Ireo karazam-PAHOTANA?

1. soanja ( 22/02/2009 19:30)
Inona no atao hoe Fahotana? Inona tokoa moa no heverintsika fa Fahotana?
Avy aiza no nipoiran'io ary nahoana io no manjaka eo amin'ny fisainan'ny olombelona ny fisiany? Misaotra ho an'izay handray anjara.
novalian'i coopsal ny 05/03/2009 14:02
2. xxx ( 22/02/2009 20:00)
betsaka tokoa ny atao hoe fahotana :
- ny lainga ....
- ny fitiavan-tena ....
- ny fisolokiana ...
- ny endrikendrika ...
marobe ary izay sahy milaza fa tsy mba nanota dia ....
3. xxx ( 22/02/2009 20:02)
Ny Fahaotana , dia fandikana ny zavatra fantata fa ratsy ary tsy mety nefa iniana atao ihany ... Ohatra: samy naka voankazon'olona i Rabe sy ilay koto kely , i Rabe dia nahalala fa an'olona io , ary ilay koto kely kosa tsy nahalala fa nangala dia nihinana ... Ny an- dRabe mbola nandrasana any @ takona vao noramantany sao hitan'olona ...
Rabe dia manana faha otana , fa i Koto kely kosa , angamba tsy hisy aza olona hanameloka azy fa vao maika omena aza izy hihinana raha tiany ..
Maro ny karazam-pahotana , fa voafaritra mazava @ hoe : IZAY REHETRA MANDIKA NY DIDIM-PITIAVANA .. ary fanntaro fa MATETIKA NY MANAO ZAVATRA RATSY DIA MAHAFINARITRA , nefa saika miafara @ fanaovana fahotana avy eo . , ARY NY MANAO ZAVATRA TSARA DIA MAHASOSOTRA INDRAINDRAY na dia fantatra fa hitera-boka-tsoa ..
Ohatra hanazavako azy tsara : Ny manao sipa dia tsy fahotana , fa ny manao zavatra mahafinaritra @ fanaovana sipa no Fahotana , raha misy olona mifankatia ve , inona no olana raha miaraka eny ry zareo , fa ny manao zavatra ratsy izay mety hahafinaritra ny manao azy no tena fahotana ... Lava loatra ka,
4. ikaretsaka ( 22/02/2009 20:35)
soanja>
ny katesizy (azafady fa tsy manana ilay teny gasy ahako):

Sin is an offense against reason, truth, and right conscience; it is failure in genuine love for God and neighbor caused by a perverse attachment to certain goods. It wounds the nature of man and injures human solidarity. It has been defined as "an utterance, a deed, or a desire contrary to the eternal law."

Sins are rightly evaluated according to their gravity. The distinction between mortal and venial sin, already evident in Scripture, became part of the tradition of the Church. It is corroborated by human experience.

Mortal sin destroys charity in the heart of man by a grave violation of God's law; it turns man away from God, who is his ultimate end and his beatitude, by preferring an inferior good to him.For a sin to be mortal, three conditions must together be met: "Mortal sin is sin whose object is grave matter and which is also committed with full knowledge and deliberate consent."

One commits venial sin when, in a less serious matter, he does not observe the standard prescribed by the moral law, or when he disobeys the moral law in a grave matter, but without full knowledge or without complete consent.

Venial sin weakens charity; it manifests a disordered affection for created goods; it impedes the soul's progress in the exercise of the virtues and the practice of the moral good; it merits temporal punishment. Deliberate and unrepented venial sin disposes us little by little to commit mortal sin. However venial sin does not break the covenant with God. With God's grace it is humanly reparable. "Venial sin does not deprive the sinner of sanctifying grace, friendship with God, charity, and consequently eternal happiness."
5. soanja ( 23/02/2009 00:38)
xxx:

betsaka tokoa ny atao hoe fahotana :
- ny lainga ....



Raha toa izany ka misy olona mitady ny havanao hovonoina. Dia ianao anefa mahafantatra hoe aiza ny misy azy ary izy nilaza fa aza lazalazaina amin'iza n'iza. Tsy nanao ratsy ny havanao fa mety fotsiny hoe tsy fitiavana azy noho ny zavatra isan-karazany , ohatra hoe tsy tia ilay razana ilay olona eo dia hovoindry zareo izy. Dia nanontany anao ireo olona ireo hoe hitanao ve i xxx dia mamaly ianao hoe Tsia tsy hitako izy. Nandainga ianao? Manota ve ianao amin'io satria nandainga :nanafina ny havanao handeha hovonoina? Azon'ny xxx valiana ve io raha possible. Misaotra.




6. soanja ( 23/02/2009 00:44)
xxx:

Ny Fahaotana , dia fandikana ny zavatra fantata fa ratsy ary tsy mety nefa iniana atao ihany ...
Maro ny karazam-pahotana , fa voafaritra mazava @ hoe : IZAY REHETRA MANDIKA NY DIDIM-PITIAVANA .. ary fanntaro fa MATETIKA NY MANAO ZAVATRA RATSY DIA MAHAFINARITRA , nefa saika miafara @ fanaovana fahotana avy eo . , ARY NY MANAO ZAVATRA TSARA DIA MAHASOSOTRA INDRAINDRAY na dia fantatra fa hitera-boka-tsoa ..



Inona avy no moa no hahatonga antsika hilaza fa ratsy ny zavatra iray nefa misy fahafinaretan'ny vatana sy ny saina miaraka aminy. Tsy mahatsapa ve isika fa misy fitaka izany ny zavatra mahafinaritra iray. Nahoana no natao mahafinaritra sy maka fanahy ilay izy nefa mifono ota? Namboarina hanota koa ve zany ny vatantsika? Iza no nampiditra ny ota tao amin'ny olombelona?


7. soanja ( 23/02/2009 00:47)
Ika> Afaka tanisain'Ika ve inona avy ohatra ny mortal sins ary inona avy ny venial sin raha possible? Msaotra mialoha.
8. ikaretsaka ( 23/02/2009 01:03)
soanja:

Ika> Afaka tanisain'Ika ve inona avy ohatra ny mortal sins ary inona avy ny venial sin raha possible? Msaotra mialoha.



Amiko manokana ry soanja dia ny konsiansy sy ny effets an'iny @ Fiaraha monina sy ny society no mitondra ny maha gravy na tsia an'io! dia izay koa amiko no mandeha any @ confessional! fa tsy hoe lisitra zao de zao de lisitra zao de zao!

raha mangalatra fanjaitra aho ohatra ohatra , mety hoe tsisy antony amin'ny tsy mahalala ilay izy raha lazaiko etsy sy eroa... (inona koa izay fanjaitra) ...kanefa iny fanjaitra iny dia haiko fa manana valeur sy fiantraikany be @ ilay societe nangalarako azy ...ary fantatro izany valeur sy ny mety haterak'izany... hoe mety hisy ady an-trano ao ihatra @ le societe nangalarako azy hoe nankaia ny fanjaitrako teo , na tsy mandeha ny milina fanjairana de tsy hisakafo ny olona anefa ARY FANTATRO TSARA IZANY KANEFA MBOLA NATAOKO.. dia gravy ny fahotako @ izay!

Raha mandeha any an-tampon-tanety aho ohatra ka noana dia nahita manga de nihinana, kanjo kay nony lany ilay izy dia izay vao fantatro na nisy nampilaza aho fa kay mangan'olona sy sahan'olona io ... ary avy eo koa hitako fa tsy rarahian'ilay olona akory ny mangany fa lo ampitoerana sy mihintsana fotsiny, dia nanota aho t@ izay.. saingy venial izay amiko!
9. soanja ( 23/02/2009 04:12)
ikaretsaka:

soanja:

Ika> Afaka tanisain'Ika ve inona avy ohatra ny mortal sins ary inona avy ny venial sin raha possible? Msaotra mialoha.



Amiko manokana ry soanja dia ny konsiansy sy ny effets an'iny @ Fiaraha monina sy ny society no mitondra ny maha gravy na tsia an'io! dia izay koa amiko no mandeha any @ confessional! fa tsy hoe lisitra zao de zao de lisitra zao de zao!

raha mangalatra fanjaitra aho ohatra ohatra , mety hoe tsisy antony amin'ny tsy mahalala ilay izy raha lazaiko etsy sy eroa... (inona koa izay fanjaitra) ...kanefa iny fanjaitra iny dia haiko fa manana valeur sy fiantraikany be @ ilay societe nangalarako azy ...ary fantatro izany valeur sy ny mety haterak'izany... hoe mety hisy ady an-trano ao ihatra @ le societe nangalarako azy hoe nankaia ny fanjaitrako teo , na tsy mandeha ny milina fanjairana de tsy hisakafo ny olona anefa ARY FANTATRO TSARA IZANY KANEFA MBOLA NATAOKO.. dia gravy ny fahotako @ izay!




Azoko tsara mihitsy. Ary ahoana izany ny mortal sins?? omeo ohatra iray goavana fotsiny aho raha possible. Misaotra


10. Nandra1 ( 23/02/2009 06:40)
7 * 77 ny fahotana vita farafahalekiny ao anatin'ny indray andro!
Ary misy ny fahotana madinika ary misy ny fahotana mahafaty fa ny aza hadino ny mifona farany ze haingana ary tsy mamerina intsony an'izany fa tsy misy ny olona tonga lafatra!
Miaiky ny heloka sy fahotana vita ary mibebaka haingana, ary mivavaka ho an'ny hafa sao de misy ny manana alahelo @nao sns......!
Satria za mino fa i Jesoa Kristy: lay Zanak'Andriamanitra de maty ary nitsangan-ko velona ho Famonjena anay Mpanota! Mino aho ary manantena ny Famonjeny, eny na de ny pitikin'ny ràny fotsiny ihany aza de efa ampy hanadiovany ahy!
11. Fody ( 23/02/2009 08:47)
Ny fahotana dia izay mampisaraka ny tena amin'Andriamanitra sy ny olona.

Ny vokatry ny fahotana dia: fahafatesana (tsy fahafatesan'ny vatana no lazaiko eto) sy fahorim-panahy.

Am-pitiavana be.
12. sipagasy ( 23/02/2009 09:17)
ny amehezako azy angamba dia ny hoe misy ny fahotana ara-pivavahana izay milaza fa raha mandika ny ao anaty baiboly ianao dia manota izay, misy koa ny fahotana eo imason'ny mpiara-belona, izany hoe ilay 'code' eo à fiaraha monina no dikanao dia manota koa ianao izay, eto dia toa mipetraka ihany ilay fomba fitenin'ny razantsika hoe: "tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka", ka raha tsy manaiky sy tsy manaraka ilay 'vavam-bahoaka' ianao dia karazan'ny manota izany eo anatrehany.
13. coopsal ( 23/02/2009 13:38)
soanja:
Inona no atao hoe Fahotana?

==>
- Raha ny nianarana tany am-piangonana aloha dia hoe "izay zavatra rehetra atao na amin'ny fihetsika, na ny toetra, na ny fisainana, na ny fiteny, ka tsy mifanaraka amin'ny sitrapon' Andriamanitra.". Raha afohezina dia hoe "ny fandikana ny didin' Andriamanitra", izay no fahotana.
- Misy tenin'i KRISTY tamin'ny mpianany mialoha kely ny hisamborana azy dia izao : "Ary rahefa tonga izy (ny Fanahy Masina), dia handresy lahatra an'izao tontolo izao ny amin'ny fahotana, ... satria tsy mino ahy izy ireo;" [Joany 16:8-9]

soanja:
Inona tokoa moa no heverintsika fa Fahotana?

==> Izaho mino an'i KRISTY ho Fahamarinana, ka na dia mety ho nanana ny hevitro aza aho ny ami'nizany dia io hevitr'i KRISTY io no inoako. Tsy mifanohitra velively tamin'ny famaritana nianarana tany am-piangonana akory izany satria :
- "Ary ny sitrapon'izay naniraka ahy, dia mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy". [Joany 6:40]. Koa izay mifanohitra amin'izay izany no mifanohitra amin'ny sitrapon' Andriamanitra. Ary ny araka ny sitrapon' Andriamanitr izany dia izay mifanaraka amin'io teny io, ary mandrakariva Jesoa Kristy dia namerimberina fa ny nahatongavaNy dia "ny hanao ny sitrapon'ny Ray, izay naniraka Azy, sy ny hamita ny asaNy". Izany hoe, ny asan' Andriamanitra no mifanaraka amin'ny sitrapon' Andriamanitra, ny asan' Andriamanitra izay nambarany mazava fa :
- "Ny hinoanareo izay nirahiny" [Joany 6:29].
----> Ny tsy araka ny sitrapon' Andriamanitra (= fahotana) dia ny tsy mino an'i Kristy.

Raha raisina indray ilay hoe : "mifanohitra amin'ny Didin' Andriamanitra", dia mila fantatra hoe inona ilay didin' Andriamanitra ? Hoy ny Apostoly Masina Joany hoe : "Ary ny Didiny dia izao, ny hinoantsika an'i Jesoa Zanany, sy ny hifankatiavantsika araka izay nandidian'i Jesoa antsika".
----> Ny tsy araka ny Didin' Andriamanitra, dia ny tsy mino an'i KRISTY Zanany, ka tsy mifankatia.

soanja:
Avy aiza no nipoiran'io ary nahoana io no manjaka eo amin'ny fisainan'ny olombelona ny fisiany?

=> "Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran'ny fahotana tamin'izao tontolo izao tamin'ny olona iray (Adama), sy nidiran'ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin'ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra ... Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin'i Adama ka hatramin'i Moizy, na dia tamin'izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon'i Adama aza; ary Adama dia tandindon'ilay Adama ho avy." [Romana 5:12]

soanja:
Misaotra ho an'izay handray anjara.

==> Tsy misy fisaorana
14. ikaretsaka ( 23/02/2009 16:06)
de ahoana le kristianina (mino an'i kristy) manao heloka bevava ireny ry coopsal?
15. Mirananirina ( 23/02/2009 16:22)
Amiko ny fahotana dia ny fanaovana ratsy olona 1.Oh:mangalatra,mamosavy mamono..........
Nefa isika dia mpanota daholo dia ahoana ary izany?????????
Avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay meloka taminay.
Izay tsy nanota taminareo no aoka hitorabato azy ireo.
16. Fody ( 23/02/2009 16:30)
coopsal:
----> Ny tsy araka ny sitrapon' Andriamanitra (= fahotana) dia ny tsy mino an'i Kristy.

Moa fahotana ve ny tsy finoana an'i Kristy? Dia ahoana izany ireo olona tsy kristiana? Moa mpanota be avokoa ve izy ireny e?

Ny sitrapon'Andriamanitra ve = didy fotsiny ?

Hatreo aloha.

Am-pitiavana be
17. ikaretsaka ( 23/02/2009 17:01)
nareo ange sarotra atoro be e..
ny fahotana dia ny fanaovana izay zavatra rehetra efa fantatrao fa tsy mahasoa sy hanimba anao sy ny manodidina nefa ataonao ihany
18. klitika ( 23/02/2009 17:50)
Efa firy izay ny karazany voaisantsika ato?
19. soanja ( 23/02/2009 23:46)
Amiko sarotra be ny mamaly ity fanontaniana ity satria ireo fahotana voalazan'ny hafa matetika ireo dia hitako mifandray be mihitsy ary tsy hita hoe iza no omena tsiny sy holazaina hoe diso satria isika dia olombelona ihany tokoa ary tsy hisy mihitsy ny fanaperana.

Fa ny hany azoko lazaina ho fahotana angamba dia ny zavatra fantatro fa tokony ataoko ho fanatsarana ny tenako sy ny manodidina ahy ary indrindra ny adidy tokony horaisiko momba ahy sy ny tontolo iainako nefa tsy notanterahako izany satria ny noho ny fisalasalana be loatra ny momban'ny fahatokisana an'Andriamanitra.
Zany hoe manota aho rehefa tsy ampy fitiavana ary tsy mahatoky an'Andriamanitra izay tia ahy tokoa!
20. ikaretsaka ( 24/02/2009 00:23)
izay..amiko io tsy misy lisitra hoe izao aby sy izao aby loatra.. fa ny antony sy resultat sy ny konsekansa, sns... no mitondra azy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0508