Saro-kenatra

1. RATOVOARY ( 06/03/2009 07:09)
Fa inona marina no mahatonga ny olona ho saro-kenatra ?
:-w :-w
novalian'i soanja ny 13/03/2009 15:05
2. soanja ( 06/03/2009 15:35)
Misy karazany roa ny ata hoe saro-kenatra ka ireto ny fjerevan'ny psy azy. Ny Henatra tsotra sy ny Tahotra ny fifandraisana aman'olona.
Ireo Toetra mampiavaka ny Henatra sy ny Tahotra fifandraisana aman’olona. Io ambany io no fisehon’ny fitoviana na tsia tsapa ahafahana mampiavaka ny manahirana anao.

Ireo Seho: Ny henatra VS Ny tahotra fifandraisana aman’olona (Eny raha TSIA ny henatra tsotra):
Mitranga rehefa misy zavatra atao ka ny tena no ipetrahan’ny fifantohan’ny olona na ny mason’ny olona. Eny
Mahatsapa izy fa tsy mitombina na misy porofo mivaingana ny anton’ny tahotra. Eny
Tebiteby alohan’ny hisian’ilay tranga. Tsia
Tebiteby ao anaty tranga. Eny
Avobe ny refin’ny tebiteby. Tsia
Mahatsapa te hitsoaka/ handositra ny zavamisy/tranga Tsia Mivaloharika sy mangovitra ary mipararetra ny tebiteby tsy ankijanona. Tsia
Mitranga indray mandeha na misimisy amin’ny fitrangan-javatra maromaro. Eny
Mahatsapa miferinaina amin’ilay tranga. Tsia

NY ANTONY METY MAHATONGA IZANY DIA: NY FAHAZAZANA

Nolovana tamin’ny ray aman-dreny. Ambany be ny fahatokisan-tenan’ny ray amandreny ary mifatratra koa izany amin’ilay zanany ka mety tsy mahatoky ny lanjan’ilay zanany aza izy.

Ray aman-dreny na ny iray amin’izy ireo masiaka be na mampiasa herisetra.

Fanapepoana
teo imasom-bahoaka na an-kolaka na ambava na amin’ny fihetsika mangina.

Manana fomba hafahafa ny fianakaviana ary afenina ny mpiaramonina na aseho mibaribary na atao ankolaka ho amin’ny mpiara monina.

Henatra noho ny olana ao anaty fianakaviana toy ny fisaraham-panambadiana ohatra.

Fianakaviana tsy mba mifampizara fitiavana na mafana fo amin’ny fikolokoloana ny zanany ara-tsaina sy ara-batana ary ara-panahy ka zary lasa menatra ny olona ao anaty fianakaviana satria tsy mahatsapa lanja, haja ary fahatokisana feno momba azy. Mety mitranga koa io any ampianarana.

Ireo traikefa ireo dia mampivoitra ny fahitana ny tena ho marefo manoloana ny hevitry ny hafa na ny tsikeran’ny hafa. Na rehefa hanontanina izy dia tsy mahita havaly satria tsy matoky ny tenany amin’izay mety ho fivoakany.

3. cutie ( 06/03/2009 16:22)
merci akia soanja t@ fanazavana :)
4. ikaretsaka ( 06/03/2009 17:43)
namaste soanja
5. soanja ( 07/03/2009 10:39)
Namaste ianareo rehetra! :-* :-* :-* (l)
6. Mirananirina ( 07/03/2009 14:43)
Ratovoary angaha sarokenatra?????
Hoatrany mihitsy aloha ny fijery ano e. :) :) Sangisangy io an.
Rehefa misy kosa ve ny mahamenatra tsy ho sarokenatra e?
Hiseho vahoaka ohatra:mahamenatra.
7. fahamarinana ( 08/03/2009 12:37)
Zandry Tovo:
Fa inona marina no mahatonga ny olona ho saro-kenatra ?

:arrow: Za manokana aloha Zandry ,raha hilaza ny mikasika ahy fa tsy afaka hilaza ny an'olona na izay tena dikan'ny fahamenarana eo amin'ny fiaraha-monina sns....dia tena saro-kenatra aho rehefa tsy fantatro ilay olona na toerana vaovao tsy mahazatra ahy.Ny mahatonga azy dia tsy haiko sady tsy dia noalaliniko loatra fa kosa ny tsapako indray anefa rehefa tena mifankahalala amin'ilay olona na mahalala ilay toerana (efa zatra ) dia mandeha ho azy amin'izay...ary lasa mahasahisahy indray aza.Na izany na izany aza tsy miavona fa tsy manantona avy hatrany angamba no azo ilazana azy.Misy kosa anefa olona vatany vao miresaka amiko dia efa haiko avy hatrany fa ahafinaritra ahy !Misy maromaro izy ato !!:D (l)
8. Koditra ( 08/03/2009 14:08)
Za tò tsy sarokenatra zany, ny mahagaga anà nefa dé ny mikabary mamangy manjo tsy mety vitako sy tsy sahiko mitsy h@ zao, ny hafa nefa mbò vitako iany refa lé vòtery sy tsy misy azo anilahana iny.

Fahama : ndao mbò anandrana iresaka amiko. Kouny?
9. soanja ( 08/03/2009 14:35)
fahamarinana:

Raha ny fahitako azy Faha dia tsy saron-kenatra no tena mahalaza izany amin'ny siansa fa ny malagasy no mamaritra io teny io amin'io fahatsapana io.

Ny momba andry izany dia antsoina hoe Feeler na hoe mpahatsapa, mpandinika sy mpamakafaka, mampifandanja vao miasa. Ny feeler dia mpi-observe ny zavamisy sy ny mihaino any anaty ny zavatra tsapa/ voaray ifandraisana amin'ilay olona iray na olona be dia be eo. Tsy saro-kenatra akory io fa maka fotoana, miandry fiantraikany any anaty ary tsy mampivoatra ny ety ivelany raha tsy efa mahatoky/ makatoky ny any anaty fa mety aminao ny fifandraisana. Indraindray anefa dia mandiso anao koa izany rehefa elaela mifandray eo hoe tsy mety amiko izany satria manao fandinihana foana ny saina. Raha mahatsapa io ianao dia izay no feeler. Ny fahatsapana aloha mandeha vao ny fifandraisana. Miantomboka avy any anaty vao miseho ety ivelany. Tsy saro--kenatra velively io na henatra tsotra na aretina fa fiasan'ny mahaolombelona. Toetra sy toetoetra ananana. Voajanahary io matetika!

10. soanja ( 08/03/2009 14:44)
Koditra:

Za tò tsy sarokenatra zany, ny mahagaga anà nefa dé ny mikabary mamangy manjo tsy mety vitako sy tsy sahiko mitsy h@ zao, ny hafa nefa mbò vitako iany refa lé vòtery sy tsy misy azo anilahana iny.

Fahama : ndao mbò anandrana iresaka amiko. Kouny?

Raha voafehinao ny fikabariana dia mino aho fa tsy hanana izany tsy fahasahiana izany ianao. Ny kabary mantsy dia mitaky hetsika, fahaizana ny teny, ilay fahendrena ianteheran'ilay teny ary ny fahatsapana ny fifantohan'ny olona aminao. Zany hoe mila fahaizana sy fitiavana ary fifantohana/tanjona/fandresena ny kabary. Rehefa tia mikabary ianao dia talenta efa ao anaty izay. Ny fahaizana azy dia ianarana milamina eny. Ny fahafantaranao ny fisian'ny olona be dia be mihaino mahatonga ny fioharana na handresy na hitsoaka. Io tsy henatra velively fa toetra ananan'ny tsirairay manoloana ny zavamisy ary ny tampoka tsy mahalehilahy hoy ny gasy. Zany hoe ny fanomanana no fototry ny fandresena.

Mahereza e! Ohatra ny ahafinaritra ahy ny ahita anao hikabary!

(l)
11. ikaretsaka ( 08/03/2009 15:30)
tsy voatery hoe fikabariana ny roanja fa misy mitavozavoza fiteny fa mahavoaka sy sahy mamoaka mivantana ny raha ao an-dohany... fa misy le be kabary dia ny sasinteny ro maro fa de tsary mivoaka ny tiankambara...
raha lava ny ahitra very ny kisoa moa raha lava ny tarogna very ny soa hotseny ay hatrany antanana
12. ni81 ( 08/03/2009 15:54)
Zà koa dia saro-kenatra fa rehefa mifankazatra amiko sy hitako matetika ilay olona dia afaka io hamenarako io. Mihomehy fotsiny aho rehefa tsy mahita ambara asa hanaronana ilay henatra angamba no mahatonga izany.
Tsy miavona aho fa raha izaho no hanokatra resaka mialoha dia tsy any e! Fa eto mahasahy mamoron-dresaka foana fa angamba tsy mifanatri-tava...
Fa rehefa mifankazatra dia mananihany indray aza aho. Dia inona izany no tena toetrako re e!
:)
13. soanja ( 08/03/2009 16:47)
ikaretsaka:

tsy voatery hoe fikabariana ny roanja fa misy mitavozavoza fiteny fa mahavoaka sy sahy mamoaka mivantana ny raha ao an-dohany... fa misy le be kabary dia ny sasinteny ro maro fa de tsary mivoaka ny tiankambara...
raha lava ny ahitra very ny kisoa moa raha lava ny tarogna very ny soa hotseny ay hatrany antanana

Raha iresaka ny Kabary Malagasy isika dia samihafa mihitsy ho an'ny hoe handray fitenenana ny olona iray. Io mantsy ny rehetra afaka handray fitenenana na hiteny ary mahatafavoaka izany arakaraky ny fahaizany sy ny toetoetra ananany hamoahany izany hevitra izany. Ka na olona mitavozavoza araka io lazain'Ika io dia hahavita hiteny tokoa satria ny teny dia zavatra ananantsika sy ampiasaintsika na fitaovana. Fa ny Kabary malagasy kosa dia zavakanto izay tena hairaha ve ny filaza azy? zany hoe misy fotoana nianarana azy ary misy fotoana ny hanatanterahana azy mifangaro amin'ny toetra voajanahary ny mpahay miteny.

Ny Kabary dia azo tsorina hoe " Lahateny atao amim-peo avo ho an'ny olona maro." Tsy lahateny tsotra akory anefa fa lahateny voarindra sy voahaingo tsara amin'ny ohabolana sy hain-teny ary karazam-pitenenana toy ny fiteny mahaliana samihafa mba hanamafisana ny tian-kambara.

Ilay fandresena resahiko eto dia ny faneken'ny mpihaino fa tafita ny hafatra miaraka amin'ny haingony sy ny angolangolany ary ny firindrany. Betsaka ny olona mihevitra azy ho mpikabary nefa tsy voatery ho tena mpikabary izy fa eo ampanorenana ny fahaizany hikabary. Mila ianarana ny fihetsika: ny vava, ny maso, ny tanana, ny tongotra sns... Mila ianarana ny filanton'ny feo sns... ary indrindra ny fahendrena entin'ilay hafatra.

Tsy mora ny Kabary na fikabariana. Mila fitiavana miaro fahaizana ary fiatrehana ny ambany lanitra.

Ka io tenenin'Ika io dia misy tokoa ny olona be sasiny fa saingy tsy nanomana ireny matetika ka tratran'ny tsy mahalehilahy raha tena mpikabary izy fa raha mianatra indray izy dia mbola mpianatra zany izy.

14. fahamarinana ( 08/03/2009 16:49)
:arrow: ni81 : azoko tsara ary hitovizantsika roa tanteraka.... :wink: Dia tsy sarokenatra hono zany akia fa asa isika roa mba inona loatra ? Ny sur aloha dia mpivanitika e!:-D
soanja : mety tsy saro-kenatra no filazana azy fa izay moa no hitako hilazana azy hatreto sy efa filazana ahy matetika ihany koa satria misy ary betsaka no avy dia manantona olona,ny ahy ndray angamba fitandremana... :?
koditra : omeo ahy ilay numero tel dia horesahiko mihintsy !!:D ,no problem (l)
15. soanja ( 08/03/2009 17:10)
ni81:

Zà koa dia saro-kenatra fa rehefa mifankazatra amiko sy hitako matetika ilay olona dia afaka io hamenarako io. Mihomehy fotsiny aho rehefa tsy mahita ambara asa hanaronana ilay henatra angamba no mahatonga izany.
Tsy miavona aho fa raha izaho no hanokatra resaka mialoha dia tsy any e! Fa eto mahasahy mamoron-dresaka foana fa angamba tsy mifanatri-tava...
Fa rehefa mifankazatra dia mananihany indray aza aho. Dia inona izany no tena toetrako re e!
:)

Asa, mety mbola mpaka bahana ihany angamba ianao. Misy karazany roa koa manko ny mpaka bahana- dia ireo izay mahatsapa toy "ny feeler" ary ny mizatra matetitetika ny fahatsapana vao mampiasa na mifandray . Io farany io dia antsoina hoe "thinker". Raha tia mandamin-jazatra ianao, tianao ny zavatra milamina sy misy dikany ary misy antony. Manome lanja ny hatsarana sy ny filaminan'ny fifandraisana ianao dia azo lazaina fa Thinker. Zavamahazatra vao vonona. Zavatra/fifandraisana efa fantatra- predictable hoy ny vazaha.

Ny internet dia zavabaovao amiko. Sarotra be ny hahalalana olona iray eto saingy ny teny mivoaka no hijereny ny momba azy. Nefa mety mamitaka koa iny satria ny teny azo alahatra sy mampifandiso. Afaka mamitaka ny internet ary efa be ny voafitaka satria tsy ahitana toetoetra tsapa arabatana amin'ny mahaolona izy. Izay no maha lakalaka ny fanorenana tokatrano amin'ny alalan'ny Net.

Io toetoetra tsapa amin'ny mahaolona io no isian'ny fasarotakenantsika na tsia. Satria io ny maso, orona, ny sofina, ny hetsika milalao daholo amin'ilay mahaolona ka mahatonga antsika hiandry kely. Hiaotra kely hahatsapa ny ao anaty vao mifandray. Ilay fahatsapan'ny hafa momban'ny tena. Ny tahotra ny voatsara sns... Isika mitaky fitiavana daholo fa amin'ny fomba isan-karazany. Ny eto anefa dia vetivetika sy migadona dia any. Tenenina hoe "instant gratification" hozy ny anglisy izay. Azo vetivety ilay fitiavana ohatra nefa manjavona vetivety koa. Tsapa vetivety nefa tsy heno indray. Vetivety ny fiantraikany.

Voajanahary ny toetra mampiavaka antsika tsiraidray matetika ka ny fihaonana amin'ny olona matetika ihany no hafahana milaza ny momba azy satria mila dinihina daholo ny seho rehetra amin'ny vatana sy ny hetsika ary ny fifandraisana vao afaka milaza ny iray fa izao ianao sy izao. Mahereza e. Tsara daholo izay ananantsika rehefa tsy manimba ny hafa! Namaste!

16. soanja ( 08/03/2009 17:27)
fahamarinana:

:arrow: ni81 : azoko tsara ary hitovizantsika roa tanteraka.... :wink: Dia tsy sarokenatra hono zany akia fa asa isika roa mba inona loatra ? Ny sur aloha dia mpivanitika e!:-D
soanja : mety tsy saro-kenatra no filazana azy fa izay moa no hitako hilazana azy hatreto sy efa filazana ahy matetika ihany koa satria misy ary betsaka no avy dia manantona olona,ny ahy ndray angamba fitandremana... :?
koditra : omeo ahy ilay numero tel dia horesahiko mihintsy !!:D ,no problem (l)

Ny teny Malagasy mantsy mampalahelo fa voafetra ihany raha oharina amin'ny teny hafa. Zany hoe ny famaritana ny zavamisy tokony teny isan-karazany ny amoahana azy. Fa ny antsika vitsivitsy no ananantsika. Io no mahasarotra ny manao asa mifandraika amin'ny fiarahamonina/olona (sociologist/psy) raha Malagasy no teny tianao ampitaina azy. Mila mihodikondina be tokoa vao mety hahafaritra ilay toetra na hetsika iray. Dia zary iny no ampiasain'ny rehetra matetika. Toy ny ilay teny hoe " Masiaka" ihany io. Betsaka ny hevitra fonosin'io nefa dia io ihany no hilazan'ny gasy azy matetika.

17. ni81 ( 08/03/2009 17:40)
ni81 : azoko tsara ary hitovizantsika roa tanteraka.... Dia tsy sarokenatra hono zany akia fa asa isika roa mba inona loatra ? Ny sur aloha dia mpivanitika e!
aoka marina e! :°)
Asa, mety mbola mpaka bahana ihany angamba ianao. Misy karazany roa koa manko ny mpaka bahana- dia ireo izay mahatsapa toy "ny feeler" ary ny mizatra matetitetika ny fahatsapana vao mampiasa na mifandray . Io farany io dia antsoina hoe "thinker". Raha tia mandamin-jazatra ianao, tianao ny zavatra milamina sy misy dikany ary misy antony. Manome lanja ny hatsarana sy ny filaminan'ny fifandraisana ianao dia azo lazaina fa Thinker. Zavamahazatra vao vonona. Zavatra/fifandraisana efa fantatra- predictable hoy ny vazaha.
dia io izany hono ry faha fa dia misaotra an'i Soanja nanazava e! :-*
Kanefa indray zao: raha toa ka mpaka bahana ary dia maninona no tonga koa dia misy olona vao mifampiresaka amiko dia tonga dia fantatro fa mifandray tsara ny tadin-dokanga? :roll: mba azavao kely indray io hoe! misaotra.
18. fahamarinana ( 08/03/2009 17:54)
[quote=ni81indray zao: raha toa ka mpaka bahana ary dia maninona no tonga koa dia misy olona vao mifampiresaka amiko dia tonga dia fantatro fa mifandray tsara ny tadin-dokanga? mba azavao kely indray io hoe! misaotra.[/quote]
:arrow: izaho koa isan'ny mametraka io fanontaniana napetraky ni81 io ihany koa.
Ny tena tsapako anefa na izany aza dia efa ho 2 taona aho no tato dia izao vao tena hoe azo atao manana namana,tsy ny tena no miavona fa ilay fifandraisana amin'ny net mihintsy araka ny lazain'ny sonja iny no mampiova azy...na izany aza moa ireo namako ato sy lasa ary dia mahafinaritra ahy tanteraka daholo.:-* (l)
19. Koditra ( 08/03/2009 19:26)
Soanja:
Raha voafehinao ny fikabariana dia mino aho fa tsy hanana izany tsy fahasahiana izany ianao. Ny kabary mantsy dia mitaky hetsika, fahaizana ny teny, ilay fahendrena ianteheran'ilay teny ary ny fahatsapana ny fifantohan'ny olona aminao. Zany hoe mila fahaizana sy fitiavana ary fifantohana/tanjona/fandresena ny kabary. Rehefa tia mikabary ianao dia talenta efa ao anaty izay. Ny fahaizana azy dia ianarana milamina eny. Ny fahafantaranao ny fisian'ny olona be dia be mihaino mahatonga ny fioharana na handresy na hitsoaka. Io tsy henatra velively fa toetra ananan'ny tsirairay manoloana ny zavamisy ary ny tampoka tsy mahalehilahy hoy ny gasy. Zany hoe ny fanomanana no fototry ny fandresena.

Mahereza e! Ohatra ny ahafinaritra ahy ny ahita anao hikabary!
Kabary tsy misy safary nge zany ry Soanja e, tsy misy fanomanana, tsy mamaky zay hotenenina, ny feo fotsiny no mba mody mibetroka sy mody sérieux be nefa ny hatsembohana manafika any anaty akanjo any ihany. Fantatra fotsiny oe mizara 3 ny zvtra tokony holazaina dia ny fiarahabana sy ny fisaorana ny mpanatrika ary ny fandaharampotoana dé hatreo, mbola mandeha eny ampitenenana eny iany lé vazivazy tandravadiKoditra @tena. Ny tiko tenenina dia ny oe eo fòna lé henatra fa tsy mijery endrik'olona fotsiny.

Ndraso fa invité-ko enao refa hikabary zà, tandremo ary sao dé milaza tsy afaka an! :-*
20. Koditra ( 08/03/2009 19:28)
Fahama : Efa nalefako any lé num, tandremo sò dé boramena eo ary fa tapahiko ny appel a. :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2198