Gasy sasany aty an-dafy sy rehefa Tonga any DAGO

81. gabidemony ( 02/04/2009 21:06)
Misy de misy tompoko ny ho tafitohina sy mahatsiaro menatra ary manongo tena eo @ manodidina indrindra fa ny havany akaiky mahita izany satry ny marina tsy maintsy hivòka fòna de hitodika eny @ havany, ny RaR ny olona mahita ny hadalana, ny zesita ary ny lainga ataony fa izy tsy ho tongasaina @zavatra ataony @'iny fotoana iny.
82. kofbay ( 04/05/2009 12:21)
tsikiowa:

gabidemony: marina ihany aloha ny anao fa maro no midehaka...
Fa kosa ity fitsaranao sy fanambanianao hoe mifatratra amin'ny asa fast food na supermarch�, oh rey olona e! fa angaha ny asa misy ratsy rehefa tsy mivaro-tena sy mangalatra , lazaiko anao fa mahavelona io asa nolazainao io any ivelany...... aza dia manambanimbany fa tsy ny asa birao ihany akory no azo atsoina hoe asa mendrika....

1000 euro ve ahavelona e! io ve no hokaontiana vola gasy dia hoe 13.500.000 fmg dia hoe volabe? Izay anie no mahavoafitaka ny be sy ny maro e! Marina fa tsy misy ny asa ratsy, fa handeha lavitra mba ho lasa serveur, popmiste, agent de nettoyage, livreur sns kosa ve? Tsy aleo nijanona teto an-tanana? Normal be ireo gasy any andafy raha hifampitsoatsoaka, sy tsy mahalala fomba rehefa mifanena!

83. ni81 ( 05/05/2009 18:02)
1000 euro ve ahavelona e! io ve no hokaontiana vola gasy dia hoe 13.500.000 fmg dia hoe volabe? Izay anie no mahavoafitaka ny be sy ny maro e! Marina fa tsy misy ny asa ratsy, fa handeha lavitra mba ho lasa serveur, popmiste, agent de nettoyage, livreur sns kosa ve? Tsy aleo nijanona teto an-tanana? Normal be ireo gasy any andafy raha hifampitsoatsoaka, sy tsy mahalala fomba rehefa mifanena!
:lol: :lol: :lol: Tsy hitako mihitsy izay olana @ fandehanana lavitra! Vola no ho tadiaviny ka maninona? Tsy aleony ve mandray an'io 1000euros io toy izay handeha hangalatra na hitanina andro fotsiny raha tsy mahita asa atao izy ireo?
84. tiris8786 ( 28/08/2015 15:39)
izahay kosa aloha tsy mba manao an'ireo voalaza eo ambony ireo e na avy aty andafy aza e (izany hoe tsy avy any paris akory fa toerankafa fa aty ivelany ihany). tsotsotra ihany, ny tena ve moa dia tsy mba hanao metimety na izany aza satria vao maika koa ataon'ny olona resaka hoe mba avy any ihany nefa toa manao pozy mitsipozipozy, ny olona koa tsy mila tanisaina zay fiainanao aty fa vao mijery dia mahita hoe mba ok zany e!
miteny gasy foana rahateo ary mihinana sakafo gasy tsara be rehefa manao vacances. tsy misekoseko fa ny havana havana ihany tsy azonao avela indrindra ny ray amandreny nahitana masoandro ary ny tany boribory hoy ny fitenenana.
misy ny manana ary misy ny tsy manana nefa ireo anankiroa ireo dia mety ho samy afaka manao vacances daholo any Dago.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3072