Saro-kenatra

21. soanja ( 08/03/2009 20:28)
Koditra> Mizara izay haiko aho fa tsy voatery ireo akory no tena izy an! Mino aho fa isan-karazany ny mahaolombelona antsika ary tsy ho ary hay avokoa mandrapahatapitr'ity tany ity. :lol: :D

Asa efa mahazatra antsika angamba ny teny hoe saro-kenatra:

-Mety teny roa no mahatonga an'io: sarona henatra/ manarona ny tena ianao ny henatra na sarotra henatra/ zany hoe sarotra alana ilay henatra.

-Misy koa ny teny hoe mahamenatra be izany! Zany hoe misy hevitra mifangaro tsy fanao na haratsiana na tsy eken'ny fiarahamonina ao anatin'izay.

-Misy koa ny hoe: mba mahalala menatra e! Eo dia ny fiarahamonina mihitsy no mitsara fa tsy mety ary mety mamoafady ny atao.

-Misy koa ny hoe : Menatra aho! izay ny tenanao no mahatsapa azy tsy noho ny zavamisy mitranga eo.

Ireo rehetra ireo ; Ny henatra voalaza eo anefa dia matetika miainga avy amin'ny fiaraha-monina avokoa. Zany hoe ny hevitry ny fiaraha-monina no mahatonga ny olona hahatsapa izany ka mahatonga azy hanana tahotra na ahotrahotra na ahiahy momban'ny fahafahan'ny tenany.

Tsy mahalala an'I Koditra aho fa afaka ampiasaina amin'ny koditra ny atao psychodinamisma zany hoe ny rehefa mifandray elaela eo ianareo rehetra , sady mifankafantatra eo ary tsy misy olom-baovao eo ampihainoana anao satria efa nifandray foana dia misosa ho azy izay tiana havoaka. Satria mihamalefaka ilay tahotra na tsy fahasahiana. Miha miala ilay fahatsapana be loatra fa lasa fahazarana no misy.

Ohatra, raha zaza ianao dia izao no ataoko mitsabo anao. Omeko kilalao ianao, dia milalao eo isika sy ianao. Dia avelako ianao no mitarika ny lalao miaraka amiko. Avelako ianao hanao reactions isan-karazany dia tsy mihontsina aho fa manaiky foana , tsy ho tezitra aho fa asaiko manao zavatra hafa indray ianao hitadiavana reaction vaovao avy aty amiko. Tsy miova anefa aho fa tiako daholo izay ataonao eo sady mitsiky foana aho no tsy misalasala manoro. Mihamalefaka hatrany ny tahotr'ilay zaza rehefa ela ny ela ary farany izy afaka miresaka amin'izay ny tiany atao na ny aseho ahy na tenenina amiko avy any anatiny tanteraka. Eo vao mihamora amiko ny mitsabo izay olany.

Ny tiako tenenina dia ny tsapan'ny olona rehefa miatrika olona be dia be eo ampitenenana dia ny henatra ny mason'ny olona satria ilay miteny indraindray tena mihevitra azy fa mihanjaka na mitanjaka manoloana ny maso be loatra mijery. Io dia ny fanaovana kabary matetika ihany no fanalana azy. Zarina isanandro ny saina hiatrika olona vaoavao isan-karazany ary miala moramora ilay tsemboka any anaty rehefa misy izay. Miala teo ilay henatra manarona. Fa ianao no tena miasa. Ny antsika mantsy tsy isanandro ny kabary fa tsy indraindray, TAMPOTAMPOKA.

Ny hetsika sy ny fomba fiainan'olombelona na behaviors hoy ny vazaha dia tsy azo atao hoe mainty sy fotsy fa tena isan-karazany tokoa. Izay no mahasarotra ny siansan'ity asa iray ity satria mbola mikaroka foana isika ary miovaova izany noho ny zavamisy sy ny zavaniainana. Zavatra iray fantatra fotsiny dia ny fahamatorana amin'ny tsirairay sy ny fahafantarana ny andraikitra miandry dia manova antsika amin'ny mahaizy antsika mba hanana vokatra tsara. Ohatra hoe Lahimatoam-pianakaviana ianao dia tsy afaka hiala andraikitra fa io no asa notoloran'ny fiarahamonina anao. Mandray andraikitra ianao. Amin'ny volaohany mitavozavoza fa rehefa fantatrao fa mila zava mamokatra ianao dia miova moramora ao ny asan'ny atidoha ary misosa izay atao.

Zany hoe arakara-jazatra/ piaina/ mpifandraisana ny fivoakany fa tsy misy hoe io no tena izy. Hikabary aho izao amin'ny 13 mai dia efa fantatro fa mety ho voatoraka tomatesa aho satria tsy mifandray amin'izay tiandry zareo heno ny tiako hambara! :lol: :lol: inona no ataoko, tonga dia efa amboariko ny saiko hoe arakaraky ny hisian'ny votabia mitobaka eny amin'ny tarehiko ny hatsarako. Raha vato na kokitaily molotovy moa no azoko dia akory atao fa soa fa efa nikabary aho fa tsy mpitazana fotsiny. hihihi :-* :-* :-*
22. soanja ( 08/03/2009 20:48)
fahamarinana:

[quote=ni81indray zao: raha toa ka mpaka bahana ary dia maninona no tonga koa dia misy olona vao mifampiresaka amiko dia tonga dia fantatro fa mifandray tsara ny tadin-dokanga? mba azavao kely indray io hoe! misaotra.

:arrow: izaho koa isan'ny mametraka io fanontaniana napetraky ni81 io ihany koa.
Ny tena tsapako anefa na izany aza dia efa ho 2 taona aho no tato dia izao vao tena hoe azo atao manana namana,tsy ny tena no miavona fa ilay fifandraisana amin'ny net mihintsy araka ny lazain'ny sonja iny no mampiova azy...na izany aza moa ireo namako ato sy lasa ary dia mahafinaritra ahy tanteraka daholo.:-* (l)
[/quote]

Betsaka tokoa ny manao izany. Ny momba anao dia matetika mila fotoana hietritreretana sy handinihana ary handanjalanjana vao afaka miatrika sy mifandray na malalaka ny fifandraisana. Saingy tsy midika koa izany hoe io foana fa misy fotoana araka izay no tampoka eo dia mifandray tsy misy ahotrahotra. Ny mahatonga izany matetika dia misy zavatra takian'ny sainao hohita sy tsapa amin'ny fifandraisana iray dia io anefa tonga dia azonao eo no ho eo. Ny fifandraisana hafa mantsy tsy manome direkta fa mbola mila processiavana hoy ny gasy anglisy. Ny saina mila miasa sy makatoky ary efa miverimberina ilay fifandraisana zany hoe tsy zava-baovao aminao ny outcome na ny vokatra vao sura ianao. Mila fahatsapan'ny atidoha daholo anefa izany na dia tampoka na elaela.
Ny fialan'ny ahiahy, ny fisian'ny fahatokisana ary ny fahatsapana fahalavorary ny fotoana sy ny zavamisy no manome an'io. Mila fihaonana arabatana io matetika satria mitaky tsapa ny atidoha.

Ny eto am forum dia mbola haizina ho ahy tanteraka. Mahereza mifandray fa tsara io hoy ny Tompo!

:-* :-* :-* (l) (l) (l)
23. sitlo ( 08/03/2009 21:47)
Lava be ilay dinika dia tsy voavakiko ka mety efa ao ihany ity lazaiko ity.

Rehefa bedy lava ny ankizy dia lasa saro-kenatra rehefa mihalehibe.
24. RATOVOARY ( 09/03/2009 12:37)
Miraanirina:
Ratovoary angaha sarokenatra?????
Hoatrany mihitsy aloha ny fijery ano e. Sangisangy io an.
Rehefa misy kosa ve ny mahamenatra tsy ho sarokenatra e?
Hiseho vahoaka ohatra:mahamenatra.

Ka izay indrindra, tsy haiko aho na saron-kenatra na be tsy miteny fa rah sendra vahiny an-tranon'oul aho ( na any amin'ny namako aza) de sadaikatra be na ny hiresaka aza, mangina fotsiny eo, de lazain-ny sasany fa saro-kenatra, nefa zah mahatsapa fa tsy henatra no mibahana ato anatiko fa dia tsy mahita hambara tsotr'izao. Izany hitari-dresaka zany moa de tsy haiko mitsy fa eo de eo, ampiresahana indray toa tokan-teny (angamba ) manaiky eny na mandà tsia dia izay. Ny hafa ndray milaza fa miavona, ka izany no hanontaniako hoe: ahoana marina moa zany hoe saronkenatra zany?
25. soanja ( 09/03/2009 15:13)
RATOVOARY:

Introvert no fiteny izany aty aminay. Tsy be teny tokoa angamba no mamaritra izany toetra izany fa tsy saro-kenatra velively. Olona tia mietreritra any anaty, mandini-javatra mangina, mahatsapa zavatra be dia be any anaty fa tsy tia mamoaka izany. Ny mifanohatra amin'io dia ny extravert toa ahy.

Tsy aretina akory ny saro-kenatra nefa koa tsy voajanahary loatra fa vokatry ny fitaizana tsy nahomby. Fa ny introvert sy ny hafa dia toetra voajanahary tokoa ary samy manana ny hanitra ho azy avokoa eo amin'ny fiaraha-monina.

26. fahamarinana ( 09/03/2009 15:34)
Zandry Tovo:
sadaikatra be na ny hiresaka aza, mangina fotsiny eo, de lazain-ny sasany fa saro-kenatra, nefa zah mahatsapa fa tsy henatra no mibahana ato anatiko fa dia tsy mahita hambara tsotr'izao. Izany hitari-dresaka zany moa de tsy haiko mitsy fa eo de eo

:arrow: :-D :-D ka tsy hampihomehy be isika mianadahy raha hihaona indray andro any ,..njekaiky o! (l)
27. ni81 ( 09/03/2009 17:05)
ka tsy hampihomehy be isika mianadahy raha hihaona indray andro any ,..njekaiky o!
:lol: :lol: dia ampiasao ry fahama ilay vanitika a :°)
28. Koditra ( 09/03/2009 22:14)
Soanja : Marina sy ekena aby ny vôlazanao, angamba tsy hoe ho an\'io Koditra io iany fa mety marobe no mitovy aminy.
Ho fanampim-panazavàna dia miankina @ olona manatrika ny tena ihany koa io,
- raha ankizy kely no manatrika ny tena eo dé tsy olana mitsy na hisy aman\'arivony aza,
- raha mitovitovy taona @tena dia 100 eoeo antonony
- raha zokin\'ny tena dia 10 eo ihany
- ankoatran\'io resaka taona io dia mbola ao ihany koa ny hoe karazan\'olona manao aòna avy no manatrika eo : ny sefon\'ny tena ao ampiasàna ve, ny prézidà fokontany efa fahitan\'ny tena isaky ny mandoa sazy fa tsy mba manatrika fivoriana sy tsy mpanao adidy ve, ny praiministra ve ... Raha ingahy Ra8 kalou tsy olana fa mpiara-nilalao kanety sy niandry omby tamiko iny fahiny eh! (laingako zany)

Raha iverenana ireo voalazanao tetsy ambony ireo dia tena ilàna fahazarana tokoa io, rehefa matetika ny fikabariana na firesahana manoloana an\'ireo sokajin\'olona voatanisa ireo dia ho lasa fahazarana sy handeha oazy aty aoriana, miha afaka tsikelikely ilay henatra. Ny herintsaina sy ny fahavononana no mila mivimbina 2 sobika.

Hikabary aho izao amin\'ny 13 mai dia efa fantatro fa mety ho voatoraka tomatesa aho satria tsy mifandray amin\'izay tiandry zareo heno ny tiako hambara! inona no ataoko, tonga dia efa amboariko ny saiko hoe arakaraky ny hisian\'ny votabia mitobaka eny amin\'ny tarehiko ny hatsarako. Raha vato na kokitaily molotovy moa no azoko dia akory atao fa soa fa efa nikabary aho fa tsy mpitazana fotsiny. hihihi
:-D :-D Ny fikan-drizalah rehetra zay efa nikabary teo @io 13 mai io dia izao, omanina mialoha ny hafatra tiana ampitaina fa tsy maintsy faranana @ kobakambava sy \"promesse en l\'air\" fa raha tsy zany dia hoavy ny toraka voatabia sns... Mila mianatra kobakambava kely ko kalou enao :lol:

29. Koditra ( 09/03/2009 22:43)
RATOVOARY:
Ka izay indrindra, tsy haiko aho na saron-kenatra na be tsy miteny fa rah sendra vahiny an-tranon'oul aho ( na any amin'ny namako aza) de sadaikatra be na ny hiresaka aza, mangina fotsiny eo, de lazain-ny sasany fa saro-kenatra, nefa zah mahatsapa fa tsy henatra no mibahana ato anatiko fa dia tsy mahita hambara tsotr'izao. Izany hitari-dresaka zany moa de tsy haiko mitsy fa eo de eo, ampiresahana indray toa tokan-teny (angamba ) manaiky eny na mandà tsia dia izay. Ny hafa ndray milaza fa miavona, ka izany no hanontaniako hoe: ahoana marina moa zany hoe saronkenatra zany?
Mahafantatra olona mitovy cas @io mitsy a, zandrin'lay namako izay, mifanohitra be @lay namako mihitsy, mety ho marina ihany ilay hoe vokatry ny fitaizana fa raha ilay olona fantatro io aloha dia tsy izay mihitsy satria mitovy ny fomba nitaizana azy mirahalahy, saingy ilay zandriny dia h@ mbola kely no efa tia mitokatokana sy milalao irery, ankoatran'ny zvtra angatahiny sy ilainy @iraitampo aminy sy ny ray amandreniny dia anontaniana izy vao miresaka, raha misy fianankaviana na namana mivahiny ao atrano dia misitrika any ambadika any izy ary raha mbola azony hialàna ny mandalo salon na efitra misy ny vahiny dia tsy hataony izany. Ny olona moa tsy sarotiny satri fa efa mahafantatra an'io toetrany io. Ny mahagaga anefa, hoy ilay namako io, dia mahay miresaka be ihany izy refa tafaraka @reo namany 2lahy mpiara-miasa aminy. Sao dia mbò òtran'zany koa alo RATOVOARY?
Rehefa tena zohina dia tsy oe fahamenarana ilay izy fa adika fotsiny hoe be tsy miteny araka ny fomba filaza azy, misy karazan'olona na fomba firesak'olona tiany sy mahavantana azy dia zay, indrindra indrindra ka mitovy filinina aminy, ohatra hoe samy tia baolina dia miresaka baolina.
30. tafondro ( 09/03/2009 23:16)
Misy ny dokotera milaza fa misy reaction alchimique mampifandray ny mpiara-mipetraka amin\' ny toerana iray voafaritra manodidina .Izany hoe raha ny tokony hilazako azy angamba dia izao ,nolazain- dry zareo fa miankina @ secretion- na karazana hormone ananan\' ny tsi 11 , \"adrenaline sy pheromone\" raha tsy diso ny fitadidiko ,no miantoka ny fitondran-tenanao manoloana ireo olona eo anoloan\' ny tenanao .Fa ambonin\'izany koa anefa ny fahatsapana ny tontolo hiainanao ,ka raha voahetry kely fotsiny ianao mikasika ny lafin-javatra maro samihafa dia efa lesoka mandra-pahafaty ho anao izany ary tsy maintsy zakainao mandritry ny fiainanao eto an-tany .Dia mipetraka ny fanontaniana ho an \'ny be sy ny maro hoe ,ary ahoana ary ireny olona miditra ato @ serasera ireny ,misolantsolana ohatry ny vinanto tsy mahare fosa ,nefa dia tsy manana olom-pantatra na namana akory ?
31. RATOVOARY ( 10/03/2009 04:52)
Fahama:
ka tsy hampihomehy be isika mianadahy raha hihaona indray andro any ,..njekaiky o!

Ngamba de hipentsopentsona rery eo ianao mandrapahazatrako aloha :-D :-D
Koditra> Tena mitovtovy amin'io le mahazo ahy, fa izaho kosa tsy milefa vahiny zany e! :lol: , ny nanazarana anay fotsiny taloha de hoe mivoaka any antokontany rehefa misy vahiny ao antrano. Raha misy ilana anay dia antsoina.
32. soanja ( 10/03/2009 10:25)
Koditra:

Soanja : Marina sy ekena aby ny vôlazanao, angamba tsy hoe ho an\'io Koditra io iany fa mety marobe no mitovy aminy.
Ho fanampim-panazavàna dia miankina @ olona manatrika ny tena ihany koa io,
- raha ankizy kely no manatrika ny tena eo dé tsy olana mitsy na hisy aman\'arivony aza,
- raha mitovitovy taona @tena dia 100 eoeo antonony
- raha zokin\'ny tena dia 10 eo ihany
- ankoatran\'io resaka taona io dia mbola ao ihany koa ny hoe karazan\'olona manao aòna avy no manatrika eo : ny sefon\'ny tena ao ampiasàna ve, ny prézidà fokontany efa fahitan\'ny tena isaky ny mandoa sazy fa tsy mba manatrika fivoriana sy tsy mpanao adidy ve, ny praiministra ve ... Raha ingahy Ra8 kalou tsy olana fa mpiara-nilalao kanety sy niandry omby tamiko iny fahiny eh! (laingako zany)

Raha iverenana ireo voalazanao tetsy ambony ireo dia tena ilàna fahazarana tokoa io, rehefa matetika ny fikabariana na firesahana manoloana an\'ireo sokajin\'olona voatanisa ireo dia ho lasa fahazarana sy handeha oazy aty aoriana, miha afaka tsikelikely ilay henatra. Ny herintsaina sy ny fahavononana no mila mivimbina 2 sobika.

Hikabary aho izao amin\'ny 13 mai dia efa fantatro fa mety ho voatoraka tomatesa aho satria tsy mifandray amin\'izay tiandry zareo heno ny tiako hambara! inona no ataoko, tonga dia efa amboariko ny saiko hoe arakaraky ny hisian\'ny votabia mitobaka eny amin\'ny tarehiko ny hatsarako. Raha vato na kokitaily molotovy moa no azoko dia akory atao fa soa fa efa nikabary aho fa tsy mpitazana fotsiny. hihihi
:-D :-D Ny fikan-drizalah rehetra zay efa nikabary teo @io 13 mai io dia izao, omanina mialoha ny hafatra tiana ampitaina fa tsy maintsy faranana @ kobakambava sy \"promesse en l\'air\" fa raha tsy zany dia hoavy ny toraka voatabia sns... Mila mianatra kobakambava kely ko kalou enao :lol:

Misaotra Koditra a. Tena marina tokoa io fanazavana nomenao io.

Ilay resaka telo ambinilofolo mahamay indray dia misaotra anao koa torohevitra saingy ny kobakambava ve tsy toy ny salaka ihany ka ny tena ihany no afatony. Aleoko iafiana ny votabia satria sady iny be votaminina no mba nisy mpividy ny votabian'ny mpivarotra eny amin'ny sisiny.

:-* :-* :-*
33. soanja ( 10/03/2009 11:04)
tafondro:

Dia mipetraka ny fanontaniana ho an \'ny be sy ny maro hoe ,ary ahoana ary ireny olona miditra ato @ serasera ireny ,misolantsolana ohatry ny vinanto tsy mahare fosa ,nefa dia tsy manana olom-pantatra na namana akory ?

Ny eto (interneto) hoy aho dia tena mistery tokoa!!!! Misy namako izay dia ny fihetsik'olombelona sy ny aterineto no ilofosany ianarana andro aman'alina. Ny tena izy moa ny azy dia ny " Fitadiavam-bady amin'ny alalan'ny interneto no ianarany" Dia asa rehefa mivoaka angamba io vao mety mahita mazava an-dRaolombelona isika raha tsy misy teknolojia vaovao indray handaniana ron-doha.

34. Koditra ( 10/03/2009 20:57)
Asa nareo ra mba efa nisy nanao ôtranà taloha, menatra manao akanjo vaovao, ra oe ividianana Jean ohatra dé tsy maintsy sasàko alou iny vao sahako anaovana sy entina mandéndé indrindra tao anatin'ny vanimpotoana nanombohana nitiavana sipa voalohany. Afaka oazy iany nefa io karazan-kenatra hafakely io taty aoriana.

Ilay resaka telo ambinilofolo mahamay indray dia misaotra anao koa torohevitra saingy ny kobakambava ve tsy toy ny salaka ihany ka ny tena ihany no afatony. Aleoko iafiana ny votabia satria sady iny be votaminina no mba nisy mpividy ny votabian'ny mpivarotra eny amin'ny sisiny.
Ilaina ihany koa ny fahaizana manamboatra fisainana a. :lol: :lol:

Tena zay mitsy ka, iza t@ reo rehetra efa nandalo teo @io kianja fanaovana kobakambava io mo zao no tsy efa nafatotry ny salakany aby. :lol:
35. ikaretsaka ( 10/03/2009 22:09)
ny ahy tsy izany loatra Ra koditra fa ny finoana indray de hoe folahana rehefa manao tenisy naakanjo vaovao de bedy mihitsy hoe eo mangataka ny hividianana vaovao nefa le tonta no hanaovana... raha mba fantany manko fa indraindray ireny rehefa le anaovana bol be de mampivoto tongotra sy mampivanditra raha tsy hanaovana "tsy hanaovana baolina" aloha
36. kotobekibo ( 10/03/2009 22:35)
za injay tsy d hoe sarokenatra fa plutot extravert ( mpananihany sy mpanala azy ) izany , hoy soanja izay .
Ka voatery mitandrina @ izay atao na tenenina ref misy ol tsy mbola mahazatra ahy loatra manoloana , sao d maha-tafitohina ny ol sasany manko .
37. soanja ( 10/03/2009 23:44)
kotobekibo:

za injay tsy d hoe sarokenatra fa plutot extravert ( mpananihany sy mpanala azy ) izany , hoy soanja izay .
Ka voatery mitandrina @ izay atao na tenenina ref misy ol tsy mbola mahazatra ahy loatra manoloana , sao d maha-tafitohina ny ol sasany manko .

Le olona ohatra antsika izao izany no mihaona dia ilay lazain'ny olona hoe " May ny tanana!" tsy de hoe le kokitely molotovy fa tena basivava mihitsy :D :D :D :-* :-* : .... Ny tenako dia isan'ireo izay mandinika izay holazaina foana raha vao mihaona voalohany satria izay fahatsapana hoe be ny raha tiana tarognina izay no mahaolana azy satria le olona eo mety saro-kenatra tokoa sady mety tsy mila resahina be loatra fa tonga de fanina!. Isaky ny manomboka resaka aho dia hoe " Azafady fa zah somary bebe resaka izay! Tsy maninona ve??" de hitako eo izay havaliny. Tany ampianarana moa tambola kely dia antsoin-dry zareo hoe " Radio" de zah koa tsy taitra loatra fa raha manana hoteniny izy de omeko azy ny micro!

38. kotobekibo ( 10/03/2009 23:52)
Le olona ohatra antsika izao izany no mihaona dia ilay lazain'ny olona hoe " May ny tanana!" tsy de hoe le kokitely molotovy fa tena basivava mihitsy

hita kouh !!! :-D :-D :-D
39. fahamarinana ( 11/03/2009 04:34)
koditra:
Asa nareo ra mba efa nisy nanao ôtranà taloha, menatra manao akanjo vaovao, ra oe ividianana Jean ohatra dé tsy maintsy sasàko alou iny vao sahako anaovana sy entina mandéndé

:arrow: mampahatsiaro ahy taloha,ilay mahazo basket vaovao dia entina hosorana fotaka kely aloha mba tsy ho jojopil be.Fa taona raika aty aoriana dia lasa mividy creme manafotsy ndray satria efa tonta. :lol:
kotob:
za injay tsy d hoe sarokenatra fa plutot extravert ( mpananihany sy mpanala azy ) izany ,

:arrow: ny ahy koa tiako miresaka amin'ny olona mpananihany,sitrany za mba mitokelaka dia takona ny fahasarotakenatro...
soanja:
Tany ampianarana moa tambola kely dia antsoin-dry zareo hoe " Radio" de zah koa tsy taitra loatra fa raha manana hoteniny izy de omeko azy ny micro!

:arrow: :-D :-D ,tokelaka vao maraina mihintsy aho,ohatran'ny hitako ilay paozinjy !! mahafinaritra ! Za manokana aloha tiako zany olona karazanareo zany. Za mpihanihany ihany fa arakarak'ilay olona eo anoloako koa angamba ny mety ho ataoko. Misy namana izao tsy voantsoko njy mihintsy na efa aman-taona na atao hoe zandry aza ,nefa misy na hatramin'ny ty aza voalazako,mandeha ho azy ! :) (l)
40. RATOVOARY ( 11/03/2009 05:35)
Asa nareo ra mba efa nisy nanao ôtranà taloha, menatra manao akanjo vaovao, ra oe ividianana Jean ohatra dé tsy maintsy sasàko alou iny vao sahako anaovana sy entina mandéndé indrindra tao anatin'ny vanimpotoana nanombohana nitiavana sipa voalohany. Afaka oazy iany nefa io karazan-kenatra hafakely io taty aoriana.

Efa mpahazo ahy hatr'izay io, toa heveriko ho izaho foana no jeren'ny olona rah eny an-dalana @ fitafiana vaovao. Ary hatram'zao de tsy mbola resy lahatra ny hividy akanjo vaovao hanaovana fety zany fa miandry vita fety na elenelam-potoana vao mba mividy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1781