Nitsangana tamin'ny maty Izy ..dia nampandainga ny miaramila
1. niryna
(
11/03/2009 17:45)
7 Ary mandehana faingana, ka lazao amin'ny mpianany fa efa nitsangana tamin'ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo Aho.
8 Dia niala faingana tamin'ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin'ny mpianatra.
9 Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe: Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.
10 Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy
11 Ary nony nandeha izy ireo, indreny, ny mpiambina sasany nankany an-tanàna ka nilaza tamin'ny lohan'ny mpisorona ny zavatra rehetra izay vao niseho.
12 Ary rehefa niangona izy mbamin'ny loholona, dia niara-nihevitra ka nanome vola be ny miaramila
13 ary nanao hoe: Lazao hoe: Ny mpianany no tonga alina ka nangalatra Azy, raha sendra natory izahay;
14 ary raha misy milaza izany amin'ny governora, izahay dia hampanaiky azy ka hanao izay tsy hampaninona anareo.
15 Dia nandray ny vola izy ka nanao araka ny teny nomeny azy; ary izany teny izany dia naelin'ny Jiosy mandraka androany. Matio 28
Maninona no niankohoka teo amin'ny tongotr'i kristy ny mpianany ,fantany ?
Ny miaramila dia natory ka rehefa nilaza ny lohan'ny mpisorona ireo dia nivory niaraka tamin'ny loholona ika dia nampandaingany ny mpiambina ary notambazany volabe mba andainga ny governora fa nalain'ny mpianaNy ny fatiny
Inona no mety antony e ? Inona no eritreritrao amin'io tantara io ?
fa maninona no tambazana vola ny miaramila andainga ?
(l) niryna

novalian'i niryna ny 18/03/2009 04:01
2. ikaretsaka
(
11/03/2009 18:19)
Tsy aleon'i niryna any aorianan'ny paka any io lohahevitra io vao apoitra? Misy ireo namana kristianina mbola ao anaty karemy @ izao fotoana izao ka aleo aloha tsy hadalaina @ izany ny sainy fa lasa voadingana be ny film...
Sa ahoana?
Misaotra indrindra
Sa ahoana?
Misaotra indrindra
3. yvonKEL
(
11/03/2009 18:47)
ka mitovy @ io tantara io mitsy ny zava misy; ny mpitondra fivavahana miaro jiolahy ,ny miaramila vitsy tambazana vola de mikomy sy manaonao foana.
Mahaiza mandinika sy mamakafaka tsara. tsy hoe efa akaiky na oe mbola lavitra ny farany fa fampitahana fotsiny. tsy toriteny akory hihihihi
Mahaiza mandinika sy mamakafaka tsara. tsy hoe efa akaiky na oe mbola lavitra ny farany fa fampitahana fotsiny. tsy toriteny akory hihihihi
4. Fody
(
11/03/2009 18:48)
Ny karemy tsy midika ho fihondrehana amin'ny fijaliana sy ny fahorina, fa fitrakana kosa. Fotoana natokana hiandrandrana indrindra ny fitsanganan-ko velona ao aorinan'ny fijaliana sy ny fahafatesana, fa tsy handinihana ny fijaliana sy fahafatesana fotsiny akory.
Aza adino fa i Kristy raha nilaza ny tsy maintsy hijaliany sy ny tsy maintsy maintsy hafatesany, dia nilaza mandrakariva ny tsy maintsy hitsanganany amin'ny maty koa. Noho izany, zavatra roa tsy azo sarahina ny karemy sy ny Paka.
Am-pitiavana be.
5. ikaretsaka
(
11/03/2009 19:06)
ny tiako hotsipihina de hoe misy fotoanany ny zavatra rehetra.. tsy manda ny hoe tsy tokony hisaraka ilay izy tahaka ny hoe tsy misy ny ririnina raha tsy misy ny fahavaratra.. fa le hiresaka dadabe noely @ alakamisy masina kosa ohatra somary hafahafa ihany sa?
izany no tiako ambara!
izany no tiako ambara!
6. bobone
(
12/03/2009 07:59)
Niryna: misaotra @ ilay dinika fa fiainanan'ny Malagasy mihitsy io! tambazana vola ! hoy ny SM hoe ny ''vola no fototry ny ratsy rehetra! '' teren'ny fitiavam-bola ny olona dia miteraka ho azy ny lainga ny fitaka, fitiavan-tena , voninahitra sns!
sitrany ahay vazana mihetsika e! t@ andron'i Jeso dia efa nisy ny fitambazana vola mandraka ankehitriny ! dia lasa ny saiko hoe tsy aleo foana ve fifanakalozana ara-barotra no natao tahaka ny taloha ireny e! fa ity vola ity no sehatra iray entin'ny satana hamotehana olona!!!
Karetsaka: tsy dia maninona loatra io raha efa ambara @ izao e! fotoana fandinihan-tena izao ! mila mandinin-tena isika satria efa atomotra ny faran'izao tontolo izao