Zah vonona hisolaleka!

21. patrick2002 ( 02/04/2009 15:58)
Samoana:

lasa hatsikana sy lalao izy izany =))
Iza no mba afaka manazava tsara ny dikan'ny hoe "misolelaka" fa tsy azoko sary an-tsaina loatra :roll: ?



tsy azony samoana ve ny dikany izany eh!
au sens propre misolelaka dia hiafina eo ny fofony na masiso aza . =)) =)) =))
au sens figure indray dia miara miasa aminy ianao ,tsy mitsikera na dia hita aza fa ratsy no hataony ,sahala @ hoe namono olona Ravalo teny Ambohitsirohitra dia lazaina fa niaro tena izy ,nangalatra Ravalo dia lazaina fa mitady vola izy, managadra izay tsy mitovy hevitra aminy Ravalo dia mpampihorohoro ireny ,ka iza no tsy misolelaka matoa mbola mankafy any Ravalo .
Raha ny fahazahoako ny teniny Soanja dia afaka miara miasa tsara @ Andry Rajoelina izy na dia efa hita fa Ratsy fanombohana ny fanjakany TGV ,azo t@ alalany herisetra .
Izaho indray dia aleo hasina herisetra rehefa tsy misy fitsipi-dalaho mazava
hala-bato no nataonao ,tsy hajainao ny fahefan'olona na dia lany ben'ny tanana izy ,fa tsy homenao budget, manao abut de pouvoir Ravalo ,ka dia aleo jho any ,nataony DJ kelinay =)) =)) =))
luckie luke contre joe dalton letsy ah! =)) =)) =))
22. Djhamhal ( 02/04/2009 16:02)
Ny dikan'ny oe sorona @ politika de olona atao tohatra hakana fahefana ! fa na iza na iza teto @ ty firenena ity naka fitondrana tsy maintsy nisy ny sorona fa mandainga zay tsy nanao zany ary ny tiako ho fantatrareo tsara de ny politika de toy ny jeux d'echec ka miainga @ny pion no sorona ary ny roi no farany indrindra vao tapitra ny lalao eny fa na de ny rène aza mbola foin'ny roi zany !!! ka mahaiza mandinika tsara !!!!
23. patrick2002 ( 02/04/2009 16:07)
zah anie mba gaga eh! aiza koa no misy jeneraly hitari tafika fa ny sergent foana no ambahady n'ady eny miaraka @ soldat
24. dylane ( 02/04/2009 16:18)
enao tena tsy mis saina miitsy.ra za no aotranao de menatra za fa mba ol mba misaina ve enao?tena fohy loatra tsy maita afatsy ny ambanin oronao.eny e ra zany toetsainao zany alo de tsy mety amko fa mila miady alo fa tsy tonga de oe misolelaka zany.SARINDIKY ENAO FA MITANDREMA!
25. soanja ( 02/04/2009 16:22)
xxx:

soanja:

Ny tsy hisian'ny herisetra no tiako ahatongavana. Tsy tsara raha aroso atao sorona ny vahoaka madinika nefa ianareo eto ambony latabatra mahita horesahina ery satria tsy manana ny maty.
aoka re tompoko o ! aiza re zany e ! marina mihintsy ilay voalazan'ranamana atsy ambadika hoe t@ nanaovan'i tgv sorona ny vondron'olona dia tsy mba teto i soanja,
fa hono hoa e? fa iza no nanao sy manao SORONA ny olona ? natao sorona ny olona nohentina teny ambotsirohitra nefa ny mpitarika nitsaoka taiza ? aoka marina mafy e ! natao sorona ny "mpiandry" natao sorona ny makorelina fa tsy nahita hafitsoka intsony dia mody lazaina hoe vadin'ny miaramila misarona voaly! aiza re zany e ! FA IZA MARINA NO NANAO SORONA NY OLONA ? NATAO SORONA NY ZAZA ! tena manao fanahiniana hoe tsy mahafantatra an'ireo rehetra ireo ve i soanja sa tara, sa, koi keu hay moa hisolelaka ? diso angamba aho





Ny tiako resahina dia hoe AOKA IZAY NY SORONA! Samy namono daholo na Ra8 na i TGV na i Ratsiraka. I Zafy aloha tsy fantatro loatra fa ny dadatoako no nisy nanapataka ny vatany tamin'izy hitanay efa maty. Mpanolotsainan'i Zafy izy tamin'izay. Mino aho fa madio i Zafy.

Tsy mankasitraka herisetra aho ary tsy isan'ny hanohana herisetra saingy kosa raha mboa hisy foana ny olona voavono dia hiteny aho hoe aoka izay ny fihantsiana sy ny fandrabirabiana sns... ekeo izay eo mba tsy hifandirana ara-batana sy hisian'ny ra mandriaka. Ny saina koa tsy mipetraka fa mitady izay mety hahatafavoaka antsika Malagasy.Asio fahanginana kely aloha ieritreretana izay misy.

Aza antsoina hitolona sy ho any an-dalambe na hivorivory ny olona fa io no mahafaty izao.

Non Violence ny tarigetrako!

Tsy zakako ny violence na eto amin'ny sehetra aterineto aza. Izay no nampisitaka ahy taminireny fotoana ireny. Nitomany, nisaona ho an'ireo niharan'ny tsy zaka ny tenako. Izao kosa aho hiteny hoe aoka izay ny fihatsiana. Izay lasa homban'ny lasa ny ho avy hatrehina tsara!




26. soanja ( 02/04/2009 16:24)
patrick2002:

Samoana:

lasa hatsikana sy lalao izy izany =))
Iza no mba afaka manazava tsara ny dikan'ny hoe "misolelaka" fa tsy azoko sary an-tsaina loatra :roll: ?



tsy azony samoana ve ny dikany izany eh!
au sens propre misolelaka dia hiafina eo ny fofony na masiso aza . =)) =)) =))
au sens figure indray dia miara miasa aminy ianao ,tsy mitsikera na dia hita aza fa ratsy no hataony ,sahala @ hoe namono olona Ravalo teny Ambohitsirohitra dia lazaina fa niaro tena izy ,nangalatra Ravalo dia lazaina fa mitady vola izy, managadra izay tsy mitovy hevitra aminy Ravalo dia mpampihorohoro ireny ,ka iza no tsy misolelaka matoa mbola mankafy any Ravalo .
Raha ny fahazahoako ny teniny Soanja dia afaka miara miasa tsara @ Andry Rajoelina izy na dia efa hita fa Ratsy fanombohana ny fanjakany TGV ,azo t@ alalany herisetra .
Izaho indray dia aleo hasina herisetra rehefa tsy misy fitsipi-dalaho mazava
hala-bato no nataonao ,tsy hajainao ny fahefan'olona na dia lany ben'ny tanana izy ,fa tsy homenao budget, manao abut de pouvoir Ravalo ,ka dia aleo jho any ,nataony DJ kelinay =)) =)) =))
luckie luke contre joe dalton letsy ah! =)) =)) =))


Ra-Pat raha teto akaiko Ise d'efa voalelaka tsara tokoa ny takolaka ihany anefa!


:-* :-* :-* :-*
27. xxx ( 02/04/2009 16:34)
Zah vonona hisolaleka!


dia misy ny adala asa raha mba misaina izy itony
28. Noue ( 02/04/2009 16:48)
rasobakobako:

Izaho indray aloha tsy hisolelaka @ olombelona izany velively e! hanompoko an'i Jesoa Kristy ny fotoana tokony hanaovako an'izany. Raha olona samy olona dia aleo fifanajana, fifandeferana, fifankatiavana no ampiasaina fa JAMAIS hisolelaka.



29. soanja ( 02/04/2009 17:00)
xxx:

Zah vonona hisolaleka!


dia misy ny adala asa raha mba misaina izy itony


Azonao antsoina hoe adala, tsy ampy saina sns aho fa ny tenako dia tsy maintsy hitady hevitra rehetra hampiodinana ny raharaham-pirenana tsy ao anaty ra mandriaka fa ao anaty fandriampahalemana.

Ny asa tsy maintsy hitohy, ny olona tsy maintsy hisakafo ary tsy natao hifandirana intsony izao fotoana izao fa fanekena fa io no zavamisy. Mila taktika ny fiainana.

Afaka hidina amin'ny farany ambany indrindra ny tenako raha ilaina mba hanomezana fahafahana ny madinika hanana fiainana milamina. Ny ahy tsinona efa milamina dia anjarako indray ny hijery izany ho an'ny hafa.


30. ravonjison ( 02/04/2009 17:13)
soanja:

Tsy haiko aloha ianareo fa ny tenako dia vonona hisolelaka amin'ity fanjakana vaovao ity satria izay ihany no hitako fanafody hanarenana ny firenena na hoe fika farany azo ampiharina.

Mila manaiky isika mianakavy fa ok aloha ny zava-drehetra izay tiany apetraka eo dia miangavy azy ireo hanomboka ny fikarakarana ny fifidianana manaraka ary any no manao izay mety hahalany izay tiantsika. Raha misy ny halabato dia akory atao fa izay zany ilay firenentsika hatramin'izao. Mahatsiaro ny vahoaka Cubanina aho dia izay no nataondry zareo dia niodina ny fiainan'ny olona na dia fadiranovana aza ry zareo dia mba tsy ra mandriaka lava no miseho.

Mandritry izany fotoana izany anefa dia miezaka mifandray amin'ny fampianarana sy ny fanabeazana ho iray loha ny vahoaka (focus) amin' izay mba hanana olom-banona afaka isika 40 taona eo no eo. Any angamba dia mba efa lasa any ankoatra aby ny dinozoro rehetra amin'izao ary masoandro vaovao no miposaka amintsika sy ny firenentsika.

Mino mantsy aho fa na dia ratsy aby aza ny fahitantsika ny ankamaroan'ny mpitondra amin'izao dia tsy hilaozan'ny iray na maromaro tena mieritreritra tokoa ny hahatsara ity firenena ity saingy tsy afa nanoatra izy teo amin'ny fitondrana teo aloha.

Misy Fanantenana ao amin' i Madagasikara saingy mila paika milamina fa tsy maika velively.

Atsipy ny tady ho eny an-tandroky ny omby, atsipy kosa ny teny dia ho am-pon'ireo mahalala.
:-* :-* :-*



Hono oa ry Soanja, misy fanontaniana apetrako aminao ity raha azonao valiana: ohatra hoe afaka 6 mois misy olona mpanao politika mipoitra eo dia averiny tsara antsipirihiny ny nataon' i Andry : manifestation, fanaratsiana, lainga, ... alainy ny fahefana, ahongany i Andry, dia efa mipetraka eo izy. Manontany anao aho : ekenao ve ny nataon'io olona io sa tsia ?
31. Oay ( 02/04/2009 17:32)
Ravonjison a! za aloha tsy soanja fa ohatrany mba misy azoko lazaina ny @ io d izao!
Afaka 6 mois d ekeko ny fanonganampanjakana eny andalambe raha toa ka:
_95% ny mpikambana ao @ antenimierampirenena d TGV ary ny ankamroany d mpiasan' INJET.
_100% ny mpikambana ao @ antenimierandoha olona d TGV ary ny filohan'i andrimpanjakana io d mpiasan'i Andry Rajoelina.
_Raha toa i Andry Rajoelina d manao ny hafa tsy misy fa manao valiteny anavona.
_Raha toa i Andry Rajoelina mikasa hivarotra tanindrazana @ daewoo antsokosoko.
_Raha toa i Andry Rajoelina mividy fiaramanindina kanefa ny vahoaka maty noana.
_Raha toa i Andry Rajoelina ka tsy mamela ny sasany hifanina aminy fa mamorona lalàna hiarovana an'i INJET.
_Raha toa i Andry Rajoelina ka manararaotra mamorona lalana mba tsy handoavan'ny orinasany ny hetra.
_Raha toa i Andry Rajoelina mirotsaka mitondra fiangonana ka mampifangaro ny asampanjakana @ asampiangonana.
_Raha toa ka ngejain'i Andry Rajoelina ho anazy irery ny TVM sy ny RNM
Rehefa ataon'i Andry Rajoelina ireo d na afaka iray volana aza d azo atao ny midina andalambe
32. rakaroka ( 02/04/2009 19:45)
Tadidiko tsara i Ravalo t@ 2002 tsy tonga dia ni-reconnaissévan'ny "opinion internationale ohatr'io mihitsy, satria araka ny video nalefan'i xxx io dia voalaza fa plutôt Ratsirakiste ny Frantsay sns...izay lojika be satria io no nifampiraharaha t@ rizareo aloha !.... :-w :-w :-$ Dia miblablabla Frantsa , SADEC ,ONU,sy ny mpamatsy vola isan-karazany 'nareo .... Ny tsy azonareo loatra angamba dia izao, an'ny gasy aloha i Madagasikara, dans un premier temps, ka dia izay hanaovan'ny gasy sy izay tiany ifandraisana arakaraka ny "accord diplomatika" te hifandray aminy!
De toute façon "tetezamita" no "lalovantsika ankehitriny" . Aza miady ety ambony tetezana sao latsaka ao anaty rano ! 2 taona izany anie sy betsaka, raha hikotrika ny ekipa andrarezina tianareo apetraka sy holanian'ny vahoaka ianareo!
Ary volaniko "mazava eto fa tsy possible" ny iveranan-dRavalo avy hatrany, satria na nanendry olona iara-miasa aminy aza izy farany teo "sahirana" tokoa!
Ary nahagaga koa 'nareo mpomba azy tato tsy nandray ny andraikitra t@ ireny fa somary "tara" kely dia eto vao manala! Dia lasa "fanasoketana olona"
sy fanambaniana olona sisa no mba fiadiana :^) :^) :^)
33. vilambava ( 02/04/2009 20:43)
Raha manan-janaka sy efa niteraka i SOANJA dia mampanahy ahy ihany ny fomba fitaizany. Raha oharina amin'ny heviny dia tahatahaka izao ny fomba entiny mitaiza hoe: efa hitany fa misy lavaka be manoloana ny zanany vao miana-mandeha dia avelany handroso ihany io zanany io fa tsy sakanany mba ho jerena raha mahay mandeha tokoa na tsia.
Efa hita izao fa olona tsy alehany mihitsy no mitondra ny firenena ary hita fa hantsana sy lavaka lalina dia lalina no hitondrany azy dia hoe avelao aloha ho hita ny fahaizany mitondra: Vonona HISOLALELAKA (hisolelaka no tena fitany fa diso io) aho. Vao manomboka dia hita fa baranahiny no manjaka dia avela hanohy ihany ve? Vao manomboka dia hita fa tsy misy manaiky azy ny fianakaviana iraisam-pirenena rehetra dia mbola avela mandeha ihany ve? Vao manomboka dia gadra afaka sy manana heloka no asaina sy averina amin'ny asany dia avela handeha ihany ve? Vao manomboka dia olona tsy mahalala izay atsimo sy avaratra amin'ny resaka fitondrana no fidina ho mpanara-maso sy mpiara-miasa dia avela handeha ihany ve (io no azo andikana ny valin-tenin'i Ialy Rakotoniaina raha nanontanian'ny mpanao gazety izy: Faly aho nefa tsy mahafantatra hoe inona no tokony hatao satria vao sambany no hiditra amin'izany fitondrana izany ka ho hita eo ihany)? Sa tiana ho entina aiza ity nosy ity? Ho any amin'ny FAHALEVONANA sa ho any amin'ny FAHAVELOMANA?
34. fijo ( 02/04/2009 21:08)
soanja an,tsy mitovy ny "manaiky tsy sazoka" sy ny misolelaka"
ny manaiky tsy sazoka,dia miharitra izay misy eo.
ny misolelaka,dia miara petsapetsa amin'izay eo.
35. soanja ( 02/04/2009 23:05)
fijo:

soanja an,tsy mitovy ny "manaiky tsy sazoka" sy ny misolelaka"
ny manaiky tsy sazoka,dia miharitra izay misy eo.
ny misolelaka,dia miara petsapetsa amin'izay eo.


Misaotra an'i Fijo izany nanome fanazavana fa io hoe " miaritra tsy sazoka" io zany no mety amiko.

Zah mantsy taloha rehefa maheno olona miteny dia hoe misolelaka amin-dRatisraka ireny e, misolelaka amin-dRa8 ireny, mpisolelaka ireny. Dia ny hitako amin'io anefa dia ilay olona miasa ao anatin'ilay fitondrana ary mampiodina ny fandehan-javatra ao mba hisy vokany. Manao izay mety hiaramiasa. Dia io no tiako tenenina hoe n'inona n'inona zavamisy dia tsy afaka ny hiantona ny raharaham-pirenena mampiodina ny asa ary tsy maintsy hitohy. Ny programa efa voaomana tsy azo atao hoe an an ajanona aloha ity fa tsy tiako ny fitondrana izao sns... ny tantsaha tsy hahalala izay any an-tananarivo any fa ny asa vita no fantany. Zah rateo tsy lehibe tao ampovoantany ka misy tena voambolana tsy tena arako tsara ny fampiasa azy.

Ny tiako tenenina dia vonona aho hiresaka amin'ny ministeran'i rano sy ala ary ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra sns.. dia mitady izay marimaritra iraisana eo amin'ny asa sy ny atao hanatsarana an'i Madagasikara. Ra8 mantsy teo tsy naovoka an'izay mihitsy aloha tamin'ny asa nataoko. Ianareo tsinona ambony latabatra no betsaka fa ny ahy tsy maintsy any an-tsaha dia io no ataoko. Ao anatin'izay anefa dia sady ezahiko koa ny hifandray sao misy tiandry zareo hanampiana momba ny resaka izay mba haiko sy ny azoko anampiana avy amin'ny lafiny hafa na aty na any.

N'inona n'inona zavamisy dia tsy hijanona ny tsy hanompo anao aho ry Gasikara, izay no filamatro ka no vetavetaina aza ny momba ahy na lazaina fa nilelaka n'iza, tsy azoko tsinoavina ny fahaveloman'ny maro mila ny asako noho izany.

Ny mahavoa antsika Gasy dia be ambopo loatra angamba ka tsy sahy hisedra izay tokony hosedraina! Azafady Sitlo amin'ny teny. Izay no olana tamin-dRa8 nanipy gants izy nony hitany fa tsy naovoka. Dia mitady hiverina koa anefa.

Anareo indray!


36. soanja ( 02/04/2009 23:09)
vilambava:

Raha manan-janaka sy efa niteraka i SOANJA dia mampanahy ahy ihany ny fomba fitaizany. Raha oharina amin'ny heviny dia tahatahaka izao ny fomba entiny mitaiza hoe: efa hitany fa misy lavaka be manoloana ny zanany vao miana-mandeha dia avelany handroso ihany io zanany io fa tsy sakanany mba ho jerena raha mahay mandeha tokoa na tsia.
Efa hita izao fa olona tsy alehany mihitsy no mitondra ny firenena ary hita fa hantsana sy lavaka lalina dia lalina no hitondrany azy dia hoe avelao aloha ho hita ny fahaizany mitondra: Vonona HISOLALELAKA (hisolelaka no tena fitany fa diso io) aho. Vao manomboka dia hita fa baranahiny no manjaka dia avela hanohy ihany ve? Vao manomboka dia hita fa tsy misy manaiky azy ny fianakaviana iraisam-pirenena rehetra dia mbola avela mandeha ihany ve? Vao manomboka dia gadra afaka sy manana heloka no asaina sy averina amin'ny asany dia avela handeha ihany ve? Vao manomboka dia olona tsy mahalala izay atsimo sy avaratra amin'ny resaka fitondrana no fidina ho mpanara-maso sy mpiara-miasa dia avela handeha ihany ve (io no azo andikana ny valin-tenin'i Ialy Rakotoniaina raha nanontanian'ny mpanao gazety izy: Faly aho nefa tsy mahafantatra hoe inona no tokony hatao satria vao sambany no hiditra amin'izany fitondrana izany ka ho hita eo ihany)? Sa tiana ho entina aiza ity nosy ity? Ho any amin'ny FAHALEVONANA sa ho any amin'ny FAHAVELOMANA?


Ka ny zanakao ve izany no tianao atao sorona eo! Mino aho fa lavitra an'i Mada ny zanakao matoa ianao miresaka toy izao.

Masina ny aina ary mila fandinihana ny zava-drehetra. Ny olona tokony hanolotra ny ainy ho an'i Gasikara lasa teo. Tsy tsara ny hamela ny hafa hanao izany satria ny mitady seza no betsaka fa ny zavabita teo nanimba ny hafa!

Matoa mangotraka isika izao dia satria nisy ny fanipazana kitay sy ny fameloman'afo. Arosy izay mahavelona Tompoko!


37. bazylou ( 02/04/2009 23:23)
dia inoan anefa ny olnana e!!?? aza be fialona asy be kritika fa rehefa resy aianreo dia tokonyhipetraka e!! ianareo aza mbola miniana ilay teny ambohitsorohitra ihany!!! efa resy ho aho dia mipetraha !!!
TGV izao no prezda dia aza be menomenona fa ny anareo efa nidemissionna e!!!
:roll: :roll: :roll:
38. soanja ( 03/04/2009 02:07)
rakaroka:


Ary nahagaga koa 'nareo mpomba azy tato tsy nandray ny andraikitra t@ ireny fa somary "tara" kely dia eto vao manala! Dia lasa "fanasoketana olona"
sy fanambaniana olona sisa no mba fiadiana :^) :^) :^)


Tena lasa toetra mahazatra mihitsy io fanasoketana sy famoroporonana ny zavatra tsy nataon'olona io no ato ka. Tsy mahagaga anefa izany satria be tahotra ny Malagasy ary tsy mahatoky tena no betsaka. Mila foana ny tohan'ny namany sady matahotra ny hotsarain'ny namany.








39. ravonjison ( 03/04/2009 13:17)
Oay:

Ravonjison a! za aloha tsy soanja fa ohatrany mba misy azoko lazaina ny @ io d izao!
Afaka 6 mois d ekeko ny fanonganampanjakana eny andalambe raha toa ka:
_95% ny mpikambana ao @ antenimierampirenena d TGV ary ny ankamroany d mpiasan\' INJET.
_100% ny mpikambana ao @ antenimierandoha olona d TGV ary ny filohan\'i andrimpanjakana io d mpiasan\'i Andry Rajoelina.
_Raha toa i Andry Rajoelina d manao ny hafa tsy misy fa manao valiteny anavona.
_Raha toa i Andry Rajoelina mikasa hivarotra tanindrazana @ daewoo antsokosoko.
_Raha toa i Andry Rajoelina mividy fiaramanindina kanefa ny vahoaka maty noana.
_Raha toa i Andry Rajoelina ka tsy mamela ny sasany hifanina aminy fa mamorona lalàna hiarovana an\'i INJET.
_Raha toa i Andry Rajoelina ka manararaotra mamorona lalana mba tsy handoavan\'ny orinasany ny hetra.
_Raha toa i Andry Rajoelina mirotsaka mitondra fiangonana ka mampifangaro ny asampanjakana @ asampiangonana.
_Raha toa ka ngejain\'i Andry Rajoelina ho anazy irery ny TVM sy ny RNM
Rehefa ataon\'i Andry Rajoelina ireo d na afaka iray volana aza d azo atao ny midina andalambe



Alohan\' ny amaliako ty teninao dia misy fanamarihana itý. Hoy ianao:Rehefa ataon\'i Andry Rajoelina ireo d na afaka iray volana aza d azo atao ny midina andalambe.
Ny midina andalambe ka maneho hevitra dia normal, atý Eoropa atý dia misy izany foa matetika isam-bolana,tsy iny mihitsy ny olana. Ny tiako ho resahina eto eto dia ilay maka ankeriny ny fahefana. Samihafa mihitsy ireo fa aza afangaro.

Manarak\' izany: betsaka ireo antony nosoratanao, ny iray amin\'ireo ihany no halaiko hanohizana ny resaka.
Hoy ianao hoe: _Raha toa i Andry Rajoelina ka manararaotra mamorona lalana mba tsy handoavan\'ny orinasany ny hetra.

@ fomba ahoana ary no hilazanao sy hanamarinanao fa nanararaotra namorona lalána mba tsy handoavany hetra Rajoelina ?

40. Oay ( 03/04/2009 16:15)
Tsotra be izany é!
Ohatra mampiasa taratasy sy ranomainty betsaka ny orin'asan'i Andry Rajoelina d tsy rariny ohatra raha toa ka manamboatra lalana izy mba homora ny habatseranana aloha @ ireo zavatra ilainy ireo.Na hoe satria mila manatsara ny fitaovana ampiasainy ao @ orin'asany i Andry Rajoelina ka izany fitaovana izany d mila afarana avy any ivelany ka d tsy ahoana tsy ahoana eo d mamoaka lalàna manao hoe foano aloha ny habatseranana @ ireto entana ireto.Zavatra ohatran'izany é!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0546