Nitsangana tamin'ny maty Izy ..dia nampandainga ny miaramila

1. niryna ( 11/03/2009 17:45)
7 Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo Aho.

8 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin'ny mpianatra.

9 Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.


10 Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy
11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanàna ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.

12 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila

13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay;

14 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.

15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany. Matio 28


Maninona no niankohoka teo amin'ny tongotr'i kristy ny mpianany ,fantany ?

Ny miaramila dia natory ka rehefa nilaza ny lohan'ny mpisorona ireo dia nivory niaraka tamin'ny loholona ika dia nampandaingany ny mpiambina ary notambazany volabe mba andainga ny governora fa nalain'ny mpianaNy ny fatiny

Inona no mety antony e ? Inona no eritreritrao amin'io tantara io ?

fa maninona no tambazana vola ny miaramila andainga ?

(l) niryna
novalian'i niryna ny 18/03/2009 04:01
2. ikaretsaka ( 11/03/2009 18:19)
Tsy aleon'i niryna any aorianan'ny paka any io lohahevitra io vao apoitra? Misy ireo namana kristianina mbola ao anaty karemy @ izao fotoana izao ka aleo aloha tsy hadalaina @ izany ny sainy fa lasa voadingana be ny film...
Sa ahoana?
Misaotra indrindra
3. yvonKEL ( 11/03/2009 18:47)
ka mitovy @ io tantara io mitsy ny zava misy; ny mpitondra fivavahana miaro jiolahy ,ny miaramila vitsy tambazana vola de mikomy sy manaonao foana.
Mahaiza mandinika sy mamakafaka tsara. tsy hoe efa akaiky na oe mbola lavitra ny farany fa fampitahana fotsiny. tsy toriteny akory hihihihi
4. Fody ( 11/03/2009 18:48)




Ny karemy tsy midika ho fihondrehana amin'ny fijaliana sy ny fahorina, fa fitrakana kosa. Fotoana natokana hiandrandrana indrindra ny fitsanganan-ko velona ao aorinan'ny fijaliana sy ny fahafatesana, fa tsy handinihana ny fijaliana sy fahafatesana fotsiny akory.

Aza adino fa i Kristy raha nilaza ny tsy maintsy hijaliany sy ny tsy maintsy maintsy hafatesany, dia nilaza mandrakariva ny tsy maintsy hitsanganany amin'ny maty koa. Noho izany, zavatra roa tsy azo sarahina ny karemy sy ny Paka.

Am-pitiavana be.
5. ikaretsaka ( 11/03/2009 19:06)
ny tiako hotsipihina de hoe misy fotoanany ny zavatra rehetra.. tsy manda ny hoe tsy tokony hisaraka ilay izy tahaka ny hoe tsy misy ny ririnina raha tsy misy ny fahavaratra.. fa le hiresaka dadabe noely @ alakamisy masina kosa ohatra somary hafahafa ihany sa?
izany no tiako ambara!
6. bobone ( 12/03/2009 07:59)
Niryna: misaotra @ ilay dinika fa fiainanan'ny Malagasy mihitsy io! tambazana vola ! hoy ny SM hoe ny ''vola no fototry ny ratsy rehetra! '' teren'ny fitiavam-bola ny olona dia miteraka ho azy ny lainga ny fitaka, fitiavan-tena , voninahitra sns!
sitrany ahay vazana mihetsika e! t@ andron'i Jeso dia efa nisy ny fitambazana vola mandraka ankehitriny ! dia lasa ny saiko hoe tsy aleo foana ve fifanakalozana ara-barotra no natao tahaka ny taloha ireny e! fa ity vola ity no sehatra iray entin'ny satana hamotehana olona!!!
Karetsaka: tsy dia maninona loatra io raha efa ambara @ izao e! fotoana fandinihan-tena izao ! mila mandinin-tena isika satria efa atomotra ny faran'izao tontolo izao![ :-*
7. Fody ( 12/03/2009 08:05)

Ka tsy dadabe noely no lazainy eto fa fitsangan-ko velona, resaka Paka. Mifandray indrindra amin'ny Karemy, ka tsy hitako ny olana.

yvonKEL:
ka mitovy @ io tantara io mitsy ny zava misy; ny mpitondra fivavahana miaro jiolahy ,ny miaramila vitsy tambazana vola de mikomy sy manaonao foana.
Mahaiza mandinika sy mamakafaka tsara. tsy hoe efa akaiky na oe mbola lavitra ny farany fa fampitahana fotsiny. tsy toriteny akory hihihihi

I nyrina ve miaro jiolahy, ry coopsal, ry ikaretsaka, ny Pape, sns rehetra??? Mba asio fanavahana kely aloha e, ary mba zavatra mitombina sy mari-pototra lazaina!

Am-pitiavana be.
8. ikaretsaka ( 12/03/2009 15:30)
amiko manokana aloha dia heo aleo hisy fotoanany ny zava-drehetra na misy hifandraisany aza...
tsy misy hafa @ hoe ny fiainana eto an-tany sy ny hahatongavana any an-danitra rehefa vita ny atao eto aloha izao no heritreretina... fa tsy izay endriky ny any ambadiky ny lanitra any sahady...
one step at a time ho'zy ry zalahy vazaha
9. Fody ( 12/03/2009 16:36)
ikaretsaka:
amiko manokana aloha dia heo aleo hisy fotoanany ny zava-drehetra na misy hifandraisany aza...

Voalazanao ny marina. Misy fotoanany tokoa ny zavatra rehetra, ary tsy ianao na izaho no mandahatra azy. Toy izany koa ny fiainana: samy manana ny fotoana hahafatesany ny tsirairay, ka tsy anjaranao no mamaritra hoe: efa tokony ho faty amin'izay ity olona ity.
ikaretsaka:
tsy misy hafa @ hoe ny fiainana eto an-tany sy ny hahatongavana any an-danitra rehefa vita ny atao eto aloha izao no heritreretina... fa tsy izay endriky ny any ambadiky ny lanitra any sahady...
one step at a time ho'zy ry zalahy vazaha

Hay ve fantatrao izany e! Dia ivereno jerena sy dinihana mianga avy amin'izay àry raha mety na tsia ny euthanasie!

Am-pitiavana be.
10. ikaretsaka ( 12/03/2009 17:09)
za ary no nivoy izany...
mety ka... efa no discerneko manokana fa mety..
satria au moins ahako nahay nanavaka ny mamono sy ny mampijaly ary ny fanalefahana jaly.
11. Fody ( 13/03/2009 07:58)
ikaretsaka:

Iza kay no mamaritra hoe: Efa tokony ho faty ny olona iray?

Iza kosa no tena mandahatra ny Fotoana hahafatesan'ny olona tsirairay ?

Ary diniho kely ity:

Ny famonoana olona sy ny famon-tena dia fandavana ny fandaharan'Andriamanitra. Izany hoe: fahafatesana tsy mifanaraka amin'izay voalahatra.

Toy izany koa ny euthanasie. Fahafatesana tsy mifanaraka amin'izay voalahatr'Andriamanitra. Ianao no manapaka hoe: Efa tokony ho faty amin'izay ity olona ity, fa tsy miandry izay tena fotoana hahafatesany marina.

Nahoana ny fandaharana alahatr'olombelona ekenao, fa ny fandaharana apetrak'Andriamanitra lavinao? Mba misaina sy mandinika kely aloha e!


Aza adino fa ao aorinan'ny fijaliana sy ny fahafatesana dia mbola misy ny fitsanganan-ko velona. Ary aza adino fa izay maharitra ihany no ho voavonjy.


Am-pitiavana be.
12. niryna ( 18/03/2009 03:53)
ikaretsaka:

Tsy aleon'i niryna any aorianan'ny paka any io lohahevitra io vao apoitra? Misy ireo namana kristianina mbola ao anaty karemy @ izao fotoana izao ka aleo aloha tsy hadalaina @ izany ny sainy fa lasa voadingana be ny film...
Sa ahoana?
Misaotra indrindra

ika koa mampihomehy ,ny anareo angaha tsy mba manao drama ao am-piangonana ? inona no nahatonga ireo mpianatra natahotra > naninona no tsy sahy nilaza ny marina ny miaramila ? maninona no voavidy vola ny marina ?

13. niryna ( 18/03/2009 03:54)
yvonKEL:

ka mitovy @ io tantara io mitsy ny zava misy; ny mpitondra fivavahana miaro jiolahy ,ny miaramila vitsy tambazana vola de mikomy sy manaonao foana.
Mahaiza mandinika sy mamakafaka tsara. tsy hoe efa akaiky na oe mbola lavitra ny farany fa fampitahana fotsiny. tsy toriteny akory hihihihi


tsy tao an-tsaiko indray iny
:D
14. niryna ( 18/03/2009 03:55)
Fody:





Ny karemy tsy midika ho fihondrehana amin'ny fijaliana sy ny fahorina, fa fitrakana kosa. Fotoana natokana hiandrandrana indrindra ny fitsanganan-ko velona ao aorinan'ny fijaliana sy ny fahafatesana, fa tsy handinihana ny fijaliana sy fahafatesana fotsiny akory.

Aza adino fa i Kristy raha nilaza ny tsy maintsy hijaliany sy ny tsy maintsy maintsy hafatesany, dia nilaza mandrakariva ny tsy maintsy hitsanganany amin'ny maty koa. Noho izany, zavatra roa tsy azo sarahina ny karemy sy ny Paka.

Am-pitiavana be.


misaotra fody a
15. niryna ( 18/03/2009 03:57)
ikaretsaka:

ny tiako hotsipihina de hoe misy fotoanany ny zavatra rehetra.. tsy manda ny hoe tsy tokony hisaraka ilay izy tahaka ny hoe tsy misy ny ririnina raha tsy misy ny fahavaratra.. fa le hiresaka dadabe noely @ alakamisy masina kosa ohatra somary hafahafa ihany sa?
izany no tiako ambara!


=))
:roll:

16. niryna ( 18/03/2009 04:01)
bobone:

Niryna: misaotra @ ilay dinika fa fiainanan'ny Malagasy mihitsy io! tambazana vola ! hoy ny SM hoe ny ''vola no fototry ny ratsy rehetra! '' teren'ny fitiavam-bola ny olona dia miteraka ho azy ny lainga ny fitaka, fitiavan-tena , voninahitra sns!
sitrany ahay vazana mihetsika e! t@ andron'i Jeso dia efa nisy ny fitambazana vola mandraka ankehitriny ! dia lasa ny saiko hoe tsy aleo foana ve fifanakalozana ara-barotra no natao tahaka ny taloha ireny e! fa ity vola ity no sehatra iray entin'ny satana hamotehana olona!!!
Karetsaka: tsy dia maninona loatra io raha efa ambara @ izao e! fotoana fandinihan-tena izao ! mila mandinin-tena isika satria efa atomotra ny faran'izao tontolo izao![ :-*

misaotra aky a fa tena mampalahelo tokoa ilay fitiavam-bola ,tsy ny vola no ratsy fa raha diso tia azy ka manao azy mihoatra ny fitiavana an'Atra dia lasa manompo azy
erantany mihitsy io mitranga io ka ,nisy olona izay aza niteny hoe zaza sivy taona dia omena basy hitifitra hamono olona ,any filipina no miseho ny tantara,colombia,raha vahiny hianao dia endahiny hatramin'ny kiraronao,nitranga tao amintsika koa izany ary mbola mihoatra lavitra aza ankehitriny

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.047