Sendotra lava

1. soanja ( 05/03/2009 00:41)
Maninona isika no mora sendotra ka hanangam-bovona lava rehefa mi-forum na amin'ny fiainana andavanandro?
Natao hifanazavana sy ifampianarana ary ahafantarana ny hafa anie ny Forum. Azo atao tsara tokoa ny tezitra amin'ny hevitry ny hafa fa saingy kosa ny hanambanimbany sy hanabatibaty dia samy mba nampianarana io fahalalam-pomba io avokoa isika.

Niainako ny fahatezerana lava taloha ary raha tsy nanomboka nandinika ny tenako aho ary nahatsapa fa tsy ny hafa no simba fa ny tenako ihany no nahitako fa avy amiko ny fihetsem-po manimba ary izaho ihany no voa. Ary ny tena nahagaga ahy dia ny tenako ihany no mahatonga ahy ho tezitra/ sendotra/ sosotra/ sorena sns... fa tsy ny hafa velively.
Zany hoe azo atao tsara kay ny mametra ny fitobaky ny hevitry ny hafa sy ny fihetsiky ny hafa tsy hampijaly anao ary azonao atao koa ny mametra ny tenanao tsy hikoropaka noho izay hevitra mifandiso.

Ianao ihany no familin'ny tenanao. Toneo/ tsaboy izay maharary saingy avohay kosa izay manelingelina.

Miala tsiny fa tsy aritro loatra. Mila ny hevitrao aho ary tezero sy ampirito ny hevitro raha tsy mety aminao saingy kosa kalamina ihany fa forum no eto fa tsy banja malalaka. Aiza moa le banja malalaka? Mino aho fa misy io toerana io saingy tsy hitady azy aho.
novalian'i soanja ny 13/03/2009 14:57
2. ari.malala ( 05/03/2009 06:01)
:) mafinaritra ilay fitarihan-kevitra :) marina tokoa aloha fa misy tys mahay miady hevitra e! tsy ny hevitra no iadivany fa ny psn"olona :) ary misy koa ny tsy mahay mamaly resaka fa valiany "à côté" mazàna ny resaka :) dia misaotra hatrany an'i Soanja fa marina ilay hoe tsy ny hafa no simba refa tys mahay mifehy fihetseham-po fa ny tena iany :)
3. RATOVOARY ( 05/03/2009 06:08)
Soanja: marina tokoa ny teninao fa ny tena ihany no afaka mibaiko ny fo fa saingy kosa misy lafiny hafa avy amin'ny hafa ihany ny fahatezerana. Indrindra rahasendra faharerahantsaina izay ianao ka sendra ny tsy nahy na fanahy iniana mihitsy ataon'ny hafa dia tsy maintsy hita soritra eny foana ilay fahatezerana na dia iniana hafenina aza. Amiko io aloha a! fa ny an'ny hafa tsy fantatro.
Ny hoe fahatezerana eto amin'ny forum indray de tsy de hidirako lalina fa ny fahitako azy fotsiny de misy izy ireny iniana atao handrangitana ny hafa. Indrindr fa ilay resaka fanabatibatiana sy ny hafa, ny fiheverana fa virtuel ny eto no tena antony mahatonga ny fahasahiana manao izany fietsika tsy voatandrina rehetra izany.
Izay ny hevitro fa ahitsio aho raha sendra fahadisoana ary ampio koa raha tsy ampy.
Misaotra mialoha
4. ni81 ( 05/03/2009 06:31)
Maro amin-tsika tokoa no misendaotra eto @ forum eto.
Ny ahy raha toa ka tsy azoazoko ilay dinika, na lava be ka kamo aho hamaky, na tsy hitako izay fanazavana atao dia aleoko tsy mamaly, na tsimponiko fotsiny izay hevitra tiako ho valiana dia avelako ny sisa.
Fa misy amin-tsika dia tonga dia mitatatata toy ny tsipoapoaka fotsiny tsotra izao :lol: raha vao tsy mifanaraka @ ao an-doha ilay hevitra napetraky ny sasany.
Aza maka lagy hoy ny fiteny e! Ento mora fa lafo be ny fitsaboana aretim-po! Indrindra @ zao fotoana efa krizy izao.
:D
5. soanja ( 05/03/2009 16:58)
Misaotra anareo nanampy tamin'ny hevitra.

Ny forum na ny internet koa mantsy dia isan'ny fitaovana nentina hifaneraserana ary noheverina fa hanatsarana fiainana saingy tena azo lazaina koa aza fa afaka mampitsimoka toetra izay tsy mahazatra ary tsy nanan'ny olombelona talohan'ny viritualy, dia ny tsy fahatsapana fahendrena anaty soratra sy ny fifampitsimbinana satria izay lavitry ny maso, lavitry ny fo! ka eo noho eo ny fandramarana tsy azahoam-bokatsoa. Namaste daholo!
6. ikaretsaka ( 05/03/2009 18:05)
tsara ny samy manana ny heviny araka ny tenin'ny ntaolo hoe ny hitsitokotokoan'ny loha dia nohon'ny faha samy hafan'ny hevitra

fa rehefa tsy d'accord ianao dia aza ilay namana no henjehina fa ny heviny, raha hafa nohon'ny heviny ny hevitrao dia avoahay miaraka @ arguments manohana azy, dia jereo koa ny arguments anohanany ny azy.

raha pro akondro ianao ohatra dia azavao ny antony hitiavanao akondro
raha tsy tia ianao dia hazavao ny tsy hitiavanao akondro
fa tsy ny hoe ianao tsy mihinana dia ny sasany mihinana de ny dadabeany sy ny reniny no ampidirina @ le resaka
7. cutie ( 05/03/2009 20:12)
le fanabatibatiana kosa alou tena tsy mety e. Ny fahitako azy ndray tsy we sendotra lava le oul mi forum fa efa tena te hamarin-tena tsotra zao sy efa efa mifantoka loatra @ heviny de tsy te hijery na hamaky ny hevitry ny sasany satria tsy mifanaraka @ heviny de hany sisa atao sisa miala any ny fanabatibatiana, satria mitady reaction avy @ le oul batibatiany io izy.
8. fijo ( 05/03/2009 20:59)
ka sao voarangotry ny saka eo kosa ko
9. cutie ( 05/03/2009 21:04)
mitady nga i fijo :-D
10. RATOVOARY ( 06/03/2009 05:13)
Ny ahy matetika eto de tena mijery sy mamaky fotsiny, ary mihomehy irery aza rehefa mba misy mahatsikaiky kely. Tsy de haiko ilay miakatrakatra lava io ary tsy zatra ireny be kabary reny. aha tsy voafehiko ilay ady hevitra ( noho ny tsy fahaizako mandahadresaka koa angamba ) de avelako ho eo fotsiny. Zah aloha tsy mbola sendra ireny mpananihany sy mpandrangitra ireny ary tsy maniry ny hatao an'izany koa, fa tsy mba mahay tezitra loatra angamba aho.
Nisy aza takelaka hafa nananako namana ninamana t@na namana hafa koa izy ( izay olona mahay ahy ihany koa) , fa io namany io nanao resaka hafa be momba ahy tany ary tonga soa amantsara taty amiko ilay resaka fanaratsiana fa tsy nivakiako loha sady tsy noheveriko loatra, fisaorana no natolotro ilay namako t@zay, ny fahatsorany no tsy nanafenany tamiko.
Araka ny tenin'ny namana ihany io e! rehefa tiana ho volena de tonga tokoa nefa de tena fahambanian-toetra ny vokany. Anjaran'ny tsirairay ny mandinika sy mandanjalanja fa tsy hoe tsy hoe lavitra tsy takamaso aho de tsy hisy hahasakana ny tanako hanoratra izatsy na izaroa.
11. ari.malala ( 06/03/2009 06:19)
Nefa io voalazan Ratovoary io matetika no mitranga hoe ao ambadiky ny ecran tsy misy mahita d manoratra izay tiana soratana na d handratra sy handotoana ny hafa aza...
12. RATOVOARY ( 06/03/2009 06:32)
Ka izay ange ry ari.malala ilay famarinan-toetra lazain'i cutie e! Ny tsy tsapany de tsy verin'izay iray misy namana mahafantatra azy ato ( raha tsy hoe tena miafina tanteraka angah :roll: ), ka na iny namany iny aza rah tsy hivantana aminy tsy maintsy mieritreritra foana fa hay tahak'izany no tena foto-pisain'dRa-anona sy ny toetrany sns... Iza no afa-baraka avy eo ? Tsy izy tompon'ny teny nataony ihany ?
13. soanja ( 06/03/2009 15:46)
cutie:

le fanabatibatiana kosa alou tena tsy mety e. Ny fahitako azy ndray tsy we sendotra lava le oul mi forum fa efa tena te hamarin-tena tsotra zao sy efa efa mifantoka loatra @ heviny de tsy te hijery na hamaky ny hevitry ny sasany satria tsy mifanaraka @ heviny de hany sisa atao sisa miala any ny fanabatibatiana, satria mitady reaction avy @ le oul batibatiany io izy.


Hola Guapa! Marina ny tenindry fa ny fitadiavana reaction tokoa avy am lay nabatibatiana. Zany hoe ny fahaizantsika fa malemy ilay mpanabatibaty dia afaka hanamorana koa ny tsy hihetsehan'ny fotsika tsy ho taitra amzay aretin'ny hafa.


14. soanja ( 06/03/2009 15:47)
RATOVOARY:

Ny ahy matetika eto de tena mijery sy mamaky fotsiny, ary mihomehy irery aza rehefa mba misy mahatsikaiky kely. Tsy de haiko ilay miakatrakatra lava io ary tsy zatra ireny be kabary reny. aha tsy voafehiko ilay ady hevitra ( noho ny tsy fahaizako mandahadresaka koa angamba ) de avelako ho eo fotsiny. Zah aloha tsy mbola sendra ireny mpananihany sy mpandrangitra ireny ary tsy maniry ny hatao an'izany koa, fa tsy mba mahay tezitra loatra angamba aho.
Nisy aza takelaka hafa nananako namana ninamana t@na namana hafa koa izy ( izay olona mahay ahy ihany koa) , fa io namany io nanao resaka hafa be momba ahy tany ary tonga soa amantsara taty amiko ilay resaka fanaratsiana fa tsy nivakiako loha sady tsy noheveriko loatra, fisaorana no natolotro ilay namako t@zay, ny fahatsorany no tsy nanafenany tamiko.
Araka ny tenin'ny namana ihany io e! rehefa tiana ho volena de tonga tokoa nefa de tena fahambanian-toetra ny vokany. Anjaran'ny tsirairay ny mandinika sy mandanjalanja fa tsy hoe tsy hoe lavitra tsy takamaso aho de tsy hisy hahasakana ny tanako hanoratra izatsy na izaroa.


Misaotra nizara ny tsapanao.


(l) :-*
15. cutie ( 06/03/2009 16:24)
12. Mpandefa : soanja [ Valio ] 06-03-2009 16:46:14
Lohateny : Re : Sendotra lava
Hoy i cutie:

le fanabatibatiana kosa alou tena tsy mety e. Ny fahitako azy ndray tsy we sendotra lava le oul mi forum fa efa tena te hamarin-tena tsotra zao sy efa efa mifantoka loatra @ heviny de tsy te hijery na hamaky ny hevitry ny sasany satria tsy mifanaraka @ heviny de hany sisa atao sisa miala any ny fanabatibatiana, satria mitady reaction avy @ le oul batibatiany io izy.



Hola Guapa! Marina ny tenindry fa ny fitadiavana reaction tokoa avy am lay nabatibatiana. Zany hoe ny fahaizantsika fa malemy ilay mpanabatibaty dia afaka hanamorana koa ny tsy hihetsehan'ny fotsika tsy ho taitra amzay aretin'ny hafa.

ny famaliana an'reny de tsy mamaly tsotra zao fotsiny fa mety ho tonga saina ihany izy refa veo we toa tsy mahazo reaction akory :-D :-D :-D :-D
16. Samoana ( 06/03/2009 17:34)
Endrika iray entina hanafenana tsy fahaiza-mandahatra ny hatezerana sy fanompàna ny hafa. Reraka fa tsy maharesy lahatra dia mainka sendoatra(agressif).
Rehefa te hiaro ny hevitra aposaka (na fivavahana izany na politika...) dia tokony hiezaka hanazava ny lafitsarany hatrany fa tsy ny an'ny hafa foana no tonga dia haratsiana.
Ohatra iray ilay mpitondra fivavahana iray taty aminay: isaky ny mivavaka dia tsy maintsy haratsiany foana ny boudhisme hoe filôzofia tsy mifanalavitra amin'ny fivavahana amin'ny sampy.Mody misendoatra mafy mihintsy izy ary mitrerona mafy. Hany ka adinony ny manazava ny tena fototra mahasoa sy mahafinaritra maha-kristiana ny tena. Vokany: miha-kamo mamonjy lamesa ny olona satria leo mihaino azy manaratsy ny hafa hatrany. Tsy falifaly ianao mivoaka ny fiangonana fa toy ireny akoho voakapoka ireny :-D
17. cutie ( 06/03/2009 17:36)
Ohatra iray ilay mpitondra fivavahana iray taty aminay: isaky ny mivavaka dia tsy maintsy haratsiany foana ny boudhisme hoe filôzofia tsy mifanalavitra amin'ny fivavahana amin'ny sampy.Mody misendoatra mafy mihintsy izy ary mitrerona mafy. Hany ka adinony ny manazava ny tena fototra mahasoa sy mahafinaritra maha-kristiana ny tena. Vokany: miha-kamo mamonjy lamesa ny olona satria leo mihaino azy manaratsy ny hafa hatrany. Tsy falifaly ianao mivoaka ny fiangonana fa toy ireny akoho voakapoka ireny
:-D :-D :-D :-D :-D
18. ikaretsaka ( 06/03/2009 17:41)
izay le izy ra samoana... raha vao mifantoka sy mihidy @ le hoe ny an'ny tena ihany no tsara de ratsy ny sasany .. ary variana manaratsy an'io tsy an'ny tena io.. de adino ny an'ny tena
19. rakapy ( 06/03/2009 19:07)
Dia ao koa ireo sakaiza eto@ serasera vao mahita ny ps-nao fotsiny dia efa alerzika sy krizy satria nohon'ny resaka tany @ dinika hafa taloha ka dia ny fanabatibatina ao ambadikin'ny ps xxx no ataony :-D :-D :-D
Ny ahy indray aloha dia tsy ataoko mampisendaotra ahy ireny e! petahako izy eto fa aty ambadiky ny ecran kosa aho dia mitsivanivany be mihitsy.
Tsy mpisersera no asako sy fiainako ka eto no ampisehoako ny momba ahy manotolo.Ny hevitro sy ny fomba fahitako ary ny maha -Gasy ahy no idirako eto. Ny sisa.... tsy dia hivakiako loha.
20. ikaretsaka ( 06/03/2009 19:23)
rakapy> ka novakian'ialahy tany antampoketsa kosa ny coupellen'ny essuie glace-ny koa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1824