Ahoana no ahafantarana fa niteny tamiko na taminao Atra?
41. coopsal
(
23/02/2009 15:40)
Mirananirina:
sarotra be ny hamaly hoe mino na tsy mino,fa tsoriko aloha fa misy ny hinoako ary betsaka koa ny zavatra tsy hinoako.
Izaho koa aza misalalala hoe mino an'i Kristy ve aho?
==> Tahaka izany tsapanao izany indrindra no tsapako jusqu'avant novembre 2004.
Isan'ny tsy nampino ahy ny fahitako ny ataon'ny fiangonana Kristiana sy ny olona kristiana maro. Niady matetika izahay sy neninay noho ny filazako taminy ny foto-kevitro sy ny fanontaniana izay "adaladala" ho azy mpino nafàna fo.
Fa niova ny tantana rehefa nandre an'i KRISTY namaly ny fanontaniako aho. Du coup, nino izay nambaran'ny baiboly rehetra aho.
Taty aoriana vao nahazoako valiny tsikelikely ireo fanontaniana be dia be nampiahiahy ahy mikasika ny baiboly sy KRISTY. Ary tsy olombelona no namaly ny fanontaniako, fa KRISTY.
Mirananirina:
Mino ve ianao fa nahita an'i masina Marie i Rapatrice?
==> Tsy manan-kevitra ny amin'i raPatrice sy Masina Maria aho. na koa i Mahomet sy Allah hoe niresaka taminy.
Iray no fantatro, dia KRISTY niresaka tamiko, ary miresaka amiko mandraka ankehitriny, ary tsy amiko irery fa amin'ny olona rehetra. Satria hoy Izy : "indro izaho mitsangana eo am-baravarana mandondona, raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho ary hiara-misakafo aminy". Izany no niainako, rehefa voadona mafy ny foko dia nivavaka aho hoe "raha misy ianao Jesoa dia hazavao amiko ny anton'izao", dia namaly ahy Izy ka reko ny feoNy, dia nino azy aho ary nandray Azy am-po (nampiantrano), hatramin'izao tsy mbola deçu mihitsy aho hoe "kay tsy izy ilay niresaka tamiko", fa ny fandehan'ny fiainako dia mampiseho ahy mandrakariva ny maha Izy Azy.
Misaotra ireo nampahafantatra ahy momba an'i KRISTY aho, na ny vazaha na ny malagasy nitazona izany fahalalana izany, na ireo Ray aman-dReniko izay nitaiza ahy ho amin'ny fiainana kristiana, na ireo mpitondra fivavahana ... Fa KRISTY kosa no nampahafantatra ny tenany tamiko rehefa nangetaheta ny marina aho.
42. ikaretsaka
(
23/02/2009 16:04)
Iray no fantatro, dia KRISTY niresaka tamiko, ary miresaka amiko mandraka ankehitriny, ary tsy amiko irery fa amin'ny olona rehetra. Satria hoy Izy : "indro izaho mitsangana eo am-baravarana mandondona, raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy aho ary hiara-misakafo aminy".
tsy azoko le hoe niresaka taminao mandraka ankehitriny i Kristy kanefa avy eo zavatra nolazainy notaterin'ny mpianany efa eeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeelabe no tsimponinao sy averinao
43. Mirananirina
(
23/02/2009 16:38)
Iray no fantatro, dia KRISTY niresaka tamiko, ary miresaka amiko mandraka ankehitriny, ary tsy amiko irery fa amin'ny olona rehetra. Satria hoy Izy :
Mba asaivo miresaka amiko ary izy fa mbola tsy nandre ny feony mihitsy aho e
46. xxx
(
24/02/2009 05:25)
Mba asaivo miresaka amiko ary izy fa mbola tsy nandre ny feony mihitsy aho e
Eny, misy ny Fanahy Masina izay mibitsika @ olona, ary tena toy ny miresaka mihintsy, zà nieritreritra toy izany anareo izany hoe cinglé aho fa réel io!
Rehefa nateraka fanindroany @ Fanahy Ianareo de haheno an'io ihany koa ary tsy ho adinonareo io manomboka eo! Ary marina izany an'i Coopsal zany hoe @ olona rht satria zà Kato ary mbola mijanona @ fampianarana zay nitaizana ahy fony zaza aho :lol:
47. coopsal
(
24/02/2009 12:45)
Ikaretsaka:
tsy azoko le hoe niresaka taminao mandraka ankehitriny i Kristy kanefa avy eo zavatra nolazainy notaterin'ny mpianany efa eeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeelabe no tsimponinao sy averinao
==> Araka ilay ao amin'ny fanekempinoana hoe : "fiombona amin'ny Olona Masina". Miombona amin'ireny Olona Masina ireny aho, ary asehoko amin'ny alalan'ny fanambaran'izy ireo izay ijoroako vavolombelona izany.
Hoy KRISTY hoe, raha ny tenin'ireny aza tsy inoanareo, ahoana nohinoanareo na dia hisy avy any amin'ny maty aza hitsangana ka hitory ?
Ary azonao tsara ve ilay hoe : "ary tsy amiko irery fa amin'ny olona rehetra" ? Tahaka ny iresahan'i KRISTY amiko no iresahan'i KRISTY aminao sy amin'ny olona rehetra, ary tahaka izany koa no niresahan'i KRISTY tamin'ireo Apostoly sy mpianatra fahizay. Nahatonga an'i Paoly niteny hoe "Fa izay ampianariko anareo dia tsy noraisiko avy tamin'ny olona, fa avy tamin'i KRISTY".
Ny mahasamy hafa ny mpino sy ny tsy mpino dia misy ireo mihaino an'i KRISTY ary mino sy mankato ny teniNy, misy ireo mandre fa tsy mino ary dia tsy mivaky loha, tahaka ireo jiosy mpanara-dia aminarivony fahiny.
48. coopsal
(
24/02/2009 13:05)
Mirananirina:
Mba asaivo miresaka amiko ary izy fa mbola tsy nandre ny feony mihitsy aho e
==> T@ Izy nofo dia nampahafantatra ny tenaNy tamin'ny olona izy, soit t@ fahagagana isan-karazany, soit t@ fapianarana mikasika ny fanjakàn' Andriamanitra (fanoharana isan-karazany), soit t@ toriteny. Tsy miova KRISTY ka mbola amin'ny toy izany ihany no ifampiresahaNy amin'ny rehetra koa isanandro. Ny maha samy hafa dia tamin'izany Izy nofo, ankehitriny Izy Fanahy.
49. coopsal
(
24/02/2009 14:05)
Mirananirina:
Mba asaivo miresaka amiko ary izy fa mbola tsy nandre ny feony mihitsy aho e
==> Misy vehivavy anakiray izay tsy nitovy antokom-pinoana t@ Jesoa :i Jesoa jiosy, izy samaritana, ry Jesoa (ny jiosy) nilaza fa any Jerosalema no tokony ivavahana @Andriamanitra, Izy sy ny razany nivavaka tamin' Andriamanitra teo amin'ilay tendrombohitra nanamorona ny fantsakàn'i Jakoba.
Tamin'ny voalohany, lehilahy jiosy no hitany, toy ireny nila vonjy taminy ireny ... Fa rehefa niteny taminy ny fiainany io lehilahy io dia niaiky izy aloha fa mpaminany iny. Nahafantatra mikasika ny mesia ravehivavy ary isan'izay nitady hahita ny Mesia, rehefa i Jesoa (ilay ninoany ho Mpaminany) no niteny taminy hoe "izaho no Izy", dia nino Izy ary dia navelany teo daholo ny rehetra fa lasa izy nijoro vavolombelona tao an-tanàna. Ny tao an-tanàna kosa, na dia tsy nahita an'i Jesoa aza ary tsy nandre, ny fahitan'izy ireo ilay vehivavy (izay niafina mandrakariva) sahy niseho nilaza fa nahita ny mesia dia nahatonga azy ireo hivoaka ny tanàna ka hizaha ilay lazaina fa Mesia ... ary izy ireo mihitsy no nandre an'i KRISTY niteny avy teo ka maro no nino.
Izaho eto dia tahaka ilay vehivavy izay tsy sahy sy tsy tia niresaka momba an'izany Jesoa izany teo amin'ny olona. Fa nandre ny feon'i KRISTY aho, dia indro tonga aty amin'ny forum.serasera hanambara fa i KRISTY dia velona tokoa, Izy tokoa no itenenan' Andriamanitra amin'ny olona. Manana choix izay mihaino ny lazaiko eto na hivoaka ny tanàna (spirituellement parlant) feno doutes misy azy mba hi-vérifier an'izany KRISTY izany na tsia. Ka hoy aho hoe, ni témoigner taminao aho teto! Fa nanana fiainana tahaka anao koa, mpivavaka be, kristiana nafàna fo, saingy nisalasala ny amin'ny fisian'i Jesoa marina. Tsy afaka hanao mihoatra an'izay aho!
Raha ny hahenoanao ny feoNy dia izao no teniNy : "vao tsy mangataka akory ianareo dia efa fantatry ny Rainareo izay any an-danitra ny ilainareo ... fa ianareo, mankanesa ao amin'ny mangingina, arindrino ny varavarana, ary ny Rainareo izay ao amin'ny mangingina hamaly anareo". [Matio 6:6-8] Ao amin'ny fonao izay endroit le plus secret (mangingina) du monde, arindrino amin'ny toetran'ny hafa sy ny hataon'ny hafa sy ny zava-drehetra ny fonao, fa ny Ray izay efa ao am-ponao no hamaly ny fanirianao mba handre an'i Jesoa, ary dia haheno Azy ianao.
"Fa anio, raha hihaino ny feony ianao, aza manamafy ny fonao".
50. ikaretsaka
(
24/02/2009 16:33)
gasy i mirana fa tsy jiosy de gasy koa i coopsal fa tsy samaritanina..
ka ataovy resak agasy le izy fa tsy resaka tsimpona
fanoharana kely: atao hoe hampianatra katesizy na sekoly alahady ianao ka raha hiresaka vorona @ ny ankizy any an'ala ve ry coopsal dia tantarana roplanina novakianao ao anaty diksionera no ho tantarainao ny ankizy ...
hisy hiditra ve?
ka ataovy resak agasy le izy fa tsy resaka tsimpona
fanoharana kely: atao hoe hampianatra katesizy na sekoly alahady ianao ka raha hiresaka vorona @ ny ankizy any an'ala ve ry coopsal dia tantarana roplanina novakianao ao anaty diksionera no ho tantarainao ny ankizy ...
hisy hiditra ve?
51. soanja
(
24/02/2009 17:38)
coopsal:
Mirananirina:
Mba asaivo miresaka amiko ary izy fa mbola tsy nandre ny feony mihitsy aho e
==> T@ Izy nofo dia nampahafantatra ny tenaNy tamin'ny olona izy, soit t@ fahagagana isan-karazany, soit t@ fapianarana mikasika ny fanjakàn' Andriamanitra (fanoharana isan-karazany), soit t@ toriteny. Tsy miova KRISTY ka mbola amin'ny toy izany ihany no ifampiresahaNy amin'ny rehetra koa isanandro. Ny maha samy hafa dia tamin'izany Izy nofo, ankehitriny Izy Fanahy.
Ka izy Fanahy io ve izany = soratra anaty boky , izy tsy inona fa baiboly?
Miresaka Andriamanitra amin'ny zava-drehetra ary tsy aiza fa ilay feon'ny fieritreretana ao anatintsika manoro antsika ny lalan'ny fahamarinana. Mampijoro ny safidy isan-karazany. Mampivoitra ny fiafarana ary ahitana mangirana amin'ny fahafahana nanao zany safidy izany fa tsy nisy niambozona vinny fangejana ny nanaovana ny safidy. Andriamanitra miresaka dia ilay fahitana ireo lalana tokony aleha sy fahafahana manao izany sy ny olana rehetra eny an-dalana ary ny vokatra azo manoloana ny safidy.
53. klitika
(
24/02/2009 19:14)
Mety ho vaky mbakan'ny ampongan-tsofina angamba raha mahare an'Atra miteny izany, na tonga dia mety hipitsoka mihintsy.
54. coopsal
(
25/02/2009 15:17)
Ikaretsaka:
gasy i mirana fa tsy jiosy de gasy koa i coopsal fa tsy samaritanina..
ka ataovy resak agasy le izy fa tsy resaka tsimpona
==> Izaho tsy nampitaha ny tenako tamin\'i Jesoa teto! Fa ilay vehivavy Samaritana. Aoka i Mirananirina no hiteny izay tsy azony satria ho azy ny resaka.
Ny amin\'ny fampianarana ny ankizy, tsy mila fanoharana fa tonga dia miteny mahitsy dia ampy ny ankizy.
