Ireo karazam-PAHOTANA?
41. coopsal
(
25/02/2009 13:36)
Fody:
Ny olona tsy mino an'i Jesoa dia tsy voatery hisaraka amin'Andriamanitra sy ny olombelona.
Ny hany mampisaraka azy amin'Andriamanitra dia ny Fahotana ihany ...
==> Ka moa ve nisy olona tsy mbola nanota ? na iza na iza nanota izany dia efa tafasaraka tamin' Andriamanitra.
Fa ny Soratra Masina kosa no manambara fa Jesoa tonga taty mba hampihavana an' Andriamanitra @ olona, sy ny olona samy olona. Koa izay mino an'i Jesoa dia tafaray indray amin' Andriamanitra ary afaka hihavana amin'ny olona rehetra. Raha misy tsy mino an'i Jesoa izany dia mijanona ho tafasaraka amin' Andriamanitra.
Fody:
..., ka raha mifona amin'ny fo tokoa amin'Andriamanitra izy, dia mahatoky sy marina Andriamanitra ka hamela azy tokoa. Rehefa voavela ny helony dia tafaray amin'Andriamanitra indray izy. Izany hoe tsy voatery hino an'i Kristy izy.
==> Ary ny fomba hamelan' Andriamanitra ny heloka dia amin'ny finoana an'i Jesoa. Raha izaho no nihevitra toa anao dia naleoko tsy nino an'i Jesoa! Tsy misy intérêt izany.
Saingy fantatro ankehitriny, fa io Jesoa izay hitsara ny velona sy ny maty io, izay mino Azy dia mahazo famelan-keloka sy fanadiovana amin'ny fahotana rehetra! Ary izay mino Azy ihany.
42. coopsal
(
25/02/2009 13:40)
Fody:
Io didy lazainao io dia didy mbola tsy nidiran'ny finoana an'i Jesoa Kristy. Nefa ny fanajana an'io dia efa mahavonjy.
==> Koa hajao aza io dia ho voavonjy ianao.
Raha toa kosa anefa tsy mahaja an'io na dia in-1 monja aza ianao dia efa very izay.
43. soanja
(
25/02/2009 14:23)
coopsal:
Fody:
Io didy lazainao io dia didy mbola tsy nidiran'ny finoana an'i Jesoa Kristy. Nefa ny fanajana an'io dia efa mahavonjy.
==> Koa hajao aza io dia ho voavonjy ianao.
Raha toa kosa anefa tsy mahaja an'io na dia in-1 monja aza ianao dia efa very izay.
Andriamanitra irery ihany no manapaka ny momba antsika isanisany. Ny fahaverezana dia tsy ho fantantsika akory ny dikany amin'Andriamanitra koa aza maika loatra milaza fa izay tsy izao dia izao.
Aza variana mihevitra fa ilofosy izay mety eo imasonao ary zarao izay mahasoa.
44. ikaretsaka
(
25/02/2009 14:42)
Namaste soanja
Fa @ coopsal tokoa izany de inona ireny olona hafa fivavahana sy tsy vanjo alika tsy mba manana baiboly izy milaza ny lisitry ny azo atao sy ny tsy azo fa kosa entin'ny ethics sy ny intution izy @ zavatra ataony...de be fahotana be mihitsy..satria tsy manaraka ny lisitra ?

45. klitika
(
25/02/2009 15:04)
Jereo ange ny ankizy raha milalao eh. Voalohany vao mahita bibikely izy. Inona no ataony? Vonoiny ilay biby, hitsahitsahiny, kapokapohiny. Zavatra tsy mety io hoy isika, fa aty aorina izy, izy indray no miompy izay bibikely hitany.
Dia adala ve ny Ntaolo sanatria niteny hoe soa lavo hahay mamindra, soa kenda hahay mitsako, raha toa ka tonga dia marina daholo ny olona
Dia adala ve ny Ntaolo sanatria niteny hoe soa lavo hahay mamindra, soa kenda hahay mitsako, raha toa ka tonga dia marina daholo ny olona
46. Fody
(
25/02/2009 15:33)
coopsal:
Amiko dia samy nomena finoana an' Andriamanitra daholo ny olona, fa tsy nisy tsy nomena finoana izany.
Nisy ve ny nino hatrany an-kibon-dreniny??? Mba valio hoe azafady!!!
Iza no nahalala an'i Kristy hatrany an-kibon-dreniny??? Moa nisy ve??? Mba valio hoe....
Aza adino fa ny tsy finoana an'i Kristy no nolazainao hoe Fahotana, ary izay tsy mino azy dia manota.... Mitoetra ao amin'ny ota...
Misy tokoa ny olona mino an'Andriamanitra Tokana, saingy tsy mino an'i Jesoa Kristy. Dia mpanota ve izy ireny e? Mba valio hoe....
coopsal:
Ohatra iray, ny zaza minono dia tsy mba andrasan'ny reniny hanao asa akory na omeny sotro izay vao omeny sakafo. Efa vonona ny sakafo omena ilay zaza ary omen'ilay reny izany amin'ny fotoana tokony ho izy, fa raha ilay zaza no tsy mety hampiditra ny nonon-dreniny ao am-bava, ataoko fa tsy hadisoan'ilay reny velively ny tsy ihinanan'io zaza io. Ary izay ilay finoana, fanokafana ny vava handray ny mahavelona.
Taiza sy taiza aby no toerana efa mba noolalovan'i coopsal???
mahatoky ve coopsal fa efa fantatry ny olona rehetra, na efa nampahalalana, na efa notorina tamin'ny olona rehetra ny Evanjelin'i Kristy??? Na hoe efa notorina tamin'ny olona rehetra ny finoana an'i Kristy? Firy isan-jaton'ny olona no efa nitoriana an'i Kristy??? Dia very daholo ve izany ireo tany rehetra tsy mba mahalala azy, sy tsy mba nitoriana azy satria mpanota be fa tsy nino azy??? ka raha very ireo Iza no meloka, ilay mpanome sa ilay tsy nomena??? Mba valio azafady e!!!
coopsal:
Ka moa ve nisy olona tsy mbola nanota ?
Misy tokoa ny olona tsy mbola tsy nanota: Ny zaza mbola tsy afaka mampiasa ny volonté-ny dia azo lazaina hoe: tsy manota mihitsy. Toy izany koa ireo olona manana olana amin'ny fampiasana ny volonté (toy ny marary saina)... Ireo dia tsy mba manota na dia manao zavatra tsy mety aza, satria ny asa ataony dia dia tsy tena misy ny safidy, fahafahana, andraikitra, sitra-po, saina, sns...
coopsal:Tsy misy ny olombelona mpanota hatrany an-kibon-dreniny
na iza na iza nanota izany dia efa tafasaraka tamin' Andriamanitra.
coopsal:.
Raha misy tsy mino an'i Jesoa izany dia mijanona ho tafasaraka amin' Andriamanitra
Raha tsy mahalala ny Zanaka ve dia avy hatrany dia hoe tsy havan'ny Rainy e??? fa iza no fantatry ny olona voalohany ny Zanaka sa ny Ray??? Raha ny Ray no fantany mialoha sy inoany, ahoana no lazaina fa raha tsy mahalala ny zanany sy tsy mino azy izy, dia ho mpanota sy tsy mihavana amin'Andriamanitra??? Mba hazavao hoe!!!.
Toy ny hoe: dadatoanay sy ny vadiny no fantatro, ary inoako fa havanay. Ny zanany tsy misy fantatro. Dia raha tsy mahalala ny zanany ve izaho dia tsy havan-dry zareo e??? na hoe noho ny tsy fahalalako ny zanany dia tsy ekeny ho havany intsony aho??? Dia rariny ve izany???
Hoy ny soratra masina "Na hanadino ny taizany aza ny reny, izaho tsy mba hanadino anao" ... Dia ahoana? hazavao!
coopsal:
==> Ary ny fomba hamelan' Andriamanitra ny heloka dia amin'ny finoana an'i Jesoa. .
Raha mbola tsy tonga nofo akory aza Kristy dia efa namela heloka Andriamanitra. Ary mbola mamela ny helok'ireo tonga mifona aminy amin'ny fo tokoa izy, na dia tsy mino an'i Kristy aza izy ireny.
coopsal:
Raha izaho no nihevitra toa anao dia naleoko tsy nino an'i Jesoa! Tsy misy intérêt izany
satria aminao i Kristy dia atao fitaovana hanamelohana ny hafa, ka tsy misy interet ho anao noho izany ny mihevitra toa ahy.
Amiko rakoto dia tsy Andriamanitra fotsiny i Kristy, fa Namana, sakaiza... Ary sakaizan'ny olona rehetra. Tsy izy no hanameloka ireo tsy mino azy, ka hilaza fa mpanota be nareo satria tsy mino ahy, na koa hoe: ho very ianareo satria tsy mino ahy.... NON.... tsy izy no hanao an'izany. Fa manana izay fomba hamonjeny azy ireny izy. Aza adino fa ny sitrapony dia ny hahavonjy ny olona rehetra, eny fa na dia ireo tsy mino azy aza....
coopsal:
==> Koa hajao aza io dia ho voavonjy ianao.
Raha toa kosa anefa tsy mahaja an'io na dia in-1 monja aza ianao dia efa very izay.
Nisy ny olona tsy nanaja ny lalana hatry ny ela, ary fantatr'Andriamanitra izany... nefa voavonjy izy noho ny famindram-pon'Andriamanitra. Aza adino fa na dia lehibe toy inona aza ny fahotana vitantsika, mbola lehibe lavitra noho izany ny famin-dram-pon'Andriamanitra.
Izay fa efa lava be. Ataoko fa hovakinao tsara io, ary dia minadry ny valiny.
Am-pitiavana be.
47. ikaretsaka
(
25/02/2009 16:08)
lasa biby fampitahorana tokoa randremanitra sy rajesoa raha izao le
48. Nandra1
(
26/02/2009 12:59)
==> Io teninao io ihany dia manambara fa na dia manao asa soa sy marina betsaka aza ny olona dia meloka foana satria 7*77 / jour farafahakeliny.
KRISTY anefa no niteny hoe \"Tsy izay manao tompoko tompoko no hiditra amin\'ny fanjakàn\'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon\'ny Raiko izay any an-danitra. Maro amin\'izany no hanao amiko hoe : \'Tompoko, tompoko, moa ve izahay tsy efa nanao asa maro be tamin\'ny anaranao? Efa namoaka demonia t@ anaranao, efa nanao fahagagana sy nitory teny t@ anarano ?\' Izaho hanao aminy hoe \'mialà amiko ianareo mpanao meloka\'\". [Matio 7:21-23]
Ka ireo voatanisa ireo anie dia azo lazaina fa asa tsara sy marina betsaka e! Saingy mbola mpanao meloka foana na nanao an\'zany aza. Ary ny mpanao meloka dia tsy mandova ny fanjakàn\' Andriamanitra.
Ny amin\'ny asa marina ataon\'ny olona dia toy izao no hanoharako azy :
Nisy vehivavy iray nanamboatra quatre quart! Nisafidy ny lafarinina sy menaka, dibera ary siramamy faran\'izay tsara izy, nataony tamin\'ny fatra tena izy. Nisy strychnine kely latsaka tao anatin\'ilay mélange. Dia hanontany anao aho hoe, mbola misy horaisina ihany ve le gâteaux amin\'izay ? Na dia tsara fantina sy tsara vita aza ilay gâteaux, ny poizina ao anatiny dia mahatonga azy ho tsy azo raisina ka tsy maintsy hariana.
dia tahaka izany ny asa marina sy soa ataon\'ny olona! NA dia ny asa tsara indrindra aza dia voapoizin\'ny fahotan\'ny olona. Ka tsy hisy horaisiny akory ireny rehefa eo amin\'ny fitsaran\' Andriamanitra. Koa ny fitiavan\' Andriamanitra ny olona dia naniraka ny Zanak\'Ondry tety an-tany Izy, ary izay voasoratra anarana ao amin\'io bokin\'ny fiainana an\'ny Zanak\'Ondry io no voavonjy.
Ny fanaovana asa soa sy marina betsaka de tenin\'i Jesoa Kristy fa tsy meloka akory fa ny hadisoana @ zvt hafa angamba, na izany na tsy izany afaka mifona sy mibebaka de tsy mamerina intsony e! SAtria I Jesoa Kristy maty ary efa nitsangana t@ maty ho famonjena ny olon-drehetra.
Efa nisy ve fotoana nahatsapanao izany hoe \"tena maizina amiko ny tany aman-danitra\", kanefa ny andro mazava, na farafaharatsiny misy jiro eo ? Raha eny, izany no atao hoe aizin\'ny Fanahy, ka hitanao amin\'izany fa tsy ilay jiro sy hazavana ara-nofo no miteraka fahazavana ho an\'ny fanahinao.
Efa nisy fotoana ve nahatsapan\'ny fanahinao fa maloto ianao (satria nanota), kanefa dia olona avy nandro sy madio ny tenanao amin\'izay ? Izany no mampiseho fa tsy ny rano ara-nofo mihitsy no afaka manadio ny fanahy.
Araka ny teninao, symbole ireny, fa tsy ireny no manadio. Tahaka ny tenu na miaramila izay efa lasa lamaody ka na miaramila na tsia dia manao fitafiana toitoy izany aby! Ny tsy miaramila koa afaka miteny hoe \"mon Général\" sady manao gardavou tahaka ireny miaramila ireny.
Koa ny fitenenana hoe \"amin\'ny anaran\'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina\" dia afaka tenenin\'ny rehetra na damopr na rapasy na olona ts mino aza!
Eo no ilazako (ary ilazan\'ny Apostoly Masina koa) hoe : tsy ny fombafomba ivelany no tena batisa, tsy ny rano, fa ny fon\'ny olona mibebaka, tsy ny jiro fa ny Fanahin\' Andriamanitra manamboatra ny fon\'ilay olona ka mahatonga azy tsy ho mpanota intsony (araka izay efa nosoratanao rahateo).
Ny fampianarana Kato dia ahitana vérité spirituelle be dia be, saingy rehefa matérialisena ny Esprit dia miteraka fitaka ho an\'ny olona satria dans le monde spirituel tsy hisy matériel akory. Ka ianao zatra zavatra matériel dia ho diso fanantenana sy ho vahiny be amin\'ny monde spirituel :
1- Ny représentation an\'i Jesoa na ny Olo-Masina @ sary vongana dia hiteraka fahazarana ho anao amin\'ilay sarivongana, ka rehefa tena hifanena amin\'i Jesoa sy ireo Olo-masina, izay efa fanahy ianao, dia tsy ho fantatrao izy ireo satria tsy ilay endrika fahitanao tsinona no ho hitanao. Izany no tsy nahafantaran\'ireo mpianatra an\'i Jesoa raha vao nitsangana tamin\'ny maty Izy, satria tsy ilay vatana fahitan\'izy ireo no hitany fa hafa mihitsy (na dia nisy ny diam-pantsika sy ny lefona aza). Fa ny nahafantaan\'izy ireo Azy dia ny fombany sy ny teniNy : ny teniNy.
2- Rehefa zatra ny famirapiratana materialy ianao eo amin\'ny fiangonana izay heverinao fa tranon\' Andriamanitra, dia tsy ho tantinao ny hahita ny famirapiratana spirituel sy izay tena fonenan\'ny fanahy ao amin\' Andriamanitra. Tadidio fa ireo mpiandry ondry raha nahita ny Anjely tao amin\'ny famirapiratana tsy emerveillé fa \"raiki-tahotra indrindra\", satria tsy famirapiratana ara-nofo no hitany ka hoe ho nahasarika sy nahababo azy, fa famirapiratam-panahy izay tsy nifanaraka tamin\'y toe-tenany mpanota.
3- Na dia amin\'ny materialy aza dia hita fa tsy ary mitovy ny fanadiovana ny zavatra rehetra! Ny fotaka sy loto dia ampiasana rano sy savony hanadiovana azy. Fa ny hamaintisan\'ny charbon dia tsy ho voadionao velively na hampiasa rano 2000000 litres sy savony 2 taona aza ianao! Ny afo no manafaka ny hamaintisan\'ny charbon.
Koa tahaka izany, ny loto sy fotaky ny fahotana dia produit spirituel sy rano spirituel (ny ràn\'i KRISTY) no hanadiovana azy, fa tsy rano matériel. Ny hamaintisam-panahin\'ny olona noho ny fahotana, dia mila afon\'ny Fanahy Masina (tsy matériel) no manadio azy. Koa maro no ho menatra mafy raha hahita ny tenany tsy madio ... satria voafitaka niantehitra tamin\'ny fanadiovana ny nofo fa tsy ny fanahy.
Merci alo @ le hoe \"vérité spirituelle\" eo @ kato, ny finoana amiko de finoana ny zvt tsy hita maso, na mbola tsy nahita an\'izany Jeso zany ary de mino Azy aho fa Izy no Famonjena! Atokisako koa fa miteny Izy à partir ny Fanahy Masina! Koa ataonao ahoana ny matérialiser Esprit izay miteraka fitaka inona izany? satria impossible à materialiser izay amiko, fa ny asany sy ny fanomezam-pahasoavana avy aminy no hita mivantana @ fiainan\'ny olona.
Farany, za tsy mivavaka @ sarivongana na ireo matériel resahinao ireo fa Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina no ao anatin\'ny foko sy fanahiko rhf mivavaka aho fa tsy le eriteritrao sy le fitsarana ivelany ataonao!
Asory aloha le hazokely eo @ masonao vao miteny ny andrikely eo @ mason\'olona ianao satria Maro no antsoina fa vitsy ny hofidiana, ka samy tsy mbola misy mahafantatra hoe iza avy le vitsy hofidiana?
49. coopsal
(
05/03/2009 13:15)
soanja:
Andriamanitra irery ihany no manapaka ny momba antsika isanisany. Ny fahaverezana dia tsy ho fantantsika akory ny dikany amin'Andriamanitra koa aza maika loatra milaza fa izay tsy izao dia izao.
Aza variana mihevitra fa ilofosy izay mety eo imasonao ary zarao izay mahasoa.
==> Andriamanitra tokoa no manapaka. Ary Izy no efa niteny hoe :
"Misy loza tonga amin'ny tanàna va,
raha tsy Iaveh no nahatonga izany?", fa hoy koa Izy hoe :
"Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Iaveh,
raha tsy efa nanambara ny heviny miafina
tamin'ny mpaminany, mpanompony."
[Amosy 3:6-7]
Noho izany mampahafantatra mialoha foana Izy ny amin'ny loza hitranga.
Ny problema, tsy Andriamanitra no anontanian'ny olona, laviny tanteraka fa afaka miteny Andriamanitra, fa tsy hoe rehefa nanome saina sy vava sy sofina ny olona dia IZy indray no tsy manana intsony. Mandà ny kristiana fa be fitiavana Andriamanitra ka tsy hamela ny oloNy hitoetra ao anaty incertitude, fa mamaly Azy sy manambara aminy ny sitrapoNy.
Izany no tena atao hoe borné ary mi borner an' Andriamanitra. Ary izany no anton'izao krizy eto Madagasikara izao, sy izay mbola ho tohiny.
50. coopsal
(
05/03/2009 13:22)
ikaretsaka:
Fa @ coopsal tokoa izany de inona ireny olona hafa fivavahana sy tsy vanjo alika tsy mba manana baiboly izy milaza ny lisitry ny azo atao sy ny tsy azo fa kosa entin'ny ethics sy ny intution izy @ zavatra ataony...de be fahotana be mihitsy..satria tsy manaraka ny lisitra ?
==> Misy rahalahiko anakiray mamaly ny resaka. Izy tsy kristiana hatramin'ny fahakeliny akory, fa hindou! Fa rehefa nahita an'i Jesoa izy dia nino an'i Jesoa.
eto.
Miombon-kevitra aminy aho.
51. coopsal
(
05/03/2009 13:38)
Fody:
Amiko rakoto dia tsy Andriamanitra fotsiny i Kristy, fa Namana, sakaiza... Ary sakaizan'ny olona rehetra. Tsy izy no hanameloka ireo tsy mino azy, ka hilaza fa mpanota be nareo satria tsy mino ahy, na koa hoe: ho very ianareo satria tsy mino ahy.... NON.... tsy izy no hanao an'izany. Fa manana izay fomba hamonjeny azy ireny izy. Aza adino fa ny sitrapony dia ny hahavonjy ny olona rehetra, eny fa na dia ireo tsy mino azy aza....
==> I Kristy no niteny an'ity :
"Izay mino azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra tokana.". [Joany 3:18]
Koa anontanio KRISTY dia hamaly anao Izy. Izy no mahafantatra ny antony, ny anjarako dia mino izay lazaiNy, tahaka ny zaza! (donc, ara-bakiteny).
Fody:
Nisy ny olona tsy nanaja ny lalana hatry ny ela, ary fantatr'Andriamanitra izany... nefa voavonjy izy noho ny famindram-pon'Andriamanitra. Aza adino fa na dia lehibe toy inona aza ny fahotana vitantsika, mbola lehibe lavitra noho izany ny famin-dram-pon'Andriamanitra.
==> Misy hoe ? Misy ve nanaja an'io 'tiava ny namanao tahaka ny tenanao' io?
Ary koa, ny famindram-pon' Andriamanitra dia KRISTY tonga nofo, maty teo ambony hazo fijaliana hisolo heloka ary nandatsaka ny ràNy ho fanadiovana. Natsangana velona Izy mba ho porofo fa marina izany rehetra izany. Ka izay tsy mino an'i KRISTY dia ny famindram-pon' Andriamanitra no tsy raisiny, inona no indrafony eo ? Izay indrindra no nilazan'i KRISTY hoe "Izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy hahazo famelana amin'ny helony".
Henoko ny amin'ny condamné à mort iray tany Etazonia. Nahafantatra ny Président t@ izany hono ny havany ka dia nangataka grâce ho azy. Nandefa ny lettre de grâce présidentielle ho azy ny président, fa rehefa tonga dia nolaviny fa tsy mila an'izany izy! Farany, ny président mihitsy no tonga tao amin'ny fonja mba handresy lahatra azy, saingy tsy nanaiky handray ny grâce izy, koa notanterahina ny famonoana azy.
Kristy no famindram-po! Ny evanjely no lettre de grâce. Koa izay mandà ny famindram-po, na avo tahaka ny inona aza ny famindram-pon' Andriamanitra, izay ao amin'i KRISTY, dia ho very ihany izy.
Fody:
Izay fa efa lava be. Ataoko fa hovakinao tsara io, ary dia minadry ny valiny.
==> Ireo maro be teo aloha efa novaliako (tsy haiko na t@ity na tany ambadika), fa tsy manana hevitra nakoatra izay an'i KRISTY aho, ary hitanao misoratra ao @ Baiboly izany. Koa inona moa no hamerenako hamaly resaka eo rehefa ny fonao no tsy hino ?
52. coopsal
(
05/03/2009 13:41)
ikaretsaka:
lasa biby fampitahorana tokoa randremanitra sy rajesoa raha izao le
==> Tsy biby Andriamanitra! Fa Izy no niteny fa "ny fahatahorana an' Yaveh no fiandoham-pahalalana".
Ny olona intelligent noho izany dia tsy izay marani-tsaina mpikarokaroka sy mahita raha maro ... fa izay matahotra an' Andriamanitra!
53. coopsal
(
05/03/2009 14:02)
Nandra1 :>>>
- Ny fanaovana asa soa sy marina : Tsy fanaovana asa soa no ratsy akory! Fa ny hevitr'ilay fanoharana dia hoe, na dia zavatra heverina fa tsara aza, takon'izay ratsy vitanao iny.
Izany no nitenenan'ny Malagasy hoe : "rano madio iray siny tsy mahaleo fandoto iray tandroka".
Fa ny tenin' Andriamanitra no milaza izao :
"Raha misy olo-marina miala amin'ny fahamarinany sy manao heloka, ka mametraka fandrika eo anoloany aho, dia ho faty izy; noho hianao tsy nananatra azy dia ho faty amin'ny fahotany izy; ny asa fahamarinana nataony tsy ho tsarovana intsony; ary ny rany kosa hadiniko amin'ny tànanao."
- vérité spirituelle matérialisena : Maromaro ireo ohatra nataoko ireo, tsy exhaustive ireo akory. Sady tsy izaho no mampiaiky ny olona ny faharatsiany, fa ny Fanahy Masina. Izaho tenako protestant FJKM, fa Andriamanitra nampiharihary teo imasoko ny fahadisoana nisy tao @ fiangonako. Narary ny hambom-poko saingy tsy maintsy nisafidy aho na KRISTY na ny idéologie-ko.
- Maro no hantsoina fa vitsy no hofidiana : Tsy fantatsika anarana toy ny hoe "rakoto", "rasoa", fa par l'esprit kosa, efa nilaza Andriamanitra fa :
"Izay miantso ny anaran' Andriamanitra no hovonjena". ---> Izay miantso ny anaran' Andriamanitra (ao am-pony)
"... tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay" ---> izay mino an'i KRISTY.
"ny sitrapon'ny Ray, dia mba hanana fiainana mandrakizay izay mijery ny Zanaka ka mino Azy" ---> izay mijery ny Zanaka ka mino Azy.
NB : Ny filazana fa maro no antsoina fa vitsy no hovonjena dia mampiseho fa :
- maro ny mpivavaka fa vitsy no miantso ny anaran' Andriamanitra
- maro ny kristiana, fa vitsy no tena mino an'i KRISTY.