Mbola tianareo ve ny hiverenan'i Ra8?
1. soanja
(
28/03/2009 19:09)
Ka izy efa nametra-pialana? efa nifona sns fa nanao diso. Tsy aleo amin'izay ve mba hijanona ny rotaka sy ny fivorivoriana... sns fa mba fampandriana ny firenena hanana filaminana no tadiavintsika?
Tsy hitako izay hiadivana toerana amin'izay efa niala. Tsy mahasoa azy sy ny vahoaka ny teo. Misaotra azy ny tenako saingy mitsodrano azy, veloma masina dia mba olombaovao indray no mandray ny andraikitra.
Aleo hojerene any fizotr'ity fitondrana vaoavao ity! Aleo io no hatsaraina sy harenina izay tsy mety fa ny lasa efa lasa re.... Mifona tompoko! Mivalo aho raMalagasy! Omeo aina ny zazakely mba hiaina. Avelao ny basy sy ny tafondro.

novalian'i moi ny 30/03/2009 05:25
3. rakaroka
(
28/03/2009 19:20)
Tsapako fa betsaka ny fiharian-karena teo ambany vahoan-dRavalo! Donc tsy maintsy hiharo ny "tombontsoany" ireny;
Nihoa-papana kosa anefa ny gasy lasa ankilabao koa, dia ireo mi-revolte!...
Izay no tsy maha-pora ity raharaha! "Chacun garde ses beeftecks!"

4. xxx
(
28/03/2009 19:23)
raha tena hitady filaminana sy fampandrosoana d aleo izy hiverina, fa miverina miaraka aminy ny mpamatsy vola ary governemanta misokatra ho any rehetra no hatsangany, 2taona sisa ny mandat, d tsy hitako mihitsy zay tena nanalana azy teo, zao tena vao maika sahirana tanteraka lé firenena.
5. molota
(
28/03/2009 19:24)
adinonao sahady nga fa tafondro sy Basy no nampihorohorona azy? ra tena démocrate marina ianao dia miandry ny amin' 2012, ary tsy fantatrao koh anga fa io TGV io no nahatonga ny Basy tafondro voalohany teto nangalany io fitondrana io tsy mijanona intsony io na hivavaka @iza na iza? ra mbola io no mitondra eto! manatena ny tsy misy andraso eo Paoly!! :-D :twisted:
6. Noue
(
28/03/2009 20:08)
soanja:ka Ravalomanana anie tsy niala eee ! nomeny an'ny militaires ny pouvoir, midika zany fa rehefa milamina io dia miverina izy! ilay izy koa anie tsy oe manohana azy oe ahoana eee ! ka raha tsy izy aza dia ho iza? iza no azo hapetraka eo?
Tsy hitako izay hiadivana toerana amin'izay efa niala. Tsy mahasoa azy sy ny vahoaka ny teo. Misaotra azy ny tenako saingy mitsodrano azy, veloma masina dia mba olombaovao indray no mandray ny andraikitra.
ny ahy kosa aloha dia tsotra ihany ee ! raha samy hanohana ihany dia aleko lavitra oa manohana an'Ravalomanana toy izay ireo ekipan'ratsiraka ireo! tsisy fanatisme mahintsiny ny ahy fa raha misy olona afaka hasolo azy ka tsy ekipan'ratsiraka dia ok
7. soanja
(
28/03/2009 20:15)
Noue:
soanja:ka Ravalomanana anie tsy niala eee ! nomeny an'ny militaires ny pouvoir, midika zany fa rehefa milamina io dia miverina izy! ilay izy koa anie tsy oe manohana azy oe ahoana eee ! ka raha tsy izy aza dia ho iza? iza no azo hapetraka eo?
Tsy hitako izay hiadivana toerana amin'izay efa niala. Tsy mahasoa azy sy ny vahoaka ny teo. Misaotra azy ny tenako saingy mitsodrano azy, veloma masina dia mba olombaovao indray no mandray ny andraikitra.
Fa maninona no nomena an'ireo miaramila ny fitondrana aloha nefa ireo efa fantany fa nisahotaka tao anatiny/ tsy vitany izany ilay izy matoa natolony ny hafa? Na niala izy na tsy niala dia hitako fa niala andraikitra izy raha nitsoaka fa raha mba nitazona ny teniny izy ohatra dia niara niady teo na tahatahak'izay. Matoa nanao izany amiko dia efa nanipy gants. Miara maty amin'ny vahoaka dia isan'ny fahamasinana tokoa indrindra raha nanao soa sy nitsimbina ny hafa?
Tsy mbola misy azo lazaina fa mahafapo eo aloha saingy kosa aleo hajanona ny ady lava amin'ny toerana fa mampisy ra mandrika tokoa. Amiko tokony jerena akaiky ny hitadiavana filaminam-pirenena haingana fa tsy hoe samy hidrikina amin'ny heviny dia ny vahoaka madinika maty sy potehina tokoa.
Jereo amin'ny fomba tsy mitongilana re!
8. rakaroka
(
28/03/2009 20:30)
'za aloha dia nandre t@ olona maaaro kosa fa "mpanambany sy mpanimpazimba sy tsy mpandraraha olona izay Ra-8, ary hita taratra eo amin'ny "fomba famaly sy fametraka fanontanian'reo mpomba aza eto koa aza io toetrany io" . Ka ny olona manana "EGO" tafahoatra loatra tahaka izany dia
"MANAHIRANA" tokoa raha tolorana fahefana.
Olona "afaka hihevitra sy hitsimbina ny vahoaka sy mahay miara-miasa amin'ny manodidina azy no inoana fa hampandroso ity firenena" .
Ka n'iza n'iza izay dia andrandraina!"

10. ifiona
(
28/03/2009 20:42)
soanja:
Fa maninona no nomena an'ireo miaramila ny fitondrana aloha nefa ireo efa fantany fa nisahotaka tao anatiny/ tsy vitany izany ilay izy matoa natolony ny hafa? Na niala izy na tsy niala dia hitako fa niala andraikitra izy raha nitsoaka fa raha mba nitazona ny teniny izy ohatra dia niara niady teo na tahatahak'izay. Matoa nanao izany amiko dia efa nanipy gants. Miara maty amin'ny vahoaka dia isan'ny fahamasinana tokoa indrindra raha nanao soa sy nitsimbina ny hafa?
Tsy mbola misy azo lazaina fa mahafapo eo aloha saingy kosa aleo hajanona ny ady lava amin'ny toerana fa mampisy ra mandrika tokoa. Amiko tokony jerena akaiky ny hitadiavana filaminam-pirenena haingana fa tsy hoe samy hidrikina amin'ny heviny dia ny vahoaka madinika maty sy potehina tokoa.
Jereo amin'ny fomba tsy mitongilana re!
Ny fahitako azy aloha tsy sitrapony ny niala teo, saingy amiko izy dia noterena (efa niara nahita ny fomba faneren'ireo miaramila an'ilay jeneraly hametra-pialana iny ohatra), ka amiko dia nitovy t@ iny ihany no nanaovany azy.
Adinonareo sahady ve ilay tenin'ilay colonel t@ rfi talohan'ny nametrahan'i ravalo ny fahefana t@ directoire hoe: le président doit démissionner. C'est tout. d hoy ilay journaliste: et s'il résiste? d hoy ilay colonel: il ne résistera pas, normalement. S'il résiste, on en parlera aux éléments de la garde présidentielle.
Nareo ve tsy gaga hoe talohan'ny 17 mars d'efa natoky tena be ery ilay colonel??? hoe tsy hi-résiste lery fa aza taitra nareo ka.
11. soanja
(
28/03/2009 20:49)
ifiona:

Marina izany mety noterana izy. Izy tadidiko niteny fa tsy hiala. Saingy niala izy matoa natolony ny hafa ny fitondrana. Noho izany tsy FIDINY ny niala tena ekeko io. Saingy kosa hoy aho amiko raha tena tiany ny vahoaka dia tsy nitsoaka izy fa nijanona teo ary nitanty izay azo notantesana teo. Amiko raha tena tiany ny fireneny dia nanao izay nahatsara ny fireneny izy ary tsy manaiky ny terivozona sy ny hafa fa nijoro ho filoha.
Izay no mahafiloha ny filoha miara mitolona amin'ny vahoaka ary miara maty amin'ny vahoaka! Fanekena dia fanekena!
Tsy izany no zavanisy satria fantany ny nataony. Hitany ny fahalemeny ary nanipy gants izy!
Aoka ny adiseza tompoko fa mijaly ny taranaka!
12. yonikafopl
(
28/03/2009 21:00)
Soanja a,raha ny fahazahoako ny tantara de tsy nitsoaka Ra8 fa nitady fanampiana sy nila vonjy any amin'ireo firenena heveriny fa tena namana mba hamonjy ny vahoaka malagasy eo antanan'ireto terorista reto,raha nijanona teo izy tsy hijery izay vahaolana ho an'ireo vahoakany,hanao ahoana no hiafarana. asa kalou fa zay no fandraisako azy e
13. sitlo
(
28/03/2009 21:02)
Soanja:
Mbola tianareo ve ny hiverenan'i Ra8?
Tsy hitako izay ahasolo azy.
Mety hafetsena izany.
Mety tsy mazoto ny hitondra ny manan-tsaina fa matahotra ny ainy.
Eny mampalahelo hoe maninona raha omena ny vahiny any ny ressources: zavamaniry, biby, harena an-kibon'ny tany... dia miaina amin'ny minibus sy ny akanjo sinoa mandra-pahafaty.
Fa raha jerena ny any amin'ny firenena tena mahantra, tsy ho laitra kosa angamba izany. Isaorana an'Andriamanitra nomeny antsika ireo harena ireo. Aleo kosa angamba mba ampiasaintsika hiadanantsika.
Raha TGV aloha dia pire noho Ratsiraka fa mba diniho tsara ange eh.
14. xxx
(
28/03/2009 21:13)
Tena manao bain-drahalahy tsy marary ilay Soanja marina mafy. Izaho aloha anisan'ny faly raha tsy ra-8 no mpitondra ka misy mpitondra tsaratrasa kokoa noho izy no eo. Kanefa mampalahelo ihany ny fomba nentina nanalana azy teo amin'ny fitondrana. Ekena fa maro ny tsy nety izay nataony. Fa dia herisetra no nanalana azy.
Koa raha apetraka amin'io soanja io ary ny fanontaniana hoe: iny fa misy basy marovava atohoka any aminao dia tsy hisy reaction ataonao ve? Mamy ny miaina.
Na ny mpitarika ny TGV aza angaha tsy nanao tari-dositra tahaka an'io ihany nefa tena nilokaloka fa na basy na tafondro sns.... kanefa dia nahavatra nisitrika sns.
Koa aza manao fitsarana tsy voahevitra fa mba olona nahita fianarana ihany re tompoko o.

15. soanja
(
28/03/2009 21:23)
yonikafopl:
Soanja a,raha ny fahazahoako ny tantara de tsy nitsoaka Ra8 fa nitady fanampiana sy nila vonjy any amin'ireo firenena heveriny fa tena namana mba hamonjy ny vahoaka malagasy eo antanan'ireto terorista reto,raha nijanona teo izy tsy hijery izay vahaolana ho an'ireo vahoakany,hanao ahoana no hiafarana. asa kalou fa zay no fandraisako azy e
Mety ho izay tokoa no heviny. Manaja azy aho raha izay no heviny saingy kosa raha mba azony hazavaina amiko hoe nahoana no nogiaziny ho azy samirery ny harem-pirenena isan-tokony ny ankamaroany ary noteriteren'ny famoahan-kevitra tokony hilaza izay tsy zakany tamin'ny fitondrany dia misokatra aminy ny foko!
Afaka hilaza ve i Yonikafopl fa tsy nanao fampiaram-pahefana tsy amin'ny ara-drariny izy tamin'ny fomba ankolaka na mibaribary indraindray? Nitsinjo ny rehetra ve izy?
Tsia, niova i Ra8 ary tena nampiditra ny firenena tamin'ny pataloha tery matoa izao no nitranga. Amiko tsy mendrika azy ny ho eo. Aleo ny hafa indray jerena!
Tsy mahasoa ny adiseza fa ianao hianjera moa ny hafa potsitra!
16. xxx
(
28/03/2009 21:30)
Na tsy mendrika azy io na mendrika dia ny fanarahan-dalana no tokony ho natao. Tsy azo natao ve ny nikotrika sy namorona tetika nahafahana nandresy azy amin'ny fifidianana amnaraka?
Tsy nisy fanagiazana tahaka tamin'ny andron-dRatsiraka kanefa rehefa maty paika ny zavatra rehetra dia resy ihany izy. Izao lasa aiza ilay Madagasikara? Henatra sy fahafaham-baraka no azo. Ny vahoaka no mitrosina amin'ny tany izao noho ny ambom-po diso toerana sy ny tsy fahaizana mijery ny ampitso.
Amiko dia tsotra. Tsy mendrika ny hitondra Ra-8, kanefa tsy mendrila lavitra noho izany ny fomba nanalana azy sy ny fihetsika ataon'izay milaza azy ho mpitondra ankehitriny. Tsy toe-tsaina malagasy io amiko.

17. soanja
(
28/03/2009 21:31)
xxx:
Tena manao bain-drahalahy tsy marary ilay Soanja marina mafy. Izaho aloha anisan'ny faly raha tsy ra-8 no mpitondra ka misy mpitondra tsaratrasa kokoa noho izy no eo. Kanefa mampalahelo ihany ny fomba nentina nanalana azy teo amin'ny fitondrana. Ekena fa maro ny tsy nety izay nataony. Fa dia herisetra no nanalana azy.
Koa raha apetraka amin'io soanja io ary ny fanontaniana hoe: iny fa misy basy marovava atohoka any aminao dia tsy hisy reaction ataonao ve? Mamy ny miaina.
Na ny mpitarika ny TGV aza angaha tsy nanao tari-dositra tahaka an'io ihany nefa tena nilokaloka fa na basy na tafondro sns.... kanefa dia nahavatra nisitrika sns.
Koa aza manao fitsarana tsy voahevitra fa mba olona nahita fianarana ihany re tompoko o.
Raha tsy diso aho dia naheno azy niteny fa hiara maty amin'ny vahoaka izy. Tsy hiala izy hatramin'ny farany. Maninona raha mba tonga teny Antanimena izy nefa ry FFKM nahazo ny tsy zaka tary. Azafady tompoko o! Miara maty amin'ny izay efa nekeko aho.
Rehefa vonona ny hitondra vahoaka ianao dia vonona ny ho faty ho an'ny vahoaka. Amiko aina daholo ireny nafoy teny Ambohitsirohitra ireny ary ampitoviako amin'ny ain-dRa8 ny halebean'ireny aina ireny samy mamy ary samy miady mafy amin'ity fiainana ity mba ahita masoandro.
Aza avela takonan'ny afon'ny lalan'ny tany ny fahazavanao fa raiso ny andraikitra nekenao ho fanatsarana ny tontolo! Mijoroa amin'izay efa nekena tompoko! Aza miady seza fa rehefa niala dia niala ary rehefa namindra fahefana dia efa tsy anjaranao intsony izany.
Mazotoa mivavaka ho an'ny firenentsika ary aza manao maso mitongilana velively raha tiantsika tokoa ny hanana ny rariny.
Tsy misy soa hasolo an'i Ra8 eo fa izy koa aloha tsy nahavita izay mba noheverina sy nanomezana azy voninahitra teo. Aleo anjaran'ny hafa indray ny hitondra. Mipoitra eo izy rehefa tonga ny fotoana!
Ampiasao ny tenin-dRa8 sy ny tenin'Andriamanitra hoe MINOA FOTSINY IHANY fa ny zava-drehetra miasa ho amin'ny mahasoa!
18. Andribe
(
28/03/2009 21:40)
aleo wa za no filoha sady za manodina volabe :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
19. pink
(
28/03/2009 22:20)
soanja:
Ka izy efa nametra-pialana? efa nifona sns fa nanao diso. Tsy aleo amin'izay ve mba hijanona ny rotaka sy ny fivorivoriana... sns fa mba fampandriana ny firenena hanana filaminana no tadiavintsika?
Tsy hitako izay hiadivana toerana amin'izay efa niala. Tsy mahasoa azy sy ny vahoaka ny teo. Misaotra azy ny tenako saingy mitsodrano azy, veloma masina dia mba olombaovao indray no mandray ny andraikitra.
Aleo hojerene any fizotr'ity fitondrana vaoavao ity! Aleo io no hatsaraina sy harenina izay tsy mety fa ny lasa efa lasa re.... Mifona tompoko! Mivalo aho raMalagasy! Omeo aina ny zazakely mba hiaina. Avelao ny basy sy ny tafondro.
Aza manontany ny hevitry ny olona fa araho tsara ny zava-misy taloha sy ankehtriny fa izay no mahavaly ny fanontanianao..
piston:iza no tena be vava, be hery setra,mpanao didijadona na mpanao ramatahora..
Mahakely finoana ihany fa betsaka ny film entiny journalistes mandehandeha erantany...ny zava-nisy teo ve hanome confiance izao tontolo izao...
20. soanja
(
28/03/2009 22:37)
Raha manketo aho dia hilaza ny hevitro sy hanontany ny hevitrareo.
Fantatro ny taloha ary hitako ny anio.
Raha hiady ny hiverenany ianareo dia azoko heverina fa vonona hanao sorona ny olon-tsy manantsiny be tokoa!
Manasa tanana aho no ho izany! Avereno ary izy fa dia hisokatra amin'ny Malagasy maro an'isa ny varavaran'ny fasana.
Tolory saina MATSILO ny olonao Andriamanitra hahalala ny fetran'ny filana ny fitondrana eto an-tany.