Ireo karazam-PAHOTANA?

21. ikaretsaka ( 24/02/2009 00:30)
satria misy izao ilay hoe "lainga masina" ...nefa raha arahina araky ny lisitra fotsiny dia tsy azo atao ny mandainga : fa ny resultat an'ilay izy no maha "masina" azy.

Misy koa izao ny "fifaninanana masina" : tadidio fa matoa ianao mifaninana dia misy fitsiriritana kely te hisongona ilay hifaninananao ianao izay! .. nefa raha ny listra no jerena dia tsy azo atao ny mitsiriritra .. nefa ny resultat an'ilay izy no maha "masina" azy
22. soanja ( 24/02/2009 00:32)
Ny tiako tratrarina izany dia ny tsy hitazana ny fahotan'ny hafa satria azy sy Andriamanitra izay raha misy izany fa ny ahy sy Andriamanitra izay mifandray eo amin'ny alalan'ny fifandraisako amin'ny tenako sy ny hafa ary ny tontolo rehetra.

Mety afaka hiteny ve aho hoe Ny didiko (nomen'Andriamanitra ahy) dia tsy didinareo ary ny didinareo tsy didiko fa isika kosa dia iray lalana ihany dia ny hitambarantsika ao amin'Andriamanitra? Asa anefa! Mbola mikatsaka hatrany aho ahita ny fahamarinana....
23. Nandra1 ( 24/02/2009 05:59)
Ny fahotana dia izay mampisaraka ny tena amin'Andriamanitra sy ny olona.

Marina izany ry Fody !
Zay mba fantatro no zaraiko, ny olona rhf vita batemy na batisa de efa afaka t@ fahotana t@ fototra saingy mbola manohy manota ihany, ao ny fahotana majinika: mora tezitra, sns.... ary ao koa nefa ny fahotana mahafaty toy ny mamono olona, mangalatra sns..., ireo mandika ny didin'Andriamanitra( didy folo)!
Samy hotsaraina @ asany ny olona ary samy tsy misy ho afa-bela fa ny mety hampiavaka azy fotsiny de ny fibebahana ety an-tany sy ny fiekena heloka ary ny finoana an'i Kristy ho Mpamonjy antsika! An'Andriamanitra irery ihany ny fitsarana ny olona ka noho izany ny degré ny fitsarana ny heloka tsotra sy heloka bevava vita de samy tsy misy mahafantatra fa de ny mitandrina no tsara!


24. Fanhaiky ( 24/02/2009 06:44)
Fahotana avokoa rehefa tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra izay ataonao
Oh: Tsy fahalalana ny oniny, fahatezerana, fahalotoana, avonavona (izay efa nolovaina tamin'i Adama sy Eva), fahakamoana, sns...eh
25. coopsal ( 24/02/2009 07:18)
Ikaretsaka:
de ahoana le kristianina (mino an'i kristy) manao heloka bevava ireny ry coopsal?

==> Voalohany, amiko ny kristiana dia tsy misy hafa amin'ireo mpanara-dia an'i KRISTY 2000 taona lasa izay. Nisy amin'arivony izy ireny, saingy tsy ireny amin'arivony ireny no nahita an'i KRISTY nitsangana, fa 500 mahery kely hoy ny Apostoly Paoly, satria ireo no tena nino Azy. Ka mandraka ankehitriny, na voalaza aza fa 1 milliards sa firy ny isan'ny kristiana maneran-tany, tsy dia ireo rehetra ireo no mino an'i KRISTY marina. Tsy inoako ho manota izay mino marina an'i KRISTY. Ny Apostoly Masina Joany no nilaza fa "izay naterak' Andriamanitra dia tsy manohy manota intsony"! Mpanota izy ireo fony tsy mbola naterak' Andriamanitra, fa rehefa naterak' Andriamanitra izy dia tsy mpanota intsony.

"Ary rehefa tonga ny Fanahy Masina dia hampiaiky izao tontolo izao (fa diso hevitra izy) ny amin'ny fahotana, ny fitsarana, ary ny fahamarinana .
Ny amin'ny fahotana satria tsy mino Ahy izy
Ny amin'ny fitsarana, satria efa voatsara sahady ny andrianan'izao tontolo izao.
Ny amin'ny fahamarinana, satria izaho mankany amin'ny Ray
" [Joany 16].
Le monde se trompe en ce qui concerne le péché, le jugement et la vérité!
26. coopsal ( 24/02/2009 07:37)
Mirananirina:
Amiko ny fahotana dia ny fanaovana ratsy olona 1.Oh:mangalatra, mamosavy mamono..........

==>
Samy manana ny famaritany ny fahotana tokoa ny olona na fiaraha-monina tsirairay. Fantatro anefa fa tsy ny définition ny olona sy ny fiaraha-monina no hitsaràna ahy raha nanota aho, fa ny définition an 'Andriamanitra. Ka ho ahy ny mahasoa dia ny mamantatra ny définition an' Andriamanitra ary mijery ny tena hoe aiza ho aiza par rapport @izay. Fa na ho olo-mendrika eo anatrehan'izao rehetra izao aza aho nefa meloka eo anatrehan' Andriamanitra, very foana izany.
Ary raha meloka sy diso aza aho amin'izao rehetra izao, fa Andriamanitra manamarina ahy, dia marina aho izany.

Mirananirina:
Nefa isika dia mpanota daholo dia ahoana ary izany?????????

==> Noho izany marina ny filaza hoe "tsy misy olo-marina na iray aza". Noho izany dia voaheloka daholo isika rehetra. Condamnés miandry ny fanatanterahana ny sazy : fisarahana tanteraka amin' Andriamanitra any @ afobe.

Mirananirina:
Avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay meloka taminay.

==> Ity dia manamafy io eo ambony io. Izaho aloha ry Mirananirina an, niezaka ny hamela ny heloky ny hafa, fa impossible ho ahy izany indraindray. Donc, raha mivavaka aho hoe, mamelà ny heloko ry Ray tahaka ny namelako izay meloka tamiko, dia ny heloko sasany ihany izany no havelan' Andriamanitra fa ny sasany tsy mahazo famelàna.

Mirananirina:
Izay tsy nanota taminareo no aoka hitorabato azy ireo.

==> Henoko mihitsy Kristy niteny an'iny tamin'ny mpivavaka sy ny teolojiana tamin'ny génération-ny. Ireo teo amin'ny fanatrehan'i KRISTY maso ka tsy nisy sahy nitora-bato. Fa izaho aloha d efa imbe dia be no nitora-bato (au sens figuré) olona noho ny fahotany, na tao an-damosiny na nifanatrika taminy. Anisan'ireo mpanenjika ny mpanao pirate aho, anisan'ireo mpanenjika ny mpangalatra aho. Anisan'ny mpanenjika ireo mpivavaka sy mpitondra fivavahana manaonao foana aho, anisan'ny mpanenjika ireo mpiandry manitsakitsaka ny zon'ny hafa aho. Ary raha ny forum izay novakiako teto dia maro no tahaka ahy : voaheloka ho any amin'ny afobe, tsy mitandrina akory izay nasain' Andriamanitra notandremako.
27. coopsal ( 24/02/2009 07:53)
Fody:
Moa fahotana ve ny tsy finoana an'i Kristy?

==> sarotra ho ahy no nino an'io ry Fody, fa tsapako telo volana aho no vaky loha hoe ahoana ary no ilazan'i Jesoa fa izany no fahotana! Fa raha mino an'i Jesoa, dia mino izay lazaiNy.

Fa ndeha hazavaiko araka izay fahazoako azy ilay zavatra :
Fahotana ny fandikàna ny Didin' Andriamanitra (ataoko fa izay no définition fohy indrindra). Rehefa mandidy Andriamanitra hoe : "izao ataovy", na "izao aza atao", izay mandika izay dia manota. Ny Didin' Andriamanitra dia voafehy amin'ny hoe : fitiavana. Ary io fitiavana io dia mizara ho toy izao aloha :
1- Tiava an'i YHVH Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, ny sainao rehetra, ny herinao rehetra, ny fanahinao rehetra.
2- Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Izay izy raha tsotsotra, fa avy eo rehefa vahabahana dia mizara ho sokajy folo indray, dia ireo Didy folo .... ainsi de suite izany no ahazoana ireo kipitsopitsony be.
Araka an'io (na ireo) Didin' Andriamanitra ireo, dia voaheloka ny olona, satria hoy Andriamanitra hoe "Tsy misy marina na iray aza". Ary raha misy olona conscient ny fitenenany hoe "mpanota ny olona", dia mahatsapa izy fa voaheloka izany.
Araka an'io Didy io izany dia tsy misy olona voavonjy na iray aza, tsy misy afaka fanadinana eo @ fitsaran' Andriamanitra na iray aza.
Satria tsy dia ny fahafantarana ny fahotana no grave, fa ilay nanota ka misy condamnation (vainafo) miatona eo ambony loha.

Noho ny fitiavan' Andriamanitra dia nalefan' Andriamanitra tao amin'i KRISTY ny condamnation noho ny fandikàna Didy rehetra. Ka ho an'izay mino dia grâcié izy ?

Noho izany, raha ho very any amin'ny afobe ny olona, dia tsy hoe satria nandika ny Didy folo izy, fa noho izy tsy nino an'i KRISTY mba ho voavonjy.

Ndeha ary ataoko fa tsy fahotana akory ny tsifinoana an'i KRISTY, fa fahaverezan'ilay fomba tokana hahavoavela ny heloka rehetra.

Fa ndeha indray horaisiko ny définition-nao : "ny manao izay rehetra mampisaraka amin' Andriamanitra no fahotana". Moa ve tsy efa tafasaraka amin' Andriamanitra ny olona ? Ka Ny finoana an'i Jesoa no mampihavana amin' Andriamanitra, izany hoe, ny tsi-finoana an'i Jesoa no mampisaraka amin' Andriamanitra indray eto. D'où : ny fahotana dia ny tsi-finoana an'i KRISTY.
28. coopsal ( 24/02/2009 08:26)
soanja:
Fa ny hany azoko lazaina ho fahotana angamba dia ny zavatra fantatro fa tokony ataoko ho fanatsarana ny tenako sy ny manodidina ahy ary indrindra ny adidy tokony horaisiko momba ahy sy ny tontolo iainako nefa tsy notanterahako izany satria ny noho ny fisalasalana be loatra ny momban'ny fahatokisana an'Andriamanitra.

==> Tsy maninona raha izay no ekenao fa fahotana. Ny fanontaniana ary dia hoe : moa ve araka io définition nao io, Tena tanterakao ve izay tokony nataonao ary tsy nataonao ve izay fantatrao fa tsy tokony natao ? Incosciente foana ve ianao teo am-panaovana ny tsy nety sa nisy fotoana ianao nahafantatra tsara fa tsy nety ilay zavatra saingy "c t plus fort que toi" ?
Bref mpanota ianao sa tsia ? Condamnable et condamnée ve ianao sa tsia ?
29. coopsal ( 24/02/2009 08:38)
Ikaretsaka:
satria misy izao ilay hoe "lainga masina" ...nefa raha arahina araky ny lisitra fotsiny dia tsy azo atao ny mandainga : fa ny resultat an'ilay izy no maha "masina" azy.
Misy koa izao ny "fifaninanana masina" : tadidio fa matoa ianao mifaninana dia misy fitsiriritana kely te hisongona ilay hifaninananao ianao izay! .. nefa raha ny listra no jerena dia tsy azo atao ny mitsiriritra .. nefa ny resultat an'ilay izy no maha "masina" azy

==> Hoy ilay rahalahiko izay hoe "Dieu appelle un chat un chat, IL appelle un péché un péché.
Pendant ma jeunesse, on appellait un voleur un voleur, de nos jours, il n'y a presque plus de voleurs, il y a des cleptomanes.
Avant, on appelait un menteur un menteur, de nos jours, on les appelles mythomanes.
Mais DIEU est juste et IL appelle chaque péché par son nom : le vol, le mensonge".

Hoy koa aho hoe, isika olombelona no milaza ny fisian'ny lainga masina sy ny fifaninanana masina. Fa ataoko fa Andriamanitra tsy manao ny zavatra tsy masina ho masina velively. Rehefa lainga dia lainga, ary ny mpandainga dia any amin'ny farihy mirehitra afo.

Ny résultats ... Hoy Kristy hoe "tsy misy hazo ratsy mamoa voa ratsy", "Ataonareo ratsy fanahy ahoana no fanao tsara ?", "Ataovy ho tsara ny hazo dia tsara ny voany, na ratsy ny hazo dia ratsy ny voany".
Rehefa ratsy ny source dia artsy ny résutat, fa tsy possible hoe hisy source ratsy ka hamoaka résultat tsara.
Ny Apostoly Masina Jakoba dia niteny hoe "moa ve hisy loharano anakiray hamoaka rano mamy sy masira? Fa raha masira ny loharano dia masira ny rano mivoaka, raha mamy ny loharano dia ho mamy ny mivoaka".
Hoy ny Malagasy hoe "tarana-boanjo foto-boanemba".
Araka ny siansa, misy karazan-javatra anakiroa no mampiova ny zavatra na olona iray : somation sy mutation.
somation : fiovana ateraky ny zava-mitranga ety ivelany. Io fiovana io dia tsy manova velively ny natioran'ilay olona.
mutation : fiovana avy amin'ny ao anaty génôme ... fiovana izay mampiova tanteraka ny natiora.

Koa rehefa lainga dia lainga, fa tsy ho tonga masina mihitsy ny lainga.
Hoy KRISTY : "Ny devoly dia mpandainga sady rain'ny lainga, izy efa mpamono olona hatramin'ny voalohany. Raha mandainga izy dia ny natioarny no avoakany". Ny lainga dia natioran'ny devoly ary izany no amonoany olona. Tsy ho masina mihitsy izany.
30. haritianah ( 24/02/2009 09:06)
Fa lé teny FAHOTANA ve aloa taiza no nakana azy é?
Fahafatarako azy mantsy dia nipoitra avy @ fivavavahana ny teny oé FAHOTANA fa ts tany @ lalampanorenana mihintsy.Na tany @ bokimpajakana.
Noho izany dia izay mandika ny làlàna voalazan'ny baibolin'ny tsirariray no atao oé manota.(samy manana ny baiboliny io ary samy marina daolo ny baibolin'ny tsirairay araka ny finoany avy)
Soanja= Amiko angamba ny tenanao ihany no mamorina ny fahotana ho anao fa ts ny hafa na ny fiaraha monina zany.
Efa lazaina aminao ny didy n'Andriamanitra ka rehefa ny sainao no mananaiky andika io didy io dia ianao zany no nampiditra ny fahotana ho ao aminao.
Na mpijangajanga, na pangalatra,na pamono olona no iainan'ny fiaraha monina misy anao tsy voatery anaraka izany ianao raha mitana ny didy nomena anao.Noho izany tenanao no manaiky matoana ianao manao anilay izy fa tsisy oé avy aiza no nahatonga anao anota zany.
31. coopsal ( 24/02/2009 09:21)
Nandra1:
Zay mba fantatro no zaraiko,

==> Misaotra anao nizara, ndeha isika hifampizara izay kely fantatra e!
Inona moa no zava- baovao hozaraiko eo fa izay an'i KRISTY ihany, tsy hitady lavitra aho fa izay voasoratra ao amin'ny Baiboly no holazaiko.

Nandra1:
ny olona rhf vita batemy na batisa de efa afaka t@ fahotana t@ fototra saingy mbola manohy manota ihany,

==>
- Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy." [Jaona 3:3].
----**** Ny batisa/ batemy no lazaina eto : batisan'ny rano sy batisan'ny Fanahy Masina.
- "Izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota, satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin'Andriamanitra, sady naterak'Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota." [I Joany 3:9].
----**** Raha izany, izay vita batisa/ batemy izany dia tsy manota intsony !!??!!
Mety tsy ho marina ve ny filazana fa izay vita batemy no naterak' Andriamanitra ? Sa marina ihany ilay teny, fa ilay batemy mihitsy no hisian'ny fahadisoana, ka vita fombafomba ivelany ny olona fa tsy naterak' Andriamanitra akory (raha toa ka mbola manohy manota ihany) ?
Ahoana tokoa moa no lazaina fa hoe afaka ny fototry ny fahotana (sa tsy izany no dikany ?) kanefa mbola hisy fahotana ihany ao ? Sao dia mba tsy afaka akory ilay fototra ?

Nandra1:
ao ny fahotana majinika: mora tezitra, sns.... ary ao koa nefa ny fahotana mahafaty toy ny mamono olona, mangalatra sns..., ireo mandika ny didin'Andriamanitra( didy folo)!

==> "Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: 'Aza mamono olona' (Eks.20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe : Olom-poana hianao, dia mendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo.
" [Matio 5:21-22]
-----**** Maninona ary no ataon'i Jesoa mitovy sazy eto ny namono olona sy ny tezitra amin'ny rahalahiny, kanefa ny tezitra dia fahotana kely ary ny mamono olona dia fahotana lehibe mahafaty!!!??!!

Nandra1:
Samy hotsaraina @ asany ny olona ary samy tsy misy ho afa-bela fa ny mety hampiavaka azy fotsiny de ny fibebahana ety an-tany sy ny fiekena heloka ary ny finoana an'i Kristy ho Mpamonjy antsika!

==>
"Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin'ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin'ny boky araka ny asany.
Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy...
Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin'ny bokin'ny fiainana, dia natsipy tany amin'ny farihy afo izy
.
" [Apokalypsy 20:12-15]
----**** Izany hoe izany, voasoratra ao anaty boky daholo ny asan'ny tsirairay, na ny tsara na ny ratsy ... Fa hisy boky anakiray hafa mirakitra, tsy asa fa anaran'olona kosa, ka na iza na iza tsy hita voasoratra ao anatin'io boky io dia hatsipy any amin'ny farihy mirehitra afo, na betsaka na kely asa tsara sy ratsy vitany !!??!!

Nandra1:
An'Andriamanitra irery ihany ny fitsarana ny olona ka noho izany ny degré ny fitsarana ny heloka tsotra sy heloka bevava vita de samy tsy misy mahafantatra fa de ny mitandrina no tsara!

==> Raha an' Andriamanitra ny fitsarana, mety ho lalàn'iza no hoentina mitsara ? Critères sy définition an'iza momba ny fahotana sy heloka no hitsarana ?
"Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.". [Apokalypsy 16:15]
----**** Izany hoe io fitandremana io dia fitandremana ny fitafiana izay manakona ny zava-mahamenatra natao izany !!??!! Ka inona io fitafiana io ?
"Fa Itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany." [Romana 13:14]
32. Nandra1 ( 24/02/2009 12:52)
\"Izay rehetra naterak\'Andriamanitra dia tsy manota, satria mitoetra ao aminy ny voa nafafin\'Andriamanitra, sady naterak\'Andriamanitra izy ka tsy mahazo manota.\" [I Joany 3:9].
----**** Raha izany, izay vita batisa/ batemy izany dia tsy manota intsony !!??!!
Mety tsy ho marina ve ny filazana fa izay vita batemy no naterak\' Andriamanitra ? Sa marina ihany ilay teny, fa ilay batemy mihitsy no hisian\'ny fahadisoana, ka vita fombafomba ivelany ny olona fa tsy naterak\' Andriamanitra akory (raha toa ka mbola manohy manota ihany) ?
Ahoana tokoa moa no lazaina fa hoe afaka ny fototry ny fahotana (sa tsy izany no dikany ?) kanefa mbola hisy fahotana ihany ao ? Sao dia mba tsy afaka akory ilay fototra ?

Ary Fa maninona no ilay batemy mihitsy no hisian\'ny fahadisoana? fombafomba ivelany ahoana? Za kato fa ny fantatro aloha de ny tenin\'i damopranay rhf manao batemy de \"Zà manao batemy anao @ Ray, Zanaka sy Fanahy MAsina\" ary misy rano miaraka @ izay, misy Jiro ho fahazavana sns...............
Amiko izany tsy fomba fa tena marika fa lasa zanak\'Andriamanitra ny olona iray!
Niavian\'ny fahotana fototra de avy @ Adama noho izany rhf mety mbola atao ho olombelona de mamita-tena raha hilaza fa tsy nanota fa samy efa nandova an\'io dhl isika vao teraka! :lol:
Noho izany rhf vita batemy/batisa de voafafa ny fahotana t@ fototra, saingy mandainga ze olona milaza fa tsy manota ao anatin\'indray andro ? 7*77 par/jour farafakeliny! Fa maninona no betsaka ny gadra nefa ny ankamaroany mpino vita batemy/batisa dhl ihany? Dikan\'izany mbola manota ny olona rhf tsy mibebaka sy mankato ny teniny!
Faharoa kristianina tsotra fotsiny ny olona iray fa ny dikan\'ny naterak\'Andriamanitra, ireo olom-baovao kosa de tena mandresy ny herin\'ny fahotana @ alalan\'ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatiny!
Fa ny fanontaniana manitikitika ahy koa de hoe n\'inona² marina izany atao eto an-tany de ze voasoratra ihany no voavonjy?
33. coopsal ( 24/02/2009 13:12)
Nandra1:
Fa ny fanontaniana manitikitika ahy koa de hoe n'inona² marina izany atao eto an-tany de ze voasoratra ihany no voavonjy?

==> Io no ao amin'ny Baiboly ko! Raha diso io dia tsy misy azo raisina ao amin'ny Baiboly, sady izany foana koa na ny notorian'ny Apostoly sy Jesoa aza.
34. coopsal ( 24/02/2009 14:07)
Nandra1:
Fa ny fanontaniana manitikitika ahy koa de hoe n'inona² marina izany atao eto an-tany de ze voasoratra ihany no voavonjy? ... mandainga ze olona milaza fa tsy manota ao anatin'indray andro ? 7*77 par/jour farafakeliny!

==> Io teninao io ihany dia manambara fa na dia manao asa soa sy marina betsaka aza ny olona dia meloka foana satria 7*77 / jour farafahakeliny.
KRISTY anefa no niteny hoe "Tsy izay manao tompoko tompoko no hiditra amin'ny fanjakàn'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra. Maro amin'izany no hanao amiko hoe : 'Tompoko, tompoko, moa ve izahay tsy efa nanao asa maro be tamin'ny anaranao? Efa namoaka demonia t@ anaranao, efa nanao fahagagana sy nitory teny t@ anarano ?' Izaho hanao aminy hoe 'mialà amiko ianareo mpanao meloka'". [Matio 7:21-23]
Ka ireo voatanisa ireo anie dia azo lazaina fa asa tsara sy marina betsaka e! Saingy mbola mpanao meloka foana na nanao an'zany aza. Ary ny mpanao meloka dia tsy mandova ny fanjakàn' Andriamanitra.

Ny amin'ny asa marina ataon'ny olona dia toy izao no hanoharako azy :
Nisy vehivavy iray nanamboatra quatre quart! Nisafidy ny lafarinina sy menaka, dibera ary siramamy faran'izay tsara izy, nataony tamin'ny fatra tena izy. Nisy strychnine kely latsaka tao anatin'ilay mélange. Dia hanontany anao aho hoe, mbola misy horaisina ihany ve le gâteaux amin'izay ? Na dia tsara fantina sy tsara vita aza ilay gâteaux, ny poizina ao anatiny dia mahatonga azy ho tsy azo raisina ka tsy maintsy hariana.

dia tahaka izany ny asa marina sy soa ataon'ny olona! NA dia ny asa tsara indrindra aza dia voapoizin'ny fahotan'ny olona. Ka tsy hisy horaisiny akory ireny rehefa eo amin'ny fitsaran' Andriamanitra. Koa ny fitiavan' Andriamanitra ny olona dia naniraka ny Zanak'Ondry tety an-tany Izy, ary izay voasoratra anarana ao amin'io bokin'ny fiainana an'ny Zanak'Ondry io no voavonjy.

Nandra1:
Ary Fa maninona no ilay batemy mihitsy no hisian'ny fahadisoana? fombafomba ivelany ahoana? Za kato fa ny fantatro aloha de ny tenin'i damopranay rhf manao batemy de "Zà manao batemy anao @ Ray, Zanaka sy Fanahy MAsina" ary misy rano miaraka @ izay, misy Jiro ho fahazavana sns...............

==>
Efa nisy ve fotoana nahatsapanao izany hoe "tena maizina amiko ny tany aman-danitra", kanefa ny andro mazava, na farafaharatsiny misy jiro eo ? Raha eny, izany no atao hoe aizin'ny Fanahy, ka hitanao amin'izany fa tsy ilay jiro sy hazavana ara-nofo no miteraka fahazavana ho an'ny fanahinao.

Efa nisy fotoana ve nahatsapan'ny fanahinao fa maloto ianao (satria nanota), kanefa dia olona avy nandro sy madio ny tenanao amin'izay ? Izany no mampiseho fa tsy ny rano ara-nofo mihitsy no afaka manadio ny fanahy.

Araka ny teninao, symbole ireny, fa tsy ireny no manadio. Tahaka ny tenu na miaramila izay efa lasa lamaody ka na miaramila na tsia dia manao fitafiana toitoy izany aby! Ny tsy miaramila koa afaka miteny hoe "mon Général" sady manao gardavou tahaka ireny miaramila ireny.
Koa ny fitenenana hoe "amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina" dia afaka tenenin'ny rehetra na damopr na rapasy na olona ts mino aza!

Eo no ilazako (ary ilazan'ny Apostoly Masina koa) hoe : tsy ny fombafomba ivelany no tena batisa, tsy ny rano, fa ny fon'ny olona mibebaka, tsy ny jiro fa ny Fanahin' Andriamanitra manamboatra ny fon'ilay olona ka mahatonga azy tsy ho mpanota intsony (araka izay efa nosoratanao rahateo).

Ny fampianarana Kato dia ahitana vérité spirituelle be dia be, saingy rehefa matérialisena ny Esprit dia miteraka fitaka ho an'ny olona satria dans le monde spirituel tsy hisy matériel akory. Ka ianao zatra zavatra matériel dia ho diso fanantenana sy ho vahiny be amin'ny monde spirituel :

1- Ny représentation an'i Jesoa na ny Olo-Masina @ sary vongana dia hiteraka fahazarana ho anao amin'ilay sarivongana, ka rehefa tena hifanena amin'i Jesoa sy ireo Olo-masina, izay efa fanahy ianao, dia tsy ho fantatrao izy ireo satria tsy ilay endrika fahitanao tsinona no ho hitanao. Izany no tsy nahafantaran'ireo mpianatra an'i Jesoa raha vao nitsangana tamin'ny maty Izy, satria tsy ilay vatana fahitan'izy ireo no hitany fa hafa mihitsy (na dia nisy ny diam-pantsika sy ny lefona aza). Fa ny nahafantaan'izy ireo Azy dia ny fombany sy ny teniNy : ny teniNy.
2- Rehefa zatra ny famirapiratana materialy ianao eo amin'ny fiangonana izay heverinao fa tranon' Andriamanitra, dia tsy ho tantinao ny hahita ny famirapiratana spirituel sy izay tena fonenan'ny fanahy ao amin' Andriamanitra. Tadidio fa ireo mpiandry ondry raha nahita ny Anjely tao amin'ny famirapiratana tsy emerveillé fa "raiki-tahotra indrindra", satria tsy famirapiratana ara-nofo no hitany ka hoe ho nahasarika sy nahababo azy, fa famirapiratam-panahy izay tsy nifanaraka tamin'y toe-tenany mpanota.
3- Na dia amin'ny materialy aza dia hita fa tsy ary mitovy ny fanadiovana ny zavatra rehetra! Ny fotaka sy loto dia ampiasana rano sy savony hanadiovana azy. Fa ny hamaintisan'ny charbon dia tsy ho voadionao velively na hampiasa rano 2000000 litres sy savony 2 taona aza ianao! Ny afo no manafaka ny hamaintisan'ny charbon.
Koa tahaka izany, ny loto sy fotaky ny fahotana dia produit spirituel sy rano spirituel (ny ràn'i KRISTY) no hanadiovana azy, fa tsy rano matériel. Ny hamaintisam-panahin'ny olona noho ny fahotana, dia mila afon'ny Fanahy Masina (tsy matériel) no manadio azy. Koa maro no ho menatra mafy raha hahita ny tenany tsy madio ... satria voafitaka niantehitra tamin'ny fanadiovana ny nofo fa tsy ny fanahy.

Mbola maro izy. Ny tiako hamaranana fotsiny dia izao : fitaovana nampitana fampianarana na i damopr na i rapasy na i coopsal. Fa ny mpampianatra dia iray ihany : Ny Fanahy Masina, koa amin'ny vavaka ataon'ny fonao, dia henoy ny Fanahy Masina hampianatra anao izay marina. Fa na dia KRISTY aza nilaza hoe : "marobe ireo zavatra mbola tiako lazaina anareo, kanefa mavesatra loatra aminareo izany ankehitriny, fa rehefa tonga ny Mpananatra, dia ny fanahin'ny fahamarinana, Izy hitarika anareo amin'ny marina rehetra, ary hampahatsiahy anareo izay nolazaiko" [Joany 14:26]
35. klitika ( 24/02/2009 19:30)
coopsal

Ka ahoana moa no ahafantaranao ny marina raha tsy fantatrao ny diso, ny tsy tanteraka ny heloka?
36. ikaretsaka ( 24/02/2009 19:44)
:-D tsara fipetsaka le fanontaniana
37. soanja ( 25/02/2009 02:11)
sipagasy:

ny amehezako azy angamba dia ny hoe misy ny fahotana ara-pivavahana izay milaza fa raha mandika ny ao anaty baiboly ianao dia manota izay, misy koa ny fahotana eo imason'ny mpiara-belona, izany hoe ilay 'code' eo à fiaraha monina no dikanao dia manota koa ianao izay, eto dia toa mipetraka ihany ilay fomba fitenin'ny razantsika hoe: "tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka", ka raha tsy manaiky sy tsy manaraka ilay 'vavam-bahoaka' ianao dia karazan'ny manota izany eo anatrehany.


Indry tiako foana na mpanota na tsia.


:-* :-* :-* :-* (l)
38. Fody ( 25/02/2009 07:40)
Coopsal:

Ny finoana dia fahasoavana avy amin'Andriamanitra, izany hoe: FANOMEZANA. Araka izay nolazain'i Kristy anefa dia tsy olona rehetra no nomena an'izany.... Ka raha fanomezana (fahasoavana) ny finoana an'i Kristy, ahoana no lazainao fa fahotana ny tsy finoana azy? Raha fahotana ny tsy finoana, toa milaza hoe. misy izany ny olona efa voatendry ho voavonjy ary misy ny olona tsy ho voavonjy mihitsy?

Raha fanomezana ny finoana, ireo izay tsy mba nahazo izany ve dia ho very daholo e? Dia iza no tena diso amin'ny fahaverezan'ireo, izy tsy nahazo ilay fanomezana, sa ilay mpanome tsy mba nanome?

Mba valio azafady
coopsal:
Fa ndeha indray horaisiko ny définition-nao : "ny manao izay rehetra mampisaraka amin' Andriamanitra no fahotana". Moa ve tsy efa tafasaraka amin' Andriamanitra ny olona ? Ka Ny finoana an'i Jesoa no mampihavana amin' Andriamanitra, izany hoe, ny tsi-finoana an'i Jesoa no mampisaraka amin' Andriamanitra indray eto. D'où : ny fahotana dia ny tsi-finoana an'i KRISTY.

Ny olona tsy mino an'i Jesoa dia tsy voatery hisaraka amin'Andriamanitra sy ny olombelona.
Ny hany mampisaraka azy amin'Andriamanitra dia ny Fahotana ihany, ka raha mifona amin'ny fo tokoa amin'Andriamanitra izy, dia mahatoky sy marina Andriamanitra ka hamela azy tokoa. Rehefa voavela ny helony dia tafaray amin'Andriamanitra indray izy. Izany hoe tsy voatery hino an'i Kristy izy.

coopsal:
Didin' Andriamanitra dia voafehy amin'ny hoe : fitiavana. Ary io fitiavana io dia mizara ho toy izao aloha :
1- Tiava an'i YHVH Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, ny sainao rehetra, ny herinao rehetra, ny fanahinao rehetra.
2- Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Io didy lazainao io dia didy mbola tsy nidiran'ny finoana an'i Jesoa Kristy. Nefa ny fanajana an'io dia efa mahavonjy.
Ny didy efa nidiran'ny finoana an'i Kristy dia hoe: "Mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo..." Ny nentin'i Kristy dia fandavorariana fa tsy fanamelohana akory. Noho izany tsy fahotana velively ny tsy finoana azy...

Am-pitiavana be.


39. soanja ( 25/02/2009 07:51)
coopsal:

soanja:
Fa ny hany azoko lazaina ho fahotana angamba dia ny zavatra fantatro fa tokony ataoko ho fanatsarana ny tenako sy ny manodidina ahy ary indrindra ny adidy tokony horaisiko momba ahy sy ny tontolo iainako nefa tsy notanterahako izany satria ny noho ny fisalasalana be loatra ny momban'ny fahatokisana an'Andriamanitra.

==> Tsy maninona raha izay no ekenao fa fahotana. Ny fanontaniana ary dia hoe : moa ve araka io définition nao io, Tena tanterakao ve izay tokony nataonao ary tsy nataonao ve izay fantatrao fa tsy tokony natao ? Incosciente foana ve ianao teo am-panaovana ny tsy nety sa nisy fotoana ianao nahafantatra tsara fa tsy nety ilay zavatra saingy "c t plus fort que toi" ?
Bref mpanota ianao sa tsia ? Condamnable et condamnée ve ianao sa tsia ?


Amiko tsy ilay farany no zava-dehibe fa ny fifandraisana eo ampanaovana azy. Ny tsy fahampian'ny fahatokisana an'Andriamanitra no ho fahotako raha misy. Zah anefa dia mino sy mahatoky azy. Noho izany tsy mpanota foana aho. Saingy kosa diso/ manota aho rehefa tsy mahavita ny adidy fantatro (consciente) tokony ataoko. Ohatra hoe mila maka rano madio sotroin'ny zaza kely madinika mipetraka eo akaikiko aho nefa kamo aho satria mety misy olon-kafa antenaiko fa hanao izany. Dia eo aho no manao diso na manota satria tsy manao ny zavatra tokony fantatro fa tokony ataoko. Ny fahafahana manarina ny hadisoana no haha olonafaka ahy anefa. Izay hadisoana tsy niniako kosa dia tsy fahotana velively izany fa ny natiora no nahatonga izany. Tsy hadisoan'ny natiroa fa zavamisy mitranga ny zavatsy nahy. Isika olombelona tsy mba nomen'Andriamanitra maso mahita lavitra be na hoe mahita ny ao ambadika sy ny ao anaty sns raha tsy hoe angaha hanao mazia... io indray hafa koa.


40. coopsal ( 25/02/2009 13:05)
Fody:
Ny finoana dia fahasoavana avy amin'Andriamanitra, izany hoe: FANOMEZANA. Araka izay nolazain'i Kristy anefa dia tsy olona rehetra no nomena an'izany

==> "Fa fahasoavana no namonjena antsika, tamin'ny alalan'ny finoana" hoy ny Apostoly Paoly. Tsy mbola nahita aho fa nisy olona sasany nomena finoana fa ny sasany tsy nomena raha araka ny Soratra Masina.
"Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao ... no manome an'izao rehetra izao ny aina ... ary izy ihany no nametra ... mba hitady an'Andriamanitra ny olombelona, raha tàhiny hahatsapa ka hahita azy, na dia tsy lavitra antsika rehetra aza izy;
" [Asan'ny Apostoly 17:24-27]
Amiko dia samy nomena finoana an' Andriamanitra daholo ny olona, fa tsy nisy tsy nomena finoana izany. Finoana no andaraisan'ny olona ny zavatra rehetra. Ary finoana no andraisana ny famonjena.
Tsy finoana fotsiny no nomen' Andriamanitra ny olona fa safidy koa. Ary ny olonano nisafidy tsy hino ny famonjena.

Ohatra iray, ny zaza minono dia tsy mba andrasan'ny reniny hanao asa akory na omeny sotro izay vao omeny sakafo. Efa vonona ny sakafo omena ilay zaza ary omen'ilay reny izany amin'ny fotoana tokony ho izy, fa raha ilay zaza no tsy mety hampiditra ny nonon-dreniny ao am-bava, ataoko fa tsy hadisoan'ilay reny velively ny tsy ihinanan'io zaza io. Ary izay ilay finoana, fanokafana ny vava handray ny mahavelona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0086