka ny zavatra lazainao raha vao mba manitsy kely sy milaza ny marina ny ao anaty bailboly hianao na dia efa hita izao aza ny voasoratra ao dia tsy sahy manaraka izany izy fa tsy haiko we menatra angamba,ka ity misy hoatra iray:Misy ny olona milaza fa Jesosy sy Atra dia mitovy na we iray hiany,eny fa na izaho aza taloha dia nihevitra an-zany,kanefa rehefa mandinika tsara isika dia na i Jesosy aza niatso an'Atra rehefa teo @hazo fijaliana, zany we raha iray hiany jesosy sy Atra dia ny tenany hiany zany no natsoiny tamininy fotoana iny ,tsy milaza akory za we marina izay voalazako fa mba hazavao izay mahay manazava azy,ohatra fotsiny iny fa mbola maro ny zavatra izay tsy takatsika ao anaty baiboly kanefa takatry ny olona sasany, ka izay no mahatonga ahy vonona mandrakariva mba hiaino ny hevitry ny hafa
38. rakapy
(
15/04/2009 20:43)
Ka ireo mpanozongozona sy tsy mafy orina ihany anie no matahotra raha vao misy resaka hafa mivoaka ankoatra ny baiboliny eto e! Matahotra izy ireo sao dia hivoaka ny tantara tena izy satria dia fantatra mazava fa ny baiboly xana dia ampahany sy santionany tamin'ny tantara maro izay voasoratra. Azo atao hoe resume namboarin'olombelona amin'ny fahazaonany ny tenin' A/tra.
Ny an'ny sasany indray moa dia eto no heveriny fa fiangonana sy pilopitra ka mahasarotiny azy mihintsy raha vao tsy mitovy fijery aminy ny hafa.
hoy i Caprio
Io izao dia fanotaniana tsara mihintsy nefa dia vitsy mpametraka na odiana tsy apetraka. Raha io no azon'i Francis Turbo dia may Antsahamanitra.
:-D :-D :-D
Ny an'ny sasany indray moa dia eto no heveriny fa fiangonana sy pilopitra ka mahasarotiny azy mihintsy raha vao tsy mitovy fijery aminy ny hafa.
hoy i Caprio
na i Jesosy aza niatso an'Atra rehefa teo @hazo fijaliana, zany we raha iray hiany jesosy sy Atra dia ny tenany hiany zany no natsoiny tamininy fotoana
Io izao dia fanotaniana tsara mihintsy nefa dia vitsy mpametraka na odiana tsy apetraka. Raha io no azon'i Francis Turbo dia may Antsahamanitra.
:-D :-D :-D
39. rakaroka
(
15/04/2009 21:21)
rakapy:
Ny an'ny sasany indray moa dia eto no heveriny fa fiangonana sy pilopitra ka mahasarotiny azy mihintsy raha vao tsy mitovy fijery aminy ny hafa.
:-D :-D :-D :-D Marina mihitsy aloha izany fa heverin'ny sasany fa pilipitra mihitsy eto, dia ny hafa tokony mandray ftsn fa tsy misy raisina any aminy :wink: :-w :-w :-w :@ :@ :@ :-D :-D :-D
40. ikaretsaka
(
15/04/2009 21:46)
izay ilay lazaiko foana hoe rehefa eto de alefaso ny hevitra sy ny arguments momban'iny dia jereo ny contre arguments fa aza asesika be sy mitsimpona fotsiny...
efa eeeeeeela any aho ro niteny io "diso pilipitra" io oooo
efa eeeeeeela any aho ro niteny io "diso pilipitra" io oooo