Ny fijerena ny finoana amin\'ny samy olombelona
1. soanja
(
05/04/2009 00:25)
Mety tsy tena hahateny azy angamba ny lohateny fa aleo aloha io no arosoko satria mbola fanina tary amin\'ny Politika ratsy ny tenako.
Resaka efa narosoko tamin\'ny namana Rakoraka izy ity ka aleo hojerentsika amin\'izay.
Amiko ny finoan\'ny tsirairay dia miankina amin\'ny tsirairay. Izay no mahasarotra ny fisian\'ny fiangonana satria ny olona ao anatiny dia mbola olombelona ihany ka ny fisokafan\'ny fanahiny na ny fiatrehany ny finoany dia ireo fihetsika sy fomba ataony ahitana fa io no mety amin\'ny mahaolombelona azy nefa tsy miala aminy ilay fanahy, izay hinoany fa eo mitantana azy sy miahy azy. Mifandraika amin\'ny fifihazam-panahiny ny fanompoantsika an\'Andriamanitra sy ny seho ataontsika ety ivelany. Tsy mitsara antsika anefa Andriamanitra satria fantany ny momba antsika tsirairay avy.
Ohatra raisiko. Betsaka no mahita fa tsy Kristianina aho satria tsy mino tanteraka ny rehetra voalaza ao anaty baiboly nefa dia mitory ihany koa ny teny voalaza ao indraindray. Inona no mahatonga azy hiteny fa tsy Xtinina aho dia satria tsy mifanaraka amin\'ny fahitany ny atao hoe Xtianina ny fomba ataoko. Ny fisokafam-panahiny ao aminy dia mitory zavatra isan-karazany eo imasony. Hany ka gaga izy raha toa ka milaza aho fa Xtianina nefa tsy mino ny baioboly tanteraka. Satria samihafa ny zavatra hitanay na dia mitovy aza ilay Andriamanitra tompoina.
Izaho Soanja anefa dia mahita fa betsaka ao anatin\'io baiboly io no teny mitory tokoa ny fitiavan\'Andriamanitra sy ny fahasoavany ary ny fahalebeny. Ireo teny ireo amiko no manampy ahy handinika ilay Andriamanitra hinoako fa tsy voatery io teny io kosa no handidy ahy amin\'izany satria ny nanoratra an\'io dia olombelona mitovy amiko ihany ary samy notiavin\'Andriamaniyra izahay.
Ny baiboly amiko dia torolalana fa Andriamanitra kosa dia ilay Fanahy ao anatintsika tsirairay miresaka amintsika , izay hazavana azo avy amin\'izay torolalana izay. Zany hoe mety azoko jerena fotsiny ny soratra ao anaty baiboly nefa tsy hidika n\'inona n\'inona amiko raha tsy mifandray amin\'ilay ao anaty aho, dia ilay Fanahy.
Tempolin\'Andriamanitra ny vatantsika hoy ny voalaza ao anaty baiboly. Io dia midika hoe ao anatintsika i Kristy amin\'izao fotoana izao mifandray amintsika mivantana. Mila karakaraina io vatana io ary koloina hifoha hampivoitra ilay fanahy ao anaty. Tsy mety maty io Fanahy io fa ny vatana no mety maty na levona.
Lasa lavitra ilay resaka fa hoe isaky ny tsirairay dia misy fifandraisana ao anaty avy mampitony sy manome filaminana sy hatsarana ho antsika. Isika rehetra dia mikatsaka ny mahatsara antsika avy sy ny manodidina antsika raha tena mbola mam;piasa ny Fanahy ao anaty isika tsirairay. Raha misy izay dia Andrimanitra no miasa ao anaty, izay hita miseho ety ivelany ny tarany.
Tsy voalasitra anefa io finoana/ fanahy io ka tafiditra ao anaty bola iray hoe tsy maintsy ho izao sy izao. Na hoe tsy maintsy Xtianina ianao fa raha tsy izany may ny afobe. Ka raha Xtianina ianao dia izao no lalana tsy maintsy arahinao. Raha izay ny zavamisy dia tsy miantomboka avy any anaty ny fitakiana ny asan\'ny fanahy fa avy ety ivelany. Isika anefa raha olombelona dia ny ao anaty no miantomboka vao mivoaka raha te hanana Fanahy mifoha.
Noho izany dia mila midinika foana amin\'ny ao anatinao ianao. Mihaino ilay bitsika. Samy manana ny antanan-tohatra anefa izany bitsika izany satria ny fahatsapan-tena ao anaty samy manana ny azy. Dia eo no misy ny fahasamihafana na dia samy Katolika aza ka nobeazina ao anaty finoana iray dia samy mahafantatra hoe manompo Andriamanitra isika ary mivavaka sy manam-pinoana saingy tsy hahatody ny finoana misy ao amin\'i Papa Ray Masina ny finoana hisy amiko tantsaha kely ary. Mila misokatra bebe kokoa amin\'ny hafa aho ary mila mahita fiainana sy fahalalana bebe kokoa avy ety ivelany aho ary mitaky fitarihana goavana sy fahatsapan-tena goavana vao afaka hihiratra amin\'ny finoana miahy ny rehetra. Mety amin\'izao aloha dia ny fitariham-panahy akaiky indrindra ahy no mahatsara ahy. Tian\'Andriamanitra izay miseho satria manao safidy ianao amin\'ny fanatsarana ny fiainanao.
Izay misy ahy (olona tsirairay)anefa dia misy an\'Andriamanitra. Io aloha dia hinoako fa hinoan\'ny rehetra. Satria manerana Andriamanitra ary ho an\'ny rehetra fa tsy mifidy akory izy amin\'ny fitiavany. Tiany isika.
Noho izany dia tsy mitovy ny fisokafam-panahy hitako sy hitanao na dia Andriamanitra iray aza no hinoantsika. Tsy misy tombo sy hala anefa izany vesa-pitiavany izany fa itovizana ny fitiavany antsika. Ka raha silamo aho na bodista dia mino aho fa Andriamanitra iray no tompointsika satria tsy misoratra ao anaty izay karazam-pinoana izay fa zavatra avy ety ivalany napetraka ao anaty ny fiangonana sy ny anaram-pivavahana. Fa ny ao anaty kosa dia samy manana taratra mahasoa isika dia tsy iza fa ilay Andriamanitra.
Namaste hatrany!

novalian'i ikaretsaka ny 10/04/2009 21:14
2. ikaretsaka
(
05/04/2009 00:47)
amiko ry soanja tsy ny baiboly sy ny voalazany no maha kristianina fa ny finoana an'i Kristy aloha... nga ry paoly sy ry piera sns.. nahalala ze baiboly?
i Kristy no "boardin pass" hoy ilay zezoita izay fa ny baiboly no "flight manual sy frequence plus ary accesoire de vol"
raha resaka Kristianina no resahina..
Fa na izany na tsy izany de misy firesak'i mark Twain izay manao hoe
ary marina ny azy

hoeSo much blood has been shed because of an omission from the Gospel: "Ye shall be indifferent as to what your neighbor's religion is." Not merely tolerant of it, but indifferent to it. Divinity is claimed for many religions; but no religion is great enough or divine enough to add that new law to its code.
ary marina ny azy
3. soanja
(
05/04/2009 01:23)
Ny tiako tenenina eto anie ry Ika dia tsy ny Xtianina akory fa ny finoan'nyn rehetra.
Sahy hilaza ve isika fa tsy ahita an'Andriamanitra sy tsy manana an'Andriamanitra ny olona tsy Xtianina?
Tsia hoy aho. Andriamanitra dia an'ny rehetra fa ny finoana no misandrahaka ary na samy iray fiangonana aza dia samy manana ny fihiratan'ny fanahy mahita Azy sy ifandraisany Aminy.

4. lasa
(
05/04/2009 09:48)
Raha araka ny hevitrao ry Soanja,mba hazavao fohy fa tsyazoko mihintsy,maninona angaha no matetika toa tahaka ny mifanohitra ireo voalaza ao@baiboly rehefa tena dinihana?
5. rakaroka
(
05/04/2009 14:24)
Ny teny isan' ny nanitikitika ny saiko indrindra "fahakely" dia "NY FINOANA !", ary isan'ny naha-Rakaroka ahy mihitsy angamba ny "fanadihadiana sy "fandalinana maaaaaro" hatry ny ela izany noho ny tsy fianinan'ny saiko
@ hoe "minoa fotsiny ihany!", sy ny "contraste isan-karazany teraky ny finoana sy ny mpino". Na olona iray fiangonana izao aza dia samy manana ny "heviny sy ny filazany" mikasika ny "versé" andininy iray aza! Ary teo @ sehatra isan-karazany nonalovana dia maaaaaaro tokoa ireo mitonon-tena ho xtiana , ary samy manifika ny hafa ho tsy izany loatra.Noho izany voatery nanao fikarohana hoe : "iza aza no tena izy?...ahoana ny tena todiky ny fiainana, Iza marina no tokony arahina ?...

6. rakaroka
(
05/04/2009 14:31)
T@ kilasy 6 ème aho 'lay niezaka nitady porofo hoe misy tokoa ve ity antsoina hoe "Fanahy"?....Ka ilay fanahy tsy ilay ao an-dohako na ny tapikitra @ hafa izay tsy hita izay hanavahana ilay fanahy @ eritreritra tsotra! Dia nanao ilay "verre tournant" iny aho sy ireo namako vitsy ! Ary dia voaporofo fa
"Misy tokoa ny fanahy" izay separable @ tenantsika izao , satria tsy nisy vatana hafa niresahana , ary tsy ny "eritreritro" na ny an'ny namana no namaly fa "hafa" mihitsy, satria ny valin-teny dia samy tsy tao an-tsainay !

7. rakaroka
(
05/04/2009 14:36)
Dia nino tokoa ny fisian'ny "Fanahy aho"! Ny "fametrahana hoe fanahy ratsy na tsara sns .... tsy tonga tao an-tsaiko avy hatrany satria nisy ilay resaka hoe
"fantaro aloha!" vao maka "sintona!...
"fantaro aloha!" vao maka "sintona!...
8. rakaroka
(
05/04/2009 14:45)
Dia rehefa notomoerina ny olona isan-karazany, ny "tsapa" dia samy manana ny fomba fijeriny, araka ny "intuition"-ny angamba?...na ny toerana nisiany avy, na araka ny "fahalalana" sy koltora nananany aby, ny "manodidina" , ny nibeazana azy !
Ohatra "araka ny ohatr'ilay namana iray izay : "maty ny jiro"
misy manao hoe : "mbela devoly!"
misy ny misaina hoe "delastage!"
misy ny mijery ny "interupteur" sns ....
Dia ny saina niatrika izany rehetra izany no manao fandinihina indray hoe inn marina aza no fototry ny fahafatesan'ito jiro :roll: :roll: :?: :?:

9. rakaroka
(
05/04/2009 14:57)
Isan'ny zavatra iray tsy neken'ny eritreritro mihitsy ny fahatsapana fa mitsitongana be ihany ny "fiainan-janak'olombelona eto an-tany !".
Misy manana BBbbbbe , misy na mikikitra toa inn aza toa tsy mahita mangirana ! Tena ontsa tanteraka ny (l) Nahoana indrindra 'hoy aho, raha tsy miangatra Atra no mitsingilana ka misy tombo sy hala angaha ?....'Nefa voalaza fa Atra fahamarinana sns , tsy tokony ho hita taratra izany . Tsy mety amin'ny fisainako fa nisy nohariana hiadana na hijaly satria raha izany dia tsy
nanome safidy ny olona izany izy:?: :roll: , noho izany tsy tokony melohina koa ny olona lazaina fa nanota raha izy no efa nikotrika ny rôle ho izany !

10. rakaroka
(
05/04/2009 15:25)
Misy t@ "fampianarana" misy no azo lazaina fa mamaly ny "antonantony" poitran'ny tsy fitovizana na ara-sedra na ara-fifohazam-panahy, ary nanazava fa
Nohariana mitovy tam-boalohany ary izao isika dia efa tsimbalivalin'ny lasantsika ! Nisy efa nandia in-100 000 vies ary misy ny vao 1000 ohatra !
Misy ny manefa ny tsy nety nataony omaly , misy ny mioty ny nataony omaly!
Heuuuuu.....misy ny "havanana @ talenta iray satria mety efa nataony sy nandrian'ny sainy teo aloha izany !".
Raha ireo dia tsy miangatra sy "Marina kokoa Atra satria "iharan'ny nataony ny tsi1-1
Ary voalaza koa fa mi-tendre vers "Christ" ny "imagen'ny tsirairay en géneral".
Izany hoe ny "Christ" dia olona efa nahatratra "niveau spirituel élevé".
Ary izany no nahatarafana ny "endrika" Christ" isan-karazany teny ho eny, sy tany ho any izay samy taratry ny fhm teo @ nisiany aby !
Ity fampianarana iray ity koa dia nampianatra fa mifamatotra ny zava-misy iainana, ny siansa sy ny finoana , misy "processus" na "concept" miteraka
seho iray hafa (loi de cause à "effet") dia izany "loi" izany mitsimbalivaly mbola mitoetra hatrany @ fiainana sy ny tsy heverintsika ho fiainana intsony aza amin-drizareo! Dia tsimbalivalin'izany no misy !
Ka ny finoana dia araka ny "seho manoloana sy iainana indrindra!"

11. coopsal
(
06/04/2009 12:07)
rakaroka:
T@ kilasy 6 ème aho 'lay niezaka nitady porofo hoe misy tokoa ve ity antsoina hoe "Fanahy"?....Ka ilay fanahy tsy ilay ao an-dohako na ny tapikitra @ hafa izay tsy hita izay hanavahana ilay fanahy @ eritreritra tsotra! Dia nanao ilay "verre tournant" iny aho sy ireo namako vitsy ! Ary dia voaporofo fa
"Misy tokoa ny fanahy" izay separable @ tenantsika izao , satria tsy nisy vatana hafa niresahana , ary tsy ny "eritreritro" na ny an'ny namana no namaly fa "hafa" mihitsy, satria ny valin-teny dia samy tsy tao an-tsainay !
==> Zah ndray tsy nieritreritra hoe misy tokoa ve ny fanahy sa tsy misy, fa nanontany pasitera sy olona mpivavaka aho hoe "ka rehefa firy taona aza ny olona no manomboka misy fanahy e?" ... Tsy nisy olona nahavaly ahy an'izany.
Fa Jesosy kosa namaly ny fanontaniako rehetra, nanonmboka tamin'ilay hoe "Raha misy marina ianao Jesosy dia lazao amiko ny anton'izao", dia hoy Izy hoe : "Raha tsy nisy an'izao ianao tsy nitodika taty amiko" ... Izay aho vao nino fa misy marina Jesoa.
12. coopsal
(
06/04/2009 12:24)
rakaroka:
Isan'ny zavatra iray tsy neken'ny eritreritro mihitsy ny fahatsapana fa mitsitongana be ihany ny "fiainan-janak'olombelona eto an-tany !".
Misy manana BBbbbbe , misy na mikikitra toa inn aza toa tsy mahita mangirana ! Tena ontsa tanteraka ny (l) Nahoana indrindra 'hoy aho, raha tsy miangatra Atra no mitsingilana ka misy tombo sy hala angaha ?....'Nefa voalaza fa Atra fahamarinana sns , tsy tokony ho hita taratra izany . Tsy mety amin'ny fisainako fa nisy nohariana hiadana na hijaly satria raha izany dia tsy
nanome safidy ny olona izany izy:?: :roll: , noho izany tsy tokony melohina koa ny olona lazaina fa nanota raha izy no efa nikotrika ny rôle ho izany !
==> Zah koa efa mba nieritreritra an'izany rakaroka. Ny tena nampahonena ahy indray mandeha dia izaho rehefa nandalo tamin'ireo olona falehako (4 mi ireo), tsy programa vita io, fa teny an-dalana aho nivavaka dia toa tsapako hoe mila mankany @ izy ireo. Efa nanao programa fa hanamboarako trano kely izy ireo, hividianako matériaux sy matériels dia izy ihany no hanamboatra ny trano.
Nandalo aho ary rehefa nanontany azy ireo dia nilaza izy hoe "3 andro izao izahay no efa tsy nihinan-kanina". Ontsa ny foko ary nanontany an'i Jesosy aho hoe : "Fa maninona aza Tompo no misy olona dia tsy mihinan-kanina 3 andro izany ?" Fa araka ny voasoratra hoe "Na dia ny ratsy fanahy aza dia omeNy ny fivelomana koa!" [Matio 5:], noho izany, tsy Andriamanitra no tsy manome fa ny olona no tsy mandray izay omen' Andriamanitra, na mandray ihany fa tsy mampiasa araka izay nanomezan' Andriamanitra azy izany. Ary hitako io satria ndrakty ny androany tsy mbola vita ny tranon'ireo olona, fa rehefa avy nividy ny hazo sy ny fitaovana aho dia dia hoy ndray zareo taty aoriana hoe "namidin'i ranona sy ranona ilay hazo sy fantsika ... sns!". Inona moa no azoko hatao ? Andriamanitra tenaNy aza tsy afaka hanao mihoatra noho ny fanomezaNy. Rehefa tsy mandray ny olombelona, Andriamanitra tsy manery azy ireo, satria ilay fanahy misafidy no ihavahan'ny olona amin'ny zava-boahary hafa rehetra.
Fa izany rehetra izany koa anefa dia endriky ny fandavan'ny olombelona ny fanomezam-panahy atolotr' Andriamanitra.
Raha ny amin'ny tsi-fitoviana indray dia hoy ny Apostoly Paoly hoe : "Fa ny sasany nomena voninahitra bebe kokoa, ary ny sasany nomena voninahitra kely kokoa, mba homen'izay manana betsaka izay tsy manana".
13. coopsal
(
06/04/2009 12:36)
rakaroka:
Misy t@ "fampianarana" misy no azo lazaina fa mamaly ny "antonantony" ... 100000 vies, ... sns
==> Resaka réincarnation io teneninao io ? Raha izany no marina dia tsy misy tombony velively satria na dia izay fahotana efa vitako tamin'ny fiainako lasa aza tsy fantatro, ny fiainako lasa mihitsy tsy fantatro. Ary raha nanota aho tamin'ny fiainako taloha, ahoana no hananako antoka fa ho afaka ny trosako ? Izaho mantsy izany @ ity fiainako izao ity sady manefa ny trosa t@ teo aloha no mbola tsy maintsy idiran-trosa vaovao satria fakam-panahy io rehetra io ary manota impiry aho isanandro? Tsy ho tratrako amin'izany mihitsy ny fahamasinana.
Ny amin'ilay explication ny tsifitovian'ny fananana aloha dia toa tsy mampino ahy, satria misy mpanakarembe ratsy fanahy beeeeuuuh! Nefa raha ilay finoana ihany dia mifanaraka izany ny haben'ny harena sy ny toetran'ny olona (satria efa afaka nanefa trosa bebe kokoa).
rakaroka:
Ka ny finoana dia araka ny "seho manoloana sy iainana indrindra!"
Marina izany, i Jesosy no niseho tamiko, miseho amiko, ary iainako isanandro araka ny teniNy hoe "Izaho no lalana sy fahamarinana ary FIAINANA", koa izay avy amiNy rehetra no ekeko sy inoako, Izy mihitsy no inoako. Ary izany no anekeko ny tenin'i Paoly hoe : "Il nous est réservé de mourir une seule fois, après quoi vient le jugement"
14. coopsal
(
06/04/2009 12:49)
ikaretsaka:
amiko ry soanja tsy ny baiboly sy ny voalazany no maha kristianina fa ny finoana an'i Kristy aloha... nga ry paoly sy ry piera sns.. nahalala ze baiboly?
i Kristy no "boardin pass" hoy ilay zezoita izay fa ny baiboly no "flight manual sy frequence plus ary accesoire de vol"
raha resaka Kristianina no resahina..
==> Vao aninkeho aho no nahatsiaro an'Ikaretsaka teny an-dalana handeh hiasa. Marina tokoa io, tsy ny famakiana baiboly na ny fitondrana ny anarana hoe kristiana no mahavonjy fa ny finoana an'i KRISTY irery. Araka ny tenin'i KRISTY izay hain'ny mpino hoe : "tsy misy mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako".
ikaretsaka:
Fa na izany na tsy izany de misy firesak'i mark Twain izay manao hoehoeSo much blood has been shed because of an omission from the Gospel: "Ye shall be indifferent as to what your neighbor's religion is." Not merely tolerant of it, but indifferent to it. Divinity is claimed for many religions; but no religion is great enough or divine enough to add that new law to its code.
ary marina ny azy
==> Ouz ny wikipedia hoe "c'est l'un des plus grands humoristes américains". Tsy haiko na isan'ireo humourn'i Marc twain ity na tena heviny, fa raha tsy nandre an'i Jesoa Kristy aho dia mety mba ho niombon-kevitra tamin'io.
Any an-danitra tsy hisy humour! Fa araka ny tenin'i Jesoa hoe "Fa tsy misy ny takona izay tsy ho hita ary tsy misy miafina izay tsy hitranga".
Anyway, in the heaven, will He be indifferent or tolerent to Jesus' presence ?
15. ikaretsaka
(
06/04/2009 20:21)
Indraindray ange ry coopsal ka avy @ humour na ilay fijery tsy ampoizintsika no miseho ilay \"marina tsy filaza\" sy ilay zavatra fantantsika sy fataontsika fa odiantsika fanina, ary matetika ilay izy na hatsikana aza ny fotaovana nampitana ilay hevi dehibe...rehefa dinihina dia ireny aza no mahatonga saina hoe hmmm tena marina tokoa izany kle... sady mihomehy irery ny situation ianao rehefa tena mamisavisa azy.
Anisan\'ny \"vehicule\" @ fitoriana koa ny humor... I Md Piera ohatra fony izy mbola apostoly tsotra talohan\'ny nidinan\'ny fanahy masina taminy, I Md sebastien, I Md Philippe Neri. Ary anisan\'ny mampalaza azy 3 lahy mianaka ireo ny hoe saint of humor

16. soanja
(
07/04/2009 04:37)
lasa:
Raha araka ny hevitrao ry Soanja,mba hazavao fohy fa tsyazoko mihintsy,maninona angaha no matetika toa tahaka ny mifanohitra ireo voalaza ao@baiboly rehefa tena dinihana?
Tsy hoe akory mifanohitra ny voalaza ao anaty baiboly fa ny baiboly dia boky nosoratana tao anaty fotoana lavabe tokoa raha ara-tantara sy ara-potoana. Isaky ny mpanoratra dia nanome ny heviny avokoa satria sady toloran'ny fanahy masina fahazavana izy no sady koa mbola olombelona ihany ka miezaka mahafantatra hoe nahoana tokoa no izao no misy? Dia izay fiheverany eo no soratany satria io fisokafam-panahy ananany. Tsy afaka ny hahita ny lavitra be izy. Fantany anefa fa tena misy Andriamanitra ary mitahy!
Ohatra raisiko hoe raha isika izao anisan'ny zavatra tena zavadoza ny hoe hametaveta zaza. Io anefa tsy tafiditra tao anaty didy folo. Ohatra koa hoe zavatra tsy rariny ny fananana andevo. Io anefa tena isan'ny zavamahazatra tamin'izany andro izany. Andriamanitra anefa dia mitsinjo sy mitia ny rehetra. Mila fantarintsika izany ny fotoana iainantsika sy ny manodidina antsika fa miresaka Andriamanitra, fa tsy ho voatery hiaina ao anaty zavatra tsy mifanaraka amintsika intsony isika.
Ny tena goavana anefa dia tia antsika Andriamanitra ary i Jesoa Kristy dia porofo goavana hilazana izany fitiavany izany. Tonga Izy mba hanavotra antsika sy hanome antsika ny torolalana ny atao hoe fitiavana an'Andriamanitra, ny fahasoavany ary fahaizantsika mizara izany amin'ny hafa na izay akaiky antsika na ny fahavalontsika aza! Io no hafatra ao anaty baiboly amiko. Dia manenika io ao anaty baiboly ka izay tena madinidinika entina hanabatiana ny hafa sy hambaniana ny hafa mpino na tsy mpino dia tsy hitondra izany hafatra izany velively ka zara lasa mivilana ny fampitana ny hafany.
Misaotra indrindra nanontany!
:-* :-* :-* :-*
17. soanja
(
07/04/2009 04:39)
rakaroka:
Ny teny isan' ny nanitikitika ny saiko indrindra "fahakely" dia "NY FINOANA !", ary isan'ny naha-Rakaroka ahy mihitsy angamba ny "fanadihadiana sy "fandalinana maaaaaro" hatry ny ela izany noho ny tsy fianinan'ny saiko
@ hoe "minoa fotsiny ihany!", sy ny "contraste isan-karazany teraky ny finoana sy ny mpino". Na olona iray fiangonana izao aza dia samy manana ny "heviny sy ny filazany" mikasika ny "versé" andininy iray aza! Ary teo @ sehatra isan-karazany nonalovana dia maaaaaaro tokoa ireo mitonon-tena ho xtiana , ary samy manifika ny hafa ho tsy izany loatra.Noho izany voatery nanao fikarohana hoe : "iza aza no tena izy?...ahoana ny tena todiky ny fiainana, Iza marina no tokony arahina ?...
Tsara tokoa izany ary mitombina tokoa!
18. soanja
(
07/04/2009 04:43)
rakaroka:
Misy t@ "fampianarana" misy no azo lazaina fa mamaly ny "antonantony" poitran'ny tsy fitovizana na ara-sedra na ara-fifohazam-panahy, ary nanazava fa
Nohariana mitovy tam-boalohany ary izao isika dia efa tsimbalivalin'ny lasantsika ! Nisy efa nandia in-100 000 vies ary misy ny vao 1000 ohatra !
Misy ny manefa ny tsy nety nataony omaly , misy ny mioty ny nataony omaly!
Heuuuuu.....misy ny "havanana @ talenta iray satria mety efa nataony sy nandrian'ny sainy teo aloha izany !".
Raha ireo dia tsy miangatra sy "Marina kokoa Atra satria "iharan'ny nataony ny tsi1-1
Ary voalaza koa fa mi-tendre vers "Christ" ny "imagen'ny tsirairay en géneral".
Izany hoe ny "Christ" dia olona efa nahatratra "niveau spirituel élevé".
Ary izany no nahatarafana ny "endrika" Christ" isan-karazany teny ho eny, sy tany ho any izay samy taratry ny fhm teo @ nisiany aby !
Ity fampianarana iray ity koa dia nampianatra fa mifamatotra ny zava-misy iainana, ny siansa sy ny finoana , misy "processus" na "concept" miteraka
seho iray hafa (loi de cause à "effet") dia izany "loi" izany mitsimbalivaly mbola mitoetra hatrany @ fiainana sy ny tsy heverintsika ho fiainana intsony aza amin-drizareo! Dia tsimbalivalin'izany no misy !
Ka ny finoana dia araka ny "seho manoloana sy iainana indrindra!"
Miaiky anao aho Rakaroka! NAMASTE tanteraka. Iombonako ny hevitra.
:-* :-* :-* :-*
19. soanja
(
07/04/2009 04:56)
coopsal:
rakaroka:
Isan'ny zavatra iray tsy neken'ny eritreritro mihitsy ny fahatsapana fa mitsitongana be ihany ny "fiainan-janak'olombelona eto an-tany !".
Misy manana BBbbbbe , misy na mikikitra toa inn aza toa tsy mahita mangirana ! Tena ontsa tanteraka ny (l) Nahoana indrindra 'hoy aho, raha tsy miangatra Atra no mitsingilana ka misy tombo sy hala angaha ?....'Nefa voalaza fa Atra fahamarinana sns , tsy tokony ho hita taratra izany . Tsy mety amin'ny fisainako fa nisy nohariana hiadana na hijaly satria raha izany dia tsy
nanome safidy ny olona izany izy:?: :roll: , noho izany tsy tokony melohina koa ny olona lazaina fa nanota raha izy no efa nikotrika ny rôle ho izany !
==> Zah koa efa mba nieritreritra an'izany rakaroka. Ny tena nampahonena ahy indray mandeha dia izaho rehefa nandalo tamin'ireo olona falehako (4 mi ireo), tsy programa vita io, fa teny an-dalana aho nivavaka dia toa tsapako hoe mila mankany @ izy ireo. Efa nanao programa fa hanamboarako trano kely izy ireo, hividianako matériaux sy matériels dia izy ihany no hanamboatra ny trano.
Nandalo aho ary rehefa nanontany azy ireo dia nilaza izy hoe "3 andro izao izahay no efa tsy nihinan-kanina". Ontsa ny foko ary nanontany an'i Jesosy aho hoe : "Fa maninona aza Tompo no misy olona dia tsy mihinan-kanina 3 andro izany ?" Fa araka ny voasoratra hoe "Na dia ny ratsy fanahy aza dia omeNy ny fivelomana koa!" [Matio 5:], noho izany, tsy Andriamanitra no tsy manome fa ny olona no tsy mandray izay omen' Andriamanitra, na mandray ihany fa tsy mampiasa araka izay nanomezan' Andriamanitra azy izany. Ary hitako io satria ndrakty ny androany tsy mbola vita ny tranon'ireo olona, fa rehefa avy nividy ny hazo sy ny fitaovana aho dia dia hoy ndray zareo taty aoriana hoe "namidin'i ranona sy ranona ilay hazo sy fantsika ... sns!". Inona moa no azoko hatao ? Andriamanitra tenaNy aza tsy afaka hanao mihoatra noho ny fanomezaNy. Rehefa tsy mandray ny olombelona, Andriamanitra tsy manery azy ireo, satria ilay fanahy misafidy no ihavahan'ny olona amin'ny zava-boahary hafa rehetra.
Fa izany rehetra izany koa anefa dia endriky ny fandavan'ny olombelona ny fanomezam-panahy atolotr' Andriamanitra.
Raha ny amin'ny tsi-fitoviana indray dia hoy ny Apostoly Paoly hoe : "Fa ny sasany nomena voninahitra bebe kokoa, ary ny sasany nomena voninahitra kely kokoa, mba homen'izay manana betsaka izay tsy manana".
Azoko lazaina fa miombon-kevitra amin'ny coopsal aho eto saingy kosa ny hany hampiavaka azy angamba dia ny fipetrahana amin'ny fahantrana sy safidy ho mahantra ary ny asa manoloana izany no ahafantsika mahalala hoe hatraiza ny fifohazam-panahin'ny olona sahirana sy mahantra iray. Eo dia tokony hisy ny firesahana amin'Andriamanitra avy amin'ny tsirairay tafiditra ao anatin'io fifandraisana io. Ohatra hoe ianao sy ireo mahantra. Ianao miezaka mihaino mangina ny hafatr'Andriamanitra matoa nihaona tamin'ireo olona ireo, ry zareo koa dia tokony hahanana fahatsapana avy amin'Andriamanitra ny handraisany anao. Io fifandraisana io no hisian'Andriamanitra na i Kristy. Tsy voatery hampivoatra ara-pitaovana ny isanisany avy fa na ny fisianao mifandray aminy fotsiny dia efa ampy fa miasa i Kristy.
Betsaka tokoa mantsy ny miezaka aza mody tsy mahita ireo mahatra ary heveriny fa aretina misoko ny fisian'ireo ka sao mihanaka. Dia ny fifohazam-panahy eo amin'ny ilay odiana tsy hita sy ilay mody tsy mahita dia mampalahelo an'Andriamanitra tokoa. Ny fiahiana dia tsy voatery ara-pitaovana fa ny fivavahanao miaraka amin-dry zareo na mangina ho anao samirery ho andry zareo dia mety hanampy tokoa ny fisian'ny tsirairay.
20. lasa
(
07/04/2009 13:24)
Misaotra indrindra t@ valinteny fa na dia somary fohy aza dia tena feno tokoa ary nahafa-po tanteraka.Dia samy hotahian'ny Tompo isika rehetra.