famakiana baiboly

21. ari.malala ( 27/02/2009 11:04)
Nandra1, dia mihevitra ve ianao fa hoe tena izay tokoa no teny voalahatra sy voatendry hoanao? hafahafa iany zany ka! ts azoko ny tianao tenenina amle hoe tanteraka automatik azafady fa mba azavao kely
22. Nandra1 ( 27/02/2009 12:34)
Nandra1, dia mihevitra ve ianao fa hoe tena izay tokoa no teny voalahatra sy voatendry hoanao?

Tsatoka² sy hasard hatreto no andraisako azy, fa misy ny mi-colle tsara @ le verset fa @ ankapobeny, za tsy de mivaky loha @ le Izy fa miezaka manao ny tsara, de mandray ze fampianarana azoko raisina!
ts azoko ny tianao tenenina amle hoe tanteraka automatik azafady fa mba azavao kely

Tanteraka automatik satria amiko de Andriamanitra no mandahatra ny zavatra rehetra fa tsy misy zvt tonga² ho azy izany eo @ fiainana!
Raisiko ohatra fotsiny ny Aina, n'inona² atao rhf sitrapon'Andriamanitra ny haka azy de na dokotera mahay tahaka ny ahoana aza rhf zay de zay e! nefa koa misy olona efa mamono tena izao, mbola ouain ihany fa velona !!!!!! :lol:
23. Nandra1 ( 27/02/2009 13:57)
Io ary misy tsimpona tany @ Site hafa tany ry ari.malala a!
Anisan'ny nahaliana ny maro tokoa ny "'Fomba famakiana sy fandalinana ny Baiboly" fantatra amin'ny teny mahazatra hoe: "lectio divina".
Misy dingana folo arahina amin'izany ka toa izao ny fizotrany raha atao indray mijery :
1. Vavaka fiantsoana ny Fanahy Masina
2. Vakiteny milamina sy mampifantoka ny Teny
3. Miezaka mitadidy ny Teny novakina
4. Mikaroka ny met y ho hevitry ny Teny novakina sy fieritreretana lalina
5. Mihevitra izay azo hampiharana mivantana ny Teny eo amin'ny fiainana manokana sy ny manodidina.
6. Hitarina ny fandinihana ny Teny amin'nyfampifandraisana azy amin'ny lahatsoratra hafa ao amin'ny Baiboly.
7. Mivavaka araka izay aingam-panahy nomen'ilay Teny.
8. Mandray fikasana tsara hotanterahina.
9. Mivavaka amin'ny alalan'ny Salamo
10. Fehezina ao anaty fehezanteny iray ny lahatsoratra novinaky mba hotadidianasy hiainana
24. ikaretsaka ( 27/02/2009 14:54)
ka au pif ve ny hangalana ilay terny rehefa manao "lectio"?
io no fanontaniana
25. Nandra1 ( 28/02/2009 04:14)
ka au pif ve ny hangalana ilay terny rehefa manao "lectio"?
io no fanontaniana

Ka rhf tsy misy zvt arahina angalana azy de au pif izy an'eritreritra fa araka ny Fanahy Masina izany izy @ finoana!
26. ari.malala ( 02/03/2009 05:33)
:roll: bizara b amiko ilay hoe alaina au pif nefa lazaina ndray fa nomen'ny Fanahy Masina...

5. Mihevitra izay azo hampiharana mivantana ny Teny eo amin'ny fiainana manokana sy ny manodidina.
k nareo maka anle teny au pif aza; d raha iny hono zany hoa ka le hoe mivoaha ao @ io lehilahy io (ilay Jesoa nandroaka demony) na ilay Izy tezitra b t@ Piera d nahateny an'i Piera hoe mialà amiko ry satana no voatsatokareo tao de ahoana no ampiharanareo azy mivantana @ fiainanareo? mba valio hoe azafady fa mahaliana?
27. mia ( 02/03/2009 13:33)
Hoy i Ari.malala : Amiko manokana tsy ny fahaizana azy tsianjery no zavadehibe fa ny fiainana azy sy ny fampiharana azy eo @ fiainana. (Nefa koa tsy arahina arabakiteny sy atao betement )

Tena marina ny anao! ary izay indrindra no tena tokony ho izy!! ilay fomba iaianana azy sy fampiaharana azy anefa dia ilaintsika ny herin'ny Fanahy MASINA foana!! satria raha tena miaina sy mampihatra izay voasoratra tokoa isika dia manakaiky ny lafatra!
tsy vitantsika @ mahaolombelona mihitsy anefa izany fa mila mangataka ny FM foana isika hitondra hery sy fahazavana

Raha tsy izany dia lasa fombafomba fotsiny sisa dia tsy miorina tsara fa lasa be ahiahy sy malemy isika na dia mino ihany aza, dia maty antoka be!

Ny ahy ny ataoko alohan'ny hamakiana ny soratra masina dia mangataka mba omena fo madio aloha ahatakarako izay voasoratra,ary tena mandaitra satria misy anatra foana ao izay lasa mampiaiky ahy ny ratsy sy fahotana rehetra vitako, izay mety tsy noeritreretiko akory hoe nataoko!
28. ikaretsaka ( 02/03/2009 14:43)
Le hoe mivavaka alohan\'ny hamakiana angamba samy manao. Fa le hoe ahoana ny hamakiana azy no....

Ny film sy ny boky aza raha any @ le panpan sy je t\'aime no vakiana sy jerena dia ho azonao ve ny zavatra miseho sy ny hafatra?
Mainka fa ny boky masina ?
29. ari.malala ( 03/03/2009 06:16)
mia, eny e, izaho anie tsy mandà e! hoe ilaina ny mivavaka, mangataka lalandava ny herin'ny Fanahy Masina hanoro sy hitarika ny lalana isanandro isan'ora, fa ilay hoe alaina au pif mintsy hoa no tsy azoko anie e! ka izaho izao no nilazan'ilay olona anizany hoe sokafana ny baiboly d ze teny sendra ny maso voalohany eo no vakiana sy alaina ho reference mandritra ny tontolo andro :roll: bizara b amiko aloha e! satria atao aza hoe resaka an'i Adama sy Eva nofitahan'ny bibilava no azo ao, ilay bibilava niteny t@ Eva hoe hano io voankazo io fa tsy hofaty ianareo raha mihinana anio, d voankazo in no hoaniko eo no ho eo sa hoe ahoana no andraisana anizany ho reference mandritra ny andro? na koa hoe ilay tetiaran'i Jesoa ao @ Lioka no azo de fomba ahoana no itondrana anizany ho reference? ilay lojikan'ilay alaina au pif mintsy no tsy azoko itondrako adihevitra :)
30. ikaretsaka ( 03/03/2009 12:29)
T@ za bandy kely dia nisy akama nanoro io au pif io koa..de mba nanadrana ny tena

Ny hitako tao de tenin'i paoly nanao hoe ento aty ny kapaotiko...ilay adinoko tany troasy...
Dia iny no noeritreretiko nandrindra ny andro hoe inona no tian ity lazaina.. farany tena tsy aritro intsony de naka sopapa tany @ na frere 1 izay ahako
Sady loky lery no nanao hoe vakio hatr@ voalohany ka hatr@ farany ny tantara ry ika an
Nanomboka teo aho de tsy nitsimpona intsony fa le zistoara 1 manontolo no sy ny hevitra ary antony no vakiako sy dihihiko
31. ikaretsaka ( 03/03/2009 12:30)
T@ za bandy kely dia nisy akama nanoro io au pif io koa..de mba nanadrana ny tena

Ny hitako tao de tenin'i paoly nanao hoe ento aty ny kapaotiko...ilay adinoko tany troasy...
Dia iny no noeritreretiko nandrindra ny andro hoe inona no tian ity lazaina.. farany tena tsy aritro intsony de naka sopapa tany @ na frere 1 izay ahako
Sady loky lery no nanao hoe vakio hatr@ voalohany ka hatr@ farany ny tantara ry ika an
Nanomboka teo aho de tsy nitsimpona intsony fa le zistoara 1 manontolo no sy ny hevitra ary antony no vakiako sy dihihiko
32. Nandra1 ( 03/03/2009 12:45)
Ny hitako tao de tenin'i paoly nanao hoe ento aty ny kapaotiko...ilay adinoko tany troasy...
Dia iny no noeritreretiko nandrindra ny andro hoe inona no tian ity lazaina.. farany tena tsy aritro intsony de naka sopapa tany @ na frere 1 izay ahako
Sady loky lery no nanao hoe vakio hatr@ voalohany ka hatr@ farany ny tantara ry ika an

:lol: =)) =)) =))
Merci @ le conseil e!
33. ari.malala ( 04/03/2009 06:10)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D ka izay mantsy anie e! io tantaran'ika io koa zao anankiray :-D :-D :-D
34. fijo ( 04/03/2009 21:19)
ny protes fahiny,dia maro no manao io fomba io.izahay tany ambositra fony kely dia efa nampiainana izany koa,ary dia ten anitandrin amafy tokoa ary nihezaka ny hanatanteraka izay hita tao.ny olan aamin'ilay izy angamba,dia ny fomba fandraisan aizay voalaza ao.rah araisina arabakiteny io dia loza be,fa raha raisina arak any hevitra tiany hampitaina mety tsy haninona.
35. ari.malala ( 05/03/2009 06:37)
fijo, araka ny hevitra ampitainy... ka iny anie tsy voatery ho zavatra azo atao pratik no azo eo e! ohatra ftsn wa le tenin'i Jesoa mandroaka demony reny na atao hoe le demony maka fanahy an'i Jesoa zao no azo eo hoe raha tena zanak'Andriamanitra enao menjerà any ambany any :-P de hianjera aiza sa aona no hanaovana anizany :-D :-D :-D :-D satria ny natoro anà mantsy anie de ze andininy 1 azo eo no alaina e! dc ts voatery ho zavatra azo iainana mins zany andininy 1 zany :-P
36. coopsal ( 05/03/2009 08:59)
Izay niainako sy iainako no hotantaraiko anareo.
Raha ny nahenoako voalohany fa miresaka amin'olona Andriamanitra, dia tamin'ilay Alakamisy alina nahenoako tao anatiko ny valim-panontanian'i KRISTY. Tsy namaky baiboly aho tamin'io fotoana io. Fa teo aho no nanomboka nino fa ny Baiboly dia tena avy amin' Andriamanitra marina fa nampanoratiNy olombelona. KRISTY no tenin' Andriamanitra velona, ka amin'ny alalaNy no hahenoan'ny olona an' Andriamanitra, consciemment ou non.
Tsy ny sora-tanan' Andriamanitra authentique no ilaina hampino ny olona. Efa nisy ny nosoratan' Andriamanitra t@ tanany (hoy ny voasoratra), saingy tsy nitondra soa akory ho an'ireo vahoaka izany rehefa sampy no notompoiny.
Ny finoana ihany no ahafahana mandre an' Andriamanitra.

NY BAIBOLY :
Fiainako manokana :
- Raha ny nahafantarako fa tsy maintsy nisaraka tamin'ilay olon-tiako aho ary hanambady ilay anakiray nomen'ny Tompo, dia tamin'ny famakiana Baiboly no nahafantarako izany.
- Efa nisy koa fotoana maro izay nahazoako teny mampitandrina momba ny zavatra sasantsasany : vehivavy vadin'olona, ny olona tia miady hevitra, ... sns. Tsy noraisiko be ilay izy saingy rehefa avy nifanehatra tamin'ny tantara aho vao nahatsapa fa kay fampitandreman' Andriamanitra ahy mialoha ny amin'izay hitranga ireny teny novakiako ireny. Izay no nanomboka ninoako fa afaka ampiasaina ny Baiboly hihainoana an' Andriamanitra miresaka. Izaho nofo mantsy tsy mbola mahay tsara ny langage ny fanahy, ary tsy mba isan'izay nomena fanomezam- pahasoavana hahay miteny à fiteny tsy fantatra aho. Andriamanitra kosa anefa inoako fa mahay miteny @ fiteny fantatro, sy izay kely takatry ny saiko. Koa raha ny Baiboly no raisiko hihainoako an' Andriamanitra, dia inoako fa afaka miresaka amiko Izy, mihoatra lavitra noho ny divination sy ny astrologie.
- Au pif : Ao amin'ny Baiboly dia betsaka ny maneho hoe rehefa hanontany izay nofidian' Andriamanitra hanatanteraka asa ny olona dia nivavaka ary nanaovany filokàna (antsapaka) ka izay voaray tao no nekena, t@ finoana, fa notendren' Andriamanitra (ohatra ny mpisorona izay nanao fisoronana, izay hisolo an'i Jodasy, ... sns).
- Baiboly : Ao @ TT manokana dia nisy ilay antsoina hoe "EFODA", na ireo "Orima sy Tomima", izay fanontanian'ny mpisorona na ny mpanjaka izay hevitr' Andriamanitra ny amin'ny fikasan'izy ireo. Ho ahy dia raisiko ho toy ny EFODA ny Baiboly, ary ho toy ny Torima sy Omima ny TT sy ny TV.

Raharaham-pirenena :
Mahazatra ahy betsaka ny mangataka amin' Andriamanitra hampianatra momba an'i KRISTY amin'izay vakiako ao amin'ny Baiboly, satria izao no teniny hoe "ireny Soratra Masina ireny dia manambara ahy". Nanomboka ny 22 janvier teo, rehefa namaky aho dia miresaka fikomiana amina fanjakàna, korontana misy ao amin'ny firenena, ary misy descriptions plus ou moins précises. Ireo novakiako nanomboka ny 22 janvier no nitranga nanomboka ny 26 janvier, ary mbola mitohy mitranga hatrizao. Raisiko izany ho fanambaran' Andriamanitra amiko ny zava-misy eto @ firenena, ny zavatra tsy maintsy hitranga sy ny hevitr' Andriamanitra ao ambadik'izao rehetra izao.
Zavatra iray ny fanekena fa tsy misy tanteraka raha tsy nomen' Andriamanitra fahefana, sy ny hoe misy antony avokoa ny zava-drehetra. Fa zavatra iray hafa ny manontany an' Andriamanitra hoe "inona tokoa no antony?", ary zavatra iray hafa koa ny mihaino an' Andriamanitra mamaly ny fanontaniana.

FAMINTINANA :
Tsy raisiko ho Andriamanitra ny Baiboly, na hoe ny Baiboly no KRISTY. KRISTY no tenin' Andriamanitra velona, ary ny Baiboly dia manambara an'i KRISTY.
Voasoratra ao @ Baiboly koa fa Satana mba nampiasa ny Soratra Masina hangalana fanahy ny Tompo.
Noho izany tsy ny famakiana Soratra Masina loatra amiko no tsara na ratsy, fa raha mitady an' Andriamanitra amin'ny fo ny olona, dia Andriamanitra no hamaly, raha tsy izany dia tsy handre an' Andriamanitra mihitsy izy, fa na dia hamaly azy aza Andriamanitra dia tsy hino izy, fa izay fitaka sy efa irian'ny fony ihany no hinoany.
Koa inoako fa izany no mahatonga ny sasany tsy hahalala na inona na inona, satria nanandrankandrana izy fa tsy nitady an' Andriamanitra t@ fony.
37. ikaretsaka ( 05/03/2009 15:30)
aoka tsy ho afino fa ny baiboly tsy Andriamanitra fa boky mirakitra kely @ tenin'Atra fotriny...
ny teninao sy ny ny nataonao (ianao izay manampetra) aza tsy ary ho voasoratra ao anaty boky 1... mainka fa Atra izay tsy manampetra???

ohatran'ny hoe ny eau vive 1 tsy hoe Andranovelona fa rano 1 tavoangy nalaina tany fotriny!
38. fijo ( 05/03/2009 20:51)
izay mihintsy.
ilay izy aloha ry ari tsy mbola sendra izay aho fony niaina izany.ny ahy ny ten atsaroako tamin'izany di ailay voasoratra hoe ny tahomboaloboka ,izay misy esorina satria tsy mamokatra .(tsy tsaroako tsara ilay izy)fa izay ny heviny.rehefa tsy mamokatra ilay tahomboaloboka dia esoria;de mandritra ny andro aho tamin'izany.(mpianatra teny amin'ny plateau)dia mihezaka foan amanao zavatra heveriko fa mamokatra.rah amahita olona antitra mavesatra aho dia entiko ny entany.mihezak afoan aaho mba manampy olona.fa ny tsy nety tamin'izay di ainy andro iny ihany.
fa ny tokony handraisana azy ngamba di ahoe,ezahina ampiarina amin'ny fiainana andavanandro mihintsy io.
39. ari.malala ( 06/03/2009 05:50)
Raha ny nahenoako voalohany fa miresaka amin'olona Andriamanitra, dia tamin'ilay Alakamisy alina nahenoako tao anatiko ny valim-panontanian'i KRISTY
efa disk goaka ramose a :-D :-D
40. fijo ( 06/03/2009 21:51)
hihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.043