famakiana baiboly

41. niryna ( 11/03/2009 17:21)
ari.malala:

Misy zavatra manitikitika ahy hoa e! ahoana kay zany hoe maka teny ao @ baiboly d iny no atao reference iainana tontolo andro? (tsy miteny ny vakiteny atolotra isanandro aho fa iny efa haiko hoe misy fandaharana omen'ny Fiangonana d iny no vakiana sy iainana mandritra ny tontolo andro) fa misy manao izany hoe alaina ny baiboly d sokafana d maka teny au hasard... fa mivavaka hono alohan'ny handraisana ilay baiboly hoe teneno ny sitrakao Andriamanitra o... ka raha inty moa izany ka ilay tenin'i Jesoa hoe ario any ivelany any ilay io fa any no hisian'ny fitomaniana sy fikotrohanify no azo @ iny au hasard iny d aona? averina fa tsy hoanao ilay teny sa inona no ho réaction eo ampandraisana ilay teny? mahavariana iany an!

ari-malala a> samy manana ny fijeriny ny rehetra an.
ny fantatro dia ilaina tokoa ny mamaky baiboly isan'andro satria mampianatra antsika amin'ny fahalalana ny tenin'Atra io ary Atra no miteny antsika avy amin'ny alalan'ny baiboly.
Raha hoe avadika na atao tsato-piso indray dia tsy mino an'izany aho
Ity mba tsara ho fantatra : raha misy zavatra mahazo ka tena tsy mahita hevitra isika dia tsy maintsy mivavaka ary manampy antsika Atra ,experiences betsaka io amin'ny fiainako.

1- nisy tovovavy izay nandainga tao am-piasako ,tsy zakako ilay laingany ka nitady hifanatrika azy aho ary dia noteneniko azy ny nataony,nalahelo aho fa noheveriko fa ho namana izy kanjo hafa ny tao an-tsainy... tonga tany an-trano aho dia nivavaka ho azy ary nifona tamin'Atra koa aho raha nisy zavatra tsy nety nataoka ka tsy nifanaraka ny sitrapon'Atra ,namela azy aho.Rehefa avy nivavaka aho dia nandray baiboly ka tenin'Atra toa izao no tao: ahy ny famaliana...

2- nisy olona tamiko ary rehefa avy nivavaka aho sy avy namaky baiboly salamo izy izay ,izay tena fampaharezana betsaka no tao dia niteny tamiko ny fanahy masina ary dia narahiko iny teny iny ...

ny tiako tenenina izany dia Atra mahalala rehefa tena mino azy tokoa isika ary mitady azy,ka eo am-pamakiana ny babioly isika dia miresaka mangina amintsika tokoa izy,noho izany ny fanaovana tsato-piso ny tenin'Atra dia toa manka fanahy azy hoe inona indray aza izao no valin'ity olana amiko ity,mety misy tokoa olona manao tsato-piso fa raha izany foana no atao dia mety tsy ahita tombotsoa sy tsy ahalala ilay tena herin'Atra amin'ny farany ..asa anefa fa mba eritreritra ny ahy iny

42. mia ( 11/03/2009 19:22)
tsy voatery koa anie hoe atao au pif ny famakiana ny baiboly fa afaka organiser-na tsara e! isan'andro ohatra dia afaka mamaky ny salamo @ fotoana atokanao manokana na dia hoe 10 na 15 minutes par jour aza!

rehefa zatra mamaky toy izany isan'andro dia lasa misy hetahetam-panahy te hamaky fona!!

N'inon'inona mitranga eo @ fiaianana dia ilaina foana io baiboly io straia soratra masina no ao ary tena sakafom-panahy mihitsy rehefa tena hiainana

ho antsika rehetra ity :

Si vous êtes triste, composez * Jean 14.

Si les gens parlent contre vous, composez * Psaume 27.

Si vous êtes énervé, composez * Psaume 51.

Si vous êtes inquiet, composez * Matthieu 6, 19-24.

Si vous êtes en danger, composez * Psaume 91.

Si Dieu vous semble loin, composez * Psaume 63

Si votre foi a besoin d'être fortifié, Composez * Hébreux 11.

Si vous êtes solitaire et apeuré, Composez * Psaume 22.

Si vous êtes dur et critique, composez * 1 Corinthiens 13.

Pour connaître le secret du bonheur, composez * Colossiens 3,12-17

Si vous vous sentez triste et seul, composez * Romains 8,31-39

Si vous désirez la paix et le repos, composez * Matthieu11, 25-30

Si le monde vous semble plus grand que Dieu, composez * Psaume 90
43. Nandra1 ( 12/03/2009 09:29)
ny tiako tenenina izany dia Atra mahalala rehefa tena mino azy tokoa isika ary mitady azy,ka eo am-pamakiana ny babioly isika dia miresaka mangina amintsika tokoa izy,noho izany ny fanaovana tsato-piso ny tenin\'Atra dia toa manka fanahy azy hoe inona indray aza izao no valin\'ity olana amiko ity,mety misy tokoa olona manao tsato-piso fa raha izany foana no atao dia mety tsy ahita tombotsoa sy tsy ahalala ilay tena herin\'Atra amin\'ny farany ..asa anefa fa mba eritreritra ny ahy iny

Za le tena mpanao tsato-piso satria tsy misy mbola nahavaly an\'le fanontaniana hatreto ankoatran\'io propositionn\'i Mia, ny an\'i Karetsaka koa efa mianatra aho izao hoe mba atomboka hatrany @ voalohany!
Tena eritreritr\'olombelona zany anao zany ry Nyrina ny @ hoe maka fanahy an\'Andriamanitra satria ny olona iray matoa manokatra an\'io baiboly io isan\'andro na de hoe style tsato-piso aza, de efa mitady an\'Andriamanitra @ fony izy izay!
44. ari.malala ( 13/03/2009 05:38)
Fa toa tsy mba misy à composer refa falifaly hoa e! :-P nefa raha tsy diso aho dia misy salamo fisaorana, misy koa ny magnificat (mankalaza ny Tompo ny fanahiko) :-P
45. ikaretsaka ( 13/03/2009 20:48)
Ka angamba natao ho an'ny olona deprime sy oppresse ihany izao a/tra izao aminy ko
46. coopsal ( 17/03/2009 13:29)
ari.malala:

Raha ny nahenoako voalohany fa miresaka amin'olona Andriamanitra, dia tamin'ilay Alakamisy alina nahenoako tao anatiko ny valim-panontanian'i KRISTY
efa disk goaka ramose a :-D :-D

==> Aminao angamba. Fa mety misy tsy nandre, mety misy mila mandre.
Kanefa koa, na dia ho anao izay efa nahita sy nandre foana aza.

Fanoharana :
Misy fotoana ao @ télé ireny pharmacie de garde ireny no mandeha. Kamo be zah hijery satria ao an-trano tsy misy marary, ka navadiko foana ny télé hitadiaviko izay émission mba hitako mahaliana kokoa. Indray alina anefa ny zanako narary mafy. Teo aho vao nikoropaka naniry fatratra mba hahafantatra ireo pharmacies de garde sy médecins de garde.

Mety disk goaka sy tsy mahaliana izany zavatra tantaraiko izany. Fa any indray andro mety mba ho tonga aminao izay niatra tamiko ka ho tsaroanao izay nataoko ary mba hataonao dia handre Azy koa ianao. Raha minia mikipy moa ianao ataoko ahoana ? Na ny Tompo aza ve afaka hanao inona anao ?

Disk goaka le firesahana momba ny SIDA etsy sy eroa ... anaovana logo, fanentanana na aiza na aiza. Adala ve ireny olona mbola manohy miresaka an'izany ? Mety ho misy hevitra hafa ny azy ireo. Fa Andriamanitra koa manana ny hevitra hiheverany ny tsirairay avy eto.

Disk goaka hatry ny ela ny teny nataon'i Joany hoe "mibebaha fa akaiky anareo ny fanjakàn'ny lanitra". Fa midika ve izany fa tsy mety amintsika ankehitriny izany ?

Farany. Izany Jesoa izany fony nitafy nofo aman-drà dia nandalo tamina tanàna ary niverimberina. Raha ny marina dia efa disk goka Izy sy ny teniNy hoe "Izaho no Izy ... ny Zanak'Olona" ... kanefa nisy anakiray na roa foana nahazo famonjena, tamin'ireo vahoaka marobe nifanena tamiNy na nanara-dia sy nitangorona tamiNy, na koa izay niady hevitra tamiNy.
47. coopsal ( 17/03/2009 13:37)
fijo:

ilay izy aloha ry ari tsy mbola sendra izay aho fony niaina izany.ny ahy ny ten atsaroako tamin'izany di ailay voasoratra hoe ny tahomboaloboka ,izay misy esorina satria tsy mamokatra .(tsy tsaroako tsara ilay izy)fa izay ny heviny.rehefa tsy mamokatra ilay tahomboaloboka dia esoria;de mandritra ny andro aho tamin'izany.(mpianatra teny amin'ny plateau)dia mihezaka foan amanao zavatra heveriko fa mamokatra.rah amahita olona antitra mavesatra aho dia entiko ny entany.mihezak afoan aaho mba manampy olona.fa ny tsy nety tamin'izay di ainy andro iny ihany.
fa ny tokony handraisana azy ngamba di ahoe,ezahina ampiarina amin'ny fiainana andavanandro mihintsy io.

==> Ianao izany niezaka ny hamokatra to anatin'ny indray andro.
Ny teniNy ao dia hoe : "raha tsy miray amiko ianareo tsy mamoa, raha miray amiko ianareo dia mamoa" [Jaona 15]. Raha niezaka ianao niray tamiNy tamin'izay dia ho namoa hatrizao ary ho be dia be tokoa ny voa.
48. coopsal ( 17/03/2009 13:59)
mia:

tsy voatery koa anie hoe atao au pif ny famakiana ny baiboly fa afaka organiser-na tsara e! isan'andro ohatra dia afaka mamaky ny salamo @ fotoana atokanao manokana na dia hoe 10 na 15 minutes par jour aza!

rehefa zatra mamaky toy izany isan'andro dia lasa misy hetahetam-panahy te hamaky fona!!

==> Hatramin'ilay nahenoako an'i Jesoa Kristy namaly ny fanontaniako ka nahatonga ahy nino Azy, dia io no nataoko voalohany, tsy maintsy namaky versets ao @ TT sy Filazantsara ary Epistily aho isanandro, natomboka hatr@ voalohany izany.
Izay no antsoiko hoe apprentissage. Tahaka ny T1 mianatra abidy sy mamakiteny ary mianatra manisa.

mia:

N'inon'inona mitranga eo @ fiaianana dia ilaina foana io baiboly io straia soratra masina no ao ary tena sakafom-panahy mihitsy rehefa tena hiainana
ho antsika rehetra ity :
Si vous êtes XXXX, composez *#####. (n fois)

==> Amin'ny voalohany io nety tamiko. Fa taty aoriana efa haiko tsianjery ilay teny dia nefa koa tsy nampitony ny fanaintainako na ny fiahiahiako akory le izy.
Toy ny mahasamy hafa ny cours magistral, ny travaux dirrigé, ny travaux pratiques, ary ny vie pratique. samy hafa toy izany koa ny fianarana Soratra Masina, ny fandinihina ary ny fiainana iainana.

Amin'ny finoako fa velona KRISTY izay tenin' Andriamanitra, dia tsy mba tahaka ny robot Izy fa isaka ny cas précis mitranga amin'ny fiainako dia manana ny ambaraNy Izy ary marina ny ambaraNy, ny ambaraNy ihany no marina na dia misy antony maro be possible na probable aza. Ary par expérience no ahitako an'izany.
49. coopsal ( 18/03/2009 07:54)
ari.malala:

... fa misy manao izany hoe alaina ny baiboly d sokafana d maka teny au hasard... fa mivavaka hono alohan'ny handraisana ilay baiboly hoe teneno ny sitrakao Andriamanitra o... ka raha inty moa izany ka ilay tenin'i Jesoa hoe ario any ivelany any ilay io fa any no hisian'ny fitomaniana sy fikotrohanify no azo @ iny au hasard iny d aona? averina fa tsy hoanao ilay teny sa inona no ho réaction eo ampandraisana ilay teny? mahavariana iany an!

==> zah tsy mbola nahazo an'io, fa nisy période dia izao teny izao exactement no azoko : "tsy hihaino anao intsony aho".

Izao ilay tantara : Rehefa tafaverina taty Madagasikara ilay olon-tiako, dia mba nanam-potoana nihaonana ihany izahay roa, tena lasa nanana mantsy e. Isaka ny atoandro izy nankany amin'ny fiasako (samy nitondra sakafo atoandro izahay) ary rehefa tonga izy dia mivavaka aloha izahay dia avy eo mamaky Soratra Masina.
--[Nandritra ny fotoana maro moa no efa nitenenako taminy mba hanontaniany an' Andriamanitra raha tena sitrapon' Andriamanitra hivady izahay na tsia. Izaho nanontany an' Andriamanitra koa, nahery be tato anatiko nefa ny fitiavako azy ka somary nanjavonjavona tamiko ny marina. Ho ahy araka izay valin-teny hitako mandrakariva dia hoe tena efa voatokan' Andriamanitra ho ahy izy, ary Jesoa no nampifankatia anay. Izy anefa nilaza fa toa 'non' foana no valin-teny azony amin'ny Tompo rehefa manontany izy, noho ny fitiavany ahy angamba dia tsy dia nazoto nanontany intsony izy fa dia niaina an-jambany teny, hafahafa ny fiarahanay roa. Izaho tsy nino hoe 'non' no valin-tenin' i Jesoa @ izany fitiavanay izay naharesy lahatra ahy fa avy amiNy rahateo.]--
Teo @ ity famakiana SM indray mandeha ity aza dia toy izao no teny novakianay tao : "leo anao aho, tsy hihaino anao intsony". Izaho tsy dia nivaky loha loatra ka nanohy ny mahazatra, fa izy kosa kay tao anatiny tao efa tsy alezy intsony ary nambarany ahy moa avy teo ilay izy hoe "tena ho ahy ilay teny teo! Efa niteny tamiko ny Tompo hoe tsy mahazo miaraka isika fa zah mbola misisika".
Narary ny foko noho ny nandavan'ilay olon-tiako tsy hifanoroka tamiko taorian' io. Dia nivavaka aho nanontany ny Tompo, nanokatra Baiboly. Ny teny hitako tao dia nitovitovy tamin'ilay novakianay teo fa niampy hoe : "ianao manompo sampy". Nanomboka natahotra amin'izay ny fanahiko satria Andriamanitra no niteny tamiko teto ny zava-nisy, ny fiainako nanompo sampy. Ary azoko tokoa fa io olon-tiako io tena sampiko mihitsy. T@ io andro io aza moa mba hitazonana azy hijanona sy hanaiky ahy dia somary ohatra ny nandohalika mihitsy aho, nanao izay heriko aho tamin'izay mba hanekeny sy hijanonany ... Niriako t@ foko manontolo io vehivavy io, kanefa Andriamanitra no tokony hotadiavina amin'ny fo manontolo, izay no nampiseho fa tonga sampiko izy.

Mbola marobe ny niainako izay nahazoako teny tena maharary sy tsy mampite handray, tsy ary ho voatantarako eto izany, fa te hiteny fotsiny aho hoe, tsy ny teny azo sy vakiana akory no mampino anao hoe avy amin' Andriamanitra io na tsia. Fa ny fo mitady an' Andriamanitra ka mino fa Andriamanitra dia Ray (be fitiavana, mpanome, mpananatra) sy Tompo (mahatahotra, mamindra fo), izany no ahafahana manaiky ilay teny azo.

Fa ao @ evanjely anie ka maro ny jiosy mpanaraka an'i KRISTY ary [nilaza fa] nino Azy ho mpaminany sy Mpampianatra no niala tsy hanaraka Azy intsony rehefa nandre ny teniNy e! Ohatra iray ny tamin'ireny ny ao @ [Joany 6:21-78]. Fa mbola mandraka ankehitriny io no iainan'ny kristiana (mpanara-dia an'i Kristy sy milaza fa mino Azy).

Ho ahy manokana dia tokana no ahafahako mino fa miteny amin'ny olombelona Andriamanitra : ny nahenoako an'i Jesosy namaly ny fanontaniako ka nanaporofoaNy tamiko fa velona Izy, (izany hoe nitsangana tamin'ny maty araka ny ambaran'ny Baiboly sy ireo vavolombelona hafa).

Ka amaranako azy dia hoe, ny Baiboly fitaovana ahafahana mihaino ny sitrapon' Andriamanitra (tahaka ny Efoda, ny Tomima sy Orima tao @ Testamenta Taloha), fa ny fo mino no ahafahana mandre ny tenin' Andriamanitra, dia Jesoa KRISTY, izay Fiainana, ka afaka manambara amiko ny fiainako manontolo.
50. Nandra1 ( 19/03/2009 13:09)
Ho ahy manokana dia tokana no ahafahako mino fa miteny amin'ny olombelona Andriamanitra : ny nahenoako an'i Jesosy namaly ny fanontaniako ka nanaporofoaNy tamiko fa velona Izy, (izany hoe nitsangana tamin'ny maty araka ny ambaran'ny Baiboly sy ireo vavolombelona hafa).

Ka amaranako azy dia hoe, ny Baiboly fitaovana ahafahana mihaino ny sitrapon' Andriamanitra (tahaka ny Efoda, ny Tomima sy Orima tao @ Testamenta Taloha), fa ny fo mino no ahafahana mandre ny tenin' Andriamanitra, dia Jesoa KRISTY, izay Fiainana, ka afaka manambara amiko ny fiainako manontolo.

Vitsy no olona hi-comprendre an'io ry Coopsal!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.061