Fari-pahaizan'ny TGV

1. vilambava ( 20/02/2009 14:26)
Tena izay ve ny fari-pahaizan'i TGV (niveau intellectuel)? Rariny raha tsy omena fahefana izy. Aiza ve ka tetika nomanina tao anatin'ny herinandro maromaro ilay hoe hametraka governemanta kanefa dia ora vitsivitsy fotsiny dia nanjavona sy tsy hita intsony.
Izao indray dia lazaina fa mitohy ny tolona. Raha ny marina dia hanao départ à zero indray. Hita fa hoe mbola zaza mihitsy. Tsy mahay mijery lavitra, tsy manana programme fa dia arakaraka ny zava-mitranga no hanaovana basla rora eo amin'ny 13 mai eo. Vokany leo ny mpanaraka azy ka ireo tsy manan-katao sisa no mihaino azy.
Mapalaelo.
2. patrick2002 ( 20/02/2009 14:44)
Hita fa hoe mbola zaza mihitsy.

Ilay toe-tsainao no efa voa ,hita ianao fa efa dontoiny Ratsiraka ny toe-tsainao ,ka lazaina fa hoe 34 ans izany mbola zaza ,ny norme izany olona 34 ans izany efa manana carriere aty @ tany mandroso ,fa tsy ohatry ny any Madagasikara hoe 34 ans izany mbola misotro botakely eny anelakelatrano ,sy mitady asa etsy sy eroa ny tanora ,
Rariny raha tsy omena fahefana izy. Aiza ve ka tetika nomanina tao anatin'ny herinandro maromaro ilay hoe hametraka governemanta kanefa dia ora vitsivitsy fotsiny dia nanjavona sy tsy hita intsony.

Sendra an'izay Filoha miresaka @ ody mahery tsy mandinika ny zava-misy ,fa extremiste @ fivavahana ,miresaka @ fanahy masina hono nefa fanahin-demony dia izao no halehany ,efa niteny anao izaho fa tsy hiala mora mora io Ravalomanana io ,pire noho Ratsiraka io ka io tsy hiala eo na dia hanapoizina ny ranony Mandroseza aza amin'izay ho faty daholo ny mpanohana an'i Andry TGV ao Tana , vitanio Rangahy io izany ,hanarama miaramila 20 indray izy rahampitso hitifitra ny olona maka ministera dia haninona ianao.
Mbola ho sarotra ny hanalana anra-8 eo izay no teniko tsy ho mora ,miafara @ fahafatesany Andry TGV , dia misy mpitari-tolona iray miseho indray ,mandra-pahatonga ny guerre civil fa Ravalo tsy hiala moramora eo izany .
Ts manao tsinotsinona ny ain'ireo maty izaho fa mbola betsaka ny olona halainy Ravalo aina eo .
3. xxx ( 20/02/2009 14:48)
zavatsa tsy mitombina zany resaky zoky zany, tsy leo zany ny mpanaraka azy fa raha vao misy resaka sôsy ao de tonga foana ny tary, ny fampiderana sanjy nge vidina ry akama e! sady hi sam aza hatao maika ve fa manao defilé de mode eraky 13 mai sy ny arabeny Tanà. Sady manao prospeksion izay azo fivarotana azo hendasina eny andalana eny iany.
zao ny tary reetra raha tsy nisy any Tgv, tsy nahazo matôsy raha tsy nisy reny operation nilay be t@ voalohany ireny, ny vary sy ny menaka tany @ Magro mbola misy bobaka be voahangona ao , ka misy ohatrizany ndray ve ry akama a!!!!
4. klitika ( 20/02/2009 14:50)
Voan'ny ody mahery nga ty Ra-Pa?

Aza fady tena mbola fanina marina ianareo izany an, tsy nahazo kafe mahery tany amin'i Ranjomihena angaha alina.

Ireny nanao fitafiana maitso lomotra ireny ny mpizara aody, ary ilay misy galona somary volom-bolamena ireny ny mpimasy. Dia ilay misy kintana ny satrony no mpitan-kazomanga.

Nanoko sikidy teny ambaravaran'ny mpamosavy indray ry Ra-pa alina le
5. Noue ( 20/02/2009 14:50)
rehefa mbola vao 34 taona dia mahaiza mipetraka tsara fotsiny eee ! tsy ho lasa prezidà mahintsiny akory na andeha mbaka ny lohany aza !!
6. xxx ( 20/02/2009 14:56)
Zah mieritreritra fa efa ela aman-taonany no efa nanomanany an`io ary tafiditra tao anatin`izany planina maty paika izany ny hoe hilatsaka Maire mba hakana ny fon`ny Mponin`Antananarivo aloha dia ireo mponina ireo ihany no asaina manala ny Fitondràna eo . Ireo tetika ireo dia iarahan`leiry amin`ireo tapaka tombo-tsoa ary anisan`izany ny Firenena Frantsay , izay somary nataon`ity fitondrana ity ankilabao kanefa izy no Mpamatsy vola be indrindra ny Firenena , iray petsapetsa amin`izany Ratsiraka , sy ireo exilés maro efa te-hody satria efa manomboka lany vatsy angamba ka manimanina ny handray fitondrana indray . Mazava ho azy fa i Andry Rajoelina mila tambiny Milliard maro be satria tsy moramora io zavatra ataon`ileiry io fa mety hiantoka aman`aina ka izay no nampanaiky azy hanao an`io , ankoatran`ny fihavanany manokana amin`ireo AREMA exilés ireo sy ny adiny manokana amin-dRa8 . Tena mission io an`leiry io zany fa tsy misy hiraharahiany an`izay demokrasia zany na ny tombotsoanao izay manaraka azy . Mpilalao vola be ireny ka tsy mahamenatra azy ny mandainga mba hanintonana anao hiaraka aminy , tsy mahamenatra azy ny manao anao ho sorona sy tohatra fiakarana mba azahoany ny sôsy be avy eo . Mody manao ranomason-jazakely fotsiny izy r`efa lavon`ny bala eny amin`ny Zone Rouge ianao . Karamainy vola be ny JIOLAHY handoro sy HANDROBA amin`izay samy mahazo ny sahaza azy avy ry zalahy . Kofona mantsy amin`izay ny ekonomia , mikorokapa ny Fanjakana , ny jiolahy mahazo ny vokatry ny FANDROBANA ka samy faly . Nt hampandohalika an`i Madagasikara sy ny taranatsika no mahamay an`io bandikely io ka aoka ny rehetra mba ho tonga saina sy handinika lalina amin`izay . Mijanona ho azy io rehefa tonga saina ka tsy manaraka azy intsony ianareo
7. xxx ( 20/02/2009 15:00)
xxx : tena marina ireo voalazanao ireo, ary ny fizarana seza dia efa vita fony i Rajoelina nivahiny taty LaFrantsa fa tsy hoe notefitefena vonjy maika teo @ 13 mais akory.
Ny mampalahelo dia ny ampombolahy toa ndri andrywui no asaina mivazavaza erany tanàna nefa tsy mahalala ny tetika efa napetraka efa ela be !!!!
8. patrick2002 ( 20/02/2009 15:02)
Noue:

rehefa mbola vao 34 taona dia mahaiza mipetraka tsara fotsiny eee ! tsy ho lasa prezidà mahintsiny akory na andeha mbaka ny lohany aza !!


Efa voa koa ny toe-tsainy madame diplomate marina ,mba nianatra ve ianao nahazo anio toeranao io sah napetraky ra-valo . Ka izao no teneniko anao Etats-unis d"amerique dia zaza mbola 46 ans no mitondra azy ,nefa USA dia firenena matanjaka indrindra eran'izao tontolo izao (Politique ,Economique ,Financiere, Armement) ,misy vahoaka 260 millions ary fois 60 ny velarany madagasikara ny habeny .
Aok'izay fa manome lesona ny olona hanala CEPE indray izao nefa dia Diplomate no tsy mahay an'izay .
:oops: :oops: :oops:
9. Noue ( 20/02/2009 15:05)
zay fotsiny eeee ! tsy ho lasa prézidà io na andeha mbaka ny lohany aza eee!!! iééé ! tsy ny vondron'olona 2000 akory no atao hoe VAHOAKA !!!
10. xxx ( 20/02/2009 15:06)
patrick2002: alamino, alamino, misotro ise rano 1 vera fa tena miakatra zany tansiô zany, sao de harary eo !!!
11. patrick2002 ( 20/02/2009 15:14)
Zah mieritreritra fa efa ela aman-taonany no efa nanomanany an`io ary tafiditra tao anatin`izany planina maty paika izany ny hoe hilatsaka Maire mba hakana ny fon`ny Mponin`Antananarivo aloha dia ireo mponina ireo ihany no asaina manala ny Fitondràna eo .

n'importe quoi ,i Andry TGV tsy nieritreritra ny hanao politika mihintsy ,fa nitsahiny ra-8 ,izay no nampietsika ny hambopony hilatsaka Maire ,narodany Ravalo ny Panneau publicitaire ny Andry hazony t@ fomba ara-dalana mba hametrahana ny an'i TIKO pub ,
Rehefa lany Maire izy dia nalainy Ra-valo ny fahefany maha Maire azy tsy haazo hanendry filoham-pokontany ,tsy nomena budget ny commune Tana ,izay voalaza ao @ lalana , tapahina ny jirony commune ,tsy navela hitantana ny SAMVA ,sy ny gare routiere ny commune ,izany no manosika azy, haka toerana ambonibony kokoa ,hatraminy fangalana ny toerana FILOHA satria ,i ra valo tsy mitsahitra mihintsy ny hamotika an'i TGV .
Mahatoky izaho fa raha nohajainy Ravalo ny fahefany Andry @ maha ben'i tanana azy ,izay voasoratry ny lalana tsy ho isy izao zavatra izao.
12. xxx ( 20/02/2009 15:19)
Satria Andry Andriamanitra ...
13. tsinjo ( 20/02/2009 15:19)
Sendra an'izay Filoha miresaka @ ody mahery tsy mandinika ny zava-misy ,fa extremiste @ fivavahana ,miresaka @ fanahy masina hono nefa fanahin-demony dia izao no halehany

O ra-pa a, efa mpiandry bobaka be reny ve ra marina io lazain'ingahy io de mbola tsy voaroaka iany le devoly kle , so de mba fopla marina ary reny na kou ny tena marina de mpiakama amireo iany le devoly fa tsy le filoha ra8 akory , kou ra tsy inn kou efa fandroahana devoly nge zao e, miaraka am ranona eau vive kely afafifafy isaky ny mihetsika nefa mbola tsy miala iany le lazaina fa devoly :-D :-D :-D :-D
14. molota ( 20/02/2009 15:20)
ita miitsy hoe betsaka ny gasy tsy mahay "lalàna", aza Vendrana ihany oa! 34 ans ko hoé President TGV é hoé zao é ... , B tay mbava @ tsy misy dikany nareo TGViste ampiasao OA ny saina fa aza V! tsipidiny olona fotsiny dé nialà tao @ny ministera hihihi :-D :twisted:
15. xxx ( 20/02/2009 15:28)
zavatsa tsy mitombina zany resaky zoky zany, tsy leo zany ny mpanaraka azy fa raha vao misy resaka sôsy ao de tonga foana ny tary, ny fampiderana sanjy nge vidina ry akama e! sady hi sam aza hatao maika ve fa manao defilé de mode eraky 13 mai sy ny arabeny Tanà. Sady manao prospeksion izay azo fivarotana azo hendasina eny andalana eny iany.
zao ny tary reetra raha tsy nisy any Tgv, tsy nahazo matôsy raha tsy nisy reny operation nilay be t@ voalohany ireny, ny vary sy ny menaka tany @ Magro mbola misy bobaka be voahangona ao , ka misy ohatrizany ndray ve ry akama a!!!!
zao toe-tsaina izao kosa dia hita fa OLONA MPANGALATRA 8O
16. Mirananirina ( 20/02/2009 15:29)
Hay ve ka tena mbola tanora kely ity izy e.
17. patrick2002 ( 20/02/2009 15:36)
tena mbola tanora ,mitovy @ sipany mirananirina nefa efa lasa lavitra ,raha hampitahaina izy sy ny sipany mirana ,ny sipanao mbola misary gaigy manenjika boite de nuit etsy sy eroa ,ary mitady film porno @ ordi fa i Andry efa ny hahasoa ny firenena no katsahiny ,zany ka lehilahy ,handrodana ny fanandevozana ,sy ny jadona.
Tsy mitovy @ io sipanao io ity Andry ity ,fa aza manao fampitahana ah!
18. Noue ( 20/02/2009 15:39)
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) nga tsy DJ intsony klet'ieeee :-D :-D :-D :-D
19. Mirananirina ( 20/02/2009 15:40)
tena mbola tanora ,mitovy @ sipany mirananirina nefa efa lasa lavitra ,raha hampitahaina izy sy ny sipany mirana ,ny sipanao mbola misary gaigy manenjika boite de nuit etsy sy eroa ,ary mitady film porno @ ordi fa i Andry efa ny hahasoa ny firenena no katsahiny ,zany ka lehilahy ,handrodana ny fanandevozana ,sy ny jadona.
Tsy mitovy @ io sipanao io ity Andry ity ,fa aza manao fampitahana ah!

Azafady fa ny ahy ny vadiko lehibe sy matotra tsara.Tsy handrodana firenena sy hanimba any Dago sahala aminao sy tgv.
Ary aza afagaro ny x sy ny po......litika.Ndana mitady forum misy x fa any ny sahaza anao.
20. xxx ( 20/02/2009 15:42)
Mahay TGV ka. Mahay mandoro olona amin'ny fomba mihaja.

Izy ihany no mbola nahavita nandoro ny RNM izany ka afaka niala bala. Mila omena loka kely mihitsy izy aloha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1359